Te ho sambatra ve ianareo?
Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ho mora kokoa sy sambatra kokoa ary heniky ny fifaliana kokoa ny fiainanareo.
Te ho sambatra ve ianareo? Inona no mahatonga anao tsy ho sambatra? Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha te ho ory ianareo, dia dikao ireo didy, ary aza mibebaka na oviana na oviana. Raha te hanam-pifaliana ianareo dia mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”1 Tsy mora ve ny hoe sambatra? Ataovy fotsiny ireo fanekempihavanana dia tandremo izy ireny eo amin’ny fiainanareo. Ndeha isika tsirairay hamerina hijery ireo zavatra izay manampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy mahatonga antsika ho sambatra.
1. Inona no atao hoe lalan’ny fanekempihavanana?
Araka ny Loholona Dale G. Renlund: “ny teny hoe lalan’ny fanekempihavanana dia hoentina hilazana andiana fanekempihavanana izay ahafahantsika manatona an’i Kristy sy mifandray Aminy. Mahazo ny heriny mandrakizay isika, amin’ny alalan’io fifamatorana ara-panekempihavanana io. Ilay lalana dia manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, arahan’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina.”2 Manavao ireny fanekempihavanana ireny isika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo.
Manomboka amin’ny fanekempihavanan’ny batisa dia manao fanekempihavanana bebe kokoa isika mandritra ny fiainantsika. Mbola nilaza ihany ny Loholona Renlund hoe: “Ny lalan’ny fanekempihavanana dia mitarika ho amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly, toy ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Ny fanafiana masina dia fanomezan’ Andriamanitra ireo fanekempihavanana masina izay mampifandray antsika feno kokoa Aminy.”3
2. Moa ve ianao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?
Indraindray rehefa manao fanekempihavanana isika dia tsy mahatandrina azy ireny. Rehefa mitranga izany, ahoana no ahafahantsika miverina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Mamelà ahy hizara ohatra vitsivitsy amin’ny fiverenana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Iray volana mahery kely izay dia naharay hafatra iray avy tamina misiônera tafaverina avy nanao asa fitoriana izay niara-nanompo taminay aho. Hoy izy: “Sarotra ny fotoana faramparany izay. Navesatra tamiko sy tena sarotra ny fiadiana amin’ny tahotra sy rarin-tsaina isan’andro. Nahatsapa ho manirery sy ory tsotra izao aho. Nivavaka aho hahazoana fitarihana avy amin’ny Raintsika any An-danitra mba hahita fiadanana sy fampiononana ao amin’izay azoko atao hiadiana amin’ny fahasarotana. … Rehefa nivavaka aho dia nahatsapa ny bitsiky ny Fanahy nilaza tamiko fa mila mandoa feno ny fahafolonkareko aho. … Tsapako mafy ny Fanahy ka nahatsapa fahamehana hanao izany teo no ho eo aho. Niaraka tamin’ny faniriana hanao izany dia tsapako ilay bitsika hoe -raha mandoa ny fahafolonkarenao ianao dia hilamina ny zava-drehetra.- Sahirana aho mahita fiadanana saingy manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjintsika aho ary amin’ny alalan’ny fankatoavako no ahafahako mahatsapa sy mahita ilay fiadanana tadiaviko ao am-poko sy saiko. Nanapa-kevitra aho vao haingana ny hiverina any amin’ny Fiangonana sy hikatsaka ny Fanahy amin’ny zavatra rehetra ataoko.”
Amin’izao dia milamina tsara izy. Ianareo koa dia mety hangataka fiadanana amin’ny Ray any An-danitra saingy mety ho samy hafa amin’izay andrandrainareo ny valinteny. Raha mbola mikatsaka ny hahafantatra ny Mpamonjy sy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ianareo dia hanome anareo valiny natokana ho anareo manokana Izy.
Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:
“Ny lesona lehibe indrindra azontsika ianarana eto amin’ny fiainana an-tany, dia hoe rehefa miteny Andriamanitra ka mankatò isika dia hanana ny marina foana isika.”4
“Rehefa mitandrina ny didy isika dia ho sambatra kokoa sy hahafapo kokoa ary ho tsotra kokoa ny fiainantsika. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana, ary handray ireo fitahiana nampanantenain’ [Andriamanitra] isika.”5
Nandritra ny fotoana sarotra indrindra teo amin’ny fiainako no niantsoana ahy ho eveka. Raim-pianakaviana tanora tao amin’ny faha-30 taonako aho saingy sahirana ara-bola noho ny olana ara-pianakaviana. Tsy nahita vahaolana aho, ary nieritreritra fa tsy hitsahatra na oviana na oviana ireo olana. Tsy nanam-bola aho ary torovana ara-pihetseham-po. Nanomboka niahiahy momba ny tanjako ara-panahy ihany koa aho. Tamin’izany fotoan-tsarotra izany no nanoloran’ny filohan’ny tsatòkako ilay antso tamiko. Nekeko ilay antso na dia mafy aza izany.
Nanao dinidinika tamin’ny filohan’ny tsatòka ihany koa ny vadiko, kanefa tsy afaka ny hanaiky izy ary tsy nandà ihany koa fa dia tsy nitsahatra ny nilatsa-dranomaso. Nitomany izy nandritra ny herinandro manontolo, nanontany ny Ray any An-danitra hoe: “Nahoana no izao?” sy hoe “Tena mahafantatra ny isam-batan’olona tsirairay ve Ianao?” Tsy nahazo valiny izy, ary notohanana ho eveka aho ny alahady manaraka. Tsy nametraka ireo fanontaniana ireo tamin’ny Ray Any an-danitra intsony izy fa nanohana ahy tamin’ny antsoko nandritra ny enin-taona.
Tamin’ny andro nisaorana ahy dia nandre feo ny vadiko raha teo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo. Nibitsibitsika taminy ilay feo hoe: “Satria sarotra loatra taminao ny nandeha, dia niantso azy ho eveka aho mba hihazona anao sy handeha eo amin’ny toeranao.” Rehefa nanao jery todika ny enin-taona lasa izy, dia hitany fa efa voavaha teny am-pandrosoan’ny fotoana teny ireo olana maro izay toa tsy nisy fiafarany.
Nianarantsika fa rehefa mieritreritra isika fa tsy fotoana tsara handraisana antso ny fotoana iray, dia izany no mety ho ny fotoana tena ilantsika izany antso izany. Mahita izay ilaintsika ny Tompo na oviana na oviana Izy no mangataka antsika mba hanompo amin’izay mety ho antso, na maivana izany na mavesatra Manome ny tanjaka ilaintsika Izy ary manana fitahiana vonona harotsaka amintsika rehefa manompo amim-pahatokiana isika.
Misy zavatra maro hafa manelingelina antsika tsy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Na inona na inona izany dia tsy mbola tara loatra ny mampitodika ny fontsika amin’ny Ray any An-danitra mba hahazoana fanampiana. Nampianatra antsika ny Loholona Paul V. Johnson hoe: “Rehefa manaraka an’i Satana isika dia manome hery azy. Rehefa manaraka an’ Andriamanitra isika dia omeny hery.”6
Hoy i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’ izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”7
3. Ahoana no ahafahan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’Andriamanitra mitondra fahasambarana ho anareo?
Nilaza ny vadiko fa mampiray zioga anay ny fanambadianay, ary noho izany dia afaka manao ireo zavatra tsy vitany teo aloha izy. Efa hatramin’ny fahazazany, ohatra, dia sarotra taminy ny mivoaka rehefa maizina, nefa tsy sarotra intsony izany satria miaraka aminy aho. Fohy izy ary tsy afaka mahatratra eny amin’ny talantalana avo raha tsy mampiasa seza na tohatra, fa ny zavatra eny amin’ny talantalana avo dia azoko alaina ho azy satria lava noho izy aho. Toy izany koa ny fitondrana ny ziogan’ny Mpamonjy eo amintsika. Rehefa miaraka mitondra zioga Aminy isika dia afaka manao zavatra izay tsy ho vitantsika samirery satria afaka manao ireo zavatra izay tsy ho vitantsika ho an’ny tenantsika Izy.
Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo. Ny zava-dehibe indrindra dia manasa antsika hiantehitra Aminy sy hiara-mitondra ny enta-mavesatra Aminy ny Mpamonjy, na dia tsy mitovy sy tsy azo ampitahaina amin’ny Azy aza ny ezaka lehibe indrindra vitantsika. Rehefa matoky Azy isika sy mitondra ny enta-mavesatsika miaraka Aminy mandritra ny fiainana ety an-tany, dia marina tokoa fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.”8
Nampianatra koa ny Filoha Nelson hoe:
“Ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra”9.
“Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. Manamora ny lalantsika io hery io. Ireo izay miaina ny lalàn’i Jesoa Kristy izay ambony kokoa dia afaka mahazo ny heriny ambony kokoa.”10
“Manamora ny fiainana raha ny marina ny fitandremana fanekempihavanana! Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy.”11
Ry rahalahy sy anabavy malalako, te ho sambatra ve ianareo? Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ho mora kokoa sy sambatra kokoa ary heniky ny fifaliana kokoa ny fiainanareo. Manasa antsika ny Mpamonjy antsika manao hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.”12 Izy no ilay Kristy velona. Mitondra ny enta-mavesatsika Izy ary manamora ny fiainantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.