Zanany isika
Samy iray fiaviana avy amin’ Andriamanitra isika ary samy tsy misy fetra ny hery anaty ananantsika noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.
Tsaroanareo ve ny zavatra niainan’i Samoela Mpaminany rehefa nirahin’ny Tompo ho any an-tranon’i Jese izy hanosotra ny mpanjaka vaovaon’ny Isiraely? Nijery an’i Eliaba lahimatoan’i Jese i Samoela. I Eliaba dia toa ranjanana sady nanana bikana-mpitarika. Hitan’i Samoela izany ary tonga dia naka tsoa-kevitra izy. Diso ny tsoa-kevitra noraisiny, ary nampianatra an’i Samoela ny Tompo hoe: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany; … fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.”1
Tsaroanareo ve ny zavatra niainan’ilay mpianatra, Ananiasy, rehefa nirahin’ny Tompo hametra-tanana an’i Saoly izy? Efa fantany ny laza ratsin’i Saoly, ary ren’i Ananiasy ny momba an’i Saoly sy ny fanenjehany tsy an-kiato sy feno habibiana an’ireo Olomasina. Rehefa nandre i Ananiasy dia naka tsoa-kevitra fa angamba tsy tokony handeha hanao fanompoana any amin’i Saoly izy. Diso ny tsoa-kevitra noraisiny ary nampianatra an’i Ananiasy ny Tompo hoe: “Fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny zanak’Isiraely.”2
Inona no olana teo amin’i Samoela sy i Ananiasy tamin’ireo toe-javatra roa ireo? Nijery tamin’ny masony izy ireo sy nandre tamin’ny sofiny, ary vokatr’izay dia lasa nitsaratsara ny hafa tamin’ny endrika ivelany sy ny honohono.
Rehefa nahita ilay vehivavy tratra nijangajanga ny mpanora-dalana sy ny Fariseo dia inona no hitan’izy ireo? Vehivavy janga, mpanota mendrika ny ho faty. Rehefa nahita azy i Jesoa dia inona no hitany? Vehivavy izay resin’ny fahalemen’ny nofo anatin’ny fotoana fohy kanefa mbola azo vonjena amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny Sorompanavotany. Rehefa nahita ilay kapiteny izay nanana ankizilahy nararin’ny paralisisa ny olona dia inona no hitan’izy ireo? Angamba mety nahita olon-tsy fantatra, vahiny, olona iray tsy horaharahiana izy ireo. Rehefa nahita azy i Jesoa dia inona no hitany? Lehilahy iray niahy izay mahasoa ny ankohonany, sy nitady ny Tompo tamim-pahatsoram-po sy tamim-pinoana. Rehefa nahita ilay vehivavy nanana olana nandeha ra ny olona dia inona no hitan’izy ireo? Angamba vehivavy maloto, olona efa voailika tokony handosirana. Rehefa nahita azy i Jesoa dia inona no hitany? Vehivavy farofy, manirery sy voailika noho ny toe-javatra tsy voafehiny, izay nanantena ny ho sitrana sy hanana ny anjara toerany indray.
Tamin’ireo tranga tsirairay ireo dia nahita ireo olona manokana ireo tamin’ny naha izy azy ireo ny Tompo ary nanompo ny tsirairay tamin’izy ireo araka izany. Araka ny nambaran’i Nefia sy i Jakôba rahalahiny hoe:
“Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy … , na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy; ary mahatsiaro ny hafa firenena Izy; ary ho an’Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”3
“Ary ny mananaina iray dia sarobidy eo imasony tahaka ny iray hafa.”4
Enga anie koa isika tsy hamela na ny masontsika na ny sofintsika na ny tahotsika hamitaka antsika, fa hanokatra kosa ny fontsika sy ny saintsika ka hanompo malalaka ireo manodidina antsika tahaka izay nataony.
Taona vitsy lasa izay dia nahazo anjara asa fanompoana tsy nahazatra i Isabelle vadiko. Nasaina izy hamangy vaviantitra mananotena tao amin’ny paroasinay, rahavavy nanana olana ara-pahasalamana sy nitondra ny mangidy teo amin’ny fiainany noho ny fanireriny. Nosintonina ny lambam-baravarany; nakatokatona ny tranony; tsy te hovangiana izy ary nataony mazava hoe “tsy misy zavatra azoko atao ho an’iza na iza.” Tsy kivy Isabelle namaly hoe: “Misy ka! Afaka manao zavatra ho anay ianao amin’ny famelana anay hiditra hamangy anao.” Dia nandeha tamim-pahatokiana Isabelle.
Fotoana fohy taty aoriana dia nodidiana ny tongotr’io rahavavy tsara fanahy io izay nitaky ny fanadiovana ny feriny isan’andro, zavatra izay tsy ho vitany irery. Nandeha tany an-tranony andro maromaro i Isabelle, nanasa ny tongony sy nanao ny fanadiovana ny feriny. Tsy mba nahita haratsian-tarehy mihitsy izy; tsy mba nahare fofona maimbo mihitsy izy. Vehivavy tsara tarehy zanak’ Andriamanitra nila fitiavana sy fikarakarana malefaka no hany hitany.
Nandritra ny taona maro dia voatahy izaho sy ireo hafa tsy voatanisa noho ny fanomezam-pahasoavana nananan’i Isabelle, dia ny mijery araka ny fijerin’ny Tompo. Na filohan’ny tsatòka ianao na mpandray olona ao amin’ny paroasy, na mpanjakan’ny Angletera ianao na mipetraka amina trano bongo, na miteny ny fiteniny ianao na amin’ny fiteny hafa, na mitandrina ny didy rehetra ianao na mitolona amin’ny sasantsasany, dia horosoiny anao amin’ny lovia tsara indrindra ananany ny sakafo tsara indrindra ao aminy. Tsy manan-danja aminy na toe-karena, na volon-koditra, na ny fiavian’ny kolontsaina, na ny firazanana, na ny ambaratongan’ny fahamarinana, na toerana misy eo amin’ny fiarahamonina, na izay famantarana na marika hafa. Mijery amin’ny fony izy; mahita ny maha-zanak’ Andriamanitra ao amin’ny tsirairay izy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Mifaly amin’ny anarana apetaka ny fahavalo satria mampisara-bazana antsika sy mametra ny fomba fiheverantsika ny tenantsika sy ny tsirairay izy ireny. Mampalahelo tokoa rehefa manaja marika famantarana kokoa mihoatra noho ny fifanajana isika.
“Mety hitarika ho amin’ny fitsarana sy ny fankahalana ny anarana apetaka. Ny herisetra rehetra na ny fitsarana an-tendrony atao amin’ny hafa noho ny zom-pirenena, ny firazanana, ny fironana ara-pananahana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny fianarana nodiavina, ny kolontsaina, na ireo famantarana manan-danja hafa dia manafintohina ny Mpamorona antsika!”5
Tsy hoe Frantsay no maha izaho ahy; toerana nahaterahako izany. Tsy fotsy no maha izaho ahy; lokon’ny volon-koditro izany, na mety tsy fahampiany. Tsy mpampianatra no maha izaho ahy; nataoko hamelomako ny fianakaviako izany. Tsy Fitopololahy Manampahefana Ambony no maha izaho ahy; toerana hanompoako ao amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao izany.
“Voalohany sy farany,” araka ny nampahatsiahivin’ny Filoha Nelsona antsika: “zanak’ Andriamanitra” aho.6 Tena zanany tokoa ianao, ary zanany tokoa ny olona hafa rehetra manodidina antsika. Mivavaka aho mba hankasitraka kokoa an’io fahamarinana mahafinaritra io isika. Mampiova ny zavatra rehetra izany!
Mety nobeazina tamina kolontsaina samihafa isika, mety avy amina toe-javatra ara-toekarena samihafa; mety ho samy hafa be mihitsy ny lovantsika eto an-tany, ao anatin’izany ny zom-pirenena, ny volon-koditra, ny sakafo ankafizina, ny firehana politika sy ny sisa. Kanefa dia Zanany isika, isika rehetra tsy misy an-kanavaka. Samy iray fiaviana avy amin’ Andriamanitra isika ary samy tsy misy fetra ny hery anaty ananantsika noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.
Nametraka izany toy izao i C.S Lewis: “Tena zavatra matotra izany hoe miaina ao anatin’ny fiaraha-monina iray izay mety hisy olona ho lasa andriamanitra lahy sy vavy izany, sy ny mitadidy fa ny olona izay mahasorena sy tsy mahaliana anao indrindra … no indray andro any, raha hitanao amin’izao fotoana izao, no ho ilay olona izay hahatonga anao ho alaim-panahy tokoa ny hitsaoka azy … Tsy misy izany hoe olona tsy miavaka izany. Tsy mbola niresaka tamina olona mety maty tsotra izany mihitsy ianao. Ny firenena, ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny sivilizasiôna —ireo no mety maty, ary ny fiainan’izy ireny amintsika toy ny fiainan’ny moka. Saingy ny tsy mety maty dia ireo izay niarahantsika nisangy, niarahantsika niasa, nalaintsika ho vady, izay tsy noraharahiantsika ary nararaotintsika.”7
Nanana tombontsoa niana tany amin’ny firenena sy kolontsaina samihafa ny fianakavianay; voatahy ireo zanakay nanambady avy any amin’ny foko samihafa. Lasa fantatro fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no fampitoviana lehibe. Rehefa tena ekentsika izany, “ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.”8 Manafaka antsika io fahamarinana mahagaga io, ary ireo mari-pamantarana sy fanavahana rehetra izay mety mampahory antsika sy ny fifandraisantsika dia “voatelina … ao amin’i Kristy” tsotra izao.9 Hihamazava izany afaka fotoana fohy fa isika sy ireo hafa ihany koa, “dia tsy mba vahiny sy mpivahiny, fa mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’ Andriamanitra.”10
Vao haingana aho no naheno ny filohan’ny sampana iray amin’ireo rantsana misy anay miteny fiteny maro niresaka izany tahaka izay nolazain’ny Loholona Gerrit W. Gong hoe fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana.11 Foto-kevitra tsara tokoa izany! Mpikambana ao amina vondron’olona izay miezaka avokoa ny hametraka ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanan’izy ireo ho ivon’ny fiainany sy hiaina ny filazantsara amin-kafaliana isika. Noho izany dia aleo ny filazantsara no hanitsy ny fijerintsika ka hahatonga antsika hifampijery amin’ny fijery tsy miovaova tsy misy tomikan’ny fanekempihavanana masina nataontsika toy izay hifampijery amin’ny fomba fijery mivilana amin’ny maha olombelona. Rehefa manao izany isika dia manomboka manala ireo fitsaratsarantsika voajanahary sy ny fiangarana amin’ny hafa, izay manampy azy ireo ihany koa hanena ny fitsaratsarany sy ny fiangarany amintsika,12 ao anatin’ny hodinkodina mendrika mahafinaritra. Tena manaraka ny fanasan’ny mpaminany malalatsika isika manao hoe: “Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena manan-danja ny fomba fifampitondrantsika! Tena manan-danja ny fomba firesantsika amin’ny hafa sy momba ny hafa any an-tokantrano, any am-piangonana, sy any am-piasana ary ao amin’ny tambajotran-tserasera. Androany dia mangataka antsika aho mba hifandray amin’ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa sy masina kokoa.”13
Amin’ity tolakandro ity, amin’ny fanahin’izany fanasana izany dia maniry ny hanampy ny fitalahoako amin’ny an’ireo ankizy Kilonga mahafinaritra aho hoe:
Raha toa ka hafa famindra ianao,
Ao ’reo hiala sy handao,
Fa tsy izaho! Tsy izaho!
Raha toa ka hafa fiteny ianao,
Ao ’reo hihomehy tsotra izao,
Fa tsy izaho! Tsy izaho!
’Zaho hiara-dalana aminao. ’Zaho hiresaka aminao.
Satria izaho tia anao.
Jesoa tia tsisy fepetra.
Tia ny olona rehetra.
Ka hanao Izany aho!14
Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy izay antsointsika hoe Raintsika any An-danitra dia tena Raintsika, tia antsika Izy ary fantany manokana ny Zanany tsirairay, mieritreritra lalina ny momba ny tsirairay Izy ary Aminy isika dia mitovy daholo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fomba fifampitondrantsika no taratry ny fahatakarantsika sy ny fankasitrahantsika ny sorona faratampony sy Sorompanavotan’ny Zanany Lahy, ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy. Mivavaka aho mba hitia ny hafa tahaka Azy isika, satria izany no zavatra mety tokony ho atao fa tsy hoe satria manao ny tsara izy ireo na hoe izany no mifanaraka amin’ny tena -mety-. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.