Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mihoatra lavitra noho ny maherifo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


10:8

Mihoatra lavitra noho ny maherifo

I Jesoa Kristy dia tsy maherifontsika fotsiny ihany, fa Tompo sy Mpanjakantsika, ny Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona.

Nanomboka ny 1856 ka hatramin’ny 1860, dia mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany an’arivony no nanosika ny fananan’izy ireo tao anatin’ireo sarety nentin-tanana tao anatin’ny 1600 kilaometatra mahery, rehefa nandeha nankany amin’ny lohasahan’i Salt Lake izy ireo. Fito amby enimpolo amby zato taona lasa izay amin’ity herinandro mihitsy, tamin’ny 4 ôktôbra 1856, no gaga ny Filoha Brigham Young raha nahafantatra fa mbola tany an-kilaometatra aman-jato niala an’i Salt Lake tany no nisy ireo andiany roa tamin’ny sarety notarihin-tanana notarihin’i Edward Martin sy i James Willie, kanefa ny ririnina efa madiva ho tonga.1 Ny ampitson’io mihitsy, tsy dia lavitra an’ity toerana ivoriantsika anio ity, ny Filoha Young dia nijoro teo anatreahan’ny Olomasina ka nanambara hoe: “Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no any an-dohasaha miaraka amin’ny sarety notarihin-tanana, ary tsy maintsy entina eto izy ireo. … Mandehana ary ento etoana ireo vahoaka any amin’ny lemaka ireo.”2

Roa andro monja taorian’izay dia nanainga mba hitady ireo mpamaky lay nitondra sarety notarihin-tanana ny andiana mpanavotra voalohany.

Notantarain’ny olona iray tao amin’ny andiany notarihin’i Willie ny toe-javatra niainana nahakivy talohan’ny nahatongavan’ilay ekipa lehibe mpanavotra. Hoy izy nitantara: “Rehefa iny toa tsy hisy ho avotra iny intsony, … ary toa tsy nisy antony mbola tokony hiezahana ho velon’aina, dia namaly ny vavakay toy ny kotro-baratra nivoaka avy teo amin’ny lanitra manga Andriamanitra. Nisy vondrona mpamonjy voina, nitondra sakafo sy vatsy … , tazan’ny masonay. … Nisaotra an’ Andriamanitra izaitsizy tokoa izahay noho ny famonjena anay.”3

Ireo mpanavotra ireo dia maherifo ho an’ireo mpamaky lay, izay nanao sorona ny ainy tao anatina toetrandro tena ratsy mba hitondra olona maro araka izay vitany hody soa aman-tsara. Iray amin’ny maherifo toy izany i Ephraim Hanks.

Rehefa nisasaka ny volana ôktôbra, ary tsy fantany akory ny toe-javatra sarotra niainan’ireo olona nitondra sarety notarihin-tanana, dia niverina nody tany an-tranony tany Salt Lake rehefa avy nanao dia i Hanks no nisy feo namoha azy nandritra ny alina niteny hoe: “Misedra olana ireo olona mitondra sarety entin-tanana, ary ilaina ianao; handeha hanampy azy ireo ve ianao?”

Niaraka tamin’izany fanontaniana izany tao an-tsainy, dia niverina haingana tany Salt Lake City izy. Ary raha vao nandre ny fiantsoan’ny Filoha Heber C. Kimball olona fanampiny hilatsaka an-tsitrapo i Hanks dia nandeha samirery ny ampitson’io ihany mba hamonjy. Nandeha haingana i Hanks ka voasongony ireo mpanavotra hafa teny an-dalana, ary rehefa tonga tany amin’ny nisy ny andiany notarihin’i Martin izy dia nahatadidy an’izao: “Ny zavatra hitan’ny masoko rehefa niditra ny toby nisy azy ireo aho dia tsy ho voafafa ato an-tsaiko velively … [ary] na dia ny olona matanja-tsaina indrindra aza dia tsy maintsy nihetsi-po tamin’izany.”4

Nandany andro maromaro nitety ireo trano lay i Ephraim Hanks mba hitsodrano ny marary. Nitantara izy fa “Tao anatin’ny fotoana maro, rehefa nanome tsodrano ny marary izahay, ary nandroaka ny aretina tamin’ny anaran’ny Tompo, no sitrana tampoka ireo narary. Saika ho efa sitrana teo no ho eo ny ankamaroan’izy ireo.”5 Ho maherifo voarakitra mandrakizay ho an’ireo mpamaky lay nitarika sarety ireo i Ephraim Hanks.

Mitovitovy amin’ny famonjena mahatalanjona toy izany, dia misy koa ireo zava-mitranga izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika, eny hatramin’ny tantaram-piainan’olombelona mihitsy aza izay matetika vokatra avy amin’ny fanapahan-kevitra sy zava-bitan’ireo lehilahy sy vehivavy tsirairay—mpanakanto, siantifika, mpandraharaha ary politisianina miavaka. Ireo olona miavaka ireo dia matetika no homem-boninahitra ho maherifo, ary hanorenana tsangam-bato sy orim-bato mba hankalazana ny fahombiazan’izy ireo.

Fony aho zazalahy kely dia mpanao fanatanjahan-tena no maherifoko voalohany. Ny zavatra tsaroako voalohany tamin’ny fahazazako dia ny nanangona karatra beseball misy sary sy antontan’isa momba ireo mpilalao baseball tao amin’ireo ligy lehibe. Ny “fiderana olona maherifo” amin’ny fahazazana dia mety hahafinaritra sy madio, toy ny ataon’ny ankizy rehefa manao ny fitafin’ireo maherifo tiany indrindra izy ireo amin’ny Halloween. Na dia mankamamy sy manaja lehilahy sy vehivavy maro manan-talenta sy miavaka aza isika noho ny fahaizana ananan’izy ireo sy ny anjara biriky entiny, ny halehiben’ny fiderana azy ireo, raha toa ka diso tafahoatra, dia mety hitovy amin’ny zanak’Isiraely nidera zanakomby volamena tany an-tany foana tao Sinay.

Rehefa olon-dehibe dia mety ho lasa fahatafintohinana ny zavatra nahafinaritra tsy nisy tsiny tamin’ny fahazazana raha toa ny “fiderana maherifo” atao amin’ireo mpanao pôlitika, mpanoratra blaogy, mpanentana an-jotra, mpanao fanatanjahan-tena, na mpitendry zavamaneno ka mahatonga antsika hijery “ny any ivelan’ny tanjona”6 ka tsy fantatsika intsony ny zavatra tena manan-danja.

Ho an’ny zanak’Isiraely dia tsy ny volamena nentin’izy ireo tany amin’ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina no olana, fa ny hoe navelan’izy ireo ho lasa inona kosa ilay volamena: dia sampy izany, izay lasa zavatra noderain’izy ireo tamin’izany, nampivily azy ireo hiala tamin’i Jehovah, izay nanasaraka ny Ranomasina mena sy nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana. Nisy fiantraikany teo amin’ny fahafahan’izy ireo nitsaoka ilay Andriamanitra marina ny fifantohan’izy ireo tamin’ilay zanakomby.7

Ny maherifo, ny meherifontsika amin’izao fotoana izao sy mandrakizay, dia i Jesoa Kristy, ary ny zava-drehetra, na ny olon-drehetra, izay misarika antsika hiala amin’ny fampianarany, araka ny hita ao amin’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany velona, dia afaka misy akony ratsy amin’ny fandrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Efa ela talohan’ny namoronana ity tontolo ity isika no niantehitra tamin’i Jesoa Kristy rehefa lasa nazava fa nisy nanohitra ilay drafitra naroson’ny Ray any An-danitra, izay nahitana fahafahana hivoatra sy ho lasa tahaka Azy.

Tsy vitan’ny hoe mpitarika tamin’ny fiarovana ny drafitry ny Raintsika fotsiny i Jesoa Kristy, fa hitana ny anjara toerana manan-danja indrindra amin’ny fanatanterahana izany koa Izy. Namaly ny Ray Izy ary nirotsaka an-tsitrapo mba hanolotra ny Tenany “ho avotra hisolo ny olon-drehetra,”8 mba hanefa ny trosa izay hobaben’ny tsirairay avy amintsika amin’ny alalan’ny fahotana kanefa tsy ho vitantsika efaina samirery.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Nanao ny zavatra rehetra izay ilaina amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana hahatongavana voalaza ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra [i Jesoa Kristy].”9

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, rehefa niatrika andraikitra tena mavesatra toy izany, dia tsy nandà ny andraikiny ny Mpamonjy fa nilaza tamin-kerimpo hoe: “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao,” ary niroso tamin’ny fitondrany teo Aminy ny fitambaran’ireo fanaintainana, ny aretina, ary ny fijaliana noho ny fahotan’ireo rehetra izay miaina eto an-tany.10 Tamin’ny fanehoana fankatoavana sy fanoloran-tena tonga lafatra no namitan’i Jesoa Kristy ilay asa faratampony sy feno herim-po indrindra tamin’izay asa vitan’ny zavatra nohariana rehetra, izay nifarana tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataontsika farany indrindra, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampahatsiahy antsika hoe: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!”11 Ary hampiako hoe: “Safidio Izy.”

Eto amin’ity tontolo feno fahasarotana misy antsika ity, dia mety alaim-panahy isika hiantehitra amin’ireo maherifo eo anivon’ny fiarahamonina mba hampisy dikany ny fiainana sy hitondrana fahatakarana momba izany rehefa toa mampisavorovoro saina na manototra antsika izany. Mividy ny akanjo tohanan’izy ireo isika, manaiky ny pôlitika tohanan’izy ireo isika, ary manaraka ny sosokevitra zarain’izy ireo ao amin’ny tambajotran-tserasera isika. Mety ho tsara izany raha hatao fialam-boly tsy maharitra, saingy mila mitandrina tsara isika mba tsy hahatongavan’io karazana fiderana maherifo io ho zanakomby volamenantsika. Misy fiantraikany mandrakizay ny fisafidianana ny maherifo tsara.

Rehefa tonga tany Espana izaho sy i Carol vadiko, niaraka tamin’ireo zanakay mba hanomboka ny fanompoanay ho mpitarika misiôna, dia nahita teny nindramina tao anaty fefimerana nozarain’ny Loholona Neal A. Maxwell izahay izay misy ifandraisany amin’ireo maherifo safidintsika mba harahina. Hoy izy: “Raha tsy ny fanjakan’ Andriamanitra no safidinao voalohany, dia tsy hanova zavatra amin’ny farany ny zavatra nosafidinao teo amin’ny toeran’izany.”12 Ry rahalahy sy ranabavy, amin’ny alalan’ny fisafidianana an’i Jesoa Kristy, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, no isafidianantsika ny fanjakan’Andriamanitra. Ny safidy hafa rehetra dia mitovy hevitra amin’ny fisafidianana ny sandry nofo, na zanakomby volamena, ary amin’ny farany dia hanary antsika.

Vakintsika ao amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Testamenta Taloha ny tantaran’i Sadraka, Mesaka, ary Abednego, izay nahafantatra mazava tsara ny maherifo tokony hofidina ary tsy nisy tamin’ireo andriamanitry ny Mpanjaka Nebokadnezara izany na dia iray aza. Nanambara tamim-patokian-tena izy ireo hoe:

“Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra. …

Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay.”13

Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Misy andriamanitra maro,”14 ary tiako ampiana hoe maherifo maro, izay asaina hiankohofantsika, hitsaohantsika, ary hoekentsika. Saingy tahaka ny zavatra fantatr’ireo naman’i Daniela anankitelo, dia Iray ihany no azo antoka fa hanafaka antsika satria efa nanao izany Izy, ary mbola hanao izany mandrakizay Izy.

Ho antsika, amin’ny diantsika miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra, any amin’ny tany nampanantenaina antsika, dia tsy ny mpanao pôlitika, na ny mpanakanto, na ny mpanao fanatanjahan-tena, na ny mpamoaka horonan-tsary amin’ny blaogy no olana, fa ny fisafidianantsika ny hamela azy ireny ho lasa zavatra voalohany hifantohan’ny saintsika, ka maka ny toeran’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Misafidy Azy, i Jesoa Kristy, isika rehefa misafidy ny hanaja ny androny na any an-trano isika na any am-pialana sasatra. Misafidy Azy isika rehefa misafidy ny teniny amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona. Misafidy Azy isika rehefa misafidy ny hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, hiaina mendrika ny hampiasa izany, ary handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay ahafahana manao izany. Misafidy Azy isika rehefa mpampihavana sy tsy manaiky hifanditra, “indrindra rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra.”15

Tsy misy mpitarika naneho herim-po mihoatra lavitra, tsy nisy mpanasoa ny mpiara-belona naneho hatsaram-panahy lehibe kokoa, tsy nisy mpitsabo nahavita nanasitrana aretina, ary tsy nisy mpanakanto nahavita namorona zavatra mihoatra an’i Jesoa Kristy.

Ao anatina tontolo feno maherifo, misy tsangam-bato sy tranom-bakoka natokana ho an’ny zava-bitan’ireo lehilahy sy vehivavy mety maty, dia misy maherifo iray misongadina amin’ny hafa rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia tsy maherifontsika fotsiny ihany; fa Tompo sy Mpanjakantsika Izy, ny Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fandalinana natokana ho an’ireo andiana mpitondra sarety nentin-tanana notarihin’i Willie sy i Martin izay nahitana an’i LeRoy R. Hafen sy i Ann W. Hafen, Handcarts to Zion: The Story of a Unique Western Migration, 1856–1860 (1960); Rebecca Cornwall sy Leonard J. Arrington, Rescue of the 1856 Handcart Companies (1981); Howard K. Bangerter sy Cory W. Bangerter, Tragedy and Triumph: Your Guide to the Rescue of the 1856 Willie and Martin Handcart Companies, 2nd ed. (2006); and Andrew D. Olsen, The Price We Paid: The Extraordinary Story of the Willie Martin Handcart Pioneers (2006).

  2. Brigham Young, “Remarks,” Deseret News, 15 ôkt. 1856, 252.

  3. John Oborn, “Brief History of the Life of John Oborn, Pioneer of 1856,” 2, ao amin’ny John Oborn reminiscences and diary, circa 1862–1901, Church History Library, Salt Lake City.

  4. Fitantaran’i Ephraim K. Hanks araka izay navoaka ao amin’ny Andrew Jenson, “Church Emigration,” The Contributor, mar. 1893, 202–3.

  5. Hanks, ao amin’ny Jenson, “Church Emigration,” 204.

  6. Jakôba 4:14.

  7. Jereo ny Eksodosy 32.

  8. 1 Timoty 2:6; jereo koa ny Matio 20:28.

  9. Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75.

  10. Jereo ny Lioka 22:39–44.

  11. Russell M. Nelson, “I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127.

  12. Tenin’i William Law, mpitondra fivavahana Anglisy iray tamain’ny taon-jato faha-18; nindramin’i Neal A. Maxwell tao amin’ny, “Response to a Call,” Ensign, mey 1974, 112.

  13. Jereo ny Daniela 3:13–18.

  14. 1 Korintiana 8:5.

  15. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98.