Ilay adala sy ny lalana miverina mody
Na dia niala lavitra ny Mpamonjy sy ny Fiangonany aza ianao noho ny safidy natao, dia mijoro eo amin’ilay lalana miverina mody ilay Mpanasitrana Lehibe, mandray anao.
Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy
Nantsoin’ny sasany ho ny tantara fohy lehibe indrindra hatrizay izy io.1 Satria voadika tamin’ny fiteny an’arivony maro manerana izao tontolo izao izy io dia tena azo inoana fa nandritra izay roa arivo taona lasa izay dia tsy maintsy misy miresaka momba an’io tantara io foana any ho any amin’izao tontolo izao mialoha ny filentehan’ny masoandro.
I Jesoa Kristy no nilaza azy io, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay tonga teto an-tany “hamonjy ny very.”2 Natombony tamin’ireto teny tsotra ireto ilay izy: “Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.”3
Avy hatrany dia mianatra isika fa nisy fifandonana mahavaky fo. Nilaza tamin-drainy ny zanaka iray4 fa leo ny fiainana tao an-trano izy. Nila fahalalahana ho an’ny tenany izy. Te hiala amin’ny kolontsaina sy ny fampianaran’ny ray aman-dreniny izy. Nangataka ny anjara lovany izy—izao.5
Azonareo sary an-tsaina ve hoe inona no tsapan’ilay ray rehefa nahare izany? Rehefa hitany fa ny zavatra tena tian’ilay zanany mihoatra ny zavatra hafa rehetra dia ny hiala ilay fianakaviana ary angamba tsy hiverina intsony?
Ilay fiainana nahafinaritra
Tsy maintsy ho nahatsapa fientanam-po hiaina zava-baovao sy fientanentanana ilay zanany. Izay vao irery amin’izay izy. Rehefa afaka tamin’ireo fitsipika sy lalàn’ny kolontsain’ny fahatanorany izy dia afaka nanao ny safidiny manokana amin’izay, ka tsy voarebirebin’ny ray aman-dreniny. Tsy meloka intsony. Afaka nifalifaly amin’izay izy fa hiray amin’ireo olona mitovy firehan-kevitra aminy ary hiaina amin’ny fiainany araka izay itiavany azy.
Rehefa tonga tany an-tany lavitra tany izy, dia vetivety dia nahazo namana vaovao ary nanomboka niaina ilay fiainana izay nonofinofisiny hatrizay. Tsy maintsy ho olona ankafizin’ny maro izy, satria nandanindany foana ny volany. Tsy nitsara azy ireo namany vaovao—izay nahazo tombontsoa tamin’ny fandanindaniam-poanany. Nankalazain’izy ireo, sy notehafany, ary notohanany ny safidiny.6
Raha nisy tambajotran-tserasera tamin’izany fotoana izany dia azo antoka fa ho feno ny pejiny ary hahitana sarin’ny namana mifaly: #Tsaranyfiainana! #Sambatra! #Tokonyefaelaizaononatao!
Ilay mosary
Tsy naharitra anefa ilay filibana—mahalana izany no maharitra. Zavatra roa no nitranga: voalohany, lany ny volany, ary faharoa, nisy mosary nanerana ny tany.7
Rehefa niharatsy ilay olana dia nikoropaka izy. Ilay olona mpandanindany vola sy mpanao izay tiany teo aloha dia lasa tsy nahavidy sakafo na dia iray aza, mainka moa fa trano hipetrahana. Ahoana no hahavelomany?
Nalala-tanana tamin’ireo namany izy—moa ve hanampy azy izy ireo izao? Hitako ery izy mangataka fanampiana kely—amin’izao fotsiny—mandra-pilamina indray.
Milaza amintsika ny soratra masina hoe: “Tsy nisy nanome azy.”8
Naniry mafy ny ho velona izy, ka nahita mpiompy teo an-toerana izay nanakarama azy hamahana kisoa.9
Noana tanteraka izao ilay tovolahy, nilaozana ary irery, tsy maintsy nanontany tena hoe ahoana no nahatonga ny zava-drehetra ho ratsy dia ratsy toy izao.
Tsy resaka kibo noana no nanahirana azy. Fa fanahy foana. Tena natoky fa hahasambatra azy ny fanarahana ny faniriany ny zavatr’izao tontolo izao, fa ireo lalàna momba ny fitondran-tena no sakana amin’izany fahasambarana izany. Ankehitriny dia fantany tsara ny tena marina. Endrey ny sarany tsy maintsy nefainy ho an’izany fahalalana izany!10
Rehefa nitombo ny hanoanana ara-batana sy ara-panahy dia niverina tany amin-drainy ny eritreriny. Hanampy azy ve izy taorian’izay zava-nitranga rehetra izay? Na dia ny mpanompon-drainy ambany indrindra aza dia nanana sakafo hohanina sy fialofana tamin’ny tafio-drivotra.
Saingy hiverina any amin’ny rainy ve?
Tsia velively.
Hibaboka amin’ny ao an-tanànany ve fa nandany ny lovany izy?
Tsy azo atao.
Hifanazava amin’ireo mpiara-belona izay azo antoka fa nampitandrina azy fa manala baraka ny fianakaviany sy mandratra ny fon’ny ray aman-dreniny ve? Hiverina amin’ireo namany taloha ve, rehefa avy nirehareha hoe afaka?
Tsy ho tanty.
Saingy tsy ho afaka ny hanoanana, sy ny fanirery, ary ny nenina—raha tsy “nody ny sainy.”11
Fantany ny tokony hataony.
Ilay fiverenana
Andeha isika hiverina any amin’ilay ray, ilay tompon-trano torotoro fo. Ora firy, mety ho an’aliny, no laniny niahiahy momba ilay zanany?
Impiry izy no nijery ilay lalana nalehan-janany ka nahatsapa indray ny famoizana lehibe izay tsapany rehefa nandeha ilay zanany? Firy ny vavaka nataony tao anatin’ny halalin’ny alina, nitalaho tamin’ Andriamanitra mba ho voaro ilay zanany lahy, mba hahitany ny fahamarinana, ary hiverina izy?
Ary indray andro, dia nitazana teo amin’ilay lalana manirery ilay ray—ilay lalana miverina mody ary nahatazana endrik’olona lavitra iray nandeha nanatona azy.
Marina ve?
Na dia mbola lavitra aza ilay olona, dia fantatr’ilay ray fa ilay zanany io.
Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy sy nanoroka azy.12
“Raiko ô”, hoy ilay zanaka nitalaho, tamin’ny teny izay tsy maintsy efa naverimberiny imbetsaka hoe: “Efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho. Tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony aho. Ny angatahiko dia raiso aho ary ataovy tahaka ny olona karamainao.”13
Saingy zara raha navelan’ilay rainy hamita ny teniny izy. Ranomaso no teny amin’ny masony, sady nandidy ny mpanompony izy hoe: “Alao ny akanjo tsara indrindra ao an-trano ka ampiakanjoy ny zanako. Asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony. Manaova fety ho fankalazana. Fa niverina ny zanako!”14
Ilay fankalazana
Ao amin’ny biraoko dia misy sary hosodoko nataon’ilay artista alemà Richard Burde mihantona amin’ny rindrina. Tianay sy Harriet ity sary hosodoko ity. Izy io dia maneho tranga iray feno fitiavana avy amin’ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy amin’ny fomba fijery lalina kokoa.
Raha nifaly avokoa saika ho ny rehetra tamin’ny fiverenan’ilay zanaka, dia nisy olona iray tsy faly—ny zokiny lahy.15
Mbola mitondra vesatra ara-pihetseham-po izy.
Teo izy raha nangataka ny lovany ny rahalahiny. Nanatri-maso mivantana ny vesatry ny alahelon-drainy izy.
Hatramin’ny nandehanan’ny rahalahiny dia niezaka nanamaivana ny enta-mavesatry ny rainy izy. Niezaka izy isan’andro nanasitrana ny ratram-pon-drainy.
Ary ankehitriny dia niverina ilay zaza tsy miraharaha, ary tsy nitsahatra nitodika tany amin’ilay rahalahiny mpikomy ny olona.
“Nandritra izay taona maro izay,” hoy izy tamin-drainy, “dia tsy mbola nandà mihitsy aho na inona na inona zavatra nangatahinao. Kanefa nandritra izany fotoana izany dia tsy nankalaza ahy mihitsy ianao.”16
Namaly ilay ray be fitiavana hoe: “Anaka, anao avokoa izay rehetra ananako! Tsy fampitahana valisoa na fankalazana akory no eto. Resaka fanasitranana no izy. Izao no fotoana nandrasantsika nandritra izay taona maro izay. Ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray! Efa very izy, fa hita indray.”17
Fanoharana ho an’ny androntsika
Ry rahalahy sy anabavy malalako, ry namako malala, tahaka ireo fanoharana rehetra nataon’ny Mpamonjy, ity iray ity dia tsy mikasika ny olona niaina taloha fotsiny ihany. Mahakasika ahy sy ianao, anio izany.
Iza amintsika no tsy mbola niala tamin’ny lalan’ny fahamasinana, ka nieritreritra adaladala fa afaka mahita fahasambarana bebe kokoa amin’ny fanarahana ny lalantsika manokana izay be fitiavan-tena?
Iza amintsika no tsy mbola nahatsapa fanetrentena, torotoro fo, ary naniry mafy hahazo famelan-keloka sy famindram-po?
Mety efa nanontany tena ny sasany hoe: “Mbola azo atao ve ny miverina? Homen’ireo namako taloha anaram-bositra sy holaviny ary halavirany ve aho? Aleo ve mijanona ho very eto fotsiny? Ahoana no ho fihetsik’ Andriamanitra raha toa ka miezaka miverina aho?”
Ity fanoharana ity dia manome antsika ny valiny.
Hihazakazaka hanatona antsika ny Raintsika any An-danitra, feno fitiavana sy fangorahana ny fony. Hamihina antsika Izy; hampiakanjo antsika, hanisy peratra ny rantsan-tànantsika, sy kapa ny tongotsika; ary hiantsoantso hoe: “Manao fankalazana isika androany! Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray!”
Hifaly amin’ny fiverenantsika ny lanitra.
Fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra
Afaka maka fotoana kely ve aho ary hiresaka aminareo tsirairay?
Na inona na inona mety ho nitranga teo amin’ny fiainanao, dia mamerina sy manambara ny tenin’ny namako malala sy Apôstôly toy ahy ny Loholona Jeffrey R. Holland aho hoe: “Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”18
Na dia niala lavitra ny Mpamonjy sy ny Fiangonany aza ianao noho ny safidy natao, dia mijoro eo amin’ilay lalana miverina mody ilay Mpanasitrana Lehibe, mandray anao. Ary izahay, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehony sy handray anareo amin’ny maha-rahalahy sy anabavinay anareo, amin’ny maha-namanay anao. Mifaly sy miara-mifaly aminao izahay.
Tsy hampihena ny fitahian’ny hafa ny fiverenanao. Fa tsy manam-petra ny fanomezan’ny Ray, ary izay omena ny olona iray dia tsy mampihena ny fizokian’ny hafa na dia kely akory aza.19
Tsy milaza akory aho hoe mora ny miverina. Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho. Raha ny marina dia mety izany no safidy henjana indrindra hataonao.
Mijoro ho vavolombelona anefa aho fa rehefa manapa-kevitra ny hiverina sy handeha amin’ny lalan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ianareo, dia hiditra ao amin’ny fiainanareo ny heriny ary hanova izany.20
Hifaly ny anjely any an-danitra.
Ary dia ho toy izany koa izahay, havanao ao amin’i Kristy. Fantatsika rahateo ny atao hoe adala. Samy miantehitra isan’andro amin’ny herin’ny sorompanavotan’i Kristy isika. Fantatray io lalana io, ary hiara-mandeha aminao izahay.
Tsia, tsy ho foana fahoriana na ratram-po na alahelo ny lalantsika. Saingy tonga eo amin’izay misy antsika isika -noho ny tenin’i Kristy sy ny [finoana] Azy tsy voahozongozona ary ny [fianteherana] tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy.” Ary hiaraka isika dia “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny [fananana] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”21 Hiaraka isika dia “Miravoravo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”,22 fa Jesoa Kristy no herintsika!23
Ny vavaka ataoko dia ny mba handrenesan’ny tsirairay amintsika, ao anatin’ity fanoharana lalina ity, ny feon’ny Ray miantso antsika hiditra amin’ilay lalana miverina mody—mba hananantsika herim-po hibebaka sy hahazo famelan-keloka ary hanaraka ny lalana izay miverina any amin’ilay Andriamanitsika be fangorahana sy be famindrampo. Izany no ijoroako ho vavolombelona ary apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.