Fahamarinana mandrakizay
Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny toy izao ilantsika ny fahafantarana fahamarinana!
Ry rahalahy sy anabavy, misaotra noho ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra Ray sy amin’ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary misaotra noho ny fitiavana sy fanompoana ny hafa. Tena miavaka tokoa ianareo!
Teny fanolorana
Rehefa nahazo antso hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izaho sy i Anne vadiko dia nanapa-kevitra ny fianakavianay ny hianatra ny anaran’ny misiônera tsirairay avy mialoha ny hahatongavana any amin’ny sahan’ny misiôna. Nahazo sary izahay, nanamboatra karatra fitadidiana, ary dia nanomboka nandinika ireo tarehy sy nitadidy ireo anarana.
Rehefa tonga izahay dia nanao fivoriana fifankahafantarana niaraka tamin’ireo misiônera. Raha iny nifampitakosona iny izahay dia ohatran’ny nahare ilay zanakay sivy taona aho nanao hoe:
“Faly mahafantatra anao izahay ry Sam!”
“Rachel ô, avy aiza ianao?”
“Oay, tena lavabe ianao izany ry David!”
Rehefa nandre izany aho dia nanatona ilay zanakolahy ka nibitsibitsika taminy hoe: “He, aoka hotsaroina fa antsoina amin’ny hoe Elder na Soeur ny misiônera.”
Gaga izy nilaza tamiko hoe: “Dada ô, f’angaha moa tsy tokony nianatra tsianjery ny anaran’izy ireo isika.” Nanao ny zavatra tokony natao niainga avy tamin’ny fahatakarany ilay zanakay lahy.
Noho izany, manao ahoana ny fahatakarantsika ny fahamarinana amin’izao tontolo ankehitriny izao? Voatototra tsy tapaka amin’ireo hevitra izingizinina sy tatitra mitanila ary lahatahiry tsy feno isika. Ireo loharano sy habetsaky ny fahalalana dia mihamitombo miaraka amin’izany ihany koa. Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny toy izao ilantsika ny fahafantarana ny fahamarinana!
Zava-dehibe ho antsika ny fahamarinana raha te hanangana sy hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, sy hitady fiadanana sy fifaliana, ary hanatratra ny hery anaty ananantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra isika. Anio dia ndeha isika handinika ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no atao hoe fahamarinana ary nahoana no zava-dehibe izany?
-
Ahoana no fomba ahitantsika ny fahamarinana?
-
Rehefa mahita fahamarinana isika dia ahoana no fomba izarantsika izany?
Mandrakizay ny fahamarinana
Mampianatra antsika ny Tompo fa “ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24). Izany “dia tsy nohariana na natao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29) ary “tsy manam-petra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66).1 Ny fahamarinana dia tanteraka, raikitra ary tsy miovaova. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mandrakizay ny fahamarinana.2
Ny fahamarinana dia manampy antsika tsy ho voafitaka,3 hanavaka ny tsara amin’ny ratsy,4 sy handray fiarovana,5 ary hahita fankaherezana sy fanasitranana.6 Ny fahamarinana dia afaka ihany koa mitarika amin’ireo zavatra ataontsika,7 manafaka antsika,8 manamasina antsika,9 ary mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.10
Manambara fahamarinana mandrakizay Andriamanitra
Manambara fahamarinana mandrakizay amintsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana hahazoana fanambarana izay ahitana Azy sy i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina, ireo mpaminany ary isika. Ndeha isika hiresaka ny mampiavaka kanefa mampifandray ny anjara asa sahanin’ny tsirairay ao anatin’io rafitra io.
Voalohany, Andriamanitra no ilay loharanon’ny fahamarinana mandrakizay.11 Izy sy i Jesoa Kristy Zanany,12 dia manana fahatakarana tonga lafatra ny fahamarinana, ary miasa mandrakariva mifanaraka amin’ireo fitsipika sy lalàna marina.13 Manome fahafahana Azy Ireo hamorona sy hitantana ireo tontolo14 izany hery izany ary koa ahafahan’ Izy Ireo mitia, sy mitarika ary mikolokolo antsika tsirairay avy amin’ny fomba lavorary.15 Maniry Izy Ireo ny hahatakarantsika sy hampiharantsika ny fahamarinana mba hahafahantsika mandray ireo fitahiana izay ananan’ Izy Ireo.16 Mety ho Izy Ireo mihitsy no mizara fahamarinana mivantana, na matetika kokoa amin’ny alalan’ireo iraka toy ny Fanahy Masina, na anjely na mpaminany velona.
Faharoa, ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana rehetra.17 Manambara fahamarinana mivantana amintsika sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ampianarin’ny hafa Izy. Ireo hevitra avy amin’ny Fanahy dia tonga toy ny eritreritra ao an-tsaintsika sy fahatsapana ao am-pontsika.18
Fahatelo, ireo mpaminany dia mandray ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ary mizara izany fahamarinana izany amintsika.19 Mianatra ny fahamarinana avy amin’ireo mpaminany teo aloha isika ao amin’ny soratra masina20 ary avy amin’ireo mpaminany velona, mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy amin’ny alalan’ireo fantsona ôfisialy.
Ary farany, mitana anjara toerana manan-danja izaho sy ianao ao anatin’io rafitra io. Miandrandra antsika hikatsaka, sy hamantatra ary hanao asa araka ny fahamarinana Andriamanitra. Ny fahafahantsika mandray sy mampihatra fahamarinana dia miankina amin’ny tanjaky ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka, ny famaliantsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary ny fanarahantsika ireo mpaminanin’ny andro farany.
Mila tsaroantsika fa i Satana dia manao izay tsy hahalalantsika ny fahamarinana. Fantany fa raha tsy mahalala ny fahamarinana isika dia tsy afaka hahazo ny fiainana mandrakizay. Maka ampaham-pahamarinana izy ka atambany amin’ny filôzôfian’izao tontolo izao mba hampisavorovoro saina sy hanelingelenana antsika amin’ny fahalalana ny zavatra ampitain’ Andriamanitra.21
Mikatsaka sy mamantatra ary mampihatra ny fahamarinana mandrakizay
Eo am-pikatsahantsika ny fahamarinana,22 dia afaka manampy antsika ireto fanontaniana roa manaraka ireto raha toa ka avy amin’ Andriamanitra ny foto-kevitra iray na avy amina loharano hafa:
-
Moa ve mitovy ny fampianarana ilay foto-kevitra ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona izany?
-
Moa ve hamafisin’ny teny vavolombelon’ny Fanahy Masina ilay foto-kevitra?
Manambara fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia manamafy amintsika manokana ireo fahamarinana ireo.23 Tokony hikatsaka sy hiomana ny handray ireo fahatsapana ara-panahy ireo isika rehefa tonga izany.24 Ho mora mandray kokoa ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy isika rehefa manetry tena,25 sy mivavaka amin-kitsim-po sy mandalina ny tenin’ Andriamanitra,26 ary mitandrina ny didiny.27
Rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina amintsika ny fahamarinana manokana iray dia mihalalim-paka ny fahatakarantsika rehefa mampihatra izany fitsipika izany. Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa miaina tsy tapaka ilay fitsipika isika dia mahazo fahalalana azo antoka momba izany fitsipika izany.28
Ohatra, nanao fahadisoana aho ary nahatsapa nenina ny amin’ireo safidy tsy nety nataoko. Saingy tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ary ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nahazo vavolombelona momba ny fitsipiky ny fibebahana aho.29 Rehefa nanohy nibebaka aho dia nihamafy hatrany ny fahatakarako momba ny fibebahana. Nahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahy aho. Ankehitriny aho dia mahafantatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela ny fahotana satria miaina ireo fitahian’ny fibebahana isan’andro aho.30
Matoky an’ Andriamanitra na mbola tsy nambara aza ny fahamarinana
Koa inona ary no tokony hataontsika rehefa mikatsaka ny fahamarinana amin-kitsim-po isika kanefa tsy mbola ambara izany? Manana fitserana lehibe aho ho antsika izay miandrandra valiny mafy izay ohatran’ny tsy ho tonga akory.
Nanome torohevitra an’i Joseph Smith ny Tompo hoe: “Aoka ianao hangina ambara-pahitako fa mety ny hampahafantarana ny zava-drehetra … momba ilay raharaha” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:37).
Ary nanazava tamin’i Emma Smith Izy hoe: “Aza mimonomonona noho ireo zavatra izay tsy hitanao sy tsy ho hitan’izao tontolo izao ireny, izay fahendrena ato Amiko ho amin’ny fotoana ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4).
Izaho ihany koa dia tena nikatsaka valin’ireo fanontaniana amin-kitsim-po. Maro no voavaly, misy mbola tsy voavaly.31 Rehefa mikiry isika—ka matoky ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fitiavany, mitandrina ireo didiny sy miantehitra amin’izay efa fantatsika—dia hanampy antsika Izy hahita fiadanana ambara-pahatonga ny fotoana hampahafantarany ny fahamarinan’ny zavatra rehetra.32
Mahatakatra ny momba ny fotopampianarana sy ireo fitsipika arahana
Eo am-pikatsahana fahamarinana dia manampy ny mahatakatra ny fahasamihafana eo amin’ny atao hoe fotopampianarana sy ny atao hoe fitsipika arahana. Ny hoe fotopampianarana dia ilazana ireo fahamarinana mandrakizay, toy ny toetran’ Ny Andriamanitra, ny drafitry ny famonjena ary ny sorona fanavotana nataon’i Kristy. Ny hoe fitsipika arahana kosa dia fampiharana ny fotopampianarana mifototra amin’ireo toe-javatra misy amin’izao fotoana. Ny fitsipika arahana dia manampy antsika hitantana ny Fiangonana amin’ny fomba mirindra tsara.
Tsy miova mihitsy ny fotopampianarana, fa ireo fitsipika arahana kosa dia asiam-panamboarana ombieny ombieny. Miasa amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Tompo mba hihazonana ny fotopampianarany sy hanovana ireo fitsipika arahin’ny Fiangonana arakaraka ny zavatra ilain’ireo zanany.
Mampalahelo fa indraindray afangarontsika ny fitsipika arahana sy ny fotopampianarana. Raha tsy takatsika ny fahasamihafan’izany dia mety ho lasa diso fanantenana isika rehefa misy fanovana fitsipika arahana, ary mety hanomboka hametra-panontaniana mihitsy aza mikasika ny fahendren’ Andriamanitra na ny anajara asan’ny mpaminany eo amin’ny fandraisana fanambarana.33
Mampianatra ny fahamarinana mandrakizay
Rehefa mandray fahamarinana avy amin’ Andriamanitra isika dia mamporisika antsika Izy hizara izany fahamarinana izany amin’ny hafa.34 Izany no ataontsika rehefa mampianatra kilasy, na mitari-dalana ankizy iray na miresaka momba ny fahamarinan’ny fotopampianarana amina namana iray.
Ny tanjontsika dia ny mampianatra fahamarinana amin’ny fomba izay manasa ny herin’ny Fanahy Masina izay afaka mampiova fo35 Mamelà ahy hizara karazana fanasana tsotra avy amin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny izay afaka hanampy.36
-
Mifantoha amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fotopampianarana fototra.37
-
Mifahara amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ny mpaminanin’ny andro farany.38
-
Miantehera amin’ny fotopampianarana napetrak’ireo vavolombelona maro manam-pahefana.39
-
Ialao ny tombatombana sy ny hevitry ny tena manokana na ny hevitr’izao tontolo izao.40
-
Mampianara fotopampianarana iray anatina sahan-kevitra mifandraika amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.41
-
Mampiasà fomba fampianarana manasa ny fitarihan’ny Fanahy.42
-
Ataovy mazava tsara ny fifampiresahana mba hisorohana ny tsy fifankahazoana.43
Miresaka ny fahamarinana amim-pitiavana
Tena manan-danja ny fomba hiresahantsika ny fahamarinana. Mamporisika antsika i Paoly mba hiresaka “ny marina amin’ny fitiavana” (jereo ny Efesiana 4:14–15). Midika izany fa manana ny fahafahana tsara indrindra hitahiana ny hafa ny fahamarinana rehefa ampitaina amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.44
Ny fahamarinana rehefa ampianarina tsy amim-pitiavana dia mety hiteraka fahatsapana ho voatsaratsara sy kivy ary irery. Matetika izany no mitarika any amin’ny lonilony sy ny fisaratsarahana, any amin’ny fifandirana mihitsy aza. Etsy an-kilany, ny fitiavana tsy misy fahamarinana dia poakaty sy tsy misy fanantenana ny hitombo.
Samy ilaina ho an’ny fivoarantsika ara-panahy ny fahamarinana sy ny fitiavana.45 Ny fahamarinana dia manome fotopampianarana sy fitsipika ary lalàna ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ary ny fitiavana kosa dia miteraka ny faharisihana ilaina amin’ny fandraisana sy fampiharana ny marina.
Feno fankasitrahana mandrakizay ho an’ireo izay nampianatra tamim-paharetana ahy ny fahamarinana mandrakizay tamim-pitiavana aho.
Famaranana
Ho famaranana dia mamelà ahy hizara fahamarinana mandrakizay izay lasa vatofantsika ho an’ny fanahiko. Nahazo fahalalana an’ireo fahamarinana ireo aho tamin’ny alalan’ny fanarahana ireo fitsipika noresahana androany.
Fantatro fa Andriamanitra no Raintsika any An-danitra.46 Mahalala ny zava-drehetra Izy,47 mahefa ny zava-drehetra Izy,48 ary tonga lafatra ny fitiavany.49 Nanao drafitra ho antsika Izy izay hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay sy ho tonga tahaka Azy.50
Anisan’izany drafitra izany ny nandefasany ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy mba hanampy antsika.51 Nampianatra antsika hanao ny sitrapon’ny Ray i Jesoa52 sy hifankatia.53 Nanao sorona fanavotana ho an’ny fahotantsika Izy54 ary nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana.55 Nitsangana tamin’ny maty Izy telo andro taty aoriana.56 Hitsangana amin’ny maty57 sy ho afaka ny ho voavela,58 ary hahazo tanjaka manoloana ny fahoriana59 isika amin’ny alalan’i Kristy sy ny famindram-pony.
Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanangana ny Fiangonany i Jesoa.60 Niova io Fiangonana io rehefa nandeha teny ny fotoana ary very ny fahamarinana.61 Namerina ny Fiangonany tamin’ny laoniny sy ireo fahamarinan’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany i Jesoa Kristy.62 Ary ankehitriny dia manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apostôly velona i Kristy.63
Fantatro fa raha manatona an’i Kristy isika, amin’ny farany dia afaka “ny atao tanteraka ao Aminy” (Môronia 10:32), sy hahazo “ny fahafenoan’ny fifaliana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33), ary handray “izay rehetra hananan’ny Ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38). Ireo fahamarinana mandrakizay ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.