2009
Mandrehitra ny Jiron’ny Fanantenana
Aprily 2009


Mandrehitra ny Jiron’ny Fanantenana

Ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany any Brésil dia fitahiana mampiova ny fiainana ny Fonds Perpétuels d’Études.

Tamin’i Dilson Maciel de Castro Jr. very asa tany São Paulo, dia nifindra tany Recife izy sy ny vadiny, izay tanàna misy seranan-tsambo lehibe any amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Brésil, mba ahafahany miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny. Na dia nanana traikefa teo amin’ ny indostrian’ny fifandraisan-davitra aza i Dilson, ny hany karazana asa izay tsy sahaza azy no hany hitany tany Recife.

“Tena sahirana be izahay tamin’izany,” hoy i Dilson raha nitantara. Ny olana nianjady taminy dia nanomboka tany amin’ny lehibe nankany amin’ny tena goavana, raha namoy ny fananany rehetra tao anatin’ny tondra-drano iray izy mivady.

Tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany i Dilson, izay nanompo tao amin’ny Misiônan’i Brésil São Paulo atsimo, dia nihaona tamin’ny Loholona Gutenberg Amorim, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra sy talen’ny institiota fianarana ny filazantsara, mba hiresaka momba ny asa sy ny safidy eo amin’ny fianarana. Rehefa niresaka momba ny zavatra mahaliana azy i Dilson, dia nahazo bitsika ara-panahy fa tokony hianatra momba ny fitsaboana izy. Noho ny fananganan’ny Fiangonana vao haingana ny Fonds Perpétuels D’Études dia lasa nanova izany bitsika izany ho asa i Dilson tamin’ny 2003, rehefa nianatra momba ny mpanampy mpitsabo nandritra ny 18 volana.

“Raha tsy nisy ilay petra-bola azo ampiasaina dia tsy ho afaka ny nanaraka ireo fampianarana nilaiko aho,” hoy i Dilson, izay miasa any amin’ny hopitaly ho an’ny daholobe any Recife. Toy izany koa ny vadiny, Alexsandra, izay tsy ho afaka ny nindram-bola iantohana ny fianarana nilainy hahatongavany ho mpampianatra any an-tsekoly.

“Tsy nanan’asa izahay enin-taona lasa izay,” hoy i Dilson. “Ilay Fonds Perpétuels d’Études dia nilaina tamin’ireo zavatra azonay notanterahana. Nanova ny fiainanay izany.”

Valiny avy any amin’ny Tompo

Rehefa mamaritra ny Fonds Perpétuels d’Études ny mpikamban’ny Fiangonana any Brésil, dia tsy hain’izy ireo ny tsy hampiasa mpamaritra enti-milaza fiamboniana toy ny hoe: miraculoso, inspirado, maravilhoso (mahagaga, tena tsara, mahavariana) Izany dia noho ny fanatantaterahan’ilay petra-bola azo ampiasaina, ny zavatra izay nolazain’ ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) fa hiseho: “Ho lasa fitahiana ho an’ireo fiainana voakasik’izany izany—Ho an’ny zatovolahy sy zatovovavy, ny fianakaviana any aoriana any ary ho an’ny Fiangonana izay ho voatahy miaraka amin’ireo mpitarika azy eo an-toerana izay matanjaka,” ary hamoaka “olona an’arivony maro avy ao anatin’ny gejan’ny fahantrana izany ary ho ao amin’ny fahazavan’ny fahalalana sy ny firoboroboana.”1

Rehefa nanambara ilay fandaharan’asa ny Filoha Hinckley, dia sahiran-tsaina tamin’ny fianarana sy ny asan’ny Olomasin’ny Andro Farany Bireziliana—indrindra indrindra ho an’ireo tanora vao avy nanao asa fitoriana, ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana toa an’i Paulo R. Grahl, izay talem-paritry ny seminera sy ny institiota fianarana ny filazantsara ao Brésil.

“Saingy tsy nanana valiny izahay mandrampanambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha Hinckley fa tokony hanao io petra-bola azo ampiasaina izay tena tsara io isika,” hoy Rahalahy Grahl. “Taloha dia maro tamin’ireo tanorantsika izay avy nanao asa fitoriana no tsy afaka nanohy ny fianarany sy nanana asa. Amin’izao fotoana izao dia fantany fa rehefa miverina izy ireo dia eo ilay petra-bola azo ampiasaina raha ilainy izany. Fitahiana lehibe sy tombontsoa ho an’ny tanora izany. Manome fanantenana izany.”

Olomasin’ny Andro Farany eo amin’ny 10.000 eo ho eo any Brésil no miantehitra amin’ny fampindramam-bola avy amin’ny Fonds Perpétuels d’Études mba hampivoatra ny fianarana ary avy eo hahazoany asa tsara. Matanjaka ny toe-karena any Brésil ary mitobaka ny tombontsoa ho an’izay nianatra—indrindra rehefa miaraka amin’ny fahaiza-manao azon’ny tanora tany amin’ny sahan’ny misiôna ny fianarana.

Varavarana Misokatra

Ny Loholona Pedro Penha, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra sy talen’ny Institiota fianarana ny filazantsara tany Recife Avaratra dia nilaza fa ny tanora vao avy nanao asa fitoriana dia manana ireo fahaiza-manao izay tadiavin’ ny mpampiasa. “Misokatra haingana ny varavaran’ny fahitana asa noho ny traikefa ananany, fahazarany mandalina, ny bika aman’endriny sy ny fitondrantenany madio,” hoy izy. “Mandroso haingana izy ireo ary misarika ny olona ho liana amin’ny Fiangonana ny fitondrantenany.”

Taorian’ny nahavitany ny asa fanompoany tany amin’ny Misiônan’i Brésil São Paulo Avaratra tamin’ny 2002, dia nanao ny findramam-bola tamin’ny Fonds Perpétuels d’Études i Ricardo Aurélio da Silva Fiusa mba hahazoana mari-pahaizana amin’ny taranja fitantanan-draharaha izay maharitra efa-taona.

“Ilay petra-bola azo ampiasaina dia nanampy ahy hivoatra sy hiomana amin’ny asa sy ny fanambadiana ary hanompo tsara kokoa ao amin’ny Fiangonana,” hoy i Ricardo. Toy ireo izay nampiasa ny Fonds Perpétuels d’Études dia nisy nanolotra asa azy na dia mbola tsy azony akory aza ny mari-pahaizany. “Fitahiana teo amin’ny fiainako ilay petra-bola azo ampiasaina. Feno fankasitrahana aho mamerim-bola isam-bolana mba ahafahan’ny olona hafa mampiasa ilay petra-bola koa.”

Nianatra niresaka tamin’olona sy nandalina mafy ary nankato i Ricardo tany am-panaovana asa fitoriana—toetra tsara izay nahatonga azy ho mpianatra sy mpiasa tsara.

“Maro tamin’ireo prôfesorako no nilaza fa nisy zavatra hafa nampiavaka ahy izay tsy hain’izy ireo hazavaina,” hoy i Ricardo, izay miasa ao amin’ny lasi-pandaminana ho an’ny orinasa iray any Port Suape, any Recife atsimo. “Nolazaiko izy ireo fa noho ny fitsipiky ny finoana arahako izany.” Izany valinteny izany dia nahafahan’i Ricardo niresaka tamin’ ny prôfesorany sy ny olon-kafa momba ny Fiangonana.

I Mauricio A. Araújo, izay iray tamin’ireo tanora Bireziliana avy nanao asa fitoriana nahazo tombontsoa voalohany tamin’ny Fonds Perpétuels d’Études dia nanampy hoe: “Noho ny fivoarana teo amin’ny asa aman-draharahako dia nanana fahafahana bebe kokoa aho hisarika ny olona amin’ny alalan’ny ohatra asehoko. Indraindray ny olona dia milaza amiko hoe: ‘Ianao ity dia tena hafa mihitsy. Miraiki-po aman-tsaina amin’ny vadinao ianao. Miaina ny fitsipika izay resahanao ianao.’ Amin’ny alalan’ny fanararaotantsika ny Fonds Perpétuels d’Études sy ny fanaovantsika ny anjarantsika dia mahazo fitahiana isika ary mitahy ny hafa.”

I Mauricio, izay nanompo tany amin’ny Misiônan’i Brésil Rio de Janeiro tany amin’ny faramparan’ny taona 1990, dia nahazo fampisondrotan-toerana maro hatramin’izay nahavitany ny fianarana momba ny fandraharahana eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpanjifa izay niantohan’ny Fonds Perpétuels d’Études—ka izany dia nanomboka tany amin’ny fivarotana, dia niakatra ho lehiben’ny vondrona iray, dia lasa teo amin’ny fitantanana ary avy eo teo amin’ ny vaomieran’ny talen’ny orinasa iraisam-pirenena iray misahana ny fanofanana momba ny fandaminam-potoana tany São Paulo.

“Ny Fonds Perpétuels d’Études dia hevitra tena tsara avy amin’Andriamanitra,” hoy izy. “Ilay petra-bola azo ampiasaina dia fanalahidy nilaiko mba hamitako ny fianarako sy handrosoako teo amin’ny asa aman-draharahako.”

Fampiasam-bola Tsara

Na dia tsy Olomasin’ny Andro Farany aza i Gabriel Salomão Neto, dia nahatsapa ho nahazo fitahiana mitovy ihany tamin’ny alalan’ny Fonds Perpétuels d’Études izy. “Zava-dehibe ataon’ny fiangonanareo izany,” hoy izy raha niresaka teo amin’ny toeran’ ny mpampiasa maro tany Brésil.

Andriamatoa Neto, izay mpitantana sy anisan’ny tompon’ny orinasa iray any São Paulo izay mamokatra milina mpizara zavatra amin’ny alalan’ny fanatsofohana vola, dia manana ny antony tsara tokony hahafeno fankasitrahana azy. Tena variana tamin’ny fahaiza-manaon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izy, dia i Silvia O. H. Parra izany, izay nahazo mari-pahaizana momba ny fitantanan-draharaha tamin’ny alalan’ny findramam-bola tamin’ny Fonds Perpétuels d’Études, ka noraisiny ho toy ny mpitantsoratra mpanatanteraka ao aminy.

“Tianay ny asa ataony. Miasa mafy izy ary mahavita tsara ny asany. Matoky azy izahay,” hoy Andriamatoa Neto. “Ny fampiasana vola nataon’ny Fiangonanareo ho azy dia nitondra vokany—ho anareo sy ho azy ary ho anay.”

Noho ny fankasitrahany ny Fonds Perpétuels d’Études sy ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonana dia mampianatra teny Anglisy ho an’ny mpikambana sy ny naman’ny Fiangonana ao amin’ny sampany ao São Paulo i Silvia. “Noho izaho nahazo zavatra,” hoy izy, “dia te-hanome koa.”

Araka ny fahitana ny fahombiazan’i Silvia, dia tsy ny zatovolahy irery ihany no mahazo tombontsoa avy amin’ ny Fonds Perpétuels d’Études any Brésil. Noho ny antony ara-toe-karena dia vehivavy Olomasin’ny Andro Farany maro no tsy maintsy mitady asa.

“Ny ankamaroan’ny vehivavy any Brésil dia miasa tsy noho ny fanirian’izy ireo te-hahazo fiara na akanjo lafo vidy fa kosa noho ny tsy fahampian’ny filàna andavanandro,” hoy Lorival Viana de Aguirra, mpitantana ny foibe fanampiana amin’ny fitadiavana asa any Curitiba any amin’ny faritra atsimon’i Brésil. “Tian’izy ireo ny fianakaviany mba hihinana sakafo tsara kokoa ary ny zanany mba hahazo akanjo sy fanabeazana tsara.”

Fifaliana lehibe kokoa ary Fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa

I Keite de Lima A. Ahmed sy Viviana Torres Noguera dia sahirana teo amin’ny fivelomana na dia niasa mafy ho an’ny fianakaviany aza ny vadin’izy ireo. Samy fitahiana lehibe ho azy ireo ny Fonds Perpétuels d’Études.

Naneho fiahiahiana anefa ireo olona ao amin’ny fianakavian’i Keite izay mpikambana malaina rehefa nisoratra anarana hanaraka ny fianarana mandritra ny 18 volana hahatongavana ho teknisiana misahana ny fiarovana izy. Saingy nahita fahombiazana izy teo amin’ny fianarany ary notolorana asa maharitra tao amin’ilay sehatra nisy azy tamin’ny 2007.

“Ilay petra-bola azo ampiasaina dia nanao zavatra mihoatra noho ny fanampiana ahy hianatra sy hahazo asa. Nanampy ahy koa izany mba ho afa-po amin’ny tenako sy hanana fahatokian-tena bebe kokoa amin’ny fahaiza-manaoko,” hoy i Keite, iray amin’ireo vehivavy voalohany nahazo asa mba hitantana ny fanaraha-maso sy fanofanana momba ny fiarovana ary ny famolavolana izany, izay ataon’ny orinasa iray any São José dos Pinhais, akaikin’i Curitiba. “Izany fandaharan’asa tena tsara izany dia nitondra fifaliana lehibe kokoa sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ho an’ny fianakavianay,” hoy izy.

Niverina nazoto tao am-piangonana indray ny ray aman-drenin’i Keite sy ny iray tampo aminy rehefa gaga tamin’ny zava-bitany sy ny fahavononany ary ny fomba nitahian’ny Fonds Perpétuels d’Études ny fianakaviany. “Nahazo fampahatsiahivana izy ireo fa ny Fiangonana dia manome hery ny olona ary manampy azy ireo hivoatra amin’ny fomba maro—tsy eo amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny fa eo amin’ny lafiny manan-danja rehetra izay ahafahana manana fiainana feno,” hoy izy.

I Viviana sy ny vadiny dia niala tao Colombia ka nifindra tany Manaus tamin’ny 2002, izay foibe manan-danjan’ny indostria any amin’ny faritra avaratr’i Brésil, mba hitady asa ahazoana vola. “Ny vavaka, ny filan-kevitry ny fianakaviana sy ny fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ary ny fanofanana momba ny fitadiavana asa dia nanampy anay hahafantatra izay tian’ny Rainay any an-danitra ho anay ary nanampy anay koa handray ilay fanapahan-kevitra tsara amin’ny fotoana maha-mety azy,” hoy i Viviana, izay nahatsapa ho nisy nanosika mba hanao ny findramam-bola ao amin’ny Fonds Perpétuels d’Études mba hianarana momba ny varotra iraisam-pirenena.

Tamin’ny 2007 dia niasa i Viviana, ka nisahana ny entana hafarana avy any ivelany ho an’ny mangazay lehibe iray ao Manaus. Nilain’ny fianakaviany izany karama fanampiny izany, saingy noho izy bevohoka dia tsy maintsy niala izy. Volana vitsivitsy taorian’ny—nahaterahan’izany zaza izany—zanak’izy mivady fahaefatra, dia nisy nanolotra asa ho an’i Viviana mba ho talen’ny varotra iraisam-pirerena ho an’ny orinasa hafa iray. Nanomboka tamin’izay dia nianatra niteny Pôrtogey izy, ary ny fitenin-drazany izay ny teny Espaniôla dia nahatonga azy ho tena ilaina tokoa eo amin’ny firaharahana amin’ireo namana mifanolobodirindrina ao Brésil izay miteny Espaniôla.

“Rehefa natolotra ahy ilay asa dia nilaza aho hoe: ‘Manan-janaka efatra aho. Tsy afaka ny hanolo-tena hiasa manomboka amin’ny 8:00 maraina ka hatramin’ny 6:00 hariva aho,’” hoy i Viviana. “Nilaza tamiko ilay lehibeko fa manana fahatokiana be dia be amin’ny fahaiza-manaoko izy, ary nilaza hoe, ‘Mila olona azoko hianteherana aho. Miasà any an-trano.’ Tena nanaitra ahy izany.”

I Viviana dia miasa any an-trano ary mampiasa ny Internet sy solosaina iray, rehefa mianatra ny zanany efa lehibe ary matory ny zazakeliny. Tsindraindray fotsiny izy no tsy maintsy mandeha any amin’ny birao.

Raisin’i Rafael ho mihoatra noho ny fifanojoan-javatra ny fitahiana azon’ny fianakaviana. “Ny fitahiana izay azonay dia avy amin’ny fanapahan-kevitra ombam-bavaka maro sy ny asa natao izay tanteraka tamin’ny alalan’ny fitaovana nomen’ny Fiangonana,” hoy izy.

Ny Jiron’ny Fanantenana

I Gilmar Dias da Silva, izay talen’ny Fonds Perpétuels d’Études any Brésil dia nilaza fa misy Olomasin’ny Andro Farany Bireziliana izay manana olana eo amin’ny lafin’ny asa taorian’ny nahavitany ny fianarany, “saingy ny ankamaroan’ireo izay nampiasa ny Fonds Perpétuels d’Études dia mivoatra eo amin’ ny asany ary mihatsara ny fiainany. Ahitana fahombiazana aty ilay petra-bola azo ampiasaina.”

Izany fahombiazana izany hoy ny Filoha Thomas S. Monson araka ny teniny: “dia nanomboka nampirehitra ny jiron’ny fanantenana teo amin’ny mason’ireo izay nahatsapa ho toy ny voaozona ho mahantra nefa ankehitriny dia afaka manana hoavy mamirapiratra.”2

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Fonds Perpétuels d’Études,” Liahona, Jolay 2001, 62; Ensign, Mey 2001, 52; “The Need for Greater Kindness,” Liahona sy Ensign, Mey 2006, 61.

  2. Thomas S. Monson, “They Marked the Path to Follow,” Liahona, Ôkt. 2007, 6; Ensign, Ôkt. 2007, 8.

Sary nalain’i Michael R. Morris

Marika famantarana ny Fonds Perpétuels d’Études nataon’i Beth M. Whittaker

Noho ny fanampiana avy amin’ny Fonds Perpétuels d’Etudes, dia nanova ilay bitsika ara-panahy ho asa i Dilson Maciel de Castro Jr. ka lasa mpanampy mpitsabo any Recife, Brésil. Ambany: Fahatazanana lavitra an’i Recife avy eo amin’ny tanànan’ny mpanjanan-tanin’i Olinda.

Eny amin’ny farany ambony: Ilan’ny fivarotana izay manatrika ny arabe ao Largo da Ordem, foibe ara-tantaran’i Curitiba. Ny Fonds Perpétuels d’Études no fanalahidy nahitan’i Ricardo Aurélio da Silva Fiusa fahombiazana teo amin’ny fianarana sy ny asa; I Mauricio A. Araújo, mitarika fivoriana momba ny fandraharahana miaraka amin’ny namany Olomasin’ny Andro Farany, dia i Renato A. Romero (ankavia) sy João B. Moreira (afovoany); ary Silvia O. H. Parra, azo sary miaraka amin’i Adan Tallmann, mpitantsoratry ny faritra misahana ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara .

Ambony: I Keite de Lima A. Ahmed, miresaka momba ny lafin’ ny fiarovana miaraka amin’ny Lorival Viana de Aguirra, mpitantana ny foibe misahana ny fanampiana amin’ ny asa ao Curitiba. Ambany: Miasa ao an-tranony any Manaus i Viviana Torres Noguera. Etsy amin’ny sisiny: I Viviana miaraka amin’ny vadiny Rafael sy ny zanany.