2009
Mba Vonjeo ny Raiko
Aprily 2009


Mba Vonjeo ny Raiko

Ny raiko no nitady ny fahamarinana sy nahita ny misiônera. Nampianatra ny filazantsara anay izy ireo ary fotoana fohy taorian’izany dia—natao batisa—ny ray aman-dreniko sy ny mpiray tampo miisa dimy. Nihanatanjaka ny fijoroanay ho vavolombelona. Nianatra zavatra maro izahay, indrindra fa momba ny Mpamonjy sy ny fianakaviana.

Tamin’ny 1992, raha eveka tao amin’ny paroasinay tao Philippines ny raiko, dia tratran’ny aretim-po mahery vaika tampoka. Nentina haingana dia haingana nankany amin’ny hopitaly avy tao amin’ny biraony izy. Rehefa tonga ny vaovao fa mila fitsaboana be izy, dia ankona ny fianakaviako. Raiki-tahotra mafy izahay. Tena kely ny fanantenana hahaveloman’ny raiko. Nitomany ny reniko ary nangataka anay rehetra mba hivavaka.

Tsy arako intsony ny fandehan’ny fotoana taorian’izany—ka niverina tao an-tsaiko ireo fahatsiarovana maro. Nandohalika nivavaka aho tao anatin’ny ranomaso. Tena navesatra ny foko ary nihotakotaka ny tao anatiko. Te-hikiaka mafy aho mba hanamaivana ny fanaintainana sy hanalana ny tahotra tao anatiko tamin’izany andro izany. Saingy nivavaka tsotra fotsiny aho hoe: “Mba vonjeo ny raiko.” Vavaka natao tamin-kitsimpo izany izay natao mba ho re.

Tamin’izany alina izany dia afaka nankany amin’ny toeran’ireo marary mafy mila fitsaboana mavesatra aho. Tsy nahatsiaro tena ny raiko ary tsy maintsy niomana tamin’ny zavatra ratsy mety hitranga ny reniko sy ny iray tampo amiko. Zava-niseho tena nafaitra ho an’ny fianakavianay izany. Toa maizina sy tsy fantatra ny hoavy. Rehefa nanao veloma mangina azy aho, dia nahatsiaro ny takarivan’ny mpianakavinay voalohany. Nijery sarimihetsiky ny Fiangonana izahay, Families Are Forever.

Talohan’ny nandehanako natory tamin’izany alina izany dia nody nangina tany amin’ny Rainy any an-danitra ilay raiko teto an-tany.

Ny fahafatesan’ny raiko tamin’izaho 22 taona, dia nanamarika ny fiantombohan’ny fiovana an-jatony maro teo amin’ny fiainako. Tao anatin’ny tsy naha-teo azy dia nahafantatra aho fa nanana hery izay tsy fantatro. Nahavita zavatra bebe koko aho teo amin’ny fiainako mihoatra noho izay mety ho vitako, noho ny fiovana sy ny fivoarana nihatra tamiko.

Raha tsy nanome ilay nilaiko tao amin’ilay vavaka ny Ray any an-danitra, dia tsy nidika velively tamiko izany hoe tsy naheno ahy Izy. Fantatro fa nihaino ahy Izy. Fantany ny zavatra nolalovako. Fantany mazava tsara ny zavatra nilain’ny fianakaviako tamin’izany fotoana izany ary izay no nomeny anay—hery handresena ny olan’ny fiainana sy hery hiatrehana ny zava-misy. Nampianatra antsika ny fomba hiatrehana ny fitsapana miaraka amin’ny finoana Izy.

Efa 15 taona mahery izay no lasa hatramin’izany andro nampahory izany. Mbola mianatra aho ary mbola mivoatra ao amin’ny filazantsara. Manana ny fianakaviako manokana aho izao ary tena faly aho fa nofehezina tany amin’ny tempoly izahay. Tsy nanala velively ny masoko tamin’ilay lalana izay natoron’ny raiko anay aho.

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia fantatro fa hiaraka indray izahay indray andro any. Mbola lavitra ny lalana halehako saingy faly aho mieritreritra fa hahita ny raiko any amin’ny faran’izany dia izany.