Ny Fianarana sy ny Olomasin’ny Andro Farany
Ny fanovozana fahalalana dia asa masina mandritry ny fiainana izay mahafaly ny Raintsika any an-danitra ary tena tian’ny mpanompony tokoa.
Ireo izay maniry ny hiditra eo amin’ny sehatry ny fianarana dia tokony hanatona izany toy ny nanatonan’i Mosesy ilay roimemy nirehitra afo. Nijanona teo amin’ilay toerana masina izy ary naniry ny handray zavatra masina,” hoy ny Filoha J. Reuben Clark Jr. (1871–1961), mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, raha nandray fitenenana tamin’ny lanonana nametrahana tamin’ny toerany an’ilay filoha vaovaon’ny Oniversiten’i Brigham Young. “Isika dia tokony hanatona ilay fitadiavana ny fahamarinana—ao amin’ny lafiny fahalalan’ny olombelona rehetra, tsy amim-panajana fotsiny fa miaraka amin’ny toetra mifono fitsaohana.”1
Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mino ny fianarana isika ary manana ny foto-kevitra momba ny fomba sy ny antony hanovozana izany. Ny fotopampianarantsika dia mampianatra antsika fa tokony hikatsaka fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy isika ary manana andraikitra hampiasa ny fahalalantsika ho an’ny tombontsoan’ny olona.
Ny Fikarohantsika ny Fahamarinana
Nampianatra ny Filoha Brigham Young (1801–77) hoe : “Ny finoan[tsika] … dia manosika [antsika] hikatsaka amim-pahazotoana ny fahalalana”. “Tsy misy olona hafa ankoatra izany eto amin’ny fiainana, izay te-hahita sy handre ary hianatra sy hahatakatra ny fahamarinana.”2
Ny fikarohantsika ny fahamarinana dia tokony hivelatra toy ireo asa ataontsika eo amin’ny fiainana ary tokony ho lalina araka izay famelan’ny toe-javatra iainantsika. Ny Olomasin’ny Andro Farany iray izay manam-pahalalana, dia tokony hikatsaka ny hahatakatra ny olana ara-pinoana sy ara-batana ary ara-tsôsialy amin’izao andro izao. Arakaraky ny habetsaky ny fahalalana ananantsika momba ny lalàn’ny lanitra sy ny zavatra eto amin’izao tontolo izao, no halehiben’ny hery ahafahantsika mampiasa ny tsara amin’ireo olona manodidina antsika sy ny hahatonga antsika ho voaro kokoa amin’ireo hery mamohehatra sy ratsy izay mety hampikorontan-tsaina sy hanimba antsika.
Mila mikatsaka ny fanampian’ny Raintsika be fitiavana any an-danitra isika ao anatin’ny fikarohantsika ny fahamarinana. Ny Fanahiny dia afaka mitarika sy manamafy ny ezaka ataontsika mba hianarana sy hampitomboana ny fahafahantsika mahatakatra ny fahamarinana. Izany fianarana miaraka amin’ny Fanahy izany dia tsy voafetra any an-dakilasy na amin’ny fiomanana amin’ny fanadinana any an-tsekoly. Mihatra amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika eo amin’ny fiainana izany sy any amin’ny toerana rehetra izay hanaovantsika izany—any an-tokantrano, any am-piasana ary any am-piangonana.
Rehefa mikatsaka ny handray sy hampihatra ny fitarihan’ny Fanahy isika eto amin’ity izao tontolo izao izay variana amin’ny fironana amin’ny zavatra vaovao mahasarika eo amin’ny fiaraha-monina sy ny olan’ny andro iray ity dia mitatao eo amintsika ny fampahalalan-javatra marobe, izay matetika tsy marina sy tsy manan-danja izay atolotry ny teknôlôjia maoderina. Mety ho lasa toy ny antsoin’ny mpandinika anankiray hoe “‘olona mofo kirepy’ isika—izay mivelatra fa manify, rehefa mifandray amin’ireo tambazotran’ny fampahalalan-javatra goavam-be izay azo avy amin’ny fanindriana bokotra iray fotsiny.”3
Isika ihany koa dia tototry ny fandaharana malaza amin’ny haino aman-jery izay ahitana vahiny malaza, sy fahitalavitra mahay mandinika sy mamantatra ny toetra, gazetiboky misy lamaody ary mpanao famelabelarana amin’ny fampitam-baovao, izay manana lanja mamitaka sy fombafomba tsy azo antoka, afaka manova ny fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika. Ohatra, hoy ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) hoe : “Mbola tsy nisy fotoana toy izao hatramin’izay teto amin’izao tontolo izao, izay tena mampisafotofoto ny anjara asan’ny [vehivavy sy lehilahy].”4
Ao anatin’izany toe-javatra izany, ny fisafotofotoana sy ny fahakiviana ary ny tsy fahatokian-tena dia mety manomboka mampihena ny finoantsika sy mampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy sy amin’ny fananganana ny Fanjakany eto an-tany. Raha mampifantoka ny fanapahan-kevintsika any amin’ny fironana amin’ny zavatra vaovao mahasarika eo amin’ny fiaraha-monina sy any amin’ny lalan’izao tontolo izao isika dia ho “ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana” (Efesiana 4:14).
Mampianatra fitsipika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany fa tsy voataonan’ ny hevitra izay mibahana eo amin’ny besinimaro izy. Tena goavana ny fahasamihafana. Ny fironana amin’ny zavatra vaovao mahasarika eo amin’ny fiaraha-monina, ny lamaody sy foto-kevitra tsotra iraisan’ny sarambaben’olona dia mandalo sy tsy maharitra. Ny fitsipika dia natao ho toy ny vatofantsiky ny fiarovana sy fitarihana ary fahamarinana. Raha mampifanaraka tsara ny tanjontsika sy ny lalantsika amin’ny fotopampianarana sy ny fitsipika isika, toy ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny mpaminany dia hanana mpitarika azo ianteherana tanteraka sy tsy miova ho an’ny fanapahan-kevitra raisintsika eo amin’ny fiainana isika.5
Tsy tokony hatahotra isika. Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe: “Samy fantatry ny Tompo ny zavatra tiany hataonao sy ny zavatra mila ho fantatrao. Tsara fanahy sy mahafantatra ny zava-drehetra Izy. Noho izany dia afaka manantena amim-pahatokiana ianao fa nanomana fomba ahafahanao mianatra Izy ao anatin’ny fiomanana amin’ny asa fanompoana izay hataonao. Tsy ho fantatrao tanteraka ireo fotoana hahafahana manao zavatra ireo. … Saingy raha mametraka ny zavatra ara-panahy ho lohalaharana ianao eo amin’ny fiainanao dia hahatsapa ho voatarika mankany amin’ny fianarana sasantsasany ary hazoto hiasa mafy kokoa.”6
Fahamendrehan’ny Tena Manokana
Ny ezaka ataontsika mba hianatra dia tsy maintsy miaraka amin’ny fahamendrehan’ny tenantsika manokana handraisantsika ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy misoroka ny fahavetavetana, ny pôrnôgrafia sy ny fahazaran-dratsy isika ary koa ny fahatsapana zavatra ratsy momba ny hafa na momba antsika. Mandroaka ny Fanahin’ny Tompo ny fahotana ary rehefa mitranga izany, dia lasa ilay fahazavana manokan’ny Fanahy ary mitsilopilopy ny jiron’ny fianarana.
Ao amin’ny fanambarana maoderina dia misy fampanantenana ho antsika fa raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra ny masontsika, ary ao anatin’izany ny fahamendrehan’ny tenantsika manokana, dia “ho feno fahazavana ny [vatana] manontolo ka tsy hisy haizina ao [amintsika]; ary izany vatana feno hazavana izany dia mahatakatra ny zava-drehetra” (F&F 88:67).
Afaka manamarina izany fitsipika mandrakizay izany isika amin’ny alalan’ny zavatra niainan’ny tena manokana mivantana. Mieritrereta fotoana izay nahatezitra anao na nilanao sotasota na nilanao ady. Afaka nandalina tamim-pahombiazana ve ianao? Nahazo fahazavana ve ianao nandritra izany fotoana izany?
Manamaizina ny saina ny fahotana sy ny hatezerana. Miteraka fepetra mifanohitra amin’ny hazavana sy ny fahamarinana izy ireo izay mamaritra mazava ny faharanitan-tsaina, dia ny voninahitr’Andriamanitra (jereo F&F 93:36). Raha izany, ny fibebahana, izay afaka manadio antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia dingana tena ilaina eny amin’ny lalan’ny fianarana eny ho an’ireo rehetra izay mikatsaka ny fahazavana sy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny hery mampianatra avy amin’ny Fanahy Masina.
Olombelona tsy tanteraka isika, saingy isika tsirairay dia afaka miezaka ny ho mendrika kokoa hanana ny Fanahy Masina ho namana, izay hampivelatra ny fahatakarantsika manokana sy hanomana antsika hiaro tsara kokoa ny fahamarinana sy hahatohitra ny faneriteren’ny fiaraha-monina ary hitondra anjara biriky tsara.
Fianarana
Ao anatin’ny safidintsika eo amin’ny fianarana dia tokony efa hiomana ny hamelona ny tenantsika sy ireo izay mety hiantehitra amintsika isika. Ilaina ny hananantsika fahaiza-manao izay tena tadiavin’ny olona. Ny fianarana dia zavatra tsy maintsy atao ho fiarovana ny tena manokana sy hiadanana.
Ny Raintsika any an-danitra dia manantena antsika mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy sy ny aingam-panahintsika mba handinihantsika ny tenantsika sy ny fahaiza-manaontsika ary hanapahana hevitra momba ny lalam-piofanana tokony arahintsika. Zava-dehibe izany, indrindra ho an’ny tanora izay vao nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa sy ny asa fitoriana ary miatrika ny fanapahan-kevitra amin’izao fotoana izao momba izay fianarana sy asa atao. Satria mety tena tsy mitovy ireo safidy raisin’ny vehivavy sy ny lehilahy dia atombokay amin’ny alalan’ny fakana ohatra teo amin’ny zavatra niainanay izay tsy mitovy izany, ary mino izahay fa zavatra fahita eo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo.
Loholona Oaks: Toy ny ankamaroan’ireo zatovolahy, ny fianarana nataoko dia henjana sy naharitra ary natosik’ilay faniriana ny hananako fahafahana hamelona fianakaviana iray. Nitohy tany amin’ny Oniversite ny fianarana izay nataoko tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony. Ny saram-pianarana dia naloa tamin’ny alalan’ny asa an-tselika sy ny findramana vola izay tsy maintsy aloa rehefa mahita asa tsara avy amin’ny fianarana natao. Tao anatin’izany dia nanambady aho ary nanomboka nanan-janaka izahay. Ny fanohanan’ny vadiko sy ny andraikitro amin’ny famelomana fianakaviana dia nampitombo ny ezaka nataoko tany an-tsekoly ary nanome famporisihana mahery vaika ahy mba hahazo mari-pahaizana sy handroso hatrany amin’ny asa eo amin’ny fiainako. Rehefa vita ny fianarana tany amin’ny ambaratonga ambony dia nanokana ny fotoana sasany nahafahako niala voly aho mba hanohizana fianarana teo amin’ny asako sy hanaovana famakiana fanampiny momba ireo lafin-javatra niriana hatrizay mikasika ny tantaran’ny fiangonana sy ny fianarana amin’ny ankapobeny.
Rahavavy Oaks: Ny lalam-pianarana sy ny traikefan’ny vehivavy matetika dia tena samy hafa amin’ny an’ny lehilahy. Izaho dia lehibe tao amin’ny fotoana iray izay toa tsy mba nananan’ny vehivavy afa-tsy safidy anankiroa mba hamelomany ny tenany—mpampianatra sy mpanampy mpitsabo. Ny “olana” dia tsy mba nieritreritra azy roa ireo velively aho. Ny hamelona ny tenako eo amin’ny lafiny ara-bola dia zavatra tsy noeritreretiko ho vita na ilaina. Tiako ny nianatra ary haiko ny miasa. Raha ny marina dia tia niasa aho. Nanao asa maro fanao mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra aho ary nahay tany an-tsekoly. Rehefa tsapako tampoka fa mila mamelona tanteraka ny tenako aho dia natahotra sy saika tsy nahahetsika tamin’ireo fanamby tsy nampoizina izay toa nitatao teo anoloako. Tsy nanana fahaiza-manao manokana teo amin’ny lafin’ny asa aho. Ny fianarako momba ny haikanto vokatry ny asa saina dia namoky ny fanahiko saingy tamin’izany fotoana izany dia nila nameno vola ny paoketra keliko aho.
Nianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony aho mba hamelomana ny tenako. Tiako ny fotoana isa-minitra nianarako ary tsy nahita hevitra vaovao maro fotsiny aho fa nahita ny fahaiza-manaoko manokana. Raha nisy ireo lafin-javatra izay nahamenatra sy nampitahotra ahy taloha dia nahatsapa ho mahavita azy sy afaka miatrika ny fiainako irery aho izao.
Fihaonan-dalana
Fantatsika fa tsy misy mampikorotan-tsaina mihoatra noho ny tsy fahafantarana izay hataonao ho an’ny hoavinao, saingy tsy misy zavatra mahafaly mihoatra noho ny fahalalana ny fahaiza-manaonao manokana. Vakio ny tsodranon’ny patriarka nomena anao ary diniho ny hery sy ny talenta ara-boajanahary anananao ary mandrosoa hatrany. Ataovy ny dingana voalohany ary dia hisokatra ireo varavarana. Ohatra, raha nanomboka nianatra ny literatiora Anglisy Rahavavy Oaks, dia tsy nieritreritra velively izy fa hitondra azy any amin’ny trano famokaram-boky any Boston izany. Raha nianatra momba ny haitoebola ny Loholona Oaks, dia tsy nieritreritra velively izy fa hitondra azy any amin’ny fianarana momba ny lalàna any amin’ny Oniversiten’i Brigham Young izany ary avy eo any amin’ny Fitsarana avon’i Utah. “Miara-miasa hahasoa [antsika] ny zava-drehetra” miaraka amin’ny Tompo (Romana 8:28), ary ny fahalalana izay azontsika dia avy amin’ ny dingana miandalana noraintsika rehefa nivelatra teo anoloantsika ny fiainantsika.
Tokony hisafidy amim-pitandremana tsara ny fianarana ataontsika isika satria ny fianarana dia misy tombontsoa maharitra mandrakizay ho antsika ary na inona na inona fahalalana ilaina na fahendrena na “fitsipiky ny faharanitan-tsaina” tratrantsika eto amin’izao fotoana izao “dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty ” (F&F 130:18).
Tena mampiahiahy ny hoe maro ny olona indrindra fa ny vehivavy no tsy mahatoky ny tenany sy miahiahy amin’ny fahaiza-manaony mba hahombiazana. Raha niresaka tamin’ireo vehivavy mpianatra matematika sy siansa ary ireo miofana ho injeniera tamin’ny Marsa 2005, ny filohan’ny BYU, ny Loholona Cecil O. Samuelson Jr. ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe: “Niresaka tamiko ny iray tamin’ireo mpampianatra anareo … fa misy aminareo no tsy dia manana fahatokiana loatra eo amin’ny fahaiza-manaonareo sy ny mety ho zavatra tena tsara azonareo hatao amin’ny hoavy raha oharina amin’ireo lehilahy mpiara-mianatra aminareo, na dia mety misy milaza aza fa tsy voaporofo izany. Tena mila mahafantatra ny talentanareo sy ny fahaiza-manaonareo ary ny hery anaty anananareo ianareo ary tsy mila miahiahy momba ireo fanomezana nomen’Andriamanitra anareo.”7
Ny vehivavy indrindra indrindra no mety ho voatsikera raha maniry hiditra eo amin’ ny sehatry ny asa izy ireo. Nanoratra mba hangataka torohevitra ny vehivavy 25 taona mahery iray izay mila mamelona ny tenany. Nilaza izy fa nanontany ny hevitry ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, momba ny fikasany hianatra lalàna nefa tsy namporisika azy hanao izany izy. Tsy fantatsika ny fahaiza-manaony sy ny fetran-javatra azony atao. Mety nifototra tamin’ireo ny torohevitra azony na tamin’ny aingam-panahy izay nifanojo manokana tamin’ny toe-javatra niainany. Saingy ny fahavononany dia tsapa tao anatin’ireo pejin’ny taratasiny ary nazava fa tokony hotoroana hevitra ny mba hanatratra ilay hery anaty faratampony ananany izy.
Tao anatin’ny hafatra nomeny nandritra ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 29 Septambra 2007, ny Filoha Thomas S. Monson dia nilaza tamin’ny vehivavy hoe: “Aza mivavaka mba hangataka asa mifanaraka amin’ny fahaiza-manaonao fa mivavaha mba hangataka fahaiza-manao ahafahanao manatanteraka ny asanao. Dia tsy ho fahagagana ny fahatanterahanao ilay asa fa ianao no ho fahagagana.”8
Mampitandrina anefa izahay fa noho ny filana ny famitana ny fianarana sy fananana fidiram-bola azo antoka dia mety mitady tsy hanome lanja ny fanambadiana ny vehivavy na ny lehilahy. Tena fahateren-tsaina mandrakizay ny fikatsahana anton’asa iray izay tsy ahafahana hiditra amin’ny fanambadiana, izay zavatra manan-danja mandrakizay, satria izany dia tsy azo ampifanarahana amin’ny fandaharam-potoanan’ny asa, izay zavatra manan-danja eto amin’izao tontolo izao.
Nisy namana iray niaraka tamin’ny zanakavaviny mba hijery ireo sekoly ambaratonga ambony tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Ilay zanany feno fahavononana sy nanan-talenta dia nahafantatra fa raha mianatra any amin’ny sekoly tena tsara indrindra izay nofidiany izy dia hidiran-trosa be ho an’ny fianarany. Matetika dia tsy hanenenana ny mandany vola ho an’ny fianarana tena tsara, saingy teto dia nivavaka ny zanakavaviny ary nahatsapa fa raha toa ka tsy manakana ny hanambadiany ny fidiran-trosa be dia mety hanery azy hanohy hiasa anefa izany raha toa ka tokony hijanona any an-trano miaraka amin’ny zanany izy. Mba hendry. Samy hafa isika tsirairay avy. Raha mitady ny toroheviny ianao, dia hampahafantatra anao izay tena tsara ho anao ny Tompo.
Faniriana Mafy Te-hianatra
Ny Loholona Jay E. Jensen ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra fa isika dia mila “maranitra sy azo ampiasaina foana toy ny lelan’antsy.”9 Izany lelan’antsy izany dia tsy maintsy mila voasa amin’ny alalan’ny fanirianao hianatra, izay tarihin’ireo lohalaharana mandrakizay.
Ankoatra ny fampitomboantsika ny fahaiza-manao eo amin’ny lafin’ny asa, dia tokony hanana faniriana ny ho faly kokoa ara-pihetseham-po isika sy hahay hifehy bebe kokoa ny fifandraisantsika manokana amin’olona ary tokony ho ray aman-dreny sy olom-pirenena tsara kokoa. Zavatra vitsy monja no mahafaly sy mahafinaritra kokoa ankoatra ny mianatra zavatra vaovao. Tonga avy amin’izany ny fifaliana lehibe sy ny fahafaham-po ary ny valisoa ara-bola. Ny fianarana dia tsy voafetra fotsiny hoe any an-tsekoly. Ny fianarana mandritry ny fiainana dia afaka mampitombo ny fahafahantsika hankasitraka ary mifaly amin’ny fomba fiasan’ny tontolo manodidina antsika sy ny hakantony. Izany karazana fianarana izany dia mihoatra ny boky sy ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao izay voafetra, toy ny Internet. Ahitana asa kanto izany. Ahitana koa ny zavatra niainana niaraka tamin’ny olona sy zavatra niainana tany amin’ny toerana samihafa izany: resadresaka natao niaraka tamin’ny namana, fitsidihana tranom-bakoka ary fijerena kaonseritra sy fahafahana nanao asa fanompoana. Tokony hampivelatra ny tenantsika isika ary ho tia ilay dia.
Mety sahirana isika amin’ny fanatratrarana ny tanjontsika, nefa ny fahasahiranantsika dia mety hitondra fivoarana lehibe eo amin’ny fianarantsika. Ny hery volavolaintsika mba handresena ny olana dia hiaraka amintsika any amin’ny mandrakizay izay ho avy. Tsy tokony hitsiriritra ireo olona izay manana loharano ara-bola sy ara-pahaizana izay mahamora ny zavatra rehetra isika. Ny zavatra ao ambadiky ny fivoarana dia tsy ahitana zavatra mora velively, ary ny olona izay manana fiainana tsy misy fahasahiranana dia na mila miaina ny fivoarany amin’ny alalan’ny fanaovana fahafoizan-tena hafa na tsy handalo ny fivoarana izay tanjon’ny fiainana.
Ny tena manan-danja indrindra, dia manana andraikitra ny hanohy ny fianarana ara-panahintsika isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny bokin’ny Fiangonana ary ny fandehanana any am-piangonana sy any amin’ny tempoly. Hampivoatra betsaka antsika ny fivokisana amin’ny tenin’ny fiainana ary hampitombo ny fahafahantsika mampianatra ireo izay tiantsika sy hanomana antsika amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny tanjona faratampon’ny fianarana dia ny hahatonga antsika ho ray aman-dreny sy ho mpanompo tsara kokoa ao amin’ny fanjakana. Any amin’ny farany, dia ilay fivoarana sy fahalalana ary fahendrena tratrantsika no mampivelatra ny fanahintsika ary manomana antsika amin’ny mandrakizay, fa tsy ny naoty azontsika izay misoratra amin’ny taratasy fanamarinana avy amin’ny Oniversite. Ny zavatra mifandray amin’ny Fanahy dia zavatra maharitra mandrakizay ary ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviana izay fehezin’ny herin’ny fisoronana masina no vokatra faratampony avy amin’ny fanahy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fianarana ary vato ifaharan’ny finoantsika rehefa mampiasa azy ho tombontsoan’ny hafa.