Tsy Miari-tory
Rehefa tonga ny fotoana hahazoana mari-pahaizana tany amin’ny oniversite dia hitako fa ny fitsipiky ny filazantsara dia nitahy ny fiainako andavanandro—sy ny fiainako ara-panahy koa.
Na fony aho tovovavy aza, ny ankamaroan’ny antsoko tao am-piangonana dia niompana tamin’ny fampianarana ny ankizy tao amin’ny Kilonga. Ary izany dia nanosika ahy hanapa-kevitra ny hanana mari-pahaizana eo amin’ny fampianarana ankizy any amin’ny ambaratonga fototra. Saingy tsy tamin’izany safidy hanao izany taranja izany mba hahazoana mari-pahaizana fotsiny ihany no nisian’ny fiantraikan’ny fampianaran’ ny Fiangonana teo amin’ny fianarako. Lasa nazava tsara izany rehefa niomana ny hahazo mari-pahaizana aho.
Ny asa farany tsy maintsy vitaiko dia ny fanaovana famelabelarana an-tsoratra farany ny fikarohana nataoko izay harovako amin’ny alalan’ny fanadinana am-bava eo anatrehan’ny mpitsara anankitelo. Ny mpitsara dia ny sasany tamin’ireo mpampianatra izay nampianatra ny kilasiko.
Rehefa vita an-tsoratra tsara ny asa fikarohana nataoko, dia nandany ny ampahan’ny hariva talohan’ilay fanadinana am-bava niaraka tamin’ny fianakavian’ny sakaizako aho. Rehefa handeha hody aho dia nilaza tamiko ny reniny hoe, manantena izy fa handeha tsara ny zava-drehetra, ary niteny an’ilay soratra masina hoe: “Fa raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra” (F&F 38:30) izy.
Tonga ny ampitso. Fahatsiarovana maro no nandalo tao an-tsaiko. Tsaroako ny nanapahako hevitra handao ilay tanàna nahalehibe ahy mba handeha handrato fianarana. Tadidiko ny fihafiana rehetra niainan’ny fianakaviako mba handoavana izany. Tsy afaka ny handiso fanantenana azy ireo aho. Tsy maintsy fahombiazana ny fanadinako farany.
Niandry mba hanao ny fanadinany koa ireo mpiara-mianatra tamiko. Nitebiteby tamin’ireo fanontaniana mety apetrak’ireo mpitsara izahay rehetra, saingy nahatsapa filaminan-tsaina aho satria nivavaka mba hahazo fanampiana ary satria fantatro fa fantatr’Andriamanitra ny ezaka nataoko tamin’ny famolavolana sy fanadihadihana ary ny fanoratana ny asa fikarohana.
Tonga ny anjarako. Taorian’ny fanazavako ny asa fikarohana nataoko tamin’ireo mpitsara dia nanomboka namaly fanontaniana aho. Taorian’ny fametrahana fanontaniana maro momba ny lohahevitra iray izay novelabelariko, dia nisy mpitsara iray nanontany hoe: “Manao ahoana ny habetsaky ny asa nataonao tamin’ity fikarohana ity?”
“Tena betsaka,” hoy aho namaly. “Nanao izay fara-heriko aho satria te-hanolotra hevi-baovao.”
“ Niari-tory ve ianao?”
“Tsia, tsy mba miari-tory mamita asa miompana amin’ ny fianarana aho,” hoy aho. “Mandamina ny androko aho mba hamitako ny asako.”
Niseho mazava teny amin’ny endrik’ireo mpitsara ny fahatairana. Nanao fanamarihana indray ilay mpitsara teo hoe: “Hitako toy ny hafahafa izany hoe ianao milaza fa tsy niari-tory izany. Fantatray fa niari-tory ny mpiara-mianatra aminao nandritra ny alina maro.”
Nilaza ny iray tamin’ireo mpitsara hafa hoe: “Mamela ahy ianareo hilazalaza momba an’ity mpianatra ity. Manam-potoana ho an’ny zavatra rehetra izy. Afaka milaza izany aho satria fantatro izy. Manam-potoana ho an’ny fianarany sy ny namany ary ny fianakaviany izy ary miangona koa aza.”
“Marina ve?” gaga indray ilay mpitsara iray hafa. “Aiza ianao no miangona?”
“Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho.”
“Oay! fantatro izany fiangonana izany,” hoy ny anankiray.
“Ary ampianarina izahay mba handeha hatory aloha mba hahatonga ny vatanay sy ny sainay ho mavitrika ny ampitson’iny.”
Nahatsapa ho tony sy nilamina aho raha niresaka momba ny filazantsara, na dia taitra aza satria nanontaniana momba ny finoana nandritra ny fanadinana miompana amin’ny asa aman-draharaha.
“Nosoratana niaraka tamin’ny fihetseham-po lehibe ny asa fikarohana nataonao. Tena tsara. Mino aho fa izany dia noho ny fahazarana nampidirina miandalana tao aminao tamin’ny alalan’ny fiangonanao.”
“Eny,” hoy aho. “Nampianarina ny fomba hampianarana ankizy aho tany am-piangonana ary tena nanampy ahy tamin’ny fomba hahazoana ny mari-pahaizako izany.”
“Tena mora taminao ilay izy,” hoy ny iray tamin’ireo mpitsara nivazivazy. “Antenainay fa tsy hijanona hiangona ianao satria nahazo tombontsoa maro tamin’ireo zavatra azonao tany ianao.”
Fotoana fohy taorian’izany dia nasaina nivoaka ilay efitrano aho mba ahafahan’ny mpitsara mandray fanapahan-kevitra. Roa minitra taty aoriana dia niantso ahy indray izy ireo.
“Tsy sarotra taminay ny niombon-kevitra. Noho ny fitondrantenanao sy ny naotinao tena tsara ary ny asa fikarohana novelabelarinao androany, dia nitovy hevitra izahay tamin’ny fanapahan-kevitra fa hanome ny mari-pahaizana, miaraka amin’ny mari-pankasitrahana tena ambony indrindra ho anao. Arahabaina!”
Rehefa nolazaiko tamin’ny fianakaviako izany dia latsa-dranomasom-pifaliana izy ireo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa nandidy antsika ny Ray any an-danitra hoe: “atsaharo ny fatoriana mihoatra noho izay ilaina; vonjeo aloha ny fandrianareo mba tsy hahatonga anareo ho reraka; mifohaza aloha mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika” (F&F 88:124), dia nataony izany mba hitahiana antsika. Feno fankasitrahana Azy aho noho ny famelany ny filazantsara hitondra fifaliana ho antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika.