Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Mampianatra Fotopampianarana Marina
Efa nisy talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao ny ady teo amin’ny hazavana sy ny haizina, ary teo amin’ny tsara sy ny ratsy. Mbola mirongatra ny ady ary toa mihamitombo ny voina avy amin’izany. Manana havan-tiana isika rehetra izay rotidrotehin’ny herin’ilay mpandrava, ilay hanao izay hampahory ny zanak’Andrtiamanitra rehetra. Ho an’ny ankamaroantsika dia tao ireo alina tsy natoriana. Niezaka faran’izay vitantsika isika nampivondrona ny hery tsara rehetra tamin’ireo hery izay nanodidina ireo olona tandindomin-doza. Notiavintsika izy ireo. Nampiseho ohatra tsara indrindra araka izay vitantsika isika. Nivavaka tamim-pitalahoana ho azy ireo isika. Nisy mpaminany hendry iray taloha, nanome antsika torohevitra momba ny hery iray izay mety tsy omentsika lanja indraindray ary dia zara raha ampiasaintsika izany.
I Almà dia mpitarika vahoaka iray izay nianjadian’ny famotehan’ny fahavalo feno habibiana. Tsy afaka nanao ny zavatra rehetra izy teo anatrehan’izany loza izany ka tsy maintsy nanao safidy. Afaka nanangana manda fiarovana izy na nampiofana miaramila na nanamboatra fitaovam-piadiana. Saingy ny hany fanantenany mba handresena dia ny fahazoana ny fanampian’Andriamanitra ary noho izany dia fantany fa tsy maintsy mibebaka ny vahoaka. Ary noho izany dia nisafidy ny hanandrana zavatra ara-panahy iray izy, voalohany indrindra: “Ary ankehitriny, satria nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny hanandraman’izy ireo ny herin’ny tenin’Andriamanitra ” (Almà 31:5).
Saina sy Fo Misokatra
Ny tenin’Andriamanitra no fotopampianarana nampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny. Fantatr’i Almà fa manana hery lehibe ny tenin’ny fotopampianarana. Afaka manokatra ny sain’ny olona izy ireo hahita zavatra ara-panahy izay tsy hitan’ny maso ara-batana. Ary afaka manokatra ny fo izy ireo mba hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavana ny fahamarinana. Samy nampiasain’ny Mpamonjy ireo loharanon-kery roa ireo mba hanokafana ny masontsika sy ny fontsika, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-18, raha nampianatra ny fotopampianarany Izy tamin’ireo izay tiany ho lasa misiônera hanompo Azy. Rehefa mihaino izany ianao dia eritrereto ilay zatovolahy ao amin’ny fianakavianao izay misalasala eo amin’ny fiomanany hanao asa fitoriana. Toa izao no fomba nampianaran’ilay Mpampianatra ny mpanompony anankiroa sy ny fomba azonao ampianarana ny fotopampianarany amin’ilay zatovolahy izay tianao:
“Ary ankehitriny, ry Oliver Cowdery, miteny aminao Aho, ary koa amin’i David Whitmer ho fandidiana; fa, indro, mandidy ny olon-drehetra Aho, na aiza na aiza izany, hibebaka ary miteny aminao Aho toy ny nitenenako tamin’i Paoly apôstôliko, satria ianareo dia antsoina amin’ilay antso izay niantsoana azy ihany.
“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’Andriamanitra” (F&F 18:9–10).
Natombony tamin’ny filazana ny tena fahatokisany azy ireo izany. Dia nampanatona ny fon’izy ireo tany Aminy Izy tamin’ny filazana ny halehiben’ny fitiavan’Izy sy ny Rainy ny fanahy tsirairay. Avy eo dia niresaka ny fototry ny fotopampianarany Izy. Nofaritany ny antony izay mahatonga antsika ho tia Azy:
“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao, dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.
“Ary efa nitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka mibebaka izy ireo.
“Ary akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka!” (F&F 18:11–13).
Rehefa avy nizara ny fotopampianaran’ny asa nanirahana Azy Izy mba hanokafana ny fon’izy ireo, dia nodidiany Izy ireo hoe: “Koa antsoina ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity” (F&F 18:14).
Farany dia nosokafany ny mason’izy ireo mba hahita ny any ankoatry ny voaly. Entiny any amin’ny fiainana ho avy isika sy izy ireo, izay voafaritra ao amin’ny drafitra lehiben’ny famonjena, izay toerana ho mety ahitana antsika. Miresaka amintsika momba ny hisian’ny fiaraha-miasa mahafinaritra Izy izay mendrika ny hanomezana ny zavatra rehetra ananantsika:
“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!
“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (F&F 18:15–16).
Mampianatra fotopampianarana mba hanokafana ny fontsika handray ny fitiavany Izy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina vitsivitsy ireo. Ary mampianatra fotopampianarana mba hanokafana ny masontsika hahita ny zava-misy marina ara-panahy Izy, izay tsy hitan’ny saina raha tsy hazavain’ny Fanahin’ny Fahamarinana.
Ahoana no Fomba Tokony Hampianarantsika
Ny filana ny fanokafana ny masontsika sy ny fontsika dia milaza amintsika ny fomba tokony hampianarantsika ny fotopampianarana. Manana ilay heriny ny fotopampianarana, rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina izany fa marina. Manomana an’ireo izay ampianarintsika amin’ ny fomba tsara faran’izay vitantsika isika, mba handray ny bitsik’ilay feo tony sy malefaka. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy izany farafahakeliny. Mitaky fanetren-tena sy fahavononana hanatanteraka ny sitrapon’ny Mpamonjy ho antsika izany farafahakeliny. Ilay olona hampianao dia mety manana kely amin’izy ireo ihany saingy afaka manosika azy ianao mba hanana faniriana ny hino. Ankoatra izany dia afaka mahazo fahatokiana avy amin’ny zavatra iray hafa ao amin’ireo herin’ny fotopampianarana ianao. Afaka manomana ny olona iray hanaiky azy ny fahamarinana. Ny fahenoana fotsiny ny tenin’ny fotopampianarana dia afaka mamboly ny voan’ny finoana ao am-po. Ary na dia voatsinapin’ny finoana an’i Jesoa Kristy tena kely aza dia manasa ny Fanahy.
Mahafehy bebe kokoa ny fiomanantsika manokana isika. Mivoky amin’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina isika ary mandalina ny tenin’ireo mpaminany velona. Mifady hanina sy mivavaka isika mba hanasa ny Fanahy ho ao amintsika sy ao amin’ny olona izay hampianarintsika.
Noho ny filantsika ny Fanahy Masina dia tsy maintsy malina sy mitandrina tsara isika mba tsy handeha hihoatra ny fampianarana ny fotopampianarana marina. Ny Fanahy Masina no Fanahin’ny Fahamarinana. Ny fanamafisana avy aminy dia tonga amin’ny alalan’ny fisorohantsika ny fisaintsainana zavatra hafa na ny fizarana hevitra avy amin’ny tenantsika manokana. Mety ho sarotra atao izany. Tianao ilay olona izay ezahanao ho sarihina. Mety tsy nahalala velively ilay fotopampianarana heno teo aloha teo izy. Tena maka fanahy ny hanandrana zavatra vaovao sy mahatalanjona. Saingy manasa ny Fanahy Masina mba ho namantsika isika rehefa mitandrina ny tsy hampianatra afa-tsy ny fotopampianarana marina ihany.
Ny fomba tena azo antoka mba hisorohana ny fanakaikezana ny fotopampianarana diso dia ny misafidy ny ho tsotra ao amin’ny fampianarantsika. Azo avy amin’izany fahatsorana izany ny fiarovana ary ho kely ny very. Fantatsika izany satria nolazain’ny Mpamonjy isika mba hampianatra ny fotopampianarana tena manan-danja amin’ny ankizy madinika. Henoy ny didy nomeny: “Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao i Ziona na any amin’ireo tsatòkany izay voatsangana ny ray aman-dreny ka tsy mampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’i Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, rehefa feno valo taona izy, dia mby eo amin’ny lohan’ny ray aman-dreny ny fahotana” (F&F 68:25).
Na dia ny ankizy aza dia azontsika ampianarina hahatakatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Noho izany dia azo ampianarina amin’ny fomba tsotra ny fotopampianaran’ny famonjena miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.
Atombohy aloha be
Manana fahafahana manao zavatra lehibe isika miaraka amin’ny zatovo. Ny fotoana tsara indrindra hampianarana dia any aloha be, rehefa mbola iny voaro amin’ny fakam-panahin’ny fahavalony eto an-tany iny ny ankizy ary mialoha lavitra ny fotoana izay mety hahasarotra ny handrenesan’izy ireo ny tenin’ny fahamarinana ao anatin’ireo zava-manahirana azy manokana.
Ny ray aman-dreny hendry dia tsy mba mamela velively fotsiny amin’izao ny fahafahana iray hanangonana miaraka ny zanaka mba hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fotoana toy izany dia mahalana raha oharina amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo. Satria ao anatin’ny ora rehetra ampahafantarana ny herin’ny fotopampianarana eo amin’ny fiainan’ny zaza iray, dia mety misy ora an-jatony maro ahitana hafatra sy sary izay mandà sy tsy miraharaha ny fahamarinan’ny famonjena.
Ny fanontaniana dia tsy tokony hoe, vizana loatra ve isika amin’ny fiomanana hampianatra ny filazantsara sa tsara kokoa ve raha manakaiky ny ankizy amin’ny fanaovana zavatra mampifalifaly fotsiny sa manomboka mahatsapa ve ilay zaza fa diso mitory be loatra isika? Izao no tokony ho fanontaniana, “Amin’izao fotoana sy fahafahana manao zavatra izay tena kely izao, dia inona no tenin’ny fotopampianarana avy amiko izay hahazoan’izy ireo hery hanoherana ny fanafihana ny finoan’izy ireo izay azo antoka fa hitranga?” Ny teny lazainao anio no mety ho ilay hotsaroany. Ary ny anio dia hanjavona tsy ho ela.
Mandalo ireo taona ary mampianatra ny fotopampianarana araka izay vitantsika isika nefa mbola misy tsy miraika ihany. Misy alahelo ao anatin’izany. Saingy misy fanantenana ao amin’ny rakitsoratra masina momba ny fianakaviana. Eritrereto i Almà zandriny sy Enôsa. Tao anatin’ny fotoam-pahasahiranany dia nahatsiaro ny tenin’ny rainy izy ireo, izay tenin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy (jereo Enôsa 1:1–4; Almà 36:16–19). Namonjy azy ireo izany. Hotsaroana ny fampianaranao izany fotopampianarana masina izany.
Ny Fiantraikany Maharitra avy amin’ny Fampianarana
Mety misy ahiahy anankiroa mivezivezy ao an-tsainao. Mety manontany tena ianao raha mahafantatra tsara ilay fotopampianarana mba ho afaka hampianatra izany. Ary raha efa nanandrana nampianatra izany ianao dia mety hanontany tena hoe toa tsy dia mahita fiantraikany tsara loatra.
Misy tantaran’ny zatovovavy iray tao amin’ ny fianakaviako izay sahy nanomboka nampianatra ny fotopampianarana raha vao vita batisa kelikely ary tsy dia nanam-pahalalana loatra izy. Ny tsy fahataperan’ny fiantraikan’izany fampianarana izany hatramin’izao dia nanome faharetana ahy hiandry ny vokatry ny ezaka nataoko manokana.
I Mary Bommeli dia renin’ny dadabeko. Tsy nahita azy velively aho. Ny zafikeliny vavy no naheno azy nitantara ny tantarany ka nanoratra izany.
Teraka tamin’ny 1830 i Mary. Nampianaran’ny misiônera tany Suisse ny fianakaviany tamin’izy 24 taona. Mbola nipetraka tao an-tranon-dray aman-dreniny izy ary nanenona lamba sy nivarotra akanjo hanampiana ny fianakaviany tao amin’ny toerana kely fiompiany sy famboleny. Rehefa nandre ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fianakaviana dia fantatr’izy ireo fa marina izany. Natao batisa izy ireo. Voantso handeha hanao asa fitoriana ny anadahin’i Mary ary nandeha tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy. Nivarotra ny fananany ny fianakaviana sisa mba handehanana any Amerika hiara-hitoetra amin’ireo Olomasina.
Tsy ampy handehanan’ny rehetra ny vola. Nanolo-tena ny hijanona i Mary satria tsapany fa afaka mahazo vola ampy mba hamelomana ny tenany sy hangoniny mba handehanany izy avy amin’ny fanenomany. Nandeha tany Berlin izy ary nankany an-tranon’ny vehivavy iray izay nampiasa azy mba hanenona lamba hanaovana akanjo ho an’ny fianakaviana. Nipetraka tao amin’ny efitrano irain’ny mpiasa izy ary nanangana ny fanenoman-dambany tao amin’ny efitrano fandraisam-bahinin’ilay trano.
Raran’ny lalàna tamin’izany ny mampianatra ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Berlin. Saingy tsy afaka nitazona ilay vaovao mahafaly ho an’ny tenany irery i Mary. Mitangorona manodidina ilay fanenoman-damba ilay vehivavy sy ny namany mba hihaino ny fampianaran’ity tovovavy avy any Suisse ity. Niresaka momba ny fisehoan’ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith sy ny famangian’ireo anjely izy ary momba ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa tonga teo amin’ny tantaran’i Almà izy dia nampianatra ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Nampisy olana teo amin’ny asa fanenomany izany. Tamin’izany andro izany dia maro ireo zaza izay mbola kely dia maty. Ireo vehivavy nanodidina ilay fanenoman-damba dia efa namoy zanaka ary ny an’ny sasany tamin’izy ireo dia zanaka maro. Rehefa nampianarin’i Mary ilay fahamarinana hoe, ny zazakely dia mpandova ny fanjakana selestialy ary afaka ny hiaraka amin’izy ireo sy ny Mpamonjy ary ny Raintsika any an-danitra indray ireo vehivavy ireo, dia nikoriana teny amin’ny tarehin’ireo vehivavy ireo ny ranomaso. Nitomany koa i Mary. Nandena ny lamba voatenon’i Mary ireo ranomaso latsaka rehetra ireo.
Nampisy olana lehibe kokoa ny fampianaran’i Mary. Na dia nitalaho tamin’ireo vehivavy ireo aza i Mary mba tsy hiresaka amin’olona ny zavatra nolazainy tamin’izy ireo dia nataon’izy ireo ihany izany. Nozarain’izy ireo tamin’ ny namany ilay fotopampianarana mitondra fifaliana. Ka indray alina dia nisy nandondona tao am-baravarana. Ny mpitandro filaminana no tao. Nentin’izy ireo tany am-ponja i Mary. Teny an-dalana dia nanontaniany an’ilay lehilahy mpitandro filaminana ny anaran’ilay mpitsara izay hiresaka aminy ny ampitson’izany. Nanontanian’i Mary raha nanana fianakaviana izy. Nanontaniany koa raha raim-pianakaviana sy vady tsara izy. Nihomehy ilay mpitandro ny filaminana rehefa namaritra ilay mpitsara ho toy ny olon’izao tontolo izao.
Nangataka pensilihazo sy taratasy i Mary tany am-ponja. Nanoratra taratasy ho an’ilay mpitsara izy. Nanoratra momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izy araka ny famaritana izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary nanoratra momba ny tontolon’ny fanahy, sy ny halavan’ny fotoana mila hieritreretan’ilay mpitsara sy handinihany ny fiainany mialohan’ny hiatrehany ny fitsarana farany. Nanoratra i Mary hoe, fantany fa mila mibebaka be tokoa izy amin’ny zavatra izay mety hahavaky fo ny fianakaviany sy hitondra alahelo lehibe ho azy. Nanoratra izy nandritra ny alina. Nony maraina dia nangataka an’ilay mpitandro filaminana izy mba hitondra ilay taratasy any amin’ilay mpitsara. Nataony izany.
Avy eo dia nantsoin’ilay mpitsara tany amin’ny biraony ilay mpitandro filaminana. Ny taratasin’i Mary dia porofo tsy azo lavina fa nampianatra ny filazantsara izy ka noho izany dia nandika lalàna. Na dia izany aza dia vetivety dia niverina tany amin’ny efitranon’ny fonja nisy an’i Mary ilay mpitandro filaminana. Foana daholo ny fiampangana azy ary afaka nandeha izy. Nanokatra maso sy fo tokoa ny fampianarany ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ka nahatonga azy ho tafiditra tany am-ponja. Ary ny fanambarany ny fotopampianaran’ny fibebahana tamin’ilay mpitsara dia nahatonga azy ho tafavoaka ny fonja.1
Mitarika Ny Taranakao
Ny fampianaran’i Mary Bommeli dia nahasarika olona maro mihoatra noho ireo vehivavy nanodidina ilay fanenoman-damba sy ilay mpitsara. Ny raiko izay zafikeliny dia niresaka tamiko nandritra ny alina maro fony izy teo am-bavahoanan’ny fahafatesana. Niresaka momba ny fihaonana mahafinaritra izay ho avy tsy ho ela ao amin’ny tontolon’ny fanahy izy. Ohatra ny hitako mihitsy ny taramasoandro mazava sy ny tsikitsiky tao amin’izany toeran’ny paradisa izany rehefa niresaka tamim-pahatokiana momba izany izy.
Nisy fotoana nanontaniako azy raha misy zavatra tokony hibebahany. Nitsiky izy. Nihomehy moramora izy rehefa nilaza hoe : “Tsia ry Hal a! efa nibebaka aho nandritra ny fiainako.” Ilay fotopampianaran’ny paradisa izay nampianarin’i Mary Bommeli an’ireo vehivavy ireo dia tena zava-misy ho an’ilay zafikeliny lahy. Ary na ilay fotopampianarana nampianarin’i Mary an’ilay mpitsara aza dia nisy fiantraikany tsara teo amin’ny fiainan’ny raiko. Tsy izay no fiafaran’ny fampianaran’i Mary Bommeli. Ny rakitsorany dia hizara fotopampianarana marina amin’ireo taranaky ny fianakaviany izay mbola tsy teraka. Noho ny finoany fa na dia ny olona vao niova fo aza dia manana fahalalana ampy momba ny fotopampianarana ka afaka mampianatra izany dia ho voasokatra ny saina sy ny fon’ ny taranany ary hahazo hery izy ireo ao anatin’ilay ady.
Hifampianatra ny fotopampianarana ny taranakao satria nampianarinao izany. Ny fotopampianarana dia afaka manao mihoatra noho ny manokatra ny saina amin’ny zavatra ara-panahy sy ny fo amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Rehefa mitondra fifaliana sy fiadanana izany fotopampianarana izany, dia manana hery hanokafana ny vava koa izany. Toa ireo vehivavy tao Berlin, dia tsy ho afaka ny hitazona ilay vaovao mahafaly ho azy ireo fotsiny ny taranakao.
Feno fankasitrahana aho fa miaina amin’ny fotoana iray izay ananantsika sy ny fianakaviantsika ny fahafenoan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Feno fankasitrahana aho noho ilay asa nanirahana ny Mpamonjy izay mifono fitiavana ho antsika sy noho ireo tenin’ny fiainana izay nomeny antsika. Mivavaka aho mba hahafahantsika mizara ireo teny ireo amin’ireo izay tiantsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Raintsika ary tia ny zanany rehetra Izy. I Jesoa Kristy no Zanany Lahitokana tonga nofo ary Mpamonjy antsika. Fantatro fa nitsangana tamin’ny maty Izy ary fantatro fa afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.