2010
Manakaiky ny Tompo
Janoary 2010


Ho an’ny Ankizy

Manakaiky ny Tompo

Tany Kirtland, Ohio, dia nahazo fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith. Nolazain’ny Tompo izy hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovohana ianareo” (F&F 88:63). Ny fomba iray ahafahantsika manakaiky ny Tompo dia amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminaniny.

Manaova sary momba ireo zavatra izay nangatahan’ ny Filoha Thomas S. Monson mba hataontsika:

Mivavaha.

Aoka ianao ho tsara fanahy.

Miasà mafy rehefa mianatra.

Manampia ny hafa.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona.

Mamakia ny soratra masina.

Hamoaka printy