Ho an’ny Tanora
Manamafy Orina ny Fijoroanao ho Vavolombelona
Ataovy ity fitsapa-pahaizana ity mba hanampy anao hieritreritra hoe manao ahoana ny fanamafisanao orina ny fijoroanao ho vavolombelona:
-
Moa ve aho maniry ny hino?
-
Moa ve aho mifady hanina sy mivavaka mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa?
-
Moa ve aho mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isan’andro?
-
Moa ve aho miezaka ny mitandrina ny didy isan’andro?
-
Moa ve aho miezaka ny manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina?
-
Moa ve aho mijoro ho vavolombelona rehefa tsapako fa tokony hanao izany?