2010
Lasa Mizaka Tena
Janoary 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2010

Lasa Mizaka Tena

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

Inona no atao hoe Fizakan-tena?

“‘Ny fizakan-tena dia midika hoe mampiasa ny fitahiana rehetra avy amin’ny Raintsika any an-danitra mba hikarakarana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika ary hitadiavana vahaolana ho an’ireo olantsika manokana.’ Isika tsirairay dia manana andraikitra hiezaka ny hisoroka ireo olana mialohan’ny hitrangan’izany ary hianatra ny handresy azy rehefa miseho izany. …

“Ahoana no ahafahantsika ho lasa mizaka tena? Lasa mizaka tena isika amin’ny alalan’ny fananana fahalalana sy fandrantoana fianarana ary fahaizana mamaky teny sy manoratra ampy tsara; ary amin’ny alalan’ ny fandrindrana amim-pahendrena ny vola sy ny fananana, amin’ny alalan’ny fananana fiainam-panahy matanjaka, ny fiomanana amin’ ny voina na olana mety hitranga tampoka; ary amin’ny alalan’ny fananana fahasalamana tsara sy filaminana eo amin’ny lafiny ara-tsôsialy na ara-pihetseham-po.”1

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Andraikitra eo anatrehan’ny Filazantsara

“Rehefa miaina ao anatin’ny fitsinjovana ny hoavy isika sy mampitombo ny fanomezam-pahasoavantsika ary ny talentantsika, dia lasa mizaka tena. Ny fizakan-tena dia ny fandraisantsika andraikitra momba izay hahasoa antsika manokana ara-panahy sy ara-batana sy ny fandraisantsika an’ireo olona izay napetrak’Andriamanitra hokarakaraintsika mba ho andraikitra. Raha tsy mizaka tena isika, tsy afaka ny hanaraka marina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa.

“Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fizakan-tena dia fitaovana iray hanatratrarana tanjona. Ny tanjontsika faratampony dia ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy ary ho tratra izany tanjona izany amin’ny alalan’ny fanompoantsika tsy misy tambiny ny hafa. Arakaraka ny halehiben’ny fizakan-tenantsika no hitomboan’ ny fahafahantsika manompo na hihenany.”2

Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Ny fizakan-tena dia vokatry ny asa nataontsika ary manamafy orina ireo asa fanampiana hafa rehetra. Zavatra iray manan-danja izany eo amin’ny lafin’ny mahasoa antsika ara-panahy ary koa ara-batana. Mikasika izany fitsipika izany tokoa, dia hoy ny Filoha Marion G. Romney [1897–1988] hoe: ‘Aoka isika hiasa ho an’ny zavatra izay ilaintsika. Aoka isika hizaka tena sy hahaleo tena. Tsy misy fitsipika hafa ankoatra izany hahazoana ny famonjena. Raharahan’ny tena manokana ny famonjena, ary tsy maintsy miasa isika hahatanteraka ny famonjena antsika eo amin’ny lafiny zavatra ara-nofo sy ara-panahy.’ …

“Ny Filoha Spencer W. Kimball [1895–1985] dia mbola nampianatra izao momba ny fizakan-tena: ‘Ny andraikitry ny olona tsirairay eo amin’ny lafin’ny filaminana ara-tsôsialy, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy, na ara-batana, na ara-bola dia miankina amin’ny tenany aloha voalohany indrindra, faharoa miankina amin’ny fianakaviany, ary fahatelo miankina amin’ny Fiangonana raha toa izy ka mpikambana mahatoky ao anatin’izany.’”3

Filoha Thomas S. Monson.

Fanamarihana

  1. “The Welfare Responsibilities of the Relief Society President,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance (2009), 4–5.

  2. “A Gospel Vision of Welfare: Faith in Action,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance (2009), 1–2.

  3. “Guiding Principles of Personal and Family Welfare,” Liahona, Feb. 1987, 3.

Hamoaka printy