2010
Mahareta Hatrany
Janoary 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2010

Mahareta Hatrany

Anisan’ireo lesona mitoetra maharitra avy tamin’ny vanimpotoan’i Kirtland ny hoe mila vokisana lalandava ny fanahintsika. Mila mitoetra akaikin’ny Tompo isika isan’andro raha te-hahazaka ny fitsapana izay tsy maintsy atrehintsika rehetra.

Tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo dia nentinay sy ny vadiko tany Kirtland, Ohio ny zafikelinay kambana roalahy. Fotoana manokana sy sarobidy ho anay izany mba nahafahana niaraka tamin’izy ireo talohan’ny handehanany hanao asa fitoriana.

Nandritra ny fitsidihanay tany dia nahatakatra kokoa ny toe-javatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Olomasina nipetraka tany Kirtland izahay. Izany vanimpotoana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany dia fantatra ho toy ny fotoanan’ireo fitsapana goavana nefa koa fotoanan’ireo fitahiana faratampony.

Tany Kirtland no nanomezan’ny Tompo ireo fisehoana avy any an-danitra sy fanomezana ara-panahy anisan’ny mahatalanjona indrindra hitan’izao tontolo izao hatramin’izay. Fizarana miisa dimy amby enimpolo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no voaray tany Kirtland sy ny manodidina—fanambarana izay nitondra fanazavana sy fahalalana vaovao momba ny lohahevitra toy ny Fiaviana Fanindroany, ny fikarakarana ny sahirana, ny drafitry ny famonjena, ny fahefan’ny fisoronana, ny Tenin’ny Fahendrena, ny fahafolonkarena sy ny tempoly ary ny lalàn’ny fanokanana.1

Vanimpotoan’ny fivoarana tsy manam-paharoa ara-panahy izany. Tena nitarehin’afo tokoa ny Fanahin’ny Ray. Niseho nandritra izany fotoana izany i Mosesy, Elia, ary ireo olona avy any an-danitra maro hafa ary tao anatin’izany ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao, dia i Jesoa Kristy.2

Ny iray tamin’ireo fanambarana maro voarain’i Joseph tany Kirtland dia fanambarana iray izay nantsoiny hoe “ravin’oliva … nongotana tamin’ny Hazon’ny Paradisa sy ny hafatry ny Tompo mitondra fiadanana ho antsika” (sasin-tenin’ny F&F 88). Izany fanambarana miavaka izany dia ahitana ilay fanasana lehibe hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatatra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondony dia hovahana ianareo” (F&F 88:63). Rehefa nanakaiky ny Tompo ireo Olomasina tao Kirtland, dia tena nanakaiky azy ireo tokoa Izy, ary nandrotsaka ireo fitahian’ny lanitra teo amin’ny lohan’ireo izay mahatoky.

Firotsahan-javatra maro ara-panahy

Angamba ny faran’izay lehibe indrindra tamin’ireo fisehoana ara-panahy ireo dia niseho nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 27 Marsa 1836. Iray tamin’ireo izay nanatrika teo i William Draper, 28 taona, izay namaritra ilay andro ho toy ny “andro Pentekosta.” Nanoratra izy hoe: “Tena fotoana lehibe nirotsahan’ny Fanahin’ny Tompo be dia be tokoa tamin’izany ka sady tsy vitan’ny peniko ny nandray azy rehetra an-tsoratra no tsy afa-nanambara izay nitranga ny vavako. Saingy holazaiko eto hoe nirotsaka ny Fanahy ary tonga toy ny rivotra mifofofofo sy mahery vaika ary nameno ny trano, ka maro tamin’ireo nanatrika teo no niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, sy nahazo fahitana sy nahita anjely, sy naminany, ary niara-niaina fifaliana toy izay mbola tsy fahita tao anatin’ity taranaka ity.”3

Ireo fisehoan-javatra ara-panahy ireo dia tsy voafetra ho an’ireo izay tao anatin’ny tempoly ihany, satria “ireo olona nipetraka nanodidina dia niara-nihazakazaka (rehefa nandre feo tsy mahazatra tao anatin’ny tempoly ary nahita hazavana mamirapiratra toy ny andry afo izay nitoetra teo amboniny), ary talanjona tamin’ny zava-niseho.”4

I Lorenzo Snow (1814–1901), izay lasa Filohan’ny Fiangonana taty aoriana dia nipetraka tany Kirtland nandritra izany vanimpotoana feno fitahiana izany. Nanazava izy hoe: “Mety ho nieritreritra ny olona fa tsy hianjadian’ny fakam-panahy intsony ireo Olomasina taorian’ny nahazoany ireo fahitana mahagaga ireo.”5

Kanefa, mazava ho azy fa ny fiainana zavatra tena lehibe ara-panahy dia tsy mahatonga antsika tsy ho iharan’ny fifanoherana sy ny fitsapana. Volana vitsivitsy fotsiny taorian’ny fanokanana ny tempoly dia nianjadian’ny olana ara-toekarena izay niely patrana i Etazonia, ary niantraika lalina tamin’i Kirtland ny vokatr’izany. Nanakatona ny tranony ireo banky ka namela olona maro tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola. Ny nanampy trotraka an’izany koa, dia maro tamin’ireo Olomasina tamin’izy ireo nifindra monina ho any Kirtland no tsy nitondra afa-tsy entana kely, ary tsy nahafantatra izay mety hataony rehefa tonga any, na izay fomba hivelomany.

Fotoana fohy taorian’izany dia tonga ny fanenjehana ary nisy vondron’olona nitsangana hanohitra ny Olomasina. Mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana—izay naman’ny Mpaminany akaiky indrindra mihitsy aza ny sasany, ary maro tamin’ireo no nanatrika ny fanokanana ny tempoly—no nivadika ary nanameloka an’i Joseph ho toy ny mpaminany lany hery.

Rehefa nandehandeha teny akaikin’ny Tempolin’i Kirtland niaraka tamin’ny vadiko sy ireo zafikeliko lahy aho, dia nisaintsaina ny maha-mampivarahontsana ny tsy fijanonan’ny sasany ho mahatoky na dia taorian’ireo fisehoan-javatra ara-panahy izay hitan’izy ireo aza. Tena mampalahelo ny tsy fahafahan’izy ireo nanana faharetana teo anoloan’ny fandrabirabiana sy fitsikeran’ireo tsy mpino. Tena mampalahelo ny hoe rehefa nianjadian’ny fitsapana ara-bola na ireo olana hafa izy ireo, dia tsy mba nahavita niezaka nitady sy nahita tao anatin’izy ireo ny hery hahafahana mijanonana ho mahatoky. Tena mampalahelo ny hoe toa zary hadinon’izy ireo ny fararanom-pahagagana ara-panahy tany amin’ny fanokanana ny tempoly.

Ireo Lesona

Inona no azontsika ianarana avy amin’izany vanimpotoana miavaka teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany?

Ny iray tamin’ireo lesona mitoetra maharitra avy tamin’ny vanimpotoan’i Kirtland dia ny hoe mila fahanana lalandava ny fanahintsika. Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe: “Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy zavatra izay azonao androany dia hotazoninao lalandava. Ny fijoroana ho vavolombelona dia na mitombo ary hitombo hankamin’ny fahatokiana mafy orina, na hihena ka hanjavona, arakarak’izay hanaovantsika azy ihany. Lazaiko fa ny fijoroana ho vavolombelona izay havaozintsika isan’andro no ilay zavatra mamonjy antsika amin’ireo fandriky ny fahavalo.”6 Mila mitoetra eo akaikin’ny Tompo isika isan’andro raha te-hahazaka ny fitsapana izay tsy maintsy atrehintsika rehetra.

Misy lafiny hitovizan’ny tontolo iainantsika amin’izao fotoana izao amin’i Kirtland tamin’ny 1830. Isika koa dia miaina ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola. Misy ireo olona izay manenjika sy mila sotasota amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy. Mety mahafanina indraindray ireo fitsapana mianjady amin’ny tena manokana na iraisana.

Amin’izany fotoana izany no tena ilaintsika indrindra ny manakaiky ny Tompo. Rehefa manao izany isika, dia ho fantatsika ny dikan’izany hoe manakaiky antsika izany ny Tompo. Rehefa mitady Azy amim-pahavitrihina kokoa isika dia azo antoka fa hahita Azy. Ho hitantsika mazava tsara fa tsy manary ny Fiangonany na ireo Olomasiny mahatoky ny Tompo. Hisokatra ny masontsika ary ho hitantsika ny fanokafany ny varavaran’ny lanitra sy ny fanomezany antsika bebe kokoa amin’ilay hazavany. Ho hitantsika ilay hery ara-panahy ilaina mba hahavelomana na dia ao anatin’ny alina maizim-pito indrindra aza.

Na dia nohadinoin’ny sasany tamin’ireo Olomasina tany Kirtland aza ireo zavatra ara-panahy niainany dia tsy nanao izany kosa ny ankamaroany. Ireo maro an’isa izay ahitana an-dry William Draper, dia nifikitra mafy tamin’ilay fahalalana ara-panahy izay nomen’Andriamanitra azy ireo ary nanohy nanaraka ny Mpaminany. Teny an-dalana teny dia nandalo fitsapana mangidy kokoa izy ireo nefa koa niaina fivoarana ara-panahy tsara kokoa mandrapandraisana an’ireo izay naharitra hatramin’ny farany rehefa tany amin’ny farany “ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Môsià 2:41).

Afaka Maharitra Ianareo

Raha toa ianareo ka mitady ho kivy na ho very finoana, dia tadidio ireo Olomasina mahatoky ireo izay nitoetra ho marina tany Kirtland. Mahareta hatrany. Vitanareo izany! Anisan’ny taranaka miavaka ianareo. Nomanina sy natokana ianareo mba hiaina mandritra izao fotoana manan-danja izao eo amin’ny tantaran’ity planeta tanintsika tsara tarehy ity. Manana firazanana selestialy ianareo ary noho izany dia manana ny talenta rehetra ilaina mba hahatonga ny fiainanareo ho tantara feno fahombiazana mandrakizay.

Nomen’ny Tompo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana ianareo. Nahatsapa ny fitarihany sy nahita ny heriny ianareo. Ary raha manohy mitady Azy ianareo, dia hanohy hanome anareo fahalalam-piainana masina Izy. Amin’ny alalan’ireo sy ny fanomezana ara-panahy hafa, dia tsy hoe ho afaka ny hanova ny fiainanareo manokana ho tsaratsara kokoa fotsiny ianareo fa ho afaka koa hitahy ny tokantranonareo, ny paroasy na ny sampana misy anareo, ny fiaraha-moninareo, ny tanànareo, sy ny faritaninareo ary ny firenenareo amin’ny alalan’ny hatsaranareo.

Mety ho sarotra hita izany indraindray, nefa mahareta hatrany satria “izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona, no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy” sy miandry Azy (1 Korintiana 2:9; jereo koa F&F 76:10; 133:45).

Mijoro ho vavolombelona aho momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary ny fahamarinan’ity Fiangonany ity. Mijoro ho vavolombelona amin’ny foko sy fanahiko manontolo aho fa velona Andriamanitra, ary i Jesoa Kristy dia Zanakalahiny ary mijoro eo amin’ny lohan’ity Fiangonana lehibe ity. Manana mpaminany indray isika eto an-tany, dia ny Filoha Thomas S. Monson izany.

Enga anie isika ka hahatsiaro lalandava ny leson’i Kirtland ary haharitra hatrany—na dia toa manjombona aza ny zava-drehetra. Fantaro ary tadidio izao: tia anareo ny Tompo. Tsaroany ianareo. Ary hotohanany lalandava ireo izay “maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany” (F&F 20:25).

Fanamarihana

  1. Jereo, ohatra, ny fizarana 45; 56; 76; 84; 89; 97; sy 104.

  2. Jereo F&F 76:23; 110:2–4, 11–13.

  3. William Draper, “A Biographical Sketch of the Life and Travels and Birth and Parentage of William Draper” (1881), tahadika notendrena tamin’ny milina fanoratana, ao amin’ny Tranomboky Mirakitra ny Tantaran’ny Fiangonana, 2; natao manara-penitra ny fitsipi-panoratana sy ny fanaovana sorabaventy.

  4. History of the Church, 2:428.

  5. Lorenzo Snow, “Discourse,” Deseret Weekly News, 8 Jiona, 1889, 26.

  6. Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee(Enseignements des Présidents de l’Église) (2000), 43.

Hamoaka printy