Mpisava Lalana any amin’ny Tany Tsirairay
Fiovam-po sy Fiovana any Chili
Tamin’ny taona 1956 no natao ny batisa voalohany. Amin’izao fotoana izao dia manana tempoly anankiray sy misiona miisa 9 sy tsatòka miisa 74 i Chili ary manana mpikambana eo amin’ny 600.000 latsaka kely eo.
Nandritra ny 58 taona nisian’ny tantaran’izy ireo dia nampisehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ao Chili ny fahafahan’izy ireo miova lalana sy manao fanovana madinidinika eo amin’ny fiainany mba hifanaraka amin’izay lazain’ireo mpaminany. Izany toe-tsaina izany dia nanampy ny Fiangonana tany hivelatra tamin’ny fomba mahatalanjona nandritra izay dimampolo taona lasa izay. Amin’izao fotoana izao dia misy mpikambana eo amin’ny 600.000 latsaka kely any Chili ka olona 1 ao anatin’ny 30 any Chili ankehitriny no mpikamban’ny Fiangonana.1
Nitsidika an’i Chili ny Apôstôly iray
Tamin’ny 1851 dia tonga tany Valparaíso ny Loholona Parley P. Pratt (1807–1857) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo niaraka tamin’ny fikasana hanorina ny Fiangonana. Saingy samy tsy nisy nahay teny Espaniôla izy sy ireo namany mpiara-mitory taminy. Tena kely ny vatsimbola nananan’izy ireo ary tsy nisy fahalalahana ara-pivavahana teo amin’ilay firenena ka tsy afaka nanorina ny Fiangonana tany izy ireo.
Niangavy ny Filoha Brigham Young (1801–77) ny Loholona Pratt hoe: “Tokony hadika amin’ny teny Espaniôla ary atao printy ny Bokin’i Môrmôna sy ireo boky tsy lafo vidy sasantsasany dia ho tonga eo amin’ireo firenena ireo ny filazantsara rehefa miaraka amin’ny zavatra mba hovakin’izy ireo ny Fisoronana velona—eny fa na dia ireo rakitsoratra ahitana ireo fampanantenan’Andriamanitra, ireo vavaka nataon’ireo olona fahiny sy ny finoana nananan’izy ireo ary ny hery sy ny Fanahin’Andriamanitra mba hiara-hiasa amin’izy ireo hamerenana amin’ny laoniny ny mpianakavin’i Isiraely.”2
Tafaorina ny Fiangonana
Na dia teo aza ny ezaka nataon’ny Loholona Pratt tany aloha tany dia 100 taona mahery taty aoriana vao tafaorina tanteraka tao Chili ny Fiangonana. Tamin’ny 1956, dia nirahina Elder Joseph Bentley sy Elder Verle Allred avy any amin’ny Misionan’i Argentine mba hitory ny filazantsara tany Chili, izay efa niaina fahalalahana ara-pivavahana bebe kokoa. Ireo misiônera ireo dia nahazo ny fanohanan’ny fianakaviana Fotheringham tany Santiago. Mpikambana nifindra monina avy tany Panama izy ireo ary niandrandra ny hahatongavan’ny misiônera.
Ny batisa voalohany dia notanterahina tao Chili tamin’ny 25 Nôvambra 1956, tao anaty dobo filomanosana iray tao amin’ny toerana fialana voly sy fanaovana fanatanjahantena iray tao Santiago. Nitantara Elder Allred hoe: “Nankany amin’ilay toerana fialana voly sy fanaovana fanatanjahantena izahay talohan’ny niposahan’ny masoandro ary nanao fotoam-pivavahana nahitana vavaka sy lahateny fohy. Niara-niditra tao anaty rano izaho sy Rahalahy Garcia. Izy no nataoko batisa voalohany ary nisy olona valo hafa taoriany. Tena andro iray manokana izany. Tsy hay hadinoina ny zavatra tsapanay. … Ireo mpikambana ireo no ho mpisava lalan’ny Fiangonana any Chili ary mino aho fa nitoetra ho nahatoky daholo ny tsirairay tamin’izy ireo mandra-pahafatiny: ny fianakaviana Garcías, ny fianakaviana Saldaños, ary Rahavavy Lanzarotti.”3
Fiantsoana Mpitarika
Ny Febroary 1959, dia nitsidika an’i Chili i Spencer W. Kimball (1895–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary nanamafy ny filana ny fananana mpitarika avy eo an-toerana. Ny iray tamin’ireo mpitarika voalohany avy eo an-toerana dia i Carlos Cifuentes izay mpanolotsain’ny filohan’ny misiona Robert Burton. Nitantara izao toe-javatra nitranga izao ny Loholona Julio Jaramillo izay lasa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra sy filohan’ny tempoly taty aoriana: “Ny fotoana voalohany nahataitra ahy tamin’ny Rahalahy Cifuentes dia tamin’ny nanasana ahy hanatrika ny fivorian’ny fisoronana taorian’ny batisako. Rehefa nanomboka ny fotoana dia nandeha nankeny amin’ny polpitra izy ary ny hany zavatra hitako dia ny hohon’ny tanany izay maloto sy mainty. Nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ity lehilahy ity mitarika fivoriana miaraka amin’ny filohan’ny misiona raha toa ka maloto ny tanany?’ Izay no tao an-tsaiko mandra-piteniny ary dia hadinoko ny zavatra hafa rehetra rehefa nahatsapa ny fanahiny aho. Nizara hevitra lalina taminay tamin’ny alalan’ny teny tsotra izy. Mpanamboatra ny simba amin’ireny milina lehibe ireny izy ary tara izy vao mirava isaky ny Sabotsy, dia dioviny ny tanana, saingy noho ny tsy fahampian’ny fitaovana loatra ao amin’ny trano fivarotany dia tsy afaka manala tanteraka ny menaka rehetra izy. Dia tamin’izay fotoana izay aho no nianatra fa tsy tokony hitsara olona amin’ny endriny ety ivelany aho fa hitia azy ireo noho ny fananany ny maha-izy azy.”4
Fanamafisana Orina ny Taranaka Vao Misondrotra
Tao anatin’ireo taona 60 sy tao anatin’ireo taona 70, dia lasa mafy orina ny Fiangonana tany Chili. Tsy hoe tamin’ny alalan’ny fitomboan’ny mpitarika manana traikefa avy eo an-toerana fotsiny fa tamin’ny alalan’ireo fandaharan’asa miompana amin’ny fanorenan-javatra sy fampianarana. Tafiditra tao anatin’izany ny fanorenana trano fiangonana niaraka tamin’ny fananganana sekoly an’ny Fiangonana, ary seminera sy institiota.
Ny volana Martsa 1964 dia voatsangana tany Chili ny sekoly ambaratonga fototra anankiroa izay an’ny Fiangonana. Sekoly maro no nosokafana tamin’ny farany ary nahatratra 2.600 mahery ny mpianatra tao anatin’izany. Tany amin’ny faramparan’ireo taona 70 ary tany am-piantombohan’ireo taona 80 dia lasa nitombo kokoa ny sekoly tsy miankina izay tsara ka dia nanambara ny fanakatonana ireo sekoly tany Chili ny Fiangonana.
Nanao izao fanamarihana izao raha niresaka momba ny fandaharan’asa momba ny fampianarana ny Loholona Eduardo A. Lamartine, izay Fitolopololahin’ny Vondrom-paritra teo aloha ary mpanorohevitra momba ny tantaran’ny Fiangonana, “Ireo sekoly tany Chili dia nitondra soa lehibe teo amin’ny fanomezana fahalalana ara-tsaina sy ara-panahy an’ireo tanora anarivorivony ary nanampy tamin’ny fanomanana ireo mpitarika sy misiônera izany nandritra ireo taona taorian’izany.”5
Tamin’ny 1972 no nanombohan’ny fandaharan’asan’ny seminera sy institiota tany Chili. Tamin’ny voalohany dia nanaraka fandaharam-pianarana any an-trano ny mpianatra niaraka tamin’ny fanatrehana fotoam-pianarana taty ivelany isan-kerinandro. Taty aoriana dia lasa natao matetika kokoa ny fanatrehana fotoam-pianarana taty ivelany. Nitahy ny tanoran’ilay firenena ireo fandaharan’asa ireo ary nanampy azy ireo hiomana hanao asa fanompoana rehefa misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Ny Loholona Eduardo Ayala, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy taloha no iray tamin’ireo mpampianatra seminera voalohany ary taty aoriana dia niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana tao Chili. Hoy izy hoe: “Nifidy tanora izay teo an-toerana ny Tompo tamin’izany fotoana izany ary maro tamin’izy ireo no misiônera nahavita ny asa fitoriany sy mpitarika manana ny maha-izy azy sy manana fianakaviana mahafinaritra. … Ny seminera sy institiota ho ahy dia fitaovana iray nanatanterahana ny famonjena nandritra ireo fotoana nisian’ny hotakotaka maro teo amin’ny firenenay ary feno fankasitrahana aho noho ny niantsoana ahy hiasa ao amin’ny sampana misahana ny fampianarana.”6
Tsatòka Voalohany
Ny 19 Nôvambra 1972, dia nanangana ny Tsatòkan’i Santiago Chili ny Loholona Gordon B. Hinckley (1910–2008), izay tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, ka i Carlos Cifuentes no lasa filoha.
Ny fiomanana natao mba handraisana ilay tsatòka dia nampiseho ny toetran’ireo Olomasina tany Chili sy ny fahavononan’izy ireo hanaraka ny mpaminany. Tonga tany Chili volana maromaro mialoha ny Loholona Hinckley mba hanangana ilay tsatòka. Saingy rehefa avy nanao dinidinika maro dia nahemotra izany. Maro ny olona nanana olana ara-bola tamin’izany ka nanana olana teo amin’ny fanajana ny lalan’ny fahafolonkarena ny mpikambana sasany.
Nanazava ny Loholona Hinckley hoe, “Niverina tany aho enim-bolana taty aoriana ary rehefa nanao dinidinika, dia nahita fitomboan’ny finoana. Nandeha tamim-pahamarinana teo anoloan’ny Tompo indray izy ireo ka dia natsangana ny tsatòka ary nanomboka tamin’izay dia nitombo sy nivelatra izy ireo.”7
Mpisava Lalana tany amin’ny Sisintany
Misy tsatòka roa any Arica amin’izao fotoana izao, izay tanàna any amin’ny farany avaratra indrindra ao Chili. Ny tantaran’i Gladys sy Juan Benavidez, izay olona niova fo voalohany tany Arica, dia mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana sy ny fananana hery mitarika avy any an-danitra teo amin’ny fanorenana ny Fiangonana nanerana an’i Chili.
Tamin’ny 1961 no nahafantaran’ny Rahalahy Benavidez ny Fiangonana rehefa nisy taratasy vitsivitsy notsofin’ny rivotra nankeny aminy: “Izy ireo dia pejy avy tao amin’ny gazetiboky iray nantsoina hoe Reader’s Digest Selections izay nahitana lahatsoratra lava iray mikasika ny ‘Môrmona,’ ka namaritra ny fomba fiainan’izy ireo sy ny finoany izany,” hoy izy.
Fotoana fohy taorian’izany dia tratran’ny aretina mafy izy izay nila fitsaboana tany Santiago. “Rehefa tonga tany aho dia novangian’ny anabaviko ka nahafantatra fa lasa mpikamban’ny Fiangonana izy,” hoy izy. “Nasainy mba hanatrika fihaonambe iray manokana aho. Rehefa nihaino ny vavaka fanokafana aho ary nanaraka tao an-tsaina ireo teny nambara dia nahatsapa fifaliana lehibe nanerana ny vatako iray manontolo ary nahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy. Rehefa nifarana ilay fihaonambe dia nalain’ny misiônera aho mba hiakatra hifandray tanana amin’ilay manampahefana ambony tonga nitsidika, dia ny Loholona Ezra Taft Benson (1899–1994) izany izay tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tamin’izany.”
Niverina tany Arica Rahalahy Benavidez ary nizara ny zavatra niainany tamin’i Gladys Aguilar sakaizany izay vadiny amin’izao fotoana izao. Andro maromaro taty aoriana dia nahita misiônera nandalo ny tranony i Gladys. “Nandeha haingana nitady azy ireo izahay,” hoy Rahalahy Benavidez. “Ny 1 Jolay 1961 izahay no natao batisa niaraka tamin’ny fianakavian’ny vadiko. Manana zanaka sy zafikely ao amin’ny Fiangonana izahay ankehitriny. Feno fankasitrahana ny Tompo aho noho ilay rivotra nitsoka izay nitondra fampahalalana momba ny Fiangonana ho eny an-tanako.”8
Fotoana Sarotra Iray
Nandritra ny fifidianana tamin’ny 1970 dia lasa filoham-pirenena i Dr. Salvador Allende ary nametraka fitondrana mifototra amin’ny Marxisme. Nianjadian’ny fahasahiranana ny mpikamban’ny Fiangonana noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fanafody ary ny fandrahonana ireo misiônera sy ny fanaratsiana ataon’ny fampitam-baovao.
Tamin’ny 1973, dia niteraka fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila sy fitondrana jadona izay naharitra hatramin’ny 1990 ny olana ara-bola sy ara-tsôsialy. Na dia miaina ao anatin’ny demôkrasia mivelatra tsara aza i Chili amin’izao fotoana izao dia fotoana tena sarotra ho an’ireo mpikambana ireo roapolo taona ireo. Nisy vondron’olona nanohitra ny fitondrana jadon’ny miaramila izay nanafika trano fiangonana sy ireo mpikambana satria nihevitra izy ireo fa ny Fiangonana dia manao asa ho an’ny tombontsoan’ny fanjakan’i Etazonia. Hoy ny Loholona Ayala, izay filohan’ny tsatòka tamin’izany fotoana izany hoe, “Nihaona tamin’ireo Manampahefana Ambony izahay ary nilaza taminay izy ireo hoe: ‘Aoka ianareo mba hampihatra fahendrena sy hivavaka mafy ary hanao izay tokony hatao mba hitandroan’ireo mpikambana ny filaminana mandritra ny fivoriana.’”9
Na dia teo aza ireo olana ara-bola nianjady tamin’ny firenena sy fifanoherana ara-pôlitika izay nampisaratsaraka ny fiaraha-monina tany Chili tany am-piandohan’ny taona 80, dia nitombo haingana ny Fiangonana. Teo anelanelan’ny taona 1970 sy 1985, dia lasa 169.361 ny isan’ny mpikambana tany Chili raha 15.728 izany.
Ny Tempolin’i Santiago
Tamin’ny 1980 dia nahazo fitahiana ireo Olomasina satria nambara fa hisy tempoly haorina ao Santiago, Chili.
Efa tena osa ny Filoha Spencer W. Kimball rehefa nitokana ilay tany hanorenana ny tempoly; saingy ny fahatongavany teo dia nampiseho ny fitiavany an’ireo Olomasina tany Amerika Atsimo, izay niarahany niasa nanomboka tamin’ny 1959. Rahavavy Adriana Guerra de Sepúlveda, izay nandika ny tenin’ny Rahavavy Kimball tamin’izay fotoana izay dia nilaza hoe: “Rehefa nahita ny mpaminany aho izay olona kely vatana nanana endrika anjely dia nanomboka nitomany aho ary tsy nahita izay teny tokony holazaina aminy. Izay aho vao nijoro teo akaikin’ny mpaminany velona iray. Zavatra tena tsara ny nahita ilay mpitondratenin’ny Tompo eto ambonin’ny tany ary tao amin’ny fireneko.”10
Notokanana tamin’ny 1983 ilay tempoly ary faharoa tany Amerika Atsimo izany sy voalohany tany amin’ny firenena iray miteny Espaniôla.
Loholona Jeffrey R. Holland tany Chili
Tamin’ny Aogôsitra 2002, dia nanendry mpikambana roa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fiadidiana Voalohany mba hiahy vondrom-paritra roa an’ny Fiangonana: Ny Loholona Dallin H. Oaks dia notendrena hiahy an’i Philippines, ary ny Loholona Jeffrey R. Holland dia notendrena hiahy an’i Chili. Tena goavana ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Holland sy ny hery mitarika nananany fony izy tany Chili ary hitoetra ho an’ny taranaka maro mifandimby ny fiantraikan’izany.
Ny zavatra voalohany nasongadin’ny Loholona Holland dia ny fanomezana ohatra eo amin’ny fitarihana araka ny fomban’ny Tompo. Nitondra fanampiana Izy teo amin’ny fanofanana mpitarika vaovao ary nanara-maso ny fanaovana fanovana sy fanafoanana ary fanambarana teo anivon’ny paroasy an-jatony sy tsatòka maro. Nilaina izany fanovana sy fanofanana izany noho ny fitomboan’ny Fiangonana haingana tany amin’ilay firenena. Ny fitarihany dia nanampy teo amin’ny fanamafisana orina ireo vondrona ary teo amin’ny fanomanana ny Fiangonana tany Chili amin’ny ho avy.
Ankoatra izany dia nanana fifandraisana tamin’olona manan-kaja sasantsasany tao Chili ny Loholona Holland. Toy izao no namaritan’i Carl B. Pratt ao amin’ny Fitopololahy, izay mpanolotsaina iray ao amin’ny Fiadidian’izany Vondrom-paritra izany, ny sasany tamin’ireo olona manan-kaja nifandray taminy: “Nifandray akaiky tamin’i Ricardo Lagos [filohan’i Chili] sy ny vadiny ny Loholona Holland. Nanatanteraka tetik’asa fanampiana olona maro izy ireo. Nifankafantatra tamin’ny Nonce Apostolique [Mpitondra fivavahana Katôlika manana toerana ambony] ny Loholona Holland ary olona manan-kaja hafa tao Chili.”11
Matoky ny Hoavy
Nanorina fototra mafy orina ho an’ny Fiangonana any Chili ireo ezaka nataon’ny Loholona Parley P. Pratt sy ny Loholona Jeffrey R. Holland, ary ny fandavan-tena nasehon’ireo misiônera voalohany tonga tany Santiago, sy ny fanolorantena nasehon’ireo mpitarika toa an’i Carlos Cifuentes sy ireo mpisava lalana hafa tany am-piandohana tao Chili, niaraka tamin’ny finoana sy ny fanolorantenan’ireo anarivorivony maro lasa mpikamban’ny Fiangonana tao anatin’izay dimampolo taona mahery izay. Ankehitriny ilay firenena dia manana tempoly iray ao aminy (ary misy iray hafa vao nambara), ivontoerana fanofanana misiônera iray, misiona miisa 9, ary tsatòka miisa 74. Tsy misy fetrany ny hoavy ao anatin’ilay asa ara-panahy hanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy.