Mijoro amin’ny Zavatra Inoantsika
Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay misy olona maro mahita ny ratsy ho tsara ary mahita ny tsara ho ratsy. Ireto manaraka ireto dia fijoroana ho vavolombelona nataon’ny tanora tokan-tena sy manambady eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona izay nijoro tamin’ny zavatra ninoany. Tsy nifanditra na naneho hatezerana na haratsiam-panahy izy ireo. Nampiseho “herimpo sy fanajana”1 izy ireo ary nampatanjaka ny hafa vokatr’izany (jereo ny 3 Nefia 12:44–45).
Nanda Tsy Hisotro Champagne ny Rahalahiko
Any France dia zavatra tsy maintsy atao ny fanaovana fanompoam-pirenena. Nanapa-kevitra ny hiditra tao amin’ny sekolin’ny miaramila am-paneva mena mba ho Lietna i Loïc rahalahiko izay 20 taona. Rehefa vita ny fianarany dia nisy ny fotoan-dehibe fanaovana fianianana ho an’ireo miaramila vaovao. Mifandimby mitanisa ny tarigetran’ny rezimanta ny tsirairay. Dia tsy maintsy misotro champagne iray vera misy raozy iray izy—ka samy ateliny daholo izany. Nanomboka tamin’i Napoléon Bonaparte izany fomba fanao izany ary tsy nisy miaramila izay tsy nandray anjara tamin’izany hatramin’izay.
Nolazain’i Loïc tamin’ilay kolonely fa tsy mamela azy hisotro zava-pisotro misy alikaola ireo fitsipiky ny fivavahany. Fahanginana hafahafa no nitranga taorian’ilay fangatahan’i Loïc mba tsy hanao izany. Raha tokony hanery azy mba hisotro ilay champagne izy dia niarahaba azy kosa noho ny fanajany ireo fitsipika iainany na dia eo aza ny faneriterena, ka dia nilaza izy fa voninahitra ho azy ny mandray izany lehilahy mijoro amin’ny fahamarinana izany ho ao amin’ny rezimantany. Nosoloin’izy ireo zavatra hafa ilay champagne, ary nandray anjara tamin’ny fotoana fanaovana fianianana i Loïc.
Pierre Anthian, France
Voasa tany amin’ny Fety iray Feno Hadalana Aho
Rehefa nahavita ny fianarana tany amin’ny oniversite izaho sy i Grace rahavaviko dia niasa tao amin’ny orinasa iray niaraka tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany maro hafa. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ireo mpampiasa anay. Rehefa nahazo fofombady ny rahavaviko dia nanomana fety ilay mpampiasa anay izay tsy nampahafantarina azy mba hanolorana fanomezana ho azy noho ny fikasany hanambady. Nanantena aho fa hanaja ny fitsipika iainanay izy, saingy nanafatra zava-pisotro misy alikaola izy sy lehilahy mpandihy ary horonan-tsary mamoa fady.
Talohan’ilay fety fanolorana fanomezana noho ny fikasana hanambady, dia nahatsapa ny bitsiky ny Fanahy Masina masina aho izay namporisika ahy mba hampahatsiahy ilay lehibeko ireo fitsipika iainanay. Nofeheziko mafy ilay medaly an’ny Zatovovavy nomena ahy ary nieritreritra ireo ezaka sy fahafoizantena nataoko fony Zatovovavy aho mba hamitana ny tao anatin’ny Mon Progrès Personnel. Nivavaka aho mba ho voatarika hiaro ny zavatra inoako tamin’izay fotoana izay. Nalefako tamin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra tany amin’ilay mpampiasa ahy ny ahiahiko sady nieritreritra ihany aho hoe mety ho tafintohina izy. Na dia izany aza dia ny hanao izay hahafaly ny Ray any an-danitra no faniriako lehibe.
Rehefa nanomboka ilay fety dia sady tsy niresaka tamiko na nitsiky tamiko akory ilay lehibeko. Nefa efa najanony ny fanafarana ilay mpandihy sy ilay horonan-tsary.
Ny andro taorian’ilay fety dia tsy niresaka tamiko na nihomehy niaraka tamiko toy ny fanaony talohan’ny fety ilay lehibeko. Saingy nahatsapa ho nahazo aina aho satria fantatro fa faly tamin’ny zavatra nataoko Andriamanitra. Herinandro taty aoriana dia lasa niverina toy ny mahazatra ny fifandraisako tamin’ilay lehibeko. Fantatro fa nalefahan’Andriamanitra ny fony ary nampian’Andriamanitra izy mba hahatsapa fa niaina ny zavatra ninoako aho.
Lemy Labitag, Cagayan Valley, Philippines
Naheno Teny Ratsy Aho tany Am-pianarana
Nanatrika kilasy fianarana manjaitra aho fony 18 taona. Indray andro nisy ankizivavy anankitelo lavidavitra kely ahy nanomboka nampiasa teny ratsy. Tsy fantatro hoe tokony tsy hiraharaha azy ireo ve aho mba tsy hisian’ny fifandirana sa tokony hijoro amin’ny fitsipika inoako ary hangataka azy ireo mba hanajanona izany. Farany dia nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba feno hatsaram-panahy faran’izay azo natao aho hoe: “Azafady indrindra! Mba azonareo ajanona ve ny teny ratsy?”
Nivandravandra ahy ilay ankizivavy lehibe indrindra ary nilaza hoe: “Izay teny tianay no ampiasainay e!”
Hoy aho hoe: “Fa tsy maintsy miteny ratsy ve ianareo? Tena manafintohina ahy ilay izy.”
Hoy izy hoe: “Dia aza mihaino fotsiny e!”
Nanomboka tezitra aho ary nilaza hoe: “Sarotra be ny hoe tsy hihaino satria miteny mafy ianareo.”
Hoy izy hoe: “Dia iareto eo izany.”
Tsy tantiko intsony ilay izy. Tezitra tamin’ireo ankizivavy ireo aho ary tezitra kokoa tamin’ny tenako. Tsy nampoiziko hoe lasa nitondra ahy tany amin’ny ady ny fomba firesako. Mbola nanohy niteny ratsy ihany ireo ankizivavy ireo ary lasa samy tezitra daholo izahay tamin’izay.
Rehefa nitony aho dia hitako fa nanana olana tamin’ny milina fanjairany ireo ankizivavy ireo. Fantatro hoe inona no tsy mety satria efa tratran’izany olana izany aho tany aloha. Dia natoroko azy ireo ny fomba fanamboarana azy. Hitako fa niova ny endrik’ilay ankizivavy lehibe indrindra. “E!” hoy izy, “manao azafady izahay.” Tsy nino mihitsy aho hoe—nanao azafady izy. “Manao azafady koa aho,” hoy aho taminy. “Tsy tokony ho tezitra toy ireny aho.”
Niverina teny amin’ny milina fanjairako aho ary tsy nahare teny ratsy hafa intsony. Nampianatra ahy izany zavatra niainako izany fa ny teny lazaintsika dia mety tsy hanova ny toetran’ny hafa saingy afaka manova izany kosa ny hatsaram-panahy sy ny asa fanompoana.
Katie Pike, Utah, Etazonia
Niaro ny Tokony Hanaovana Asa Fitoriana Aho
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho fony 19 taona. Faharoa aho aminay telo mirahalahy ary izaho irery no Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny fianakaviako. Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa ahy dia nanomboka nanana faniriana ny hanao asa fitoriana aho. Herintaona taorian’izany dia niteny tamiko ny Fanahy fa tokony handeha aho. Niresaka tamin’ny reniko aho izay nahatsapa fa tsy tokony handeha aho. Nanemotra izany herintaona aho saingy tsy nandao ahy velively ilay faniriako hanao asa fitoriana. Nandritra io taona io dia nandalina ny soratra masina aho sy nanangom-bola ary nanomana ny taratasiko sy nanao ireo fizahana ara-pahasalamana rehetra ary—rehefa vita ny zavatra rehetra—dia niandry ny Tompo aho. Fotoana fohy taorian’izany dia voantso mba hanompo tany amin’ny Misionan’i Campinas Brésil aho.
Mbola nanakana izany ihany ny ray aman-dreniko. Nifady hanina aho ary nivavaka tamin-kitsimpo nilaza tamin’ny Ray any an-danitra ireo tahotro rehetra. Nangataka Azy aho mba hanova ny ao am-pon’ilay raiko eto an-tany. Dia nataony izany. Taitra aho fa tonga nanatrika ilay fety fanaovam-belona izay nomanin’ireo namako ho ahy ny raiko ny Sabotsy alohan’ny handehanako. Ary naterin’ny raiko tany amin’ny seranam-piaramanidina aho ny Alatsinainy.
Nahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra aho rehefa nitory ny filazantsara nandritra ny asa fitoriana nataoko. Tsy nitsahatra naneho ny maha-reny azy ny reniko ary rehefa nody aho dia izy no olona voalohany namihina ahy.
Nianatra aho fa mihoatra noho ny hoe andraikitra fotsiny ny fanaovana asa fitoriana ary tombontsoa iray sy fotoana tena tsara mba hivoarana sy hianarana izany.
Cleison Wellington Amorim Brito, Paraíba, Brésil
Nijoro ho Vavolombelona momba an’Andriamanitra Aho
Noho izaho mpianatra tao amin’ny taona voalohany tao amin’ilay oniversite tsara indrindra tao amin’ny firenenay dia nahatsapa ho voatery tsy maintsy manao izay tsara indrindra avy amiko aho. Tonga ny fanenjehana ary nanomboka niahiahy mikasika ny finoako ny filazantsara aho satria maro tamin’ireo prôfesorako no nanazava fa “tena marina” ny zavatra nambaran’izy ireo. Nisy fiantraikany teo amin’ny mpiara-mianatra tamiko maro izany. Nanahirana ny niaina araka ireo soatoavina Kristianina tao anatin’izany tontolo izany. Nieritreritra ny hiala aho saingy nanapa-kevitra fa tsara kokoa ny mijanona. Nieritreritra aho hoe raha toa ka vitsy monja no mendrika ny hiditra ato amin’ity oniversite ity ary Olomasin’ny Andro farany vitsy monja no ao anatin’ireo olona vitsy tafiditra ireo dia tokony hijanona aho izany ary hijoro amin’ny fahamarinana.
Ilay prôfesorako mampianatra haiaina, izay mitono-tena ho tsy mino an’Andriamanitra dia mampianatra ny siansa izay tsy ahitana finoana mihitsy an’ilay Mpahary Lehibe. Kanefa rehefa naheno zavatra bebe kokoa aho dia vao mainka nanamafy bebe kokoa ahy izany fa misy ilay Mpahary Lehibe—Andriamanitra Raintsika—izay nahary ny zavatra rehetra. Nanaporofo ny sasany fa tsy mitombina izany hevitra izany. Lasa namaivay ilay fifanakalozan-kevitra nataonay. Naniry mafy ny hanangana ny tanako aho ary hanazava fa mino an’Andriamanitra ho toy ny Mpahary.
Tonga ny fotoana hizarana hevitra. Tsy maninona mihitsy ao amin’io sekoly nianarako io ny mitehaka na mivazavaza na misiotsioka an’ireo izay maneho ny heviny. Nijoro tamim-pahasahiana aho ary nilaza tamin’ny fomba tsotra tamin’ireo izay nanohitra hoe: “Mety tsy mitombina izany hoe mino an’Andriamanitra izany amin’izao fotoana izao ho anareo, saingy ho avy ny andro hampazava izany rehetra izany aminareo toy ny mampazava izany amiko amin’izao fotoana izao.”
Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsy nahazo siotsioka intsony aho rehefa miaro ny finoako. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia niaina fivoarana ara-pahalalana sy ara-tsôsialy ary ara-panahy aho. Nanomboka navitrika nandray anjara tamin’ireo fiaraha-mientana nataon’ny mpianatra aho ary voafidy handray andraikitra maro tao amin’ny sekoly.
Nianatra aho fa ny fijoroana amin’ny fahamarinana na dia indray mandeha monja aza dia misy fiantraikany lehibe amin’ireo fanapahan-kevitra horaisintsika any aoriana.
Vince A. Molejan Jr., Mindanao, Philippines