2014
Tiany ianao
Oktobra 2014


Tiany ianao

Alice Victoria Weston-Sherwood, Arkansas, Etazonia

Nipetraka teny an-joron’ny efitrano selestialy teo akaikin’ny ôrga aho nandritra ny fitokanana ny Tempolin’i Memphis Tennessee. Tonga nitokana ny tempoly ny Filoha James E. Faust (1920–2007), izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nanomboka tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 2007. Nipetraka tao ambadiky ny mikrôfonina izy sy ireo mpitarika hafa. Niditra ny amboarampeon’ny Fiangonana teo an-toerana ary nijoro tao aorian’izy ireo.

Mpikambana tao anatin’izany amboarampeo izany ny tovovavy iray izay izaho no mpamangy azy isan-tokantrano. Nandritra ilay fivoriana aho dia nivavaka mba hahazoany ny zavatra nahatongavany teo. Nilaza tamiko izy fa nandeha nanatrika ny fitokanana ny tempoly tamin’io andro io mba hahafantarany ny eritreritry ny Tompo momba azy. Nanao fahotana namohehatra izy tany aloha tany ary na dia efa nibebaka aza izy dia mbola tsy mety mandry saina ihany momba azy ary mbola tsy mety mahazo aina na dia hihira ao amin’ny amboarampeo aza.

Nibanjina ny Filoha Faust aho ary nahatsapa fa amin’ny maha-solontenan’ny Tompo azy ao amin’ny fiadidiana voalohany dia tokony ho afaka hanao zavatra izy. Saingy ahoana moa no ahafahako miteny izany aminy ary ahoana moa no ahafahany manao izay tokony hatao? Rehefa vita ny fivoriana dia hivoaka ny efitrano toy ny nidirany izy, ka tsy hisy ny fifankafantarana sy fandraisan-tanana ary ny resaka ifanaovana. Azoko tsara fa be atao izy ary efa nanana lamina arahina momba ny diany, kanefa nivavaka ihany aho.

Raha tao anatin’ny fisainana lalina ny Filoha Faust, dia nanopy ny masony vetivety teny amiko izy—nikentro-kandrina izy. Rehefa tapitra ilay fivoriana dia nisy fifaliana niseho teny amin’ilay endriny feno hazavana.

Nijery ahy indray izy dia nitsangana tampoka ary nihodina sy naninjitra ny tanany faran’izay lavitra indrindra. Nanondro tany amin’ilay namako izy. Dia nilaza tamin’ny feo hentitra sy mafy hoe: “Tia anao ny Tompo!”

Kely sy tsotra ilay fihetsika nasehon’ny Filoha Faust kanefa nahery vaika ary izany dia tsy tanteraka raha tsy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany izay nampahafantatra azy ny zavatra izay tsy afaka nampahafantariko azy. Nitahy ny namako ireo teny ireo ary mbola manohy manohana ny finoako fa mahafantatra ny antsipirian’ny fiainantsika ny Tompo ary “amin’ny alalan’ny zavatra madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe” (Almà 37:6).

Hamoaka printy