2014
Ilay Vavaka Nataoko tany amin’ny Ranomasina Avaratra
Oktobra 2014


Ilay Vavaka Nataoko tany amin’ny Ranomasina Avaratra

Olaf Thorlief Jensen, Utah, Etazonia

Sary
drawing for LDS Voices

Sary nataon’i Bradley H. Clark

Fony aho 17 taona dia nipetraka tany amin’ny nosy iray tany amin’ny faritra atsimon’i Norvège izahay izay nantsoina hoe Andabeløy. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Andabeløy ny raiko ary natao batisa tao amin’ilay ranomasimbe tany aho.

Mpanjono aho tamin’izany fotoana izany ary nanana traikefa teo amin’ny fitondrana sambo. Nampiandraiketin’ny raiko ahy ny fitadiavam-bolanay amin’ny alalan’ny fitaterana an-dranomasina ireo mponina teo amin’ny faritra.

Indray andro tamin’ny 1941 dia naharay antso avy tamin’ilay dokotera tany Flekkefjord, tany avaratra izahay. Nisy vehivavy iray nila fitsaboana haingana nipetraka tany amin’ny toerana iray izay adiny roa raha mandeha sambo. Nangatahan’i Dokotera Hoffman aho mba hitondra azy hankany amin’ilay vehivavy, saingy niahiahy ny ray aman-dreniko noho ny oram-baratra mahery vaika tany amin’ny Ranomasina Avaratra. Nanapa-kevitra ny hivavaka izahay, ka hanontany ny Ray any an-danitra mikasika ny tokony hatao. Nahazo valiny izahay hoe tokony handeha aho.

Rehefa nampidiniko an-dranomasina i Tryg, ilay samboko fitondra manjono izay mirefy 10 m dia ratsy ny toetrandro ary goavana ny onja. Rehefa avy naka ilay dokotera aho dia nanomboka nanivatsiva ilay lalan-drano teo anelanelan’ny hantsambato nitondra nankany amin’ny ranomasina. Handeha ho any amin’ny tanàna iray izay any avaratr’i Lista mihitsy izahay, toerana iray any amin’ny morontsiraka atsimon’i Norvège izay vatoana—malaza amin’ny fisian’ny oram-baratra sy sambo rendrika matetika.

Namily ilay sambo tao anatin’ny oram-baratra aho mandra-pahatonganay teo amin’ny lalan-drano kely vatoana teo amin’ny 12 m teo ny sakany izay nitondra tany amin’ny toeran-kalehanay. Ireo onja, izay tena avo ka tsy nafahako nifehy tsara ilay sambo mba hiditra amin’ilay lalan-drano kely, dia nidoboka tao anatin’ilay lalan-drano kely ary nidona tamin’ireo vato.

“Inona no tokony hataontsika?” hoy ny fanontanian’ilay dokotera tao anatin’ilay rivotra mahery vaika.

Namaly aho hoe, “Mila mivavaka momba izany isika.”

Niato kely aho dia nivavaka ka nangataka fitarihana tany amin’ny Ray any an-danitra. Raha vao voateniko ny hoe amena, dia nisy valiny mazava tonga tao an-tsaiko. Tsaroako tampoka ny tantara notantarain’ny mpanjona efa lehibe iray tamiko. Nanjono tao amin’io faritra io mihitsy izy nandritra ny oram-baratra masiaka iray ary tsy afaka namonjy ny moron-drano. Raha teo am-piandrasana ny fitsaharan’ilay oram-baratra izy dia nahita onja miseho amin’ny endrika hafa nanatona. Rehefa avy nifafy ny onja telo lehibe, dia fotoana fohy nisy fitoniana no nandimby izany—izay ampy ho azy mba hidirany tao anatin’ilay lalan-drano kely.

Efa imbetsaka aho no nanjono teo amin’io faritra io saingy tsy mbola nahatsikaritra onja miseho amin’ny endrika hafa velively aho. Na dia izany aza dia nentiko teo anoloan’ilay lalan-drano kely ny sambo, dia teo izahay no niandry sy nijery ka iny tokoa fa nisy onja telo lehibe tonga. Dia tena nisy fitoniana tokoa taorian’izany. Nasosako teo amin’ilay rano milamin’ilay helo-dranomasina ny sambo ary afaka nitondra soa aman-tsara an’i Dokotera teny amoron-drano aho. Nandeha haingana tany amin’ilay vehivavy narary izy ary niandry tao anatin’ny sambo kosa aho sady feno fisaorana fa novalin’ny Ray any an-danitra ny vavaka nataoko.

Rehefa niverina ilay dokotera adiny iray taty aoriana dia nanambara izy hoe: “Voavonjintsika ny ainy!”

Rehefa nilamina ny saina noho ilay vaovao sy ny toetrandro nihatsara dia namily ny sambo nitodi-doha nody tao anatin’ny filaminana aho.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mila fanampiana isika dia tokony hivavaka. Fantatro fa hamaly ny Ray any an-danitra.

Tena avo ireo onja ka tsy afaka nifehy tsara ilay sambo mba hiditra amin’ilay lalan-drano kely aho.

Hamoaka printy