Ny Tokantranontsika, ny Fianakaviantsika
Ny Fon’i Lizochka
Mipetraka any Belgique ny mpanoratra.
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izaho sy ny vadiko tamin’ny 1995 tany Rosia ary nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Stockholm Suède izahay ny taona nanaraka izany. Nofehezina taminay koa ny zanakay roa vavy. Roa taona taty aoriana dia nahazo zanakavavy iray hafa indray izahay satria teraka i Lizochka. Nandeha tsara ny fiainanay. Faly daholo izahay. Saingy roa andro taorian’ny nahaterahany dia nanomboka nanana olana teo amin’ny fihinanana sakafo ilay zanakay kely. 300 g monja no azony tao anatin’ny iray volana.
Notenenin’ireo mpiasa tao amin’ny toby fitsaboana zaza izahay fa tokony homenay sakafo matetika kokoa izy. Hitako fa te hihinana izy saingy tsy afaka. Farany dia nentin’ny vadiko tany amin’ny hôpitaly teo amin’ny tanàna izy. Tonga dia nomen’ny dokotera anay ny valin’ny famantarana aretina natao—tsy fetezan’ny fo efa hatrany am-pahaterahana. Nisy vava-fantson’ny fo iray tsy niasa ka ilay ra zara raha nikoriana tany amin’ny havokavony dia nahatonga azy ho tsy afaka niaina na nisakafo tsara.
Nila fandidiana izy saingy ny taonan’ny zaza kely indrindra azo natao fandidiana tany Russie tamin’izany dia roa taona. Vao iray volana monja anefa ny zanakay vavy tamin’izany. Nanoratra ny fitsaboana tokony hatao ilay dokotera ary nilaza fa any aoriana any rehefa lehibe kokoa izy dia hotanterahan’izy ireo ilay fandidiana.
Iray volana taty aoriana dia lasa nihombo be ny aretin’i Lizochka, ka dia nihazakazaka nandeha tany amin’ny hôpitaly izahay. Izaho no nitazona azy teny an-dalana. Nijery ahy toy ireny nitalaho mba hampiana ireny izy. Raha tsy mpikamban’ny Fiangonana aho dia tsy ho fantatro izay mety ho nataoko. Kanefa natoky ny Tompo izaho sy ny vadiko ary nino mafy fa hilamina ny zava-drehetra. Niezaka ny nampitony azy aho tamin’ny alalan’ny filazana hoe: “Aza matahotra na inona na inona sombinaiko. Tia antsika Andriamanitra. Hanampy antsika Izy ary hilamina ny zavatra rehetra.”
Tonga ihany izahay tamin’ny farany. Nihazakazaka nankany amin’ny sampana mpandray marary aho sady namihina mafy azy. Nanomboka nikatona ny mason’i Lizochka. Zara raha afaka niaina izy. Toy ny tsy afa-niteny ireny aho rehefa nanazava tamin’ny dokotera momba ilay zanako ary dia nentin’ny mpikarakara marary tany amin’ny sampana misy ny marary mila fitsaboana goavana. Nilaza ny dokotera fa nanomboka nivonto ny havokavony ka dia nametahan’izy ireo milina ahafahana miaina amin’ny fomba artifisialy izy.
Ny ampitson’izany dia niresaka tamin’ny talen’ny sampana miandraikitra ny fandidiana fo izahay. Hoy izy hoe: “Efa nanao fandidiana toy izany aho saingy tamin’ny ankizy efa lehibebe ihany. Firy taona izy izao?”
“Roa volana,” hoy izahay taminy.
“Efa marary be izy. Tena kely izy ary manasaro-javatra ilay havokavony mivonto, saingy tsy tokony hotaritarihintsika ela intsony izao. Mbola tsy nanao fandidiana toy izao tamin’ny zazakely aho. Hiezaka hanao izay azoko hatao rehetra aho. Tsy maintsy mividy vava-fantsona artifisialy roa sosona ianareo saingy tena lafo be izany—eo amin’ny 2.100 dôlara izany. Hatao afaka efatra andro ny fandidiana.”
Inona no hatao? Samy tsy nanana izany vola izany na izahay na izay olona fantatray. Kanefa nisarika ny sain’ny hafa ny toe-javatra niainanay ka dia nahangona ilay vola izahay tamin’ny alalan’ny fahalalahan-tanan’izy ireo sy ny famindram-pon’ny Tompo. Novidin’ny vadiko ilay vava-fantsona izay nilainay mba hamonjena ny ain’ilay zanakay.
Tsy ireo rahalahy sy rahavavy tao amin’ny paroasinay ihany no nivavaka sy nifady hanina ho an’ilay zanakay vavy kely fa nanao izany koa ireo misiônera sy OIomasin’ny Andro Farany nanerana ny tanàna. Tsapanay ny fanohanan’izy ireo. Rehefa nipetraka tao amin’ny lalantsara nandritra ny andron’ny fandidiana izahay dia nahatsapa ny Fanahy Masina sy ireo vavaka nataon’ireo rahalahinay sy rahavavinay. Fantatray fa teo akaikinay izy ireo! Ary niaraka taminay sy nitarika ireo mpandidy Andriamanitra. Tsy handao anay Izy ary hilamina ny zavatra rehetra.
Rehefa nivoaka avy nanao ny fandidiana ilay mpandidy dia toy ny sahiran-tsaina izany niteny anay hoe: “Nandeha tsara ny zava-drehetra. Napetrakay ilay vava-fantsona. Tsy haiko mihitsy fa dia nahomby izany.” Saingy fantatray ny nahatonga izany ho nahomby. Notahian’ny Ray any an-danitra izy.
Nijanona tany amin’ny hopitaly nandritra ny telo andro i Lizochka ka nihena tao anatin’izany ny fivontosan’ny fony sy ny havokavony. Mbola tsy nakatona ny faritry ny vatany nodidina fa nosaronana mafy tamin’ny fonon-tsela manify izany ka andro vitsy taty aoriana vao nanao fandidiana indray izy ireo mba hanakatonana ny tratrany sy ny vatany. Saika tsy dia nanantena loatra ny hahavelomany ny dokotera rehetra. Saingy nino ny Ray any an-danitra sy ny heriny izahay ary nino fa raha toa ka sitrapony ny hahasitrana azy dia ho tanteraka izany.
Andriamanitra irery ihany no afaka namerina anay an’i Lizochka. Nihatsara isan’andro izy. Nijanona nandritra ny iray volana tany amin’ny hôpitaly indray izy ary efa aty an-trano miaraka aminay izy amin’izao fotoana izao.
Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra. Maheno ny vavaka ataontsika izy, ary manohana antsika Izy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra lalovantsika. Mampatanjaka ny finoana ny fitsapana ary mampianatra antsika mba hino sy hanantena ary hitia.