2015
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2015


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(119) Nilaza tamin’i Neil L. Andersen ny Loholona Thomas S. Monson tamin’izany fotoana izany fa hanokatra varavarana ny Tompo ka hanao fahagagana. Nijanona ho matanjaka ny finoan’ny mpivady iray tany Thailande taorian’ny nampalemy ny vadiny. Taorian’ny fihaonana tany Côte d’Ivoire dia nanorina ny fanjakan’Andriamanitra any ny mpivady Olomasin’ny Andro Farany roa.

Wilford W. Andersen

(54) Nilaza tamin’ny mpitsabo iray ny Amerikana Zanatany iray fa afaka mampianatra mandihy an’ilay mpitsabo izy saingy mila maheno ilay feon-kira.

David A. Bednar

(46) Fony David A. Bednar mbola zazalahy kely dia natahotra ny hiditra am-ponja izy taorian’ny namakiany ny varavarankelin’ny trano fivarotana iray.

Linda K. Burton

(29) Nilaza tamin’ireo zanany ny ray iray fa ho voaro izy ireo raha mijanona ao anatin’ny fefy manodidina ny tokotaniny. Nitarika ny rahavavy iray ny Tompo amin’ny fanorenana miaraka amin’ny vadiny ny tokantrano izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra.

Gérald Caussé

(98) Rehefa avy niaina nandritra ny 22 taona tao Parisy ny fianakaviana Caussé dia tonga saina fa mbola tsy nitsidika ny Tour Eiffel na oviana na oviana izy ireo. Nandeha an-tongotra mihoatra ny 480 kilaometatra ny lehilahy Afrikana telo mba hanatrika ny fihaonamben’ny distrika sy handoa ny fahafolonkarena ary haka tahadikan’ny Bokin’ i Môrmôna.

D. Todd Christofferson

(50) Nanentana sy nivavaka ho an’ny vehivavy iray izay mahatsapa tena ho tsy manana ny fahaiza-manao amin’ny maha-reny azy i D. Todd Christofferson.

L. Whitney Clayton

(36) Nandeha nankeny amin’ny hazavana teny lavidavitra ny zazavavy kely fito taona iray izay hany velon’aina tamin’ny fianjeran’ny fiaramanidina ambara-pahavotra azy.

Quentin L. Cook

(62) Maty teo am-panompoana nandritra ny Ady Lehibe II ny dadatoan’i Quentin L. Cook. Nankany amin’ny mpitsabo mba hahafantarana izay tsy metimety aminy ny mpikambana Samôana iray ao amin’ny Fiangonana izay naniry ny hivavaka momba ny aretiny.

Cheryl A. Esplin

(8) Cheryl A. Esplin dia nanatrika fivoriana izay nianaran’ireo rahavavy fa ny fahamarinana sy ny Fanahy Masina dia manome hery ny tokantranony sy ny fianakaviany hanoherana ny ratsy. Nandray fahatsapana mahery vaika momba ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany ny anabavin’ny raiben’ny renin’ny rahavavy Cheryl A. Esplin.

Henry B. Eyring

(17) Ny Fanahy Masina dia nitondra fampiononana sy hery ho an’ireo ray aman-dreny vonton’alahelo izay manan-janakalahy kely iray maty vokatry ny loza.

(22) Nahatsiaro tena ho voatahy i Henry B. Eyring fa afaka nanampy ireo Olomasina any Vanuatu izay ravan’ny tafio-drivotra ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ataony. Naneho fankasitrahana ny rahavavy iray noho ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina izay nanohana azy sy ny mpikamban’ny Fiangonana hafa nandritra ny ady an-trano tany Sierra Léone.

(84) Raha teo am-panangonana ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina i Henry B. Eyring tamin’ny faha 13 taonany dia nandroaka azy handeha ny lehilahy iray. Nentanim-panahy i Henry B. Eyring hanome tsodrano ny ankizy naratra iray mba ho velona. Namporisika ny lehilahy iray izay eo ambahavahoan’ny fahafatesana ny Fanahy Masina mba hanatanteraka ny antsony ka nahatsapany ny enta-mavesatra iantsorohan’ny evekany.

Larry M. Gibson

(77) Nomen’ny rain’i Larry M. Gibson dôlara volafotsy izy mba hampahatsiahivana azy ny hoaviny mandrakizay. Nandeha an-tongotra 80 km nandritra ny adiny 19 niaraka tamin’ireo zanakalahiny i Larry M. Gibson.

Jeffrey R. Holland

(104) Nanavotra ny zokilahiny tsy hianjera tany amin’ny harambato ny zatovolahy iray tamin’ny alalan’ny fihazonana ny hatotanany sy tamin’ny fisintonana azy ho eny amin’ny toerana tsisy loza.

Thomas S. Monson

(88) Fony mbola diakona i Thomas S. Monson dia nahatsapa ho voatahy rehefa nitondra ny fanasan’ ny Tompo tany amin’ny lehilahy marary iray. Nitombo ny fitiavan’i Thomas S. Monson ny Bokin’i Môrmôna taorian’ny fitsidihana ny fasan’i Martin Harris. Raha mbola tao amin’ny tafika an-dranomasina i Thomas S. Monson dia nanome tsodranon’ny fisoronana ny namana iray izay lasa sitrana.

(91) Rehefa avy nivavaka tao amin’ny tempoly momba ny fiverenany any amin’ny misiôna ny zatovolahy iray dia nahazo fahatokiana avy tamin’ny misiônera nahavita ny asa fitoriany izay nitory tao amin’ilay misiôna io ihany.

Brent H. Nielson

(101) Nitia tamim-paharetana ny fianakaviana malaindaina iray hiverina ao am-piangonana i Brent H. Nielson sy ny fianakaviany.

Bonnie L. Oscarson

(14) Nanohitra ny mpihetraketraka ny zatovovavy iray tany Italia tamin’ny taona 1850. Niaro ny maha-reny tany amin’ny sekolin’ny zanany ny zanakavavin’i Bonnie L. Oscarson.

Boyd K. Packer

(26) Niandry an’i Donna Smith, izay lasa vadiny taty aoriana, teo ivelan’ny kilasin’ny oniversiteny i Boyd K. Packer mba hanomezany mofomamy sy oroka azy.

Kevin W. Pearson

(114) Nivavaka ny Filoha Heber J. Grant mba hahafahany mijanona ho mahatoky hatramin’ny farany. Nandao ny asany i Kevin W. Pearson mba hanekena ny antso ho filohan’ny misiôna.

Rafael E. Pino

(117) Nianatra nankafy ny fahaizana mijery lavitra amin’ny alalan’ny fandaharan’ny fahitalavitra sy piozila ireo zanak’i Rafael E. Pino. Nanontany an’i Michel-Ange ny zazalahy kely iray hoe ahoana no fomba nahafantarany fa tao anatin’ny bolongana vatovandana iray ny endrik’i Davida.

Dale G. Renlund

(56) Nampianatra ny zanany vavy mikasika ny fandeferana ny reny iray tany Afrika Atsimo. Ny misiônera iray dia nandray fahatsapana iray izay nanampy azy hanana faharetana amin’ny namana mpiara-mitory aminy.

Michael T. Ringwood

(59) Tao anatin’ny fanaovany asa fitoriana sy seminera no nianaran’i Michael T. Ringwood fa mazàna ny fanompoana manan-danja indrindra dia ilay fanompoana ankasitrahan’Andriamanitra irery ihany.

Ulisses Soares

(70) Nampitandrina ny mpiara-mianatra taminy momba ny pôrnôgrafia ny diakona iray. Nandritra ny asa fitoriany dia nianatra i Ulisses Soares fa tsy afaka manakana ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpanara-dia iray ny ratsy.

Joseph W. Sitati

(126) Nampiakatra ny fari-piainana tamin’ny alalan’ny toe-javatra tsotra i Joseph W. Sitati tamin’ny alalan’ny fandrantoana fianarana tsara.

Carole M. Stephens

(11) Nitsidika rahavavy Amerikana Zanatany iray tany Arizona, Etazonia, izay nihevitra ny tenany ho reniben’ny olon-drehetra i Carole M. Stephens.

Dieter F. Uchtdorf

(80) Nanangona tantsaha sy trano fivarotana tsy tena izy ny governora iray tany Russie mba hampitolagaga ireo masoivoho mpamangy. Nametraka tanjona izay mifantoka amin’ny asa fanompoany ny mpitarika ao amin’ny tsatòka.

Rosemary M. Wixom

(93) Namerina nampiredareda ny finoany ny rahavavy malaindaina iray taorian’ny fandalinana ny filazantsara sy ny famakiana ny Bokin’ i Môrmôna ary ny fahazoana fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny mpikamban’ny paroasy.

Jorge F. Zeballos

(123) Namela azy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny rain’i Jorge F. Zeballos, fony izy 12 taona. Nanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ny mpivady mahatoky iray rehefa nodimandry ny zanany kely.

Hamoaka printy