2015
Raha ho tompon’andraikitra ianareo
Mey 2015


Raha ho tompon’andraikitra ianareo

Andeha isika handroso hatrany amin’ny alalan’ny fianarana ny adidintsika, fandraisana fanapahan-kevitra marina, fanaovana asa araka izany ary fanekena ny sitrapon’ny Ray.

12 taona monja aho tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’ny misiônera mba hitory ny filazantsara tao amin’ny tanàna nahaterahako tany avaratr’i Chili. Indray alahady, rehefa nanatrika ny fotoam-bavaka tao amin’ilay sampana kely nandritra ny enim-bolana aho dia nanolotra ny mofo ho ahy ny misiônera iray rehefa nizara ny Fanasan’ny Tompo izy. Nijery azy aho dia niteny mora hoe: “Tsy afaka aho.”

“Fa maninona ?” hoy izy namaly.

Nolazaiko taminy hoe: “Satria tsy mpikamban’ny Fiangonana aho.”1

Tsy nino ilay misiônera. Gaga izy. Angamba nieritreritra izy hoe: “Fa ity zatovolahy ity ary tonga foana isaky ny fivoriana! Nahoana izy no tsy mpikamban’ny Fiangonana?”

Tonga tany an-tranoko ireo misiônera ny ampitson’io, ary nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba hampianarana ny fianakaviako iray manontolo. Noho ny tsy fahalianan’ny fianakaviako anefa dia ny fahazotoako nandeha tany am-piangonana isaky ny alahady no nampazoto ireo misiônera hanohy ny fampianarana. Ary nony farany dia tonga ihany ilay fotoan-dehibe izay nandrasako rehefa nanasa ahy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izy ireo. Nanazava ny misiônera fa satria aho tsy mbola ampy taona dia nila ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreniko. Nandeha tany amin’ny raiko niaraka tamin’ireo misiônera aho sady nieritreritra fa ny ho valinteniny feno fitiavana dia hoe: “Anaka, rehefa ampy taona ianao dia ho afaka mandray fanapahan-kevitra ho an’ny tenanao manokana.”

Raha niresaka taminy ny misiônera dia nivavaka mafy aho mba hikasihana ny fony ka ho afaka hanome ny fahazoan-dalana nilaiko izy. Izao manaraka izao no navaliny ny misiônera: “Elders, nandritra izay enim-bolana lasa izay dia nahita an’i Jorge zanako lahy nifoha maraina be aho isaky ny alahady, nanao ny akanjony tsara indrindra ary nandeha tongotra nankany am-piangonana. Fitaomana ho amin’ny tsara hatrany eo amin’ny fiainany no hitako avy amin’ny Fiangonana.” Dia niresaka tamiko izy ka nanaitra ahy rehefa niteny hoe: “Anaka, raha ho tompon’andraikitra amin’izany fanapahan-kevitra izany ianao, dia mahazo alalana avy amiko mba hatao batisa.” Namihina ny raiko aho, nanoroka azy ary nisaotra azy tamin’izay nataony. Natao batisa aho ny ampitson’izany. Tamin’ny herinandro lasa teo ny tsingerintaona faha-47 an’izany fotoana manan-danja teo amin’ny fiainako izany.

Inona no andraikitra ananantsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika? Toy izao manaraka izao no nilazan’ny Filoha Joseph Fielding Smith izany: “Manana andraikitra lehibe roa isika. … Voalohany, ny mikatsaka ny famonjena ny tenantsika; ary faharoa, ny adidintsika amin’ny mpiara-belona amintsika.”2

Ireto noho izany ireo andraikitra voalohany izay napetraky ny Raintsika amintsika: ny fikatsahana ny famonjena antsika manokana sy ny an’ny hafa, miaraka amin’ny fahatakarana fa ao amin’io fehezanteny io, ny famonjena dia midika hoe mahatratra ny ambaratongam-boninahitra avo indrindra izay nomen’ny Raintsika ho an’ny zanany izay mankatò.3 Ireo andraikitra ireo izay napetraka tamintsika—izay nekentsika tamin-kalalahana—dia tsy maintsy mamaritra ny laharampahamehantsika, ny faniriantsika, ny fanapahan-kevitsika, ary ny fitondrantenantsika isan’andro.

Ho an’ny olona iray izay lasa nahatakatra izany dia tena azony tratrarina ny fisandratana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary fahaverezana ny tsy fahavitana mahazo izany. Ny fahaverezana noho izany no mifanohitra amin’ny fisandratana, tahaka ny tsy fahombiazana izay mifanohitra amin’ny fahombiazana. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra fa “ny olona dia tsy afaka ho mahazo aina ela be ao anatin’ny fitondrantena ratsy raha vantany vao fantany fa azony takarina ny fahatsarana.”4 Ahoana noho izany no ahafahantsika ho mionona fotsiny amin’ny zavatra izay ambany kokoa noho ny fisandratana raha azo atao izany?

Avelao aho hizara fitsipika fototra efatra izay hanampy antsika hanatanteraka ny faniriantsika ho tompon’andraikitra eo amin’ny Raintsika any An-danitra, ary koa hahatanteraka izay andrasany amintsika dia ny hahatongavantsika ho toa Azy.

1. Ny fianarana ny adidintsika

Raha toa ka hanao ny sitrapon’ Andriamanitra isika, raha toa ka ho tompon’andraikitra eo Aminy isika dia tsy maintsy manomboka mianatra, mahatakatra, manaiky, ary miaina araka ny sitrapony ho antsika isika. Niteny ny Tompo hoe: “Koa ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ ny zotom-po rehetra.”5 Ny fananana ny faniriana hanao ny tsara dia tsy ampy raha toa ka tsy ataontsika izay hahatakarana izay andrasan’ny Raintsika amintsika sy tiany hataontsika.

Ao amin’ny tantaran’i Alice au pays des merveilles, dia tsy fantatr’i Alice ny lalana tokony halehany, ka nanontany ny sakan’i Cheshire izy hoe: “Azonao lazaina amiko ve azafady ny lalana tokony halehako manomboka eto?”

Namaly ilay saka hoe: “Miankina amin’ny toerana halehanao izany.”

Niteny i Alice hoe: “Tsy raharahako firy izay toerana halehako.”

“Dia tsy maninona izany izay lalana alehanao,” hoy ilay saka.6

Fantatsika anefa fa ilay lalana izay mitondra amin’ny “hazo, izay mahasambatra ny olona”7—“ilay lalana, izay mankany amin’ny fiainana”—dia tery. Mitaky ezaka ny mandeha amin’ilay lalana, ary “vitsy ny mahita azy.”8

Mampianatra antsika i Nefia fa “hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy.”9 Dia nampiany hoe: “ny Fanahy Masina … no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.”10 Noho izany, ireo loharano izay mamela antsika hianatra ny adidintsika dia ny tenin’i Kristy izay azontsika amin’ny alalan’ny mpaminany taloha sy maoderina ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

2. Ny fandraisana fanapahan-kevitra

Na nianatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara isika, momba ny didy miavaka iray, ireo adidy miaraka amin’ny fanompoana ao amin’ny antso iray na ireo fanekempihavanana nataontsika tany amin’ny tempoly dia antsika ny safidy na isika hanao asa araka izany fahalalana vaovao izany na tsia. Misafidy malalaka ho an’ny tenany hiditra ao amin’ny fanekempihavanana masina toy ny batisa na ny ôrdônansin’ny tempoly ny olona tsirairay. Satria ampahany natoraly tamin’ny fiainana ara-pivavahan’ny olona taloha ny fianianana dia nilaza ny lalàna taloha hoe: “Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako.”11 Tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana anefa dia nampianatra lalàna ambony kokoa ny Mpamonjy momba ny fitandremana ireo fanolorantena nataontsika rehefa niteny Izy fa ny eny dia midika hoe eny ary ny tsia dia midika hoe tsia.12 Ny tenin’ny olona iray dia ampy hilazana ny fahamarinany sy ny fanolorantenany amin’ny olon-kafa iray—ary indrindra indrindra fa rehefa ny Raintsika any An-danitra izany olon-kafa izany. Manjary ho fanehoana ny fahamarinana sy fahitsian’ny tenintsika ny fitandremana ny fanolorantena nataontsika.

3. Ny fanaovana asa araka izany

Aorian’ny fianarana ny adidintsika sy fandraisana fanapahan-kevitra izay mifanaraka amin’izany dia tsy maintsy manao asa araka izany isika.

Ohatra mahery vaika iray momba ny fahavononana tanteraka hahatontosa ny fanolorantenany tamin’ny Rainy ny zavatra niainan’ny Mpamonjy rehefa nentina hositranina teo Aminy ny lehilahy iray izay nararin’ny paralysisa. “Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.”13 Fantatsika fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ilaina amin’ny fahazoana famelan-keloka kanefa nandritra ilay fotoana izay nanasitranana ilay lehilahy nararin’ny paralysisa dia tsy mbola nisy izany tranga lehibe izany; tsy mbola nitranga ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy nitahy ilay nararin’ny paralysisa tamin’ny fahafahana mijoro sy mandeha ihany i Jesoa, fa nanome azy koa ny famelana ny fahotany, ka nanome famantarana mazava fa tsy hamitaka Izy, fa hanatanteraka ilay fanolorantena nataony tamin’ny Rainy Izy ary hanao izay nampanantenainy hatao Izy ao Getsemane sy eo ambony hazo fijaliana.

Tery ny lalana izay nofidiantsika arahina. Fanamby maro no eo amin’ilay lalana izay hitaky ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka tsara indrindra vitantsika mba hijanonana eo amin’ilay lalana sy handrosoana hatrany. Mila mibebaka sy mankatò ary maharitra isika, na dia tsy takatsika aza ireo toe-javatra miseho rehetra izay manodidina antsika. Tsy maintsy mamela ny hafa isika ary miaina araka ny nianarantsika sy ireo safidy nataontsika.

4. Ny fanekena amim-pahavononana ny sitrapon’ny Ray

Ny maha-mpianatra dia tsy mitaky amintsika fotsiny ny hianarantsika ny adidintsika, sy handraisantsika fanapahan-kevitra marina ary hanaovantsika asa araka izany, fa manan-danja ihany koa ny fikolokoloantsika ny fahavononantsika sy ny fahafahantsika manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra, na dia tsy mitovy amin’ny faniriantsika marina na ny fitiavantsika manokana aza izany.

Variana sy mankasitraka ny fihetsik’ilay boka izay nanatona ny Tompo aho, ka “nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.”14 Tsy nangataka na inona na inona ilay boka, na dia mety ho marina aza ny faniriany; vonona fotsiny ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo izy.

Taona vitsy lasa izay dia nahazo zazalahy izay niriana efa hatry ny ela, izay efa nangatahana efa ela, ny mpivady mahatoky izay namako. Heniky ny fifaliana izany tokantrano izany raha nankafy ny fiarahana tamin’ilay zazalahy vaovao ny namanay sy ny zanak’izy ireo vavy izay vavy tokana talohan’izany. Indray andro anefa dia nisy zavatra tsy nampoizina nitranga: tsy nahatsiaro tena tampoka ilay zazalahy kely, izay mbola vao tokony ho telo taona monja. Raha vantany vao naheno ilay zava-nitranga aho dia niantso ilay namako mba haneho ny fanohananay tamin’izany fotoan-tsarotra izany. Lesona ho ahy anefa ny valinteniny. Hoy izy hoe: “Raha toa ka sitrapon’ny Ray ny haka azy dia tsy maninona aminay izany.” Ny tenin’ilay namako dia tsy nahitana fimonomononana, fikomiana na fahatezerana na dia kely akory aza. Ny mifanohitra amin’izany aza, ny hany tsapako tao amin’ny teniny dia fankasitrahana an’ Andriamanitra tamin’ny namelany azy ireo hankafy ilay zanakalahy kelin’izy ireo nandritra izay fotoana fohy izay, sy ny fahavononany tanteraka hanaiky ny sitrapon’ny Ray ho azy ireo koa. Andro vitsy taty aoriana dia nalaina ho any amin’ny trano selestialiny izany zaza izany.

Andeha isika handroso hatrany amin’ny alalan’ny fianarana ny adidintsika, fandraisana fanapahan-kevitra marina, fanaovana asa araka izany ary fanekena ny sitrapon’ny Ray.

Tena feno fankasitrahana ary faly aho tamin’ny fanapahan-kevitra izay navelan’ny raiko noraisiko 47 taona lasa izay. Rehefa lasa ny fotoana dia nanjary fantatro fa ilay fepetra izay nomeny ahy—ny ho tompon’andraikitra amin’izany fanapahan-kevitra izany—dia midika hoe tompon’andraikitra amin’ny Raiko any An-danitra sy hikatsaka ny famonjena ny tenako manokana ary ny an’ny mpiara-belona amiko, ka dia ho tonga izay andrasan’ny Raiko sy tiany ahatongavako. Amin’ity andro miavaka ity dia mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Raintsika sy ny Zanany Malalany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.