Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana
Ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra isika tsirairay ary ilaina ao isika.
Misy ve zavatra tsara sy lalina kokoa noho ny fahamarinana tsotra sy madion’ny filazantsara izay ampianarina ao anatin’ny hiran’ny Kilonga? Ary fantatrareo zazavavy rehetra ao amin’ny Kilonga izay manatrika eto anio hariva ilay hira izay horesahiko. Nianaranareo tao amin’ny fandaharam-pianaran’ny Kilonga tamin’ny herintaona izany.
Ao amin’ny tonon’ny “Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana”1—izay nohiraina talohaloha teo tato anatin’ity fivoriana ity—dia ampahatsiahivina antsika ny fotopampianarana madio. Tsy mianatra fotsiny isika fa avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana fa fantatsika koa fa ampahany amin’ny fianakavian’ Andriamanitra ny tsirairay amintsika.
Ny andalana voalohany amin’ilay hira dia mampianatra hoe: “Fianakavian’ny Ray izaho sy ianao. Ary zanany avokoa isika rehetra.” Ianarantsika avy ao amin’ny Fanambarana ho an’ny fianakaviana fa“ Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay.” Nianatra momba ny tena maha-izy antsika vehivavy isika tany amin’izany fanjakana izany. Nahafantatra isika fa “ … zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” isika tsirairay.2
Tsy nampiova ireo fahamarinana ireo ny diantsika hiaina eto an-tany. Ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra isika tsirairay ary ilaina ao isika. Tsy mitovy daholo ny fianakaviana eto ambonin’ny tany. Ary rehefa manao ny tsara indrindra azontsika atao isika mba hananganana fianakaviana matanjaka,dia tsy miankina amin’ny fifandraisana hafa ananantsika—ara-panambadiana, amin’ny maha-ray aman-dreny, ara-bola, ara-piarahamonina, eny na ireo karazana fari-piainana asehontsika ao amin’ny tambazotra ifaneraserana aza ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra.
Ao anatin’izany isika. “Isika dia zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra izay tia antsika ary tiantsika Izy.”3
Manazava bebe kokoa ilay voalohany ny andalana faharoa ao amin’ilay hira. “Napetraka mba hiaina ety an-tany [ny tsirairay avy amintsika mba hiaina sy hianatra] ao amin’ny fianakaviana.”
Nianatra isika tany amin’ny fiainana talohan’ny fahaterahana fa mila fotoana hiainana eto ambonin’ny tany isika. “Nanaiky ny drafi[try ny Ray any An-danitra isika] izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahakan’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”4
Nanazava ny Loholona Richard G. Scott fa “nampianarina isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana fa ny tanjontsika amin’ny fahatongavana eto dia ny hotsapaina sy hosedraina ary hampivelarina.”5 Fa ny fampivelarana dia tonga amin’ny endriny maro rehefa miaina izany ny olona tsirairay. Tsy niaina tao anatin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aho, na niaina ny fanaintainana sy tahotra avy amin’ny fandaozan’ny olona, na ny andraikitra mifandray amin’ny maha-reny tokan-tena ao an-tokantrano. Tsy niaina fahafatesan-janaka aho, na fahamombana, na fitiavan’ny samy vavy. Tsy mbola niharan’ny herisetra na aretina mikiky na tratran’ny fiankinan-doha aho. Tsy izany no fizahan-toetra nampivelarana ahy.
Koa amin’izao fotoana izao dia mieritreritra ny sasany aminareo hoe: “Eny ry Rahavavy Stephens a! Tsy takatrao mihitsy ny mahazo anay!” Dia mamaly aho hoe mety ho marina ny voalazanareo. Tsy takatro tanteraka ny olana atrehanareo. Kanefa amin’ny alalan’ny fitsapana sy fisedrana nianjady tamiko manokana—ireo izay nampandohalika ahymba hivavaka—dia nanjary nifankahazatra tamin’Ilay mahatakatra aho—Izy ilay “zatra ny fahoriana,”6 izay niaina ny zavatra rehetra sy mahatakatra ny zavatra rehetra. Ankoatra izany dia niaina ireo fitsapana rehetra vao notononiko teo ireo aho tamin’ny alalan’ny zanakavavy, reny, renibe, rahavavy, nenitoa ary namana.
Tsy ny hianatra avy amin’ireo olana ananantsika ihany no tombontsoa ananantsika amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra mitandrina fanekempihavanana antsika fa ny hifandrimbona amin’ny fitserana sy famindrampo rehefa manampy ireo olona hafa ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra isika amin’ny olana ananany, araka izay efa nekentsika fa hataontsika.
Manjary mahatakatra sy mahatoky ihany koa isika rehefa manao izany fa mahalala ny fahasarotan’ny lalana ny Mpamonjy ary afaka mitarika antsika ao anatin’izay mety ho alahelo sy fahakiviana mitranga Izy. Fitiavana marina Izy, ary “maharitra mandrakizay”7 ny fitiavany—amin’ny alalantsika ny ampahany—rehefa manaraka Azy isika.
Amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra sy mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia “manao asa araka ireo fitserana ny hafa izay novolen’ Andriamanitra” tao am-pontsika isika.8 Tsy mijanona amin’ny fianakaviantsika ihany ny fanampiana entintsika.
Vao haingana aho no nanana fahafahana niresaka tamin-drahavavy Yazzie tao amin’ny trano bongony tany amin’ny Tsatòkan’i Chinle Arizona. Ny zavatra tsikaritro voalohany rehefa nampandrosoiny tao an-tranony aho dia ireo sarin’ny fianakaviana sy misiônera tao anaty fonon-tsary maro teny amin’ny rindrina sy latabatra. Dia nanontany aho hoe: “Rahavavy Yazzie, firy ny zafikelinao?”
Gaga tamin’ny fanontaniako izy, dia naneho fihetsika nandà tamin’ny sorony. Very hevitra tamin’ny valinteniny aho dia nijery an-drahavavy Yellowhair, zanany vavy izay namaly hoe: “Tsy fantany hoe firy ny zafikeliny. Tsy manisa izahay. Miantso azy hoe ‘Bebe’ daholo ny ankizy rehetra—Bebe izy ho an’ny rehetra.”
Tsy feran-drahavavy Yazzie amin’ny fianakaviana iray ra aminy ny fitiavany sy ny ohatra omeny. Takany ny dikan’ny hoe manitatra ny tontolon’ny ohatra asehony rehefa mandehandeha manao soa sy mikolokolo ary miaro ny fianakavian’ Andriamanitra izy. Takany fa “isaky ny mampatanjaka ny finoan’ny ankizy iray ny vehivavy iray dia mandray anjara amin’ny tanjaky ny fianakaviana iray amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy izy.”9
Manazava bebe kokoa ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany ny andalana fahatelo izay fiverenan-kira manao hoe: “Fianakaviana mba hanampy antsika ho tonga toa Azy.” Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”10 Mampianatra ny fanambarana ho an’ny fianakaviana fa amin’ny maha-zanakavavy ara-panahin’ny ray aman-dreny any an-danitra antsika dia manana toetra araka an’ Andriamanitra sy manana ny maha-isika antsika mandrakizay ary tanjona mandrakizay isika. Tian’ Andriamanitra ho iray isika—zanakavavy mitandrina fanekempihavanana izay miray ao anatin’ny fahasamihafan’ny fiainantsika manokana,11 izay maniry hianatra ny zavatra rehetra ilaina mba hiverenana eo anatrehany, voafehy Aminy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakaviany mandrakizay.
“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay.”12 Mampifandray ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny lafiny roa amin’ny voaly ireo ôrdônansy raisintsika sy ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa sy ao amin’ny tempoly masina—mampifandray antsika amin’ny Raintsika amin’ny alalan’ny Zanakalahiny, izay nangataka hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao Amintsika koa Izy.”13
Rehefa mampiasa ny fotoantsika eto an-tany isika mba handalina sy hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy dia tonga toa Azy bebe kokoa. Lasa takatsika fa Izy no lalana—ilay lalana tokana—ahafahantsika mandresy ireo olan’ny fiainana an-tany, ho sitrana sy hiverina any amin’ny tranontsika any an-danitra.
Miverina amin’ny zavatra nolazainy tany am-piandohana ny andalana farany ao amin’ilay hira: “Izany no fitiavany, drafitra napetrany.” Drafitry ny fitiavana ny drafitry ny Ray ho an’ny zanany, ary drafitra hampiraisana ny zanany—ny fianakaviany—miaraka Aminy izany. Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Roa ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany … : tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay, ‘izay midika hoe fiainana miaraka Aminy any an-tranontsika.’”14 Tsy ho tanteraka ireo faniriana ireo raha tsy rehefa mizara ihany koa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviany isika amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana sy fizarana ny drafiny amin’ny hafa.
Roapolo taona lasa izay dia nanolo-tanana ho an’izao tontolo izao ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa namoaka fanambarana iray ho an’ny fianakaviana. Nanomboka tamin’izay dia tsy nitsaha-nitombo ny ezaka famotehana ny fianakaviana.
Raha te hahomby isika ao amin’ireo andraikitra masina ananantsika amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia tsy maintsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny fampianarana ireo fahamarinana momba ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fianakaviany isika, sy ny andraikitsika manokana hampianatra izany. Nanazava ny Filoha Howard W. Hunter hoe:
“Ilaina tokoa ny mampiray ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hiara-hitsangana sy hanohana ireo Rahalahy amin’ny fampitsaharana ny fitombon’ny ratsy izay manodidina antsika sy amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Mpamonjintsika. …
“… Koa manasa anareo izahay hitondra fanampiana amin’ny alalan’ilay ohatra mahery vaika anananareo mba hitaona amin’ny tsara amin’ny fampatanjahana ny fianakaviantsika, ny Fiangonantsika ary ny fiarahamonina misy antsika.”15
Ry rahavavy isany, mpikambana. Tiana isika. Ilaina. Ary manana tanjona, asa ary anjara asa masina ao amin’ny Fiangonana sy fanjakan’ Andriamanitra sy ao amin’ny fianakaviany mandrakizay isika. Fantatrareo lalina ao am-ponareo ve fa tia anareo sy maniry anareo sy ireo hava-malalanareo hiaraka Aminy ny Rainareo any An-danitra? Tahaka ny maha- “tonga lafatra ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy …, dia tonga lafatra ho antsika ny fanantenan’izy ireo.”16 Tonga lafatra ny drafitra nomanin’Izy ireo ho antsika, ary azo antoka ny fampanantenana nomen’Izy ireo. Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.