2015
Ilay Mpampionona
Mey 2015


Ilay Mpampionona

Omeko ny tenivavolombeloko fa ilay Kristy velona dia mandefa ny Fanahy Masina, ilay Mpampionona, amin’ireo izay efa nanaovantsika fanekena fa hohampiononiny mba hanampiana Azy.

Ry anabaviko malala isany, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo. Mieritreritra ny reniko, ny vadiko, ireo zanako vavy, ireo vinantovaviko, ireo zafikeliko vavy aho —izay manatrika etoana ny sasantsasany amin’izy ireo. Manampy ahy hankasitraka azy ireo bebe kokoa ity fandaharam-potoana mahafinaritra ity. Manaiky aho fa noho ny fananan’izy ireo ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo tsirairay avy no ananana fianakaviana sy fiainam-pianakaviana toy izany. Nahatsiaro Azy isika tamin’ity takariva ity tamin’ny hira sy ireo vavaka ary tamin’ny alalan’ireo lahateny nitaona fanahy. Anisan’ireo toetran’ny Mpamonjy izay tiantsika indrindra ilay fangorahany tsy misy fetra.

Nahatsapa ianareo anio hariva fa mahafantatra anareo Izy ary tia anareo. Tsapanareo ny fitiavany ireo izay mipetraka manodidina anareo. Rahavavinareo izy ireo, fanahy zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra. Karakarainy izy ireo tahaka ny hikarakarany anareo. Takany avokoa ny alahelo rehetra ananan’izy ireo. Maniry ny hamonjy azy ireo Izy.

Ny hafatro ho anareo anio hariva dia ny mba hahafahanareo ho tonga ary tsy maintsy ho tonga mpandray anjara manan-danja amin’ny fanomezany fampiononana ho an’ireo izay mila fampiononana. Afaka mitondra ny anjara birikinareo araka izay azonareo atao ianareo raha mahafantatra bebe kokoa ny fomba hamaliany ireo vavaka fangatahana fanampiana.

Maro no mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hahazoana fanamaivanana sy fanampiana eo amin’ny fitondrana ny enta-mavesatry ny alahelon’izy ireo sy ny fanireriny ary ny tahotr’izy ireo. Henon’ny Ray any An-danitra ireny vavaka ireny, ary takany ny zavatra ilain’izy ireo. Nampanantena fanampiana Izy sy ny Zanaka malalany, dia i Jesoa Kristy, ilay nitsangana tamin’ny maty.

Nanome ity fampanantenana mamy ity i Jesoa Kristy:

“Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”1

Ireo enta-mavesatra tsy maintsy zakain’ireo mpanompony mahatoky dia hohamavainina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Azo esorina ny enta-mavesatry ny fahotana, kanefa ireo fitsapan’ny fiainana an-tany ho an’ny olona tsara dia mety mbola ho enta-mavesatra ihany.

Efa nahita ny fitsapana tahaka izany ianareo teo amin’ny fiainan’ireo olona tsara izay tianareo. Nanana faniriana ny hanampy azy ireo ianareo. Misy antony izany fahatsapanareo fangorahana ho azy ireo izany.

Ianao dia mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay nanao fanekempihavanana. Nisy fiovana mahery vaika nanomboka nitranga tao am-ponao rehefa tonga tao amin’ny Fiangonana ianao. Nanao fanekempihavanana ianao, ary nandray fampanantenana izay nanomboka nanova ny tena toetranao marina.

Nofaritan’i Almà tamin’ny teniny manokana teo amin’ny Ranon’i Môrmôna ny zavatra nampanantenainareo tamin’ny batisanareo sy ny ho dikan’izany aminareo sy amin’ireo manodidina anareo, indrindra ho an’ny fianakavianareo. Niresaka tamin’ireo izay vao hanao ireo fanekempihavanana izay efa nataonareo izy ary nandray ilay fampanantenana izay nataon’ny Tompo taminareo ihany koa izy ireo nanao hoe:

“Indro, inty no ranon’i Môrmôna (fa izany no niantsoana azy) ary ankehitriny, satria maniry ianareo ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra, sy antsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo, eny, ary hampionona an’ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay.”2

Izany no antony anananareo fahatsapana te hanampy olona iray miady mafy mba handroso eo ambany ziogan’ny enta-mavesatry ny fahoriana sy ny fahasarotana. Nampanantena ianareo fa hanampy ny Tompo hanamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo ka hahatanjahany. Nomena anareo ny hery hanampiana mba hanamaivana ireo enta-mavesatra ireo fony ianareo nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Nofaritan’ny Mpamonjy ny fomba fanampiany amin’ny fanamaivanana ny enta-mavesatra sy ny fanomezany tanjaka hitondrana azy ireo raha iny Izy handeha homboina amin’ny hazofijaliana iny. Fantany fa halahelo ireo mpianany. Fantany fa hatahotra ny amin’ny hoaviny izy ireo. Fantany fa hahatsapa ho tsy mahatoky tena izy ireo hoe hahavita handroso ve sa tsia.

Noho izany dia nomeny azy ireo ny fampanantenana izay ataony amintsika sy amin’ireo mpianany mahatoky rehetra:

“Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay;

“dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao ho raisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.”3

Avy eo Izy dia nampanantena hoe:

“Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”4

Vao tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay aho no nahita izany fampanantenana amin’ny fanirahana ny Fanahy Masina izany tanteraka teo amin’ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra izay nitalaho tamim-bavaka ny hanamaivanana ny enta-mavesatr’izy ireo. Tonga tamin’ny fomba nampanantenain’ny Tompo ny fahagagan’ny fanamaivanana ny enta-mavesatra. Maniraka ny Fanahy Masina Izy sy ny Ray any An-danitra mba ho Mpampionona hanampy ireo mpianany.

Vao haingana no nisy taranaka mifandimby telo tao amin’ny fianakaviana iray izay ory noho ny fahafatesan’ny zazalahy kely iray dimy taona. Maty tampoka izy raha mbola tany am-pialan-tsasatra ny fianakaviany. Nomena fahafahana aho ny hahita indray ny fomba hitahian’ny Tompo ireo izay mahatoky amin’ny alalan’ny fanampiana sy ny tanjaka mba haharetana.

Nodinihako ny fomba nanamaivanan’ny Tompo ny enta-mavesatra lehibe nentin’izy ireo. Niaraka tamin’izy ireo aho tamin’ny naha-mpanompon’ny Tompo nanao fanekempihavanana ahy—tahaka izay ho ataonareo matetika eo amin’ny fiainanareo—dia ny mba “hiara-malahelo amin’izay malahelo, ary hampionona ireo izay mila fampiononana”.5

Koa satria fantatro fa marina izany dia faly sy nahatsapa fiadanana aho rehefa nanasa ahy ireo raibe sy renibe mba hihaona tamin’izy ireo sy ny ray aman-drenin’ilay zazalahy kely talohan’ny fandevenana.

Nivavaka aho mba hahafantarako ny fomba hanampiako ny Tompo hampionona azy ireo. Niara-nipetraka tamiko tao amin’ny efitrano fandraisam-bahininay izy ireo. Nasiako afo kely tao amin’ny famindroana mba hamanana ilay efitrano tamin’io alina mamanala io.

Nahazo fahatsapana aho mba hiteny amin’izy ireo hoe tiako izy ireo. Nolazaiko azy ireo fa tsapako ny fitiavan’ny Tompo azy ireo. Tao anatin’ny teny vitsy monja no niezahako nilaza tamin’izy ireo fa malahelo azy ireo, kanefa ny Tompo irery ihany no nahafantatra sy afaka nahatsapa tanteraka ny fanaintainana sy ny alahelon’izy ireo.

Rehefa avy nilaza ireo teny vitsivitsy ireo aho dia nahazo fitaomam-panahy mba hihaino amim-pitiavana teo am-piresahan’izy ireo ny zavatra tsapany.

Nandritra ny ora niarahanay nipetraka teo dia izy ireo no niresaka mihoatra lavitra noho izaho. Tsapako tamin’ny feon’izy ireo ary hitako tamin’ny endrik’izy ireo fa nahakasika azy ireo ny Fanahy Masina. Nilaza mikasika ny zava-nitranga izy ireo, sy ny fahatsapan’izy ireo tamin’ny alalan’ny tenivavolombelona tsotra. Efa nanome azy ireo sahady ilay fiadanana izay tonga miaraka amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, rehefa afaka ny ho zanak’izy ireo mandrakizay ilay zanany lahy izay maty tsy nanam-pahotana.

Rehefa nanome tsodranon’ny fisoronana ho azy ireo tsirairay aho dia nanolotra fisaorana noho ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay nanatrika teo. Tonga ilay Mpampionona izay nitondra fanantenana, fankaherezana ary nitondra hery lehibe ho anay rehetra.

Tamin’io alina io no nahitako ny fomba fiarahan’ny Tompo miasa amintsika mba hanamaivanana ny enta-mavesatry ny vahoakany. Tsaroanareo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa saika ho trotraky ny enta-mavesatra nampitondrain’ireo mpampiasa ratsy fanahy ny vahoakany.

Nitalaho famonjena ny vahoaka, tahaka ny fanaon’ny maro amin’ireo izay tiantsika sy tompointsika. Izao no zavatra voarakitra izay fantatro fa marina:

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo, ary izany no ataoko dia ny mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany.

“Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’i Almà sy ny rahalahiny; eny; nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra.”6

Hitako ombieny ombieny izany fahagagana izany. Ny fomba tsara indrindra hanamaivanantsika ny enta-mavesatry ny hafa dia ny fanampiana ny Tompo hampahatanjaka azy ireo. Izany no antony nahatonga ny Tompo nampiditra ilay didy hoe ho vavolombelony amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ho anisan’ny andraikitsika eo amin’ny fampiononana ny hafa.

Nijoro ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy ny ray aman-drenin’ilay zazalahy kely tamin’io alina io tao amin’ny efitrano fandraisam-bahininay. Tonga ny Fanahy Masina. Nampiononina avokoa izahay rehetra. Nampahatanjahina ireo ray aman-dreny. Tsy nanjavona akory ny vesatry ny alahelo, fa lasa nahazaka ny fahoriana izy ireo. Nitombo ny finoan’izy ireo. Ary mbola hitohy hitombo hatrany ny tanjak’izy ireo raha toa mangataka an’izany izy ireo sy miaina ho an’izany.

Ilay tenivavolombelon’ny Fanahy momba ny Sorompanavotana izay tonga tamin’io alina io dia nankahery ihany koa an’i Joba hahazaka ny enta-mavesany:

“Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy:

“Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra.”7

Io tenivavolombelon’ny Fanahy io no nanome hery azy ahafahana maharitra. Hisedra ny fimenomenomana sy ny tsy fisian’ny fampiononana avy amin’ireo olona manodidina azy izy mba hahitana ny fifaliana izay ho azon’ireo mahatoky rehefa avy nandalo tamim-pahatokiana tamin’ny fitsapana azy ireo.

Marina izany ho an’i Joba, Tonga eto amin’ity fiainana ity ireo fitahiana. Niafara tamin’ity fahagagana ity ny tantaran’i Joba:

“Ary Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany. …

“Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’i Joba hita tany amin’ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ny anadahiny izy.

“Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafin-dohaliny aza.

“Dia maty Joba rehefa tratrantitra ka ela niainana.”8

Avy amin’ilay tenivavolombelon’ny Fanahy mikasika ilay Sorompanavotana ho avy izay nanampy an’i Joba haharitra ireo fitsapana izay natao ho lalovana eo amin’ny fiainana izany. Tafiditra ao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana izay nomen’ny Ray antsika izany. Namela ny Zanany Izy, tamin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony, hanome ilay fanantenana izay mampionona antsika na dia sarotra toy ny ahoana aza ny lalana hodiavintsika mankany Aminy.

Nandefa ny Fanahy Masina ny Ray sy ny Zanaka mba hampionona sy hampahatanjaka ireo mpanara-dia an’ilay Mpampianatra mandritra ny dian’izy ireo.

Hitako izany fahagagan’ny fampiononana izany rehefa tonga teo ivelan’ny trano fiangonana izay hanaovana ny fotoam-pivavahana fanaovam-beloma farany an’ilay zazalahy aho. Nisy tovovavy maha-te ho tia iray nanakana ahy. Tsy nahafantatra azy aho. Nilaza tamiko izy fa handeha any amin’ilay fandevenana mba hiara-ory sy hampionona raha azony natao izany.

Nilaza izy fa nandeha tany amin’ilay fandevenana mba hampionona ny tenany ihany koa. Notantarainy tamiko fa vao haingana no maty ny zanany voalohany. Nitrotro zazavavy kely tsara tarehy izy. Nitongilana nankany aminy aho mba hanatona ny tarehy miramiran’ilay zazavavy kely. Nanontaniako ny renin’ilay zaza hoe: “Iza no anaran’ity zanakao vavy ity?” Dia namaly haingana sy tamim-pifaliana izy hoe: “Joy no anarany [izany hoe Hafaliana]. Tonga foana ny hafaliana aorian’ny fahoriana.”

Nijoro ho vavolombelona tamiko izy. Hitako fa tonga teo aminy ny fiadanana sy ny fampiononana, tamin’ny alalan’ilay hany loharano tokana azo antoka. Andriamanitra ihany no mahafantatra ny ao am-po, noho izany dia Izy irery ihany no afaka hiteny amim-pahamarinana hoe: “Fantatro ny zavatra tsapanao.” Ka noho izany dia azoko an-tsaina fotsiny ihany ny fifaliany sy ny alahelony izay nialoha izany, kanefa mahafantatra ny Tompo izay tia azy.

Amin’ny ampahany ihany no ahafantarako ny haben’ny hafaliany isak’izay manampy Azy hitondra fotoam-piadanana sy fifaliana ho an’ny zanaky ny Rainareo any An-danitra ianareo amin’ny maha-mpianany anareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa niangavy ny tsirairay amintsika mpianany ny Tompo mba hifampitondra ny enta-mavesatra. Nampanantena ny hanao izany isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia namaha ny herin’ny fahafatesana. Omeko ny tenivavolombeloko fa ilay Kristy velona dia mandefa ny Fanahy Masina, ilay Mpampionona, amin’ireo izay efa nanaovantsika fanekena fa hampiononiny mba hanampiana Azy.

Ianareo rehetra, tahaka ahy, dia vavolombelon’ilay fahamarinana voarakitr’ilay soratra eo amin’ilay marika kely fanao amin’ny akanjo izay nanaovan’ny reniko nandritra ny 20 taona mahery tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Mivaky toy izao izany hoe: “Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay.”9 Tsy mbola fantatro foana ny tena dikan’ireo teny ireo amin’ny fahafenoany. Kanefa afaka nahafantatra kely ny amin’izany aho rehefa nahita azy nanampy ireo izay nila fanampiana. Milaza amintsika ity fahamarinana ity ny soratra masina: “Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.”10

Mitoetra mandrakariva ny fitiavany ary tsy hitsahatra mihitsy ny fahatsapantsika ao am-pontsika ilay faniriana mba “hiara-malahelo amin’ izay malahelo … ary hampionona ireo izay mila fampiononana.”11 Ary tsy hiala amintsika ihany koa ilay fiadanana nampanantenainy rehefa manompo ny hafa ho Azy isika.

Amin’ny maha-vavolombelony ahy no hanehoako fankasitrahana noho ny zavatra izay ataonareo tsara tokoa mba hanampiana an’i Jesoa Kristy Tompo izay velona sy ny Fanahy Masina, ilay Mpampionona, mba hampatanjaka ireo lohalika malemy sy hampakatra ny tanana miraviravy.12 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.