2015
Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?
Mey 2015


Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?

Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra.

Eo ambonin’ilay Varavarana Andrefana Lehiben’ny Tranon-drelijiozy fanta-dazan’i Westminster any Londres, Angleterre dia ahitana sarimivongan’ny Kristianina 10 maty martiora tamin’ny taonjato faha 20. Anisan’izy ireo i Dietrich Bonhoeffer, teôlôjianina Alemana mahiran-tsaina iray izay teraka tamin’ny 1906.1 Lasa mpitsikera ampahibemaso ny didy jadona nataon’ny Nazi sy ny fampijaliana nataon’izy ireo ny Jiosy sy ny hafa izy. Nogadraina izy noho ilay fanoherany tamin-kafanampo ary novonoina tao amin’ny toerana fampitobiana babo tamin’ny farany. Mpanoratra namokatra zavatra maro i Bonhoeffer ka ny sasany tamin’ireo sangan’asany tena nalaza dia taratasy izay ireo mpiambina fonja be fangorahana no nanampy azy hamoaka izany an-tsokosoko taty ivelan’ny fonja ary nitondra ny lohateny hoe Letters and Papers from Prison (Taratasy avy any am-ponja) izany rehefa navoaka.

Ny iray tamin’ireo taratasiny ireo dia nosoratany ho an’ny tovovavy iray zanaky ny iray tampo aminy talohan’ny hanambadiany. Ahitana ireto torohevitra manan-danja ireto izany: “Mifono zavatra bebe kokoa noho ny fifankatiavanareo ny fanambadiana. … Ny tenanareo roa ihany no hitanareo eto amin’izao tontolo izao ao anatin’ny fitiavanareo, kanefa ao anatin’ny fanambadiana dia rohy mampifandray ireo taranaka ianareo, izay nataon’ Andriamanitra ny hahatongavany sy handalovany ho an’ny voninahiny ary hiantsoany izany ho ao amin’ny fanjakany. Ny lanitry ny fahasambaranareo manokana ihany no hitanareo ao anatin’ny fitiavanareo, kanefa ao anatin’ny fanambadiana dia apetraka eo amin’ny toerana iray hanaovana adidy amin’izao tontolo izao sy ny olombelona ianareo. Fanananareo manokana ny fitiavanareo fa ny fanambadiana kosa dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny zavatry ny tena manokana—toerana hazonina sy anjara andraikitra izany. Raha ny satroboninahitra no maha-mpanjaka ny mpanjaka fa tsy ny fahavononana hanapaka fotsiny dia tsy ny fifankatiavanareo fotsiny koa fa ny fanambadiana no mampitambatra anareo eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona. … Noho izany dia avy aminareo ny fitiavana fa ny fanambadiana kosa avy any ambony, avy any amin’ Andriamanitra.”2

Amin’ny fomba ahoana ary no mahatonga ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy hihoatra ilay fifankatiavany sy ny fahasambarany manokana mba ho lasa “toerana iray hanaovana adidy amin’izao tontolo izao sy ny olombelona”? Nahoana izany no hoe “avy any ambony, avy any amin’ Andriamanitra”? Mila miverina any am-piandohana isika mba hahatakarana izany.

Nanambara ireo mpaminany fa faharanitan-tsaina isika tamin’ny voalohany ary nomen’ Andriamanitra endrika na vatana fanahy, dia lasa fanahy izay zanany isika avy eo—zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra.3 Nisy fotoana nandritra ny fiainan’ny fanahintsika talohan’ny nahaterahana, tao anatin’ny fampivelarana ny faniriany mba “hananantsika fahafahana hivoatra tahaka azy,”4 dia nanomana drafitra hanatanterahana izany ny Raintsika any An-danitra. Nomena anarana maro samihafa izany ao anatin’ny soratra masina, ao anatin’izany ny hoe “ny drafitry ny famonjena,”5 “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana,”6 ary “ny drafitry ny fanavotana.”7 Nohazavaina tamin’i Abrahama tao anatin’ireto teny ireto ireo tanjona fototra anankiroan’ilay drafitra:

“Ary nisy anankiray nijoro teo anivony, izay nitovy tamin’ Andriamanitra, ary hoy Izy tamin’ireo izay niaraka taminy: Hidina isika fa misy toerana eny, ary haka amin’ireto akora ireto isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ireto [fanahy ireto] mitoetra;

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

“Ary ireo izay mitana ny toetrany voalohany no homena fanampiny; … ary ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay.”8

Noho ny Raintsika any An-danitra dia efa olona niendrika fanahy isika. Nomeny fomba iray isika amin’izao fotoana izao mba hamenoana na handavorariana izany endrik’olona izany. Tena ilaina ny fanampiana singa ara-batana iray mba hananana ny fahafenoan’ny fisiana sy ny voninahitra izay ananan’ Andriamanitra tenany. Raha toa isika ka nanaiky ny handray anjara tao amin’ny drafiny—na amin’ny teny hafa hoe “nitana ny toetrantsika voalohany”—fony isika niaraka tamin’ Andriamanitra tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana, dia “nomena [vatana ara-nofo] fanampiny,” isika rehefa tonga niaina teto an-tany izay nohariany ho antsika.

Raha mandritra ny zavatra iainantsika eto an-tany kosa isika no nisafidy ny “hanao ny zava-drehetra tokony handidian’ny Tompo Andriamanin[tsika] [antsika]” dia ho nahatana ny “toetra[ntsika] faharoa isika.” Midika izany fa hasehontsika amin’ny alalan’ny safidintsika amin’ Andriamanitra (sy amin’ny tenantsika) ilay fanolorantenantsika sy ny fahaizantsika miaina ny lalàna selestialiny rehefa tsy eo anatrehany sy ao anatin’ny vatana iray miaraka amin’ny heriny sy ny filany ary ny faniriany isika. Afaka nifehy ny nofo ve isika mba hahatongavan’izany ho fitaovana fa tsy ho tompon’ny fanahy? Azo nankinina tamintsika ve nandritra izao fiainana izao sy mandrakizay ireo hery masina, ka tafiditra ao anatin’izany ny hery ahafahana mamorona aina? Nandresy manokana ny ratsy ve isika? Ireo izay nahavita izany dia “hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay”—ny endrika iray tena mampiavaka an’io voninahitra io dia ilay vatana nitsangana tamin’ny maty sy tsy mety maty ary feno voninahitra.9 Tsy mahagaga raha toa isika ka “nihoby” teo anatrehan’ireo tombontsoa sy fampanantenana mahafinaritra ireo.10

Misy zavatra efatra farafahakeliny ilaina mba hahombiazan’izany drafitra masina izany:

Voalohany, ny Fahariana ny tany mba ho toeram-ponenantsika. Na manao ahoana na manao ahoana ny antsipirian’ny fizotran’ny fahariana dia fantatsika fa tsy tonga an-kisendrasendra izany fa notantanan’ Andriamanitra Ray ary notanterahan’i Jesoa Kristy—“Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.”11

Faharoa, ilay toetra maha-mety maty. Nanatanteraka asa ho an’izay rehetra nisafidy ny handray anjara amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ Andriamanitra i Adama sy i Eva.12 Nampisy ireo toe-javatra nilaina ho an’ny fahaterahantsika ara-batana sy ho an’ny fiainantsika eto an-tany ary ho fianarana tsy eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahalavoan’izy ireo. Niseho niaraka tamin’ny Fahalavoana ny fahafantarana ny tsara sy ny ratsy ary ny hery nomen’ Andriamanitra ahafahana misafidy.13 Farany dia nitondra ny fahafatesan’ny vatana izay nilaina mba tsy haharetan’ny fiainana an-tany ny Fahalavoana mba tsy hiainantsika mandrakizay ao anatin’ny fahotantsika.14

Ny fanavotana avy amin’ny Fahalavoana ny fahatelo. Hitantsika ny anjara asan’ny fahafatesana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, saingy ho toy ny zava-poana ihany izany drafitra izany raha tsy misy ny karazana fomba handresena ny fahafatesana amin’ny farany, dia ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy. Noho izany dia nijaly sy maty mba hanonerana ny fandikan-dalàna nataon’i Adama sy i Eva ny Mpanavotra iray dia i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, ka dia nanolotra ny fitsanganana amin’ny maty sy ny tsy fahafatesana ho an’ny rehetra izany. Ary satria tsy misy amintsika tena afaka nankatò amin’ny fomba lavorary sy tsy tapaka ny lalàn’ny filazantsara, dia manavotra antsika amin’ny fahotantsika manokana koa ny Sorompanavotany, raha toa ka mibebaka isika. Afaka ny ho ateraka ara-panahy indray sy hihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ilay fahasoavana manavotry ny Mpamonjy izay mitondra ny famelana ny fahotantsika sy ny fanamasinana ny fanahintsika. Hifarana ny fahafatesantsika ara-panahy—dia ilay fisarahantsika amin’ Andriamanitra.15

Fahaefatra ary farany, ny toe-javatra miseho mikasika ny fahaterahantsika ara-batana sy ny fisehoan’ny fahaterahana ara-panahy indray aorian’izany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Mba hahombiazan’ny asany “[hampisandratana antsika] miaraka aminy,”16 dia nanome didy Andriamanitra fa tokony hanambady ny lehilahy sy ny vehivavy ary hiteraka, amin’izay dia miara-miasa amin’ Andriamanitra eo amin’ny famoronana vatana izay tena zava-dehibe ho an’ny fisedrana mandritra ny fiainana an-tany ary tena ilaina amin’ny fahazoana voninahitra mandrakizay miaraka Aminy. Nanome didy koa izy ny mba hanorenan’ny ray aman-dreny fianakaviana sy hitaizany ny zanany ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana,17 ka hitarika azy ireo hananana fanantenana ao amin’i Kristy. Nandidy antsika ny Ray hoe:

“[Ampianaro] malalaka ny zanakao izany zavatra izany manao hoe:

“Fa … toy ny efa nahaterahanareo teo amin’izao tontolo izao tamin’ny rano sy ny ra ary ny fanahy, izay nataoko, ka tonga fanahy velona avy amin’ny vovo-tany, dia toy izany koa no tsy maintsy ahaterahanareo indray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, amin’ny rano sy amin’ny Fanahy [Masina] ary hanadiovana anareo amin’ny ra, dia ny ran’ny Lahitokako; mba ho azo hamasinina hiala amin’ny fahotana rehetra ianareo ka hankamamy ny tenin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ity izao tontolo izao ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, dia voninahitra tsy mety maty.”18

Rehefa fantatra ny antony nialantsika teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy ny zavatra takina mba hiverenana any Aminy sy hisandratana miaraka Aminy dia lasa tena mazava fa tsy misy zavatra mifandray amin’izao fotoana iainantsika eto an-tany izao izay manan-danja bebe kokoa noho ny fahaterahana ara-batana sy ny fahaterahana ara-panahy indray, izay fepetra roa takina hahazoana ny fiainana mandrakizay. Raha ampiasaina ny tenin’i Dietrich Bonhoeffer, dia izany no ilay “anjara andraikitry” ny fanambadiana, ilay “toerana iray hanaovana adidy … amin’ny olombelona,” izay hazonin’io rafitra masina “avy any ambony, avy any amin’ Andriamanitra” io. “Rohy mampifandray ireo taranaka” eto sy any ankoatra izany—ilay lamin’ny lanitra.

Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra—toerana ilaina ho an’ny fahaterahan’ny zanaka izay tonga ao anatin’ny fahadiovana sy ny tsy fananan-tsiny ary tontolo ho an’ny fianarana sy fiomanana izay ho ilain’izy ireo mba hananana fiainana an-tany mahomby sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Ny fisian’ny vondrom-pianakaviana na dia amin’ny isany kely indrindra izay naorina tamin’ny alalan’ny fanambadiana toy izany dia tena zava-dehibe ho an’ny fiarahamonina mba hahavelona azy sy mba hivelarany. Izany no antony nahatonga ireo fiarahamonina sy firenena namporisika sy niaro ny fanambadiana ho toy ny rafitra miavaka. Tsy hoe fitiavana sy fahasambaran’olon-dehibe fotsiny velively izany hatramin’izay.

Tena maharesy lahatra mihitsy aza ny famaritana omen’ny haifiarahamonina mba hanohanana ny fanambadiana sy ny fianakaviana tarihin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray mivady.19 Noho izany dia, “mampitandrina izahay fa ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra loza izay efa nambaran’ireo mpaminany fahiny sy maoderina eo amin’ny olona tsirairay sy eo amin’ny fiarahamonina ary eo amin’ny firenena.”20 Tsy mifototra amin’ny haifiarahamonina anefa ny hevitra ijoroantsika mikasika ny anjara asan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana fa mifototra amin’ilay fahamarinana hoe zavaboaharin’ Andriamanitra izy ireo. Tany am-piandohana dia Izy no nahary an’i Adama sy i Eva araka ny endriny, izay lahy sy vavy ary nampitambatra azy ireo ho mpivady mba ho lasa “nofo iray” sy hihabetsaka ary hameno ny tany.21 Samy manana izay endrik’ Andriamanitra izay ny olona tsirairay, saingy ao anatin’ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy hitambatra ho iray angamba no hahatanterahantsika ny dikany feno tanteraka fonosin’ilay hoe namboarina araka ny endrik’ Andriamanitra—lahy sy vavy. Tsy misy amintsika, na olona mety maty hafa, afaka manova io lamina masin’ny fanambadiana io. Tsy zavatra noforonin’olombelona izany. Tena “avy any ambony, avy any amin’ Andriamanitra” tokoa ny fanambadiana toy izany ary tena ampahan-javatra iray ao amin’ny drafitry ny fahasambarana toy ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana.

Nikomy tamin’ Andriamanitra sy ny drafiny i Losifera tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ary mitombo hatrany ny fanoherany. Mitolona izy mba hitsipahana ny fanambadiana sy ny fanorenana fianakaviana, ary rehefa miorina ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia manao izay azo atao izy mba hampikorontanana izany. Simbainy ny zavatra rehetra izay masina momba ny maha-lehilahy sy ny maha-vehivavy, ary sarahiny an-keriny hivoaka ao anatin’ny sahan-kevitry ny fanambadiana izany amin’ny alalan’ny karazana eritreritra sy fihetsika vetaveta maro tsy tambo isaina. Mikatsaka ny handresy lahatra ny lehilahy sy ny vehivavy izy hoe azo tsy raharahina na tsy tanterahina ny fanaovana ny fanambadiana sy ny fianakaviana ho lohalaharana, na farafaharatsiny any aorian’ny asa sy ireo fanatontosan-javatra hafa, sy ny fikatsahana ny “fahafaham-pon’ny tena” ary ny fananana fizakan-tena manokana no tokony hisy izany. Mazava ho azy fa faly ny fahavalo rehefa tsy raharahin’ny ray aman-dreny ny fampianarana sy fanofanana ny zanany mba hanana finoana an’i Kristy sy hahatratra fiovampo ary hateraka ara-panahy indray. Ry rahalahy sy rahavavy, maro ny zavatra tsara ary maro ny zavatra manan-danja saingy vitsy ihany no tena ilaina.

Ny fanambarana ny fahamarinana fototra mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy midika akory hoe tsy miraharaha na manambany ny fahafoizantena sy ny fahombiazana asehon’ireo izay tsy mbola afaka miaina io rafitra tena tsara io amin’izao fotoana izao. Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo vadina, ny fironana any amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na fahatahorana tsy fahombiazana tsotra fotsiny izay manarona ny finoana amin’izao fotoana izao. Na mety efa nanambady ianao fa nitsahatra izany fanambadiana izany ary lasa ianao irery no misahana zavatra izay na olon-droa miaraka aza zara raha mahavita izany. Ny sasany aminareo izay manambady dia tsy afaka mahazo zaza na dia manam-paniriana lehibe sy mitalaho amam-bavaka aza.

Na dia izany aza dia manana fanomezam-pahasoavana ny tsirairay, manana talenta ny tsirairay ary afaka mitondra anjara biriky ao amin’ilay drafitra masina navelatra isaky ny taranaka tsirairay. Zavatra tsara maro sy zavatra tena ilaina maro—ary indraindray aza ny zavatra rehetra ilaina amin’izao fotoana izao—no azo tanterahina ao anatin’ny toe-javatra izay tsy tonga lafatra. Maro dia maro aminareo no manao izay tsara indrindra vitanareo. Ary rehefa mijoro hiaro ny drafitr’ Andriamanitra mba hampisandratra ny zanany ianareo izay mizaka ireo enta-mavesatra lehibe indrindra eto amin’ny fiainana an-tany, dia vonona ny hiara-dia isika rehetra. Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany.

Nisy renim-pianakaviana anankiray vao herotrerony nizara tamiko ny ahiahiny mikasika ny fahatsapany ho tsy mahavita tsara io antso faran’izay ambony io. Tsapako fa ny olana nanahiran-tsaina azy dia zavatra kely ka tsy tokony hiahiahy izy ary tsy nisy hatahorana ny aminy. Saingy fantatro fa te hanao izay hahafaly an’ Andriamanitra fotsiny izy ary te haneho fanajana ny fametraham-pitokisany. Nanolotra teny fampaherezana azy aho ary nitalaho ombam-bavaka tao am-poko ny mba hanatanjahan’ Andriamanitra ilay Rainy any An-danitra ny sainy amin’ny alalan’ny fanehoany ny fitiavany sy ny mariky ny fankasitrahany rehefa manao ny Asany izy.

Izany no vavaka ataoko ho antsika rehetra androany. Enga anie isika rehetra hahazo fankasitrahana eo anatrehany. Enga anie hitombo ny fanambadiana ary hiroborobo ny fianakaviana ary na anjarantsika na tsia ny hahazo ny fahafenoan’ireo fitahiana ireo eto an-tany dia enga anie ny fahasoavan’ny Tompo hitondra fifaliana amin’izao fotoana izao ary hitondra finoana an’ireo fampanantenana azo antoka fa ho avy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Kevin Rudd, “Faith in Politics,” The Monthly, ôkt. 2006; themonthly.com.au/monthly-essays-kevin-rudd-faith-politics--300.

  2. Dietrich Bonhoeffer, Letters and Papers from Prison, navoakan’i Eberhard Bethge (1953), 42–43.

  3. Jereo mba hahitana ohatra ny Salamo 82:6; Asan’ny Apôstôly 17:29; Hebreo 12:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29, 33; Mosesy 6:51; Abrahama 3:22. Nanolotra ity fanazavana amin’ny antsipiriany ity ny Mpaminany Joseph Smith: “Ireo fitsipika voalohany mamaritra ny olona dia ny fisiany amim-pahaleovantena tanteraka miaraka amin’ Andriamanitra. Rehefa hitan’ Andriamanitra tenany fa teo anivon’ireo fanahy [na faharanitan-tsaina] sy ny voninahiny Izy, satria narani-tsaina bebe kokoa Izy, dia hitany fa ara-drariny raha manorina lalàna hahafahan’ireo ambiny manana fahafahana hivoatra toa Azy Izy. … Manana hery hanorina lalàna hampianarana ireo faharanitan-tsaina tsy dia matanjaka loatra Izy mba hahafahan’izy ireo hisandratra miaraka Aminy” (Teachings of the Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 210).

  4. Teachings: Joseph Smith, 210.

  5. Almà 24:14.

  6. Almà 42:8.

  7. Almà 12:25; jereo koa ny andininy 26–33.

  8. Abrahama 3:24–26.

  9. Nanolotra ity teny famintinana ity ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny drafitr’ Andriamanitra talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao dia ny mba handraisantsika tabernakely [vatana], ny tokony handresentsika noho izany amin’ny alalan’ny fahatokiana sy hahazoantsika ny fitsanganana amin’ny maty, ary dia hahazo voninahitra, laza sy hery ary fanapahana amin’ny alalan’izany fomba izany.” Nilaza koa ny mpaminany hoe: “Tonga teto an-tany isika mba hanana vatana sy hanolotra izany amin’ny endriny madio eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fitsipika lehiben’ny fahasambarana dia mifototra amin’ny fananana vatana. Tsy manana vatana ny devoly ary izay no fanasaziana azy. Faly izy rehefa azony ny tabernakelin’ny olona, rehefa noroahin’ny Mpamonjy izy dia nangataka ny hankany anatin’ireo andiana kisoa, izay nampiseho fa aleony vatan’ny kisoa toy izay tsy manana mihitsy. Ny olona rehetra izay manana vatana dia manana hery amin’ireo tsy manana” (Teachings: Joseph Smith, 211).

  10. Joba 38:7.

  11. Jaona 1:3; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23–24.

  12. Jereo ny 1 Korintiana 15:21–22; 2 Nefia 2:25.

  13. Jereo ny 2 Nefia 2:15–18; Almà 12:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39; Mosesy 4:3. Hoy i Joseph Smith hoe: “Nomena ny fahafahany misafidy ny olona rehetra satria izay no fanapahan-kevitr’ Andriamanitra. Izy no nanamboatra ny fahafaha-misafidy ara-pitondrantenan’ny olombelona, ka nomeny hery hisafidianana ny tsara na ny ratsy izy ireo; hikatsaka izay tsara amin’ny alalan’ny fandehanana hatrany eo amin’ilay lalan’ny fahamasinana eto amin’ity fiainana ity izay mitondra fiadanan-tsaina sy fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina ety ary fahafenoan’ny fifaliana sy fahasambarana eo an-tanan-kavananany aorian’izao fiainana izao; na hanaraka ny lalan’ny ratsy hanohy hanota sy hikomy amin’ Andriamanitra, izay hitondra fanamelohana ho an’ny fanahiny eto amin’ity izao tontolo izao ity ary fahaverezana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.” Nanamarika koa ny Mpaminany hoe: “Tsy afaka ny haka fanahy antsika amin’ny alalan’ireo fanangoleny i Satana raha tsy hoe manaiky sy milefitra ny fontsika. Tena miavaka ny fomba nandrafetana antsika ka afaka manohitra ny devoly izany. Raha tsy narafitra toy izany isika dia tsy ho afaka ny hisafidy malalaka” (Teachings: Joseph Smith, 213).

  14. Jereo ny Genesisy 3:22–24; Almà 42:2–6; Mosesy 4:28–31.

  15. Na ireo izay tsy mibebaka aza dia avotana amin’ny fahafatesana ara-panahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana satria mbola hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo amin’ny Fitsarana Farany (jereo ny Helamàna 14:17; 3 Nefia 27:14–15).

  16. Teachings: Joseph Smith, 210.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36–40.

  18. Mosesy 6:58–59.

  19. Mety ahitana fifampahatokiana ao anatin’ny fiarahan’olon-droa mbola tsy nivady ary mety hoe teraka sy voataiza amin’ny fomba tsara kokoa ihany matetika ny ankizy noho ny ao anatin’ny tontolon’ny fianakaviana iray ahitana ray aman-dreny nivady. Saingy raha araka ny salan-javatra hita sy ny ankamaroany dia lehibe sy maharesy lahatra ny porofin’ny tombontsoa ara-piarahamonina azo avy amin’ny fanambadiana sy ny vokatra tsara izay ambony ihany eo amin’ireo ankizy ao anatin’ny fianakaviana tarihin’ny lehilahy sy vehivavy mivady. Ary etsy ankilany dia misy voka-dratsy eo amin’ny fiarahamonina ny vokany ara-piarahamonina sy ara-toekaren’ilay antsoin’ny mpamelabelatra iray hoe “Ny fandosirana faobe avy ao amin’ny fianakaviana.” Ampidirin’i Nicholas Eberstadt ao anatin’ny sokajy iray ny fitontonganan’ny fanambadiana sy ny fitaizana zanaka ary ilay fironana any amin’ny tokantrano tsy misy ray sy ny fisaraham-panambadiana ary nambarany hoe: “Efa tena miharihary ny voka-dratsy miantraika amin’ireo zanaka maro dia maro niharan’ilay fandosirana avy ao amin’ny fianakaviana. Dia torak’izany koa ny fiantraikany ratsy entin’ny fisaraham-panambadiana sy ny fitondrana vohoka ivelan’ny fanambadiana izay mampihombo ny tsy fitovian’ny vola miditra sy ny fananan-karena—ho an’ny fiarahamonina iray manontolo fa indrindra koa ho an’ny zanaka. Marina fa mahazaka ny ankizy sy ny sisa. Kanefa ny fandosirana avy ao amin’ny fianakaviana dia tena azo antoka fa manimba ireo mbola kely izay marefo. Izany fandosirana izany koa dia misy fiantraikany lehibe amin’ireo lehibe izay marefo.” (Jereo ny “The Global Flight from the Family,” Wall Street Journal, 21 feb. , 2015; wsj.com/articles/nicholas-eberstadt-the-global-flight-from-the-family-1424476179.)

  20. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv. 2010, 129.

  21. Jereo ny Genesisy 1:26–28; 2:7, 18, 21–24; 3:20; Mosesy 2:26–28; 3:7–8, 18, 20–24; 4:26.