2015
Ny Toetra Maha-Andriamanitra nananan’i Jesoa Kristy: ny Hatsaran-toetra
Jona 2015


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jona 2015

Ny Toetra amin’ny Maha-Andriamanitra nananan’i Jesoa Kristy: ny Hatsaran-toetra

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany hampitombo ny finoanao Azy sy hitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra” (F&F 121:45).

Inona no atao hoe hatsaran-toetra? Ny Filoha James E. Faust (1920–2007) dia nilaza hoe: “Ny hatsaran-toetra amin’ny heviny feno dia mirakotra ny lafin’ny fahamarinana rehetra izay manampy antsika handrafitra ny toetrantsika.”1 Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nilaza ihany koa hoe: “Ny fitiavana an’Andriamanitra no fakan’ny hasina rehetra, ny hatsaran-toetra rehetra, sy ny herin’ny toetra ananana rehetra.”2

Ny Loholona D. Todd Christofferson avy amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza toy izao, momba ny fifandraisan’ny vehivavy amin’ny hatsaran-toetra: “Ny vehivavy dia manana hatsaran-toetra sasantsasany hatrany am-bohoka izay fanomezana avy amin’Andriamanitra ka mahatonga azy ireo ho havanana amin’ny fitaomana ny hafa hanana toetra tsara toy ny finoana, ny herimpo, ny fanehoam-pitiavana ary ny fampivoarana ny fifandraisana sy ny kolontsaina. …

“Ranabavy isany, amin’ireo fifandraisana rehetra anananareo amin’ny hafa, dia ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra, ilay Rainareo any An-danitra, no loharanon’ny herim-panahy hanao ny tsara anananareo, ka tsy maintsy ataonareo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanareo. Tsarovy fa ny herin’i Jesoa dia avy tamin’ny fanoloran-tenany hentitra hanao ny sitrapon’ny Ray. … Miezaha ny ho tonga mpanaradian’ny Ray sy ny Zanaka, ary dia tsy hihen-danja velively ny hery fitaomana hanao ny tsara anananareo.”3

Soratra Masina Fanampiny

Salamo 24:3–5; Filipiana 4:8; 2 Petera 1:3–5; Almà 31:5; F&F 38:23–24

Avy ao amin’ ny Soratra Masina

Amin’izao fotoana izao, dia misy ireo vehivavy feno hatsaran-toetra sy manam-pinoana izay manatona ny Mpamonjy. Ao amin’ny Lioka 8 dia mamaky momba ny vehivavy anankiray isika izay narary nandritra ny 12 taona nefa tsy nisy nahasitrana azy. Nitady fanasitranana izy rehefa “nankao ivohon’i [Kristy], ka nanendry ny somotraviavin-dambany: ary niaraka tamin’izay dia [nijanona] ny aretiny. … Ary hoy Jesoa, Nisy olona nanendry Ahy: fa fantatro fa nisy hery4 nivoaka avy tamiko.” Niankohoka teo anatrehany io vehivavy feno hatsaram-panahy sy mahatoky io ka nanambara “teo anatrehan’ny vahoaka rehetra” izay “anton’ny nanendreny azy” sy “izay nahasitranany niaraka tamin’izay. Ary hoy izy taminy, Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara” (jereo ny Lioka 8:43–48; jereo ihany koa ny 6:17–19).

Amin’ny alalan’ny heriny,5 dia afaka manasitrana, manampy, mampahery, mampionona ary mampifaly antsika i Kristy rehefa misafidy ny hanatona Azy amin’ny herimpo sy finoana isika.

Fanamarihana

  1. James E. Faust, “Ny Hatsaran-toetran’ny Zanakavavy Miaina am-pahamarinana an’Andriamanitra,” Liahona, mey 2003, 108.

  2. Gordon B. Hinckley, “Excerpts from Recent Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, apr. 1996, 73.

  3. D. Todd Christofferson, “Ny Herim-panahy Hanao ny Tsara Ananan’ny Vehivavy,” Liahona, nôv. 2013, 29, 31.

  4. Mifono hery ny hatsaram-panahy (jereo ny Marka 5:30).

  5. Ny “Fisoronana” dia nofaritana toy izao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Ny fahefana sy hery izay omen’Andriamanitra ny olona hiasana amin’ny zavatra rehetra ho an’ny famonjena ny olona” (F&F 50:26–27).

Eritrereto Ity

Ahoana no ahafahan’ny hatsaran-toetra mampahery sy mampahatanjaka antsika?

Hamoaka printy