2015
Afaka Hiaraka Mandrakizay ny Fianakaviana
Jona 2015


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jona 2015

Afaka Hiaraka Mandrakizay ny Fianakaviana

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra ny herin’ny fisoronana izay mamatotra ny fianakaviana ho mandrakizay. Maniry mafy io fitahiana maharitra mandrakizay io ny olona rehetra izay mahatakatra ny drafitry ny famonjena. Amin’ny alalan’ny fombafomba atao amin’ny famehezana izay tanterahina any amin’ny tempoly voatokana an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hanomezan’Andriamanitra ny fampanantenana fa ny fianakaviana dia afaka ny ho voafehy miaraka mandrakizay.

Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay ahafahana manatanteraka izany dia naverina tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany tamin’ny alalan’ny mpaminany Elia izay nanome izany an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo dia nampitaina tamin’ny fitohizam-pahefana tsy tapaka amin’ny alalan’ireo mpaminany velona ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany hatramin’izao fotoana izao.

Niresaka momba ilay hery hamehezana ny fianakaviana tamin’i Petera, ilay lehiben’ny Apôstôly ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto ambonin’ny tany, rehefa niteny Izy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa; na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra: ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra” (Matio 18:18).

Ao amin’ny fanjakana selestialy ihany no hahafahantsika miaina ho fianakaviana mandrakizay. Any no hahafahantsika miaina ho fianakaviana eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy. Toy izao no namariparitan’ny Mpaminany Joseph Smith izany traikefa mahafinaritra izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

“Rehefa hiseho ny Mpamonjy dia ho hitantsika araka ny maha-Izy Azy tokoa Izy. Ho hitantsika fa olona tahaka antsika Izy.

“Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ ny voninahitra mandrakizay, dia voninahitra izay tsy ananantsika ankehitriny” (F&F 130:1–2).

Io soratra masina io dia manipy teny fa afaka manao tanjona ny hanaraka ireo fenitry ny lanitra eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny samy mpianakavy amim-pahatokiana isika. Manana fahafahana hikarakara tsara ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika isika, na velona izy ireo na maty, ka hanao izay rehetra azontsika atao mba hanolorana azy ireo ny ôrdônansin’ny fisoronana izay hamatotra antsika any an-danitra.

Maro aminareo, na ny tanora na ny zokiolona, no efa manao izany. Efa nikaroka ny anaran’ireo razambe izay tsy mbola nandray ny ôrdônansy izay afaka mamehy azy ireo aminareo ianareo.

Ny ankamaroanareo dia manana havana mbola velona izay tsy mbola nofehezin’ny herin’ny fisoronana ho fianakaviana. Betsaka no manana havana mbola velona izay efa nandray ny ôrdônansin’ny fisoronana fa tsy mitandrina ny fanekempihavanana izay nataony tamin’Andriamanitra. Hitahy anao Andriamanitra ka afaka hanampy ireo havana rehetra ireo amim-pinoana. Mampanantena ny mpianany izay miasa mba hitondra ny hafa eo Aminy ny Mpamonjy:

“Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

Avy eo amin’ny varavarankelin’ny biraoko aho dia mahita isan’andro, mpivady maka sary eo akaikin’ny voninkazo tsara tarehy sy eo akaikin’ny fifantsitsitran-drano ravaky ny zaridaina. Matetika ny lehilahy mitrotro ny vadiny eo amin’ny sandriny, ary zara raha mahavita dingana vitsivitsy mampivembena, raha toa maka ny sarin’ny mpanambady kosa ny mpakasary. Isaky ny mahita izany aho, dia mahatsiaro ireo mpivady fantatro izay voatery nifampitrotro teo amin’ny fifanohanana tamin’ny fomba hafa rehefa nihasarotra ny fiainana—indraindray aza fotoana vetivety fotsiny aorian’ny fanambadian’izy ireo. Mety ho very ny asa. Mety ho teraka amin’ny fomba feno fitsapana lehibe ny zanaka. Mety ho avy ny aretina. Avy eo, ny fahazarana manao amin’ny olona tahaka izay tiantsika hataon’ny olona amintsika—nandritra ny fotoana izay nahamora izany—no hahatonga antsika hahita ny tenantsika ho maherifo manoloana ny fotoan-tsarotra rehefa mitaky hery lehibe kokoa avy amintsika noho ny noheverintsika izany.

Ny karazana fifandraisana eo amin’ny samy mpianakavy izay azontsika entina eo anatrehan’Andriamanitra no tokony hamporisihantsika mba hananan’ny fianakaviantsika. Tokony miezaka ny tsy hanafintohina isika na misafidy ny tsy ho tohina. Azontsika atao ny manapa-kevitra ny hamela haingana sy ny hamela tanteraka. Azontsika atao ny miezaka ny hahatonga ny hafa ho sambatra mihoatra noho ny fikatsahantsika ny fahasambarantsika manokana. Afaka ny ho tsara fanahy isika eo amin’ny fomba fitenintsika. Rehefa miezaka ny hanao izany zavatra rehetra izany isika, dia hanasa ny Fanahy Masina ao amin’ny fianakaviantsika sy ao amin’ny fiainantsika.

Manome toky anareo aho fa afaka mandray sombin’ny fahatakarana ilay karazana fiainana izay iriantsika hananana mandrakizay isika eto amin’ity fiainana ity miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo sy ny fo mibebaka tokoa. Tian’ ny Ray any An-danitra isika. Iriany ny hiverenantsika indray any Aminy. Ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany, no mahatonga ilay fiovana izay ilaintsika ao am-pontsika mba hahafahana miditra ao amin’ny tempoly masina, sy manao ireo fanekempihavanana izay azontsika tandremana avy eo, ary, rehefa tonga ny fotoana mahamety azy dia hiaina ho fianakaviana mandrakizay ao amin’ny voninahitra selestialy—eo anatrehan’ny Ray any An-danitra indray.

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Rehefa miresaka momba ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay ianao, dia saintsaino ny zavatra izay nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Katsaho lalandava ny hampatanjaka ireo fianakaviana. Mampianàra miaraka amin’ny fomba fijery hoe zava-dehibe ny hamehezana ny fianakaviana any amin’ny tempoly. … Rehefa manana ny fomba fijery amin’izany ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly izany ianareo dia hanampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany” (“Fianarana no Nomeko Anareo,” Liahona, mey 2014, 34). Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona izay hampianarinao mba hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny famehezana any amin’ny tempoly? Asao ireo izay tsy mbola natao famehezana tany amin’ny tempoly mba hiresaka momba ny dingana izay azony raisina mba handrosoany bebe kokoa mankany amin’izany ôrdônansy izany. Asao ireo izay efa natao famehezana tany amin’ny tempoly mba hiresaka momba ny fomba ahafahany mibanjina hatrany izany fianakaviany mandrakizay izany sy ny fiezahany mba hanatsara bebe kokoa ny fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fianakaviana.

Hamoaka printy