2015
Voafatotra mandrakizay amin’ny fianakaviako
Jona 2015


Zatovo

Voafatotra mandrakizay amin’ny fianakaviako

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Fony aho natsangan’ny ray aman-dreniko tamin’ny fahatelo taonako, dia tsy navelan’ny reniko niteraka ahy ho tontosa ilay fananganana raha tsy nanaiky ireo ray aman-dreniko hoe aorian’ny faha-12 taonako no handraisako ireo ôrdônansin’ny Fiangonana. Nino izy fa tokony niandry ho lehibe tsara aho vao afaka misafidy ho an’ny tenako, kanefa tena sarotra ny niandry.

Eny, sarotra ny nahita ny ankamaroan’ny namako natao batisa tamin’ny fahavalo taonany, kanefa mbola sarotra kokoa ny nahafantatra fa tsy afaka natao famehezana tamin’ireo ray aman-dreny izay nanangana ahy sy tamin’ireo mpiray tampo miisa dimy talohan’ny faha-12 taonako aho. Natahotra aho hoe hisy zavatra hitranga amiko ka tsy afaka hofehezina amin’izy ireo aho.

Rehefa nanakaiky ny faharoa ambin’ny folo taonako, dia nanomboka nanao drafitra ho fanomanana ny batisako sy ny famehezana amin’ny fianakaviako izahay. Navelan’ny ray aman-dreniko hisafidy ny tempoly izay tiako hanatanterahana ny famehezana anay aho. Nihevitra foana aho hatramin’izay fa ny tempolin’i San Diego no tempoly tena kanto indrindra, koa nanaiky hankany Californie mba hanao ilay famehezana ny fianakaviako iray manontolo.

Tsy handriko tokoa izay hahatonga ny ray aman-dreniko sy ny mpiray tampo amiko ho fianakaviana mandrakizay miaraka amiko. Nandritra ny famehezana dia nahery vaika ny fahatsapako ny Fanahy ka sarotra ny mahita ny teny mahalaza azy. Rehefa tanteraka ny famehezana tamin’ny fianakaviako, dia nisolo fampiononana sy fiadanam-po ny fitaintainana, rehefa fantatro fa mifamatotra mandrakizay amin’izy ireo aho amin’izao fotoana izao.