2016
Ireo asa izay mitondra amin’ny fahasambarana
Janoary 2016


Ho an’ny Zatovo

Ireo asa izay mitondra amin’ny fahasambarana

Mampianatra ny Filoha Eyring fa “miankina amin’ny safidin’izy ireo ny fahasambarana iriantsika ho an’ireo olon-tiantsika.”

Afaka mamaky momba ny vokatra izay afaka entin’ireny safidy ireny ianao avy ao amin’ireo ohatra nasehon’i Nefia sy Lamana ary Lemoela. Nimonomonona sy tsy te hitandrina ireo didy i Lamana sy i Lemoela (jereo ny 1 Nefia 2:12). Vokatr’izany dia voahozona sy voaroaka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo sy ny taranany (jereo ny 2 Nefia 5:20–24). Nisafidy ny hankatò ireo didy i Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:7), ary “niana tao amin’ny toetry ny fahasambarana” izy sy ny vahoakany noho izany (2 Nefia 5:27).

Afaka misafidy ny ho marina sy sambatra ianao. Saingy mbola hanao safidy ratsy izay mitondra amin’ny fahantrana sy ny henatra ihany ireo olona manodidina anao. Na dia fanapahan-kevitr’izy ireo aza izany dia afaka hitaona azy ireo hanao safidy tsara ny ohatra asehonao. Ahoana no ahafahan’ny safidinao mitondra fahasambarana ho an’ny hafa? Resaho amin’ny fianakavianao ireo fomba samy hafa afaka mitaona amin’ny tsara ireo izay manodidina anao ka hanampy azy ireo hahatsapa fahasambarana.

Hamoaka printy