2016
Fahasambarana ho an’ireo olon-tiantsika
Janoary 2016


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2016

Fahasambarana ho an’ireo olon-tiantsika

Tiantsika rehetra hanana fahasambarana ireo olon-tiantsika, ary tsy tiantsika hijaly mihitsy izy ireo raha azo atao. Rehefa mamaky ireo tantara momba ny fahasambarana—sy momba ny fanaintainana—ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia miontam-po rehefa mieritreritra ireo olon-tiantsika. Inty misy tantara tena marina momba ny fotoana feno fahasambarana iray:

“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana teo amin’ ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka.

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, na tabataba, na fijangajangana, na fandaingana, na vonoan’olona, na izay mety ho fomban’ny fahalotoam-pitondrantena; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.

Dia mamaky isika avy eo hoe:

“Ary notahiana erỳ izy! Fa ny Tompo dia nitahy azy tamin’ izay nataony rehetra; eny, dia notahiana sy nambinina izy mandra-pahalasan’ny folo amby zato taona; ary efa lasana ny taranaka voalohany hatramin’i Kristy, ary tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany manontolo” (4 Nefia 1:15–16, 18).

Mangataka sy miasa mafy mba hahazoana ny fitahiana tahaka izany ho an’ny hafa sy ho an’ny tenany ireo mpianatr’i Kristy izay feno fitiavana. Fantatsika avy amin’ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy avy amin’ireo zavatra niainantsika manokana ho an’ny ankamaroantsika fa ny fanomezam-pahasoavan’ny fahasambarana dia azo tratrarina. Fantatsika fa voasoritra mazava ny lalana mankany amin’ny fahasambarana. Fantatsika ihany koa fa tsy mora ny mihazona ny fahasambarana raha tsy hoe mitoetra ao am-pontsika “ny fitiavan’ Andriamanitra” tahaka ny tamin’ireo Nefita taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy.

Tao am-pon’ny Nefita izany fitiavana izany satria nitandrina ny lalàna izay nahatonga izany ho tanteraka izy ireo. Hita ao anatin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo ny famintinana izany lalàna izany, izay manomboka amin’ny fitalahoana avy amin’ny fo amin’ny Raintsika any An-danitra izay be fitiavana. Mivavaka amin’ny fo feno finoana sy amin’ny fitiavana lalina ho an’ny Mpamonjintsika manokana isika. Manolo-tena amin’ny tena finiavana marina isika ny hitondra ny anarany eo amintsika sy hahatsiaro Azy ary hitandrina ny didiny rehetra. Farany, mampiasa finoana isika fa hiaraka amintsika mandrakariva ka hijoro ho vavolombelona ao am-pontsika momba ny Ray sy ny Zanaka Malalany ny Fanahy Masina, ilay mpikambana fahatelo ao amin’ny Andriamanitra. (Jereo ny F&F 20:77, 79.)

Afaka miova ny fontsika rehefa misy ny finamanan’ny Fanahy Masina ka haniry sy hanaiky ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny an’ny Tompo Jesoa Kristy isika. Tsotra ny fomba hahazoana ny fitiavan’ Andriamanitra ho ao am-pontsika, tahaka ny hoe tsotra ny fomba hanariana ilay fahatsapana izany fitiavana izany ao am-pontsika. Ohatra, mety hisafidy ny tsy hivavaka firy amin’ny Ray any An-danitra na tsy handoa ny fahafolonkarena feno na hitsahatra amin’ny fivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra na tsy hiraharaha ny mahantra sy ny sahirana ny olona iray.

Ny safidy tsy hitandrina ny didin’ny Tompo dia afaka mitarika ny Fanahy hiala avy ao am-pontsika. Mihena ny fahasambarana rehefa very izany.

Miankina amin’ny safidin’izy ireo ny fahasambarana iriantsika ho an’ireo olon-tiantsika. Na tia ny zaza iray, ny naman’ny Fiangonana iray, na ireo namantsika tahaka ny inona aza isika dia tsy afaka manery azy ireo hitandrina ireo didy mba hahatonga azy ho mendrika ny hokasihan’ny Fanahy Masina ka hanova ny fon’izy ireo.

Koa ny fanampiana tsara indrindra azontsika omena dia na inona na inona zavatra izay hitarika ireo olon-tiantsika mba hitandrina amin’ny safidiny manokana. Nanao izany i Almà tamin’ny alalan’ny fanasana iray izay azonao atolotra:

“Fa ny mba hanetrenareo tena kosa eo anoloan’ny Tompo sy ny hiantsoanareo ny anarany masina ary ny hiambenanareo sy ny hivavahanareo lalandava mba tsy hahazoana maka fanahy anareo mihoatra noho izay azonareo zakaina, ary dia hotarihin’ny Fanahy Masina toy izany ka lasa manetry tena, malemy fanahy, manoa, manam-paharetana, feno fitiavana sy ny fahari-po rehetra;

“Manana finoana ny Tompo; manana fanantenana fa ho azonareo ny fiainana mandrakizay; manana ny fitiavana an’ Andriamanitra mandrakariva ao am-ponareo mba ho azo hasandratra ianareo amin’ny andro farany ary hiditra ao amin’ny fitsaharany” (Almà 13:28–29).

Mivavaka aho mba hanaiky fanasana iray nentanim-panahy mba hisafidy ilay lalana mankany amin’ny fahasambarana maharitra ireo olon-tianareo.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Mampianatra ny Filoha Eyring fa miankina amin’ireo fanapahan-kevitra ataontsika ny fahasambarana tsapantsika eo amin’ny fiainana. Rehefa mifanakalo-hevitra mikasika ity hafatra ianareo dia mifantoha amin’ireo zavatra izay nolazain’ny Filoha Eyring fa azontsika safidiana ho atao (toy ny fivavahana, fampiasana ny finoana, ary fanolorantena amin’ny tena finiavana) mba hitondra antsika ho amin’izany lalana mankany amin’ny fahasambarana izany. Azonareo atao ny manasa ireo izay ampianarinareo mba hanoratra asa roa na telo tian’izy ireo atao ka afaka hitondra azy ireo bebe kokoa ho amin’ny “lalana mankany amin’ny fahasambarana maharitra.”

Hamoaka printy