2016
Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao
Janoary 2016


Hafatra ho an’ ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2016

Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hitahy ireo izany miahy amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny fotopampianarana momba ny fianakaviana? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Raha niresaka momba ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1995, ka namaky voalohany ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008), dia niteny i Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany hoe: “Feno fankasitrahana isika ary nanome lanja ny fahazavan’io taratasy azo tamin’ny alalan’ny fanambarana io, sy ny fahatsorany, ary ny fahamarinany. … Ny fanambarana mikasika ny fianakaviana no lasa fenitra handrefesantsika ireo fotokevitr’izao tontolo izao, ary mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fitsipika aroso … dia mbola marina amin’izao fotoana izao, tahaka ny naha-marina izany tamin’ny fotoana nanomezan’ny mpaminanin’ Andriamanitra izany antsika efa ho 20 taona lasa izay.”1

Nampian’i Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe “mianatra isika avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana fa ‘tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay’2 …

“… Ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra isika tsirairay ary ilaina ao isika.”3

Miaina ao anatin’ny fotoana izay tsy maintsy hiarovan’ny ray aman-dreny ny tokantranony sy ny fianakaviany isika. Afaka mitarika antsika ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”

Soratra Masina Fanampiny

Môsià 8:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38

Tantara marina

“Nilaza i Lee Mei Chen Ho avy ao amin’ny Paroasy Fahateon’i Tao Yuan, Tsatòkan’i Tao Yuan Taiwan fa nampianatra azy ilay fanambarana fa ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana dia manampy amin’ny fikolokoloana ireo toetra avy amin’ Andriamanitra tahaka ny finoana sy ny faharetana ary ny fitiavana. ‘Rehefa miezaka mampivoatra ny tenako araka ilay fanambarana aho dia afaka miaina tena fahasambarana’ hoy izy”4

I Barbara Thompson, izay nanatrika tamin’ny fotoana namakiana voalohany ilay fanambarana sy efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany taty aoriana dia niteny hoe: “Nieritreritra tao anatin’ny fotoana fohy aho hoe tsy dia mahakasika ahy loatra [ny fanambarana ho an’ny fianakaviana] satria aho sady tsy manambady no tsy manan-janaka. Kanefa dia nieritreritra haingana aho hoe: ‘Tena mahakasika ahy izany. Izaho dia mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray. Zanakavavy aho, rahavavy, nenitoa, zanaky ny mpiray tampo, ary zafikelivavy. … Na izaho irery aza no olona hany sisa velona ao amin’ny fianakaviako dia mbola mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra aho’”5

Fanamarihana

  1. Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 14–15.

  2. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv 2010, 129.

  3. Carole M. Stephens, “Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana” Liahona, mey 2015, 11.

  4. Nicole Seymour, “‘The Family: A Proclamation to the World’ reaches 10-Year Milestone, Liahona, nôv. 2005, 127.

  5. Barbara Thompson, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 148.

Eritrereto Ity

Ahoana no fitaovam-panovozan-kevitra ho an’izao androntsika izao ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”?

Hamoaka printy