Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Nandeha tany amin’ny tany nampanantenaina Nalaina tao amin’ny Etera 2–3; 6 Open PDF Open PDF Open PDF Nipetraka tao amin’ny lohasaha iray niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny namany i Jareda sy ny rahalahiny. Namangy ny rahalahin’i Jareda i Jesoa Kristy. Niteny azy Izy mba hanamboatra sambo hitondrana ny vahoakany hiampita ny ranomasina nankany amin’ny tany nampanantenaina. Nanamboatra sambo tsy nisy varavarankely ireo vahoaka. Nanahy ny amin’ny fomba hiainan’izy ireo sy hahitany ny rahalahin’i Jareda. Nilaza i Jesoa fa tokony hanisy lavaka amin’ilay sambo izy ireo mba hahazoana rivotra. Ary ahoana kosa ny amin’ny hazavana? Nanamboatra vato mazava miisa 16 ny rahalahin’i Jareda. Nangataka an’i Jesoa hikasika ireo vato tamin’ny fanondrony izy mba hampamiratra azy ireo. Nahita an’i Jesoa nikasika ny vato tsirairay tamin’ny ratsantanany ny rahalahin’i Jareda. Namirapiratra ery ireo vato. Koa satria nanana finoana lehibe tokoa ny rahalahin’i Jareda dia nahita an’i Jesoa Kristy izy! Nandefa rivotra be Andriamanitra mba hitsoka ireo sambo hiampita ilay ranomasina. Rehefa tonga tany amin’ilay tany nampanantenaina ny Jaredita dia nivavaka izy ireo mba hisaotra an’ Andriamanitra noho ny niarovany azy ireo. Afaka ny ho tahaka ny rahalahin’i Jareda isika rehefa matoky an’ Andriamanitra sy mino an’i Jesoa Kristy.