Hery haharetana
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Nila fanasitranana aho noho izaho tapa-tongotra sy toro fo. Nanampy ahy haharitra ny fanantenana.
Tokony ho iray volana talohan’ny faha-16 taonako dia nandeha fiara nanavatsava an’i Etazonia ny fianakaviako mba hitsidika toerana vitsivitsy mifandray amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Tsy nampaninona ahy ny nijanona tao anatin’ilay fiara nandritra ny fotoana maharitra toy izany satria niaina fotoana mahafinaritra foana ny fianakaviako. Tadidiko ny niakaranay tao anatin’ilay fiara ny ampitson’ny nitsidihanay an’i Winter Quarters any Nebraska. Avy be tokoa ny orana tamin’izay. Nankao amin’ny seza tao aoriana aho, naka bodofotsy, ary nanao izay hahazoako aina tsara mba hihaino ny orana teo am-pilatsahan’izany.
Ny zavatra tsaroako manaraka dia nahatsapa ho toy ny hoe nihodinkodina tsy hay nosakanana izany ny tenako. Taty aoriana aho dia nahafantatra fa nibolisatra ny fiaranay ka nidona teo amin’ny sakan-dalana vita simenitra tao ambany tetezana iray. Zara raha tadidiko fa nisy olona iray niteny tamiko hoe tapaka ny tongotro ary nentina mba hodidiana aho.
Fotoana fohy taorian’izay, raha teo an-dalam-pahasitranana aho tao amin’ny hôpitaly dia tonga tao amin’ny efitrano nisy ahy ny dadako. Nipetraka teo akaikiko teo amin’ny fandriako izy dia nanakatra ny tanako. Toa tsapako fa efa haiko ny zavatra holazainy.
“Malala a!” hoy izy, “fantatrao ve hoe aiza ianao?”
“Aty amin’ny hôpitaly,” hoy aho namaly.
“Fantatrao ve hoe inona no nitranga?”
“Tratran’ny lozam-piarakodia isika.”
“Efa nisy nilaza taminao izay nahazo ny olona sisa ao amin’ny fianakaviana ve?”
Niato kely aho dia niteny hoe tsia.
Nilaza izy fa tsy nisy naninona daholo ny rehetra—afa-tsy ny reniko ihany. Nodimandry izy.
Niandry aho hoe hahatsapa alahelo mandifotra teo no ho eo, saingy tsy nahatsapa izany aho. Tao anatin’ilay fahatairako tany am-boalohany, noho ny antony tsy fantatro marina, dia nahatsapa fiadanana aho, fahatsapana mamy fa afaka mahatoky an’ Andriamanitra aho ary handeha tsara ny zavatra rehetra.
Raha natory tao amin’ny hôpitaly aho dia tadidiko ny toerana iray manokana mifandray amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay nojerenay roa andro mialoha ilay loza: Martin’s Cove, tao Wyoming. Maro ireo mpamaky lay maty tao noho ny hanoanana sy ny hatsiaka avy amin’ny ranomandry ary ny toetrandro mangatsiaka. Tsaroako fa nahita antontam-bato napetraka teo amin’ireo fasana aho dia nieritreritra hoe toy ny ahoana ny halehiben’ny finoana nilain’ireo mpamaky lay sisa tavela mba handray ny saretiny dia nanohy ny dia. Nahatalanjona ahy izany tantara izany. Rehefa nieritreritra momba izany zavatra niainana izany aho dia fantatro fa niaritra ireo mpamaky lay ary tokony ho toy izany koa aho, anisan’izany ny mba ho loharano hanovozan’ireo zandry mpiray tampo amiko tanjaka.
Nijanona tato anatiko nandritra ny herinandro sy tapany ambonin’izay ilay fahatsapako fiadanana tany am-boalohany. Nipetraka teo amin’ny seza misy kodiarana aho, nijery afomanga avy teo amin’ny varavarankelin’ny hôpitaly tamin’ny fahefatry ny volana Jolay, ary tamin’izay no tonga saina tampoka sy tamin’ny fomba mahery vaika ny amin’ny zavatra iray—maty ny mamako. Tsy hanatrika ny lanonana noho ny fahavitako fianarana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy. Tsy ho eo izy rehefa handray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly aho. Tsy hanatrika ny fanambadiako izy. Lasa izy.
Teo no nanomboka nihamafy tokoa ny zavatra rehetra. Tsy zaka ny fanaintainan’ny tongotro, ary tsy nazoto homana aho. Nijery fahitalavitra aho kanefa tsy nahita izany akory, ary natory fotsiny no tena nataoko. Nanahy noho ny amiko ny fianakaviako satria tsy dia nitomany firy aho.
Nitomany bebe kokoa aho rehefa nandeha nody tany Oregon tany amin’ny trano foana iray izahay nony farany. Tsy maintsy nanao tampoka teo ny sasany tamin’ireo andraikitry ny reniko aho, ary matetika ireo mpiray tampo amiko no nitady ahy hampahery azy ireo. Niezaka ny hatanjaka ho azy ireo aho. Saingy tsy mora izany.
Mafy ny niverina tany an-tsekoly. Nahare momba ilay loza daholo ny olona rehetra, ary raha tsy mbola nahare izany izy ireo, dia lasa nahare izany rehefa nampahafantatra azy ireo ny mpampianatra fa izaho ilay zazavavy tratran’ny lozam-pifamoivoizana. Nahatsiaro ho irery aho.
Ny tena sarotra indrindra dia ny fotoana nanambadian’i raiko indray sivy volana taorian’ny nahafatesan’i neny. Fantatro fa ho reny tsara ho an’ny fianakaviako ny renikeliko ary nila azy izahay, saingy sarotra ny nizatra izany toe-javatra izany.
Tsy ny zavatra rehetra anefa no tsy nisy azo nantenaina intsony tamin’izay. Nahatsapa fitiavana be dia be avy tamin’ny Raiko any An-danitra sy ny fianakaviako ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana aho. Ny zavatra nanampy ahy mba ho sitrana sy hanohy hiaina ny fiainako taorian’ilay loza dia ny fanaovana ireo zavatra tsotra izay nampahatanjaka ny finoako. Isan’andro aho dia nandany adiny iray mialoha ny hatoriako namakiana soratra masina, nivavahana, ary nanoratana tao anatin’ny diariko tao anatin’ny efitra kely fampiriman-dambako. Rehefa nitokana tao amin’ny efitra kely fampiriman-dambako aho dia tsy nila nijoro ho loharano hahazoana tanjaka ho an’ireo mpiray tampo amiko. Afaka nitomany araka izay nilaiko aho ary namboraka izay tato am-poko tamin’ Andriamanitra. Nolazaiko azy mihitsy izay zavatra tsapako sy ny halehiben’ny alaheloko ny reniko. Fantatro fa nahare ahy Izy noho ireo famindram-po feno fitiavana maro be tsapako. Nanjary toerana masina ho ahy izany efitra kely fampiriman-dambako izany.
Ny fanaovana ireo zavatra tsotra ireo dia nanampy ahy hijanona hifandray tamin’ Andriamanitra fa tsy hanosika Azy kosa ka ho lasa feno fankahalana. Tsy noraisiko ho toy ny hoe te hanao ratsy ny fianakaviako Andriamanitra tamin’ilay loza. Nahatsapa hery bebe kokoa aho mba haharitra sy hanoa ny sitrapony ary handroso hatrany tao anatin’ireo andro sarotra niainako. Ary nisy andro tena sarotra tokoa.
Taorian’ny nanambadian’ny dadako indray dia naniry ny haneho ohatra tsara ho an’ireo mpiray tampo amiko aho, ary tena tsy naniry ny ho ratsy fanahy tamin’ny renikeliko mihitsy aho, koa dia nanohy nametraka ny fitokiako tamin’ Andriamanitra aho. Ny asa atao iray ao amin’ny boky Mon progrès personnel ampiasaiko dia mifantoka amin’ny fanaovana ny fiainako ao an-tokantrano ho tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fifandraisako amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mandritra ny roa herinandro. Amin’ny ankapobeny, ny tanjona dia ny hiezaka ny ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa sy haneho fitiavana amin’ny alalan’ny asa. Nanapa-kevitra ny hanandrana izany aho ka hanompo ny renikeliko.
Koa satria ny fianakavianay dia fitambaran’ny fianakavian’i dada sy ny an’ny renikeliko dia be dia be ireo lovia nosasana. Ka izay no nanombohako azy. Rehefa nanompo azy aho tao anatin’ireo roa herinandro manaraka dia tsapako fa afaka nitia ny renikeliko sy nanana faharetana na dia tsy voatery hoe faly tamin’ilay toe-javatra aza aho. Ny fifantohana tamin’ny fanompoana azy fotsiny dia nanampy ahy hiaina ireo fotoan-tsarotra satria nahatsapa ny Fanahy niaraka tamiko aho.
Tsy mbola takatro foana ny zavatra rehetra mikasika ny antony nitrangan’ilay loza tamin’ny fianakaviako, ary mbola misy foana ny fotoan-tsarotra. Saingy tahaka ireo mpamaky lay dia nametraka ny fitokiako tamin’ Andriamanitra aho ka nomena ny hery haharetana.