Tantaram-pianakaviana: Fiadanana, fiarovana, ary fampanantenana
Avy amin’ny lahateny mitondra ny lohateny hoe: “Gathering, Healing, and Sealing Families (Manangona, manasitrana, ary mamehy ny fianakaviana),” izay natao tao amin’ny Fihaonambe momba ny tantaram-pianakaviana tao amin’ny RootsTech any Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny 14 febroary 2015.
Rehefa mandray anjara amin’ny fanangonana firaketana momba ny fianakaviana sy ny fanasitranana ny fo ary ny famehezana ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny fianakavianao dia hotahiana mandrakizay ianao sy ny taranakao.
Ny tantaran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tantara momba ny fianakaviana. Rehefa miteny aho hoe fianakaviana, dia tsy ilay fomba fiheverantsika amin’ny fomba maoderina ny atao hoe Neny sy Dada ary zanaka no tiako holazaina.
Ampiasaiko amin’ny fomba ampiasan’ny Tompo azy ilay teny, izay teny mitovy hevitra amin’ny hoe havana na fianakaviana ao anaty taranaka maro mifandimby, satria manana fianakaviana daholo ny tsirairay. Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia mifantoka amin’io karazana fianakaviana io—izay ahitana zanaka mandray hery avy amin’ireo razambe tao anatin’ny taranaka taloha be tany ary ahitana ray aman-dreny mikatsaka ny hitahy ireo taranany ao anatin’ireo taranaka maro ho avy.
Raha raisina amin’izay heviny izay dia mitantara tantarana fianakaviana ihany koa ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mamaky ireo tantara ireo isika dia mahita fa tsy dia niova firy akory ny fianakaviana tao anatin’ireo taonjato maro. Na ireo izay niaina tamin’ny fotoana hafa sy tany amin’ny toerana hafa aza dia misy itovizana be amintsika—ary ny fanirian’ Andriamanitra mba hiainan’ireo zanany ao anaty fianakaviana sambatra sy mandrakizay dia tsy niova.
Nahoana ny Tompo no nitahiry ny rakitsoratra misy ireo tantara ireo? Inona no tiany hianarantsika avy amin’izy ireo? Mirakitra lesona afaka manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hanangona sy hanasitrana ary hamehy ny fianakaviantsika ve izy ireo?
Lesona avy amin’i Lehia
Mino aho fa ny fianakaviana voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna—ny fianakavian’i Lehia—dia manana lesona mafonja ho antsika izay mety tsy ho tsikaritsika. Ny fianakavian’i Lehia dia afaka mampianatra antsika zavatra maro momba ny firaketana momba ny fianakaviana—ny antony maha-manan-danja azy ireo amin’ny Tompo ary ny antony tokony hampanan-danja azy ireo amintsika.
Rehefa manomboka ilay tantara dia nitaiza ny zanak’izy ireo vavy sy ireo zanany lahy efatra ao Jerosalema Lehia sy i Sarià, izay nanana fiainana azo lazaina ho niadana tao amin’izany tanàna lehibe izany. Niova tanteraka ny fiainan’izy ireo rehefa nandidy an’i Lehia hitondra ny ankohonany tany an-tany foana ny Tompo.
Nankatò i Lehia ka nandao ny fananany izy sy ny fianakaviany. Rehefa avy nandeha elaela izy ireo dia hoy i Lehia tamin’i Nefia zanany lahy:
“Indro nahazo nofy aho, ka tamin’izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ny hiverenanao sy ny rahalahinao any Jerosalema.
“Fa indro, i Labàna no manana ny rakitsoratry ny Jiosy ary koa ny tetiaran’ny razambeko, ary voasokitra eo amin’ny takela-barahina izany” (1 Nefia 3:2–3; nampiana fanamafisana).
Noho io didy io dia voatahy noho ity fanambarana lehibe momba ny finoana sy ny fankatoavana avy amin’i Nefia ity ny fianakaviantsika: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” (1 Nefia 3:7).
Rakitsoratra ireo takela-barahina. Nirakitra ny soratra masina izy ireo, kanefa nirakitra ihany koa ny tantaran’ny fianakavian’i Lehia. Ny Tompo dia nahafantatra ny naha-zava-dehibe ny hitehirizana izany rakitsoratra izany ho an’ireo taranaka maro ho avy.
Mba efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny Tompo no tsy nandidy an’i Lehia, fa ireo zanany lahy, mba handeha hiverina haka ilay rakitsoratra? Izy no patriarikan’ilay fianakaviana. Nomen’ny Tompo azy ilay fahitana. Tsy tokony ho i Lehia ve no afaka nanentana bebe kokoa an’i Labàna toy izay ireo zanany?
Tsy fantatsika ny antony nandidian’ny Tompo an’ireo zanakalahin’i Lehia hiverina tany Jerosalema, kanefa fantatsika fa niady mafy izy ireo mba hanatanteraka ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’izy ireo. Sarotra ilay asa ary nisedra ny finoan’izy ireo izany. Nianatra lesona manan-danja izay hitondra tombontsoa ho azy ireo nandritra ny diany tany an-tany foana izy ireo. Ary angamba ny tena manan-danja indrindra dia ny hoe izy ireo dia nianatra fa rehefa manome didy ny Tompo dia tena manome lalana izy.
Mety manontany tena isika hoe inona no tian’ny Tompo ianaran’ireo zanakalahintsika sy zanakavavintsika rehefa “miverina” mba haka ny firaketana momba ny fianakaviantsika izy ireo? Ahoana no hanomezany lalana ho azy ireo? Moa ve misy traikefa tiany hananan’izy ireo? Moa ve isika manasa azy ireo hanana ireo traikefa ireo? Inona avy ireo fitahiana antenainy mba homena ireo zanakalahiny sy zanakavaviny amin’ny alalan’ny fanaovana asa any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?
Rehefa niverina tany amin’ny lain-drainy i Nefia sy ireo rahalahiny dia “nalain’ i Lehia … ny rakitsoratra izay vita sokitra tamin’ny takela-barahina ka nodinihiny hatrany am-boalohany izany.” Hitany tao “ny boky dimin’i Mosesy” sy “ny faminanian’ireo mpaminany masina” ary “ny tetiaran’ny razambeny; koa fantany fa tamingan’i Josefa izy … izay namidy tany Egypta.” Ary “nony nahita ireo zavatra rehetra ireo [i Lehia], dia heniky ny Fanahy izy” (1 Nefia 5:10, 11, 13, 14, 17).
Dia nampianatra ny fianakaviany ny zavatra nianarany avy amin’ireo takelaka i Lehia avy eo. Mety hilaza ianao hoe lasa ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana sy ny fianarana ny lainy—ary tokony ho toy izany koa ny tokantranontsika.
Mora ny mahatakatra ny antony nitiavan’ny Tompo hananan’ny fianakavian’i Lehia ireo rakitsoratra ireo. Ireo rakitsoratra ireo dia nanome fahafahana an’ireo taranany mba hahalala hoe iza izy ireo, ary nampifandray azy ireo tamin’ireo patriarika mahatoky tany aloha tany sy namboly tao am-pon’izy ireo “ny fampanantenana natao tamin’ny ray” (F&F 2:2; Joseph Smith—Tantara 1:39). Tena nanan-danja tokoa ho an’ny finoan’ireo taranaka ho avy ireo rakitsoratra ireo ka dia nampitandrina an’i Nefia ny Fanahy fa raha tsy misy ireo rakitsoratra ireo dia ny “firenena [iray manontolo] no hihemotra ka ho faty ao amin’ny tsy finoana” (1 Nefia 4:13).
Ny zavatra niainan’ny vahoaka iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia maneho fa tena marina tokoa fa rehefa very ny rakitsoratra dia very ny fahamarinana, ary mety ho zava-doza ny vokatr’izany ho an’ireo taranaka ho avy.
Niala tao Jerosalema tokotokony ho tamin’ny fotoana nialan’ny fianakavian’i Lehia tao ny Miolekita. Saingy “tsy nitondra rakitsoratra niaraka taminy” tahaka ny fianakavian’i Lehia izy ireo. Tamin’ny fotoana nahitan’i Môsià azy ireo tokony ho 400 taona taty aoriana dia “efa nihasimba ny fiteniny; … ary nolaviny ny fisian’ny Mpahary azy” (Omnia 1:17). Nanjary tsy vahoakan’ny fanekempihavanana intsony izy ireo.
Nampianarin’i Môsià an’ireo Miolekita ny fiteniny mba hahafahan’izy ireo mianatra avy amin’ireo rakitsoratra nananany. Vokatr’izany dia novana avy tamin’ny fiarahamonina nikorontana sy tsy mino an’ Andriamanitra ho lasa fiarahamonina nahatakatra ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra ho azy ireo—sy ny fianakaviany ireo Miolekita.
Miverena miaraka amin’ny fianakavianao
Ny fahafantarana hoe iza isika raha ny rohim-pihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika no jerena dia manova ny fomba fisainantsika sy ny fihetsitsika ary ny fomba hitondrantsika ny hafa. Lafiny manan-danja amin’ny maha-isika antsika sy ny fomba fijerintsika ireo firaketana. Ny fanaovana jery todika dia manomana antsika handroso.
Ry ray aman-dreny, efa nanasa ny fianakavianareo “hiverina” ve ianareo? Efa nisy fahatapahana ve ny firaketana momba ny fianakavianareo—na efa nisy fisarahana ve teo amin’ny olona tao amin’ny fianakavianareo—na tamin’ny fomba ahoana na ahoana? Efa nisy fahatapahana ve ny rohy mampifandray ny fianakavianareo amin’izao fotoana izao sy tany amin’ny lasa? Inona no nitranga teo amin’ny fianakavianareo ka nahatonga io fisarahana io? Moa ve izany fifindra-monina, fifandirana teo amin’ny fianakaviana, fiovam-po ho an’ny filazantsara, na ny fandehanan’ny fotoana fotsiny? Moa ve ianao tatoato nanao ezaka mba hitady ireo razambenao tao amin’ny FamilySearch.org?
Naely patrana tamin’ny fomba maro ny mpianakavin’i Isiraely, ka tafiditra tao anatin’izany ny fampielezana ny fianakaviantsika sy ireo rakitsoratra momba azy ireo. Ny andraikitsika dia ny manangona azy ireo raha ilaina mba hanasitranana ny ratra avy amin’ny fisarahana. Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hampitodika ny fon’ireo zanatsika amin’ireo rainy isika dia hitodika any amin’ireo zanatsika ihany koa ny fontsika1 ka hiara-hahita ny fiadanana sy ny fanasitranana aterak’io asa io isika (jereo ny F&F 98:16).
Tahaka ny nanirahan’i Lehia ireo zanany lahy hiverina tany Jerosalema haka ireo rakitsoratra masina no aoka hanirahantsika ihany koa ireo zanatsika hiverina hitady ireo firaketana momba ny fianakaviantsika. Tahaka ny nanomezan’ny Tompo lalana an’i Nefia no nanomezany antsika ny Internet sy ireo teknôlôjia hafa hanome fahafahana ireo zanatsika hanangona sy hanasitrana ny fianakaviantsika. Ary nanome tempoly Izy, izay toerana ahafahantsika mitondra ireo anarana hitantsika sy hanaovantsika izay hampaharitra ny fanangonana ataontsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famehezana.
Fifaliana tany an-tany foana
Tamin’izaho sy i Sharol vadiko nivady dia nanapa-kevitra izahay fa hiteraka efa-dahy. Nanana drafitra hafa ny Tompo. Nomeny efa-bavy izahay.
Niara-nandeha tany an-tany foana niaraka tamin’ireo zanakay vavy izahay. Ankehitriny izy ireo dia manambady aman-janaka ary mandeha any amin’ny tany foanany avy. Mora daholo ve ny zavatra rehetra teny an-dalana teny? Tsia, nisy fotoana nimonomononanay, ary maro be tokoa ireo fahasahiranana.
Mety ho sarotra ho an’ny fianakaviana ny tany foanan’ny fiainana. Rehefa manontany ny olona hoe: “Manahoana ianao sy ny fianakavianao?” Matetika aho no nilaza hoe: “Ao anatin’ny savorovoro izahay izao. Misaotra nanontany.”
Kanefa ao ihany koa ireo fotoana hahatsapana fifaliana marina eny an-dalana eny. Amin’ny maha-ray sy reny manana andraikitra lehibe anay dia mandany fotoana betsaka izahay hampatanjahana ireo zanakay amin’ny zava-tsarotra. Ireo mpaminany amin’izao androntsika izao dia nampanantena fa ny fanaovana tantaram-pianakaviana dia manome “fiarovana … eo anatrehan’ny fitarihan’ny fahavalo”2 sy fiovam-po “lalina sy maharitra” ho an’ny Mpamonjy.3 Fomba tena tsara hanangonana sy hanasitranana ary hamehezana ny fianakaviantsika izany.
Amin’ny maha-patriarika ahy ao amin’ny fianakavianay dia nangataka ireo zanako vavy aho “hiverina” hitady ireo firaketana, hitondra ireo anarana any amin’ny tempoly, ary hampianatra ireo zafikelinay. Nangataka azy ireo aho mba hamantatra hoe taranak’iza izy ireo amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ao amin’ny tantaram-pianakavianay.
Fampanantenana
Mampanantena aho fa rehefa manasa ny zanakareo ianareo “hiverina” mba hitady ny firaketana momba ny fianakavianareo, dia “[h]iravoravo fatratra” tahaka an’i Lehia sy i Sarià ianareo ka “[h]anolotra fisaorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.” Rehefa manadihady ireo firaketana momba ny fianakavianareo ianareo dia ho “heniky ny Fanahy” satria ho hitanareo “fa mahaliana; eny, sarobidy mihitsy [izy ireo].” Ary ho fantatrareo fa “fahendrena tao amin’ny Tompo ny nitondra[nareo] izany niaraka tami[nareo]” rehefa mandeha “[any] an-tany foana [ianareo] hankany amin’ny tany nampanantenaina” (1 Nefia 5:9, 17, 21–22).
Eo ny Fiangonana mba hanohana sy hampahery ny fianakavianareo ao anatin’izany dia izany. Mampanantena aho fa rehefa mandray anjara amin’ny fanangonana firaketana momba ny fianakaviana sy ny fanasitranana ny fo ary ny famehezana ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny fianakavianao dia hotahiana mandrakizay ianao sy ny taranakao—ny fianakavianao.