2016
Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra
October 2016


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano

Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Nahoana no hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahy ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Relief Society seal

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
family walking near the temple

Sary manoloana ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine

“Ao amin’ny tononkiran’ny [hiran’ny kilonga iray]: ‘Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana,’ … dia ampahatsiahivina fotopampianarana madio isika,” hoy i Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Tsy mianatra fotsiny isika fa avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana fa fantatsika koa fa ampahany amin’ny fianakavian’ Andriamanitra ny tsirairay amintsika. …

“… Ny drafitr’ Andriamanitra Ray ho an’ny zanany dia drafitra feno fitiavana. Izany dia drafitra mba hampiray hina ny zanany—ny fianakaviany—miaraka Aminy.”1

Ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Isika koa dia mino fa ny fianakaviana nentin-drazana matanjaka dia tsy vitan’ny hoe singa fototry ny fiarahamonina mafy orina, toekarena mafy orina ary kolontsain’ny soatoavina mafy orina fotsiny—fa singa fototry ny mandrakizay sy ny fanjakana ary ny governemantan’ Andriamanitra koa.

“Isika dia mino fa ny firafitry ny lanitra sy ny governemantany dia mifototra amin’ny fianakaviana sy ny havana.”2

“Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady, na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana,” hoy i Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny zatovovavy maneran-tany. “Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika!”3

Soratra masina fanampiny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1–3; 132:19

Fotopampianarana momba ny fianakaviana

Ny Rahavavy Julie B. Beck, izay efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo aloha, dia nampianatra fa ny teôlôjia mikasika ny fianakaviana dia mifototra amin’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy:

“Ny Fahariana ny tany dia nanome toerana izay ahafahan’ny fianakaviana miaina. Nahary lehilahy iray sy vehivavy iray Andriamanitra dia ireo izay silany roa ilaina ao anatin’ny fianakaviana. Efa tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra fa i Adama sy i Eva dia hofehezina ary ho lasa fianakaviana mandrakizay.

“… Ny Fahalavoana no nahafahan’izy ireo nanana zanakalahy sy zanakavavy.

“Ny Sorompanavotan[’i Kristy] no ahafahan’ny fianakaviana ho voafehy miaraka mandrakizay. Io no ahafahan’ny fianakaviana manana fivoarana sy fahatanterahana mandrakizay. Ny drafitry ny fahasambarana izay antsoina ihany koa hoe ny drafitry ny famonjena, dia drafitra iray noforonina ho an’ny fianakaviana. …

“… Izany no fotopampianaran’i Kristy. … Raha tsy misy fianakaviana dia tsy misy drafitra; tsy misy antony ny hisian’ny fiainana an-tany.”4

Fanamarihana

  1. Carole M.Stephens, “Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 11, 13.

  2. L. Tom Perry, “Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2015, 41.

  3. Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 15.

  4. Julie B. Beck, “Teaching the Doctrine of the Family,” Liahona, mar. 2011, 32, 34.

Hamoaka printy