HAFATRY NY MPITARIKA EO AN-TOERANA
Ny lalana mitondra amin’ny fifaliana eto amin’ity fiainana ity
“Tiako ny olona izay tompoiko, ary izaho dia manompo hatrany ny olona izay tiako!”
Isika rehetra dia manana soratra masina izay ampiasaintsika matetika kokoa noho ny hafa, izay indraindray dia antsoina hoe soratra masina ankafizina indrindra. Ho ahy dia iray amin’izany ilay hoe “Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra”1. Ny zavatra iray izay entin’io soratra masina io amiko dia ny famporisihana ahy mba haka sary an-tsaina manokana ny endriky ny hoavy izay iriako.
Araka izany dia manasa anareo aho haka sary an-tsaina miaraka amiko an’izao toerana manaraka izao:
Toerana iray izay ahitana mponina miara-manana “avokoa ny zavatra [t]eo anivony; koa tsy nisy na mpanefoefo na mahantra, na mpifatotra na olona afaka.”2
Toerana iray izay “[m]isy asa lehibe sy mahatalanjona nataon’ny mpianatr’ i Jesoa, . . . ary nataony teo anivon’ ny zanak’olombelona ny karazana fahagagana rehetra; ary tsy nisy na inona na inona nanaovany fahagagana raha tsy tamin’ ny anaran’i Jesoa.”3
Toerana iray izay ahitana mponina “[m]andeha araka ny didy izay efa noraisiny avy tamin’nyTompony sy Andriamaniny, . . .
“Ary . . . tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoaka rehetra, teo amin’ny tany rehetra.”4
Toerana iray izay “Tsy [m]isy mpandroba, na mpamono olona, na izay mety ho [fanavakavaham-bolokoditra na fokom-piaviana] . . . ; fa izy [ireo] kosa dia iray, zanak’i Kristy ary mpandovan’ ny fanjakan’ Andriamanitra”5.
Manantena aho fa mitovy ny zavatra tsapantsika fa izany no toerana izay tiantsika mba honenana. Na izany aza anefa, ny sasany aminareo dia mety hieritreritra hoe: “Mifohaza! Ny toerana toy izany dia tsy mbola nisy hatramin’izay ary tsy hisy mihitsy.” Ho marina ve izy ireo amin’izany? Enga anie ka ho tonga ao an-tsaina ny tanànan’i Enoka sy ny tany Soafeno—izay toerana nitsidihan’ny Tompo Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty an’ireo Nefita—rehefa mieritreritra momba io fanontaniana io.
Ahoana no hahafahantsika manorina toerana tahaka izany? Mila mandray anjara avokoa ve izao tontolo izao vao afaka hitranga izany sa afaka manana izany ao an-tokantranontsika manokana fotsiny ihany isika—mba hanombohana farafahakeliny? Rehefa misaintsaina momba ireo fanontaniana ireo ianao dia mba tsarovy ny zavatra izay nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson vao haingana: “Hisokatra ireo lanitra rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny fomba handrosoana hatrany isika. Tsy voatery hirenireny sy ho very hevitra isika.
“Raha manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny filazantsara na ny Fiangonana ianao, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka ianao dia ho voatarika ianao hahita sy hahatakatra ny tena fahamarinana mandrakizay izay hitarika anao eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana”6.
Ireo fanontaniana ireo dia mitarika amina fotopampianaran’ny filazantsara izay raha toa ka azo tsara dia hanova ny fiainantsika sy hanome antsika bebe kokoa ny fifaliana nampanantenaina ao amin’ireo soratra masina. Tafiditra ao amin’ireo didy roa lehiben’ny Tompo izany fotopampianarana resahiko izany: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
“Izany no didy lehibe sady voalohany.
“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany”7.
Raha ny marina dia miorina amin’ny fitiavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy iray manontolo!8
Toy ny mahazatra, ny fahatakarantsika dia miseho kokoa amin’ny alalan’ireo zavatra izay ataontsika noho ireo zavatra izay lazaintsika. Vokatr’izany, mba hahazoana ny toerana izay nalaintsika sary an-tsaina teo aloha—manomboka amin’ny tokantranontsika—isika dia mila mandray anjara mavitrika amin’ny “asa sy voninahitr[y ny Ray any An-danitra]—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakiza[intsika]” amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana ireo rahalahy sy anabavintsika9. Ho ahy manokana dia nahita aho fa ny fitiavana sy ny fanompoana dia mitovy ihany satria ny iray dia mitarika amin’ilay iray hafa. Raha tsorina dia tiako ny olona izay tompoiko, ary izaho dia manompo hatrany ny olona izay tiako!
Tena mahatalanjona fa ireo zavatra roa ireo dia mifamatotra amin’ny lamina kanto sy tsara hatrany ary mitondra fahafaham-po. Nampianatra ny Filoha Nelson fa “rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika hitsinjo izay mahasoa ny hafa amin’ny lamina iray izay kanto sy tsara . . .
“Ny fanampiana ny hafa, ny fanaovana ezaka amin-kitsim-po mba hikarakara ny hafa tahaka, na mihoatra ny hikarakarantsika ny momba ny tenantsika, no fifaliantsika. Dia tiako ampiana hoe indrindra fa rehefa tsy mety amintsika izany ary voatery hanao zavatra tsy fanaontsika isika. Ny fiainana izany didy lehibe faharoa izany no fanalahidy hahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy10.
Indreto misy fampianarana anankiroa hafa avy tamina mpaminany maoderina:
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Fomba fiteny tsy mba tontan’ny ela ny hoe ny fitiavana dia miteraka fitiavana. Aoka isika handrotsaka fitiavana hatrany—hampiseho ny hatsaram-panahintsika amin’ny olombelona rehetra”11.
Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter (1907–1995) hoe: “Tombontsoa lehibe no hirotsaka amin’ity izao tontolo izao ity raha toa ka maneho ny fitiavana madion’i Kristy, izay tsara fanahy sy malemy paika ary manetry tena ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra. Tsy misy fitsiriritana na avonavona izany. Tsy tia tena izany satria tsy miandry tambiny.Tsy miendrika faharatsiana na faniriana ratsy, na mifaly amin’ny faharatsiana izany, tsy manome toerana ny tsy fandeferana sy fankahalana ary herisetra izany. Tsy manaiky ny fanarabirabiana na zavatra ratsy na fanararaotana na fanilikilihana izany. Mandrisika olona isan-karazany mba hiara-hiaina ao anatina fitiavana araka ny maha-Kristianina tsy am-piheverana ny antokom-pinoana na foko na karazam-piaviana na toe-karena, na mari-pahaizana ananana na kolontsaina izany”12.
Faranako amin’izao fampianarana avy tamin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao: “Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika dia mazava ho azy fa miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Miresaka momba ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay miara-miaina sy miasa ary manompo amintsika ihany koa isika. Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika . . . [izay] asa farany manan-danja indrindra eo amin’izao tontolo izao!”13
Ny fitiavana sy fanompoana ny hafa dia tsy fanalahidy fotsiny amin’ny fampandrosoana hatrany ny asa famonjena sy fisandratana, fa iankinan’ny habetsahan’ny fifaliana izay iainantsika eto amin’izao fiainana izao na dia eo aza ireo fanamby sy fisedrana ihany koa izay lalovantsika. Mivavaka aho mba hitahy antsika amin’ny fahatakarana lalina kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny fotopampianarany feno fahamarinana ny Tompo.
Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019 ny Loholona S. Ephraim Msane. Manambady an’i Nomthandazo Salvatoris Mpanza izy ary manan-janaka roa izy ireo.