Ho an’ny ray aman-dreny
Ny anaran’ny Fiangonana sy ny fanorenana an’i Ziona
Ry ray aman-dreny malala,
Azonao ampiasaina ireto lahatsoratra manaraka ireto sy ireo sary ao anatiny mba hanokafana fifanakalozan-kevitra amin’ny fianakavianao sy hanampiana azy ireo hahatakatra lohahevitra manan-danja toy ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana sy ny fanorenana an’i Ziona.
Ny anarana marin’ny Fiangonana
Iaraho mamaky amin’ny maha-fianakaviana ny sasany amin’ireo tantara avy ao amin’ny lahatsoratry ny Filoha Eyring mitondra ny lohateny hoe: “Izany no hiantsoana ny Fiangonako,” manomboka ao amin’ny pejy 8. Hevero ny hamerina hijery ny lahatenin’ny Filoha Nelson momba io lohahevitra io nanditra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018. Tamin’ny fomba ahoana ho nitahiana anao sy ny fianakavianao rehefa niezaka ny hampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana, dia ny hoe Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany?
Manorina an’i Ziona
Anontanio ireo zanakao izay heverin’izy ireo ho dikan’ny hoe Ziona. Avy eo dia ampiasao ny lahatsoratry ny Loholona Gong mitondra ny lohateny hoe: “Hampandroso an’i Ziona” ao amin’ny pejy 12 mba hanampiana azy ireo hianatra misimisy kokoa ny amin’ny dikan’ny hoe Ziona taloha sy ankehitriny. Hevero ny hiresaka ireo fomba hahafahan’ny fianakavianareo hanampy hanangana an’i Ziona ao an-tokantranonareo sy eo amin’ny fiaraha-monina misy anareo.
Loharanom-pitaovana manampy amin’ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy
Jereo ao amin’ny pejy 26 ireo lahatsoratra mikasika lohahevitra samihafa ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy mba hanohanana ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho an’ity herinandro ity.