2021
Fantatr’i Jesoa Kristy ny fanaintainana tsapantsika noho ny fanavakavahana
Septambra/Ôktôbra 2021


Fantatr’i Jesoa Kristy ny fanaintainana tsapantsika noho ny fanavakavahana

Ny mpanoratra dia monina any Gauteng, Afrika Atsimo.

Ny tanjoko dia ny hahita ny olona tahaka ny hahitan’ny Mpamonjy azy ireo.

people gathered on the Rome Italy Temple grounds

Mijoro manodidina ilay sary vongana Christus ireo mpikambana sy namana nandritra ny varavarana misokatry ny tempolin’i Rôma Italia araka ny hita eo amin’ilay varavarakelin’ny ivontoerana ho an’ny vahiny.

Niaina fitsarana an-tendrony sy fanavakavahana tamin’ny endriny maro samihafa aho saika efa nandritra ny 20 taona.

Rehefa avy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Môzambika aho dia nifindra monina tany Afrika Atsimo. Firenena tsara tarehy ary isan’ireo tena miroborobo aty Afrika. Ny hatsarany dia hasongadin’ny fahasamihafana misy eo amin’ny vahoaka sy ny haren’ny kolontsain’izy ireo.

I Afrika Atsimo dia firenena mbola an-dalam-pahasitranana noho ny tantaran’izy ireo izay hamaizinin’ny fanavakavaham-bolonkoditra. Na dia tapitra tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny 1994 aza ny apartheid dia mbola mitoetra hatrany ny takaitra navelan’ity fanavakavaham-bolonkoditra nampiharin’ny fitondram-panjakana ity.

Amin’ny maha vehivavy Olomasin’ny Andro Farany Môzambikana mainty hoditra izay miaina aty Afrika Atsimo nandritr’izay 18 taona farany izay ahy dia mandalo fanavakavahana sy fanilikilihana izay miseho matetika amin’ny endrika fanafintohinana madinika aho. Ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fanavahan-tsokajy, ny fanindrahindram-poko, ny fanavakavahana noho ny maha lahy na ny maha vavy ary ny fankahalana vahiny dia ohatra vitsy amin’ireo aretin’ny fisaraham-bazana izay mbola hatrehan’ny fiarahamonina. Misy zavatra ao anatin’ny olona araka ny nofo izay toa maniry hampisaraka ny fiarahamonina ary mitarika antsika hino fa ny fahasamihafana dia ratsy.

Ny ezahintsika atao

Moa ve ireo mpikamban’ny Fiangonana andairan’ny fomba fisainana toy izany? Tena mety hitranga izany. Tsy maintsy manaisotra ilay maha-olon’ny nofo avokoa isika amin’ny ezaka ataontsika mba ho lasa olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy (jereo ny Môzià 3:19).

Isaky ny mahatsapa ho natokatokana na nohadinoina na notsaraina an-tendrony na noraisina hoe hafahafa izaho sy ireo zanako dia mody any an-trano izahay ary miresaka momba izany. Miteny izahay hoe, “Inona no vao nitranga teo? Ndeha ho voaboasana izany. Ndeha isika hiresaka momba ny antony mahatonga ny olona mitondra tena toy izany.” Ny firesahana momba izany dia manampy antsika hanakana ny zavatra tsapantsika tsy hiharatsy ao anaty.

Miezaka mampianatra ireo zanako aho fa ny hatsarana dia refesina amin’ny fomba hitondrantsika ireo olona atao an-jorom-bala sy voailiky ny fiarahamonina (jereo ny Matio 25:40). Mety hidika izany fa mila mitady fomba hanampiana ny hafa isika mba tsy hahatsapan’izy ireo ho voailika.

Miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa aho

Na dia maharary aza ny sasantsasany amin’ireo zavatra niainana dia mitarika ireo zanako ho lasa olona tsara kokoa ireo lesona ianaranay. Ary izaho koa. Ireo fahadisoam-panantenana niainanay dia nanampy anay hampitombo fangorahana sy fahaizana miombom-pihetseham-po amin’ny hafa.

Ny zavatra iainako noho ny fanavakavahana dia manome fahafahana ahy hanao safidy. Moa ve aho ho feno fankahalana sy hamaly faty sa hanome izany olona izany kosa, tsy fahafahana iray hafa vaovao fotsiny fa fahafahana fanindroany, fanintelony sy faninefany? Moa ve aho hijery ny fiarahamonina ho toy ny toerana mahatsiravina sa ve aho ho hery amin’ny fiovana tsara?

Niatrika fanavakavahana ihany koa ny Mpamonjy noho ny naha-Izy Azy sy ny zavatra ninoany ary ny toerana niaviny (jereo ny Jaona 1:46). Na dia izany aza dia tsy namaly tamin’ny herisetra na hatezerana na fankahalana Izy. Mifanohitra amin’ny zavatra ampianariny izany; nitondra tena tamim-pitiavana sy tamim-pahamarinana Izy. Nampianatra Izy fa ny hery sy ny fitaomana dia tonga amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po ary ny fitiavana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41). Nampianatra Izy fa rehefa tafintohina isika dia tokony hanatona ny rahalahintsika ary hifampiresaka momba izany (jereo ny Matio 18:15). Nampianatra antsika Izy ny hivavaka ho an’ireo izay manenjika antsika (jereo ny Matio 5:38–48). Ary rehefa notsaraina tsy ara-drariny sy nahantona teo amin’ny hazofijaliana mba ho faty Izy dia nampianatra antsika mba hamela ny hafa (jereo ny Lioka 23:34).

Amin’ny farany dia ny fitiavany no hanova antsika sy hanova izao tontolo izao (jereo ny 2 Nefia 26:24).

Ary hiezaka hatrany aho

Tsy olona tanteraka aho; tsy mamela heloka eo no ho eo foana aho rehefa misy olona manafintohina ahy. Mitaky fotoana, mitaky fahasitranana ary mitaky ny Fanahy Masina hiara-hiasa amiko izany. Indraindray dia misafidy ny ho tafintohina aho ary tsy manaraka ireo bitsiny eo no ho eo. Kanefa raha misokatra Aminy aho dia miara-miasa am-paharetana miaraka amiko ny Fanahy mandra-pahatakarako ny tian’ny Ray any An-danitra ataoko amin’izany toe-javatra izany.

Ny tanjoko dia ny tena hijery ny olona tahaka ny fijerin’ny Mpamonjy azy ireo. Mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy vonona hanaiky isika fa tsy manana ireo valin-teny rehetra isika. Rehefa vonona hiteny isika hoe, “Tsy tanteraka aho, manan-javatra betsaka ianarana aho. Inona no azoko hianarana avy amin’ny fomba fijerin’ny hafa?”—mitranga izany rehefa tena afaka ny hiaino isika. Mitranga izany rehefa tena afaka ny hijery marina isika.

Eo am-pamakivakiana izany dia manampy ny mahatsiaro fa misy antony ny maha eto ahy, ary ireo fitsapana misy eo amin’ity fiainana ity dia tsy maharitra—ampahany ilaina amin’ny fiainana an-tany izany— ary tsy irery aho. Ao anatin’izany rehetra izany dia miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa aho! Ny hoe miezaka dia mitaky asa ary rehefa tsy mahomby isika dia afaka mamerina manandrana indray.