HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
Manokatra ny varavaran’ny lanitra
Nanomboka nandoa fahafolonkarena noho ny fankatoavana an’ireo didy ny ray aman-dreniko, fa taty aoriana kosa dia nandray fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ilay fampanantenana nomena ao amin’ny Malakia izy ireo.
Fotoana fohy taorian’ny batisan’ny ray aman-dreniko tao Ponta Grossa, Brezila dia niantso azy ireo ho ao amin’ny biraony ny evekan’izy ireo ary nampianatra azy ireo ny maha-zava-dehibe ny fandoavana fahafolonkarena. Rehefa nampianatra momba ny fitsipiky ny fahafolonkarena ilay eveka dia niresaka ireo fitahiana avy amin’ny fiainana an’io didy io ihany koa araka ny voalaza ao amin’ny Malakia toko faha-3 andininy faha-8 ka hatramin’ny faha-12. Mivaky toy izao izany:
“Handroba an’ Andriamanitra va ny olona? No mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy fanatitra.
“Voaozona amin’ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
“Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo, ka hampidinako fitahiana, manana amby ampy ho anareo.
“Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
“Ary ianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
Nody tany an-trano ny ray aman-dreniko tamin’io andro io avy tany am-piangonana ka nisaintsaina momba ireo andininy avy ao amin’ny Malakia ireo. Ny fihetsik’izy ireo tamin’ny voalohany dia ny tsy handoa ny fahafolonkarenan’izy ireo, satria vao tsy ela akory no nivady izy ireo sady fianakaviana mbola tanora sy mbola nitombo. Sarotra ny fiainana tamin’izany ary mbola voafetra ny fahalalan’izy ireo ny filazantsara. Noho izy olona tsy voaozongozona amin’ny heviny sy mandray ny zava-drehetra ara-tsaina dia tsy vonona ny handoa ny fahafolonkarenan’izy ireo ny raiko, satria tao an-tsainy dia tsy afaka mandoa ny folo isan-jaton’ny vola miditra amin’izy ireo amin’ny fiangonana izy ireo, saingy nitoetra tao an-tsainy ny fampanantenana avy tamin’ny mpaminany Malakia izay nilazan’ny Tompo hoe “entonareo ny fahafolonkarena rehetra . . . ary izahao toetra amin’izany aho . . . raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra.” Rehefa niaraka nikaon-doha izy ireo dia nanapa-kevitra ny hanandrana izany ary hanatanteraka ara-bakiteny ny torolalana voalaza ao amin’ny Malakia.
Nanomboka nandoha fahafolonkarena noho ny fankatoavana an’ireo didy ny ray aman-dreniko, fa taty aoriana kosa dia nandray fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ilay fampanantenana nomena ao amin’ny Malakia izy ireo. Hitan’izy ireo taratra teo amin’ny fiainan’izy ireo ny fomba nanokafan’ny Tompo “ny varavaran’ny lanitra” ho azy ireo. Izaho dia nihalehibe nihaino ny raiko nilaza fa tsy afaka ny tsy handoa fahafolonkarena marina izahay.
Tsaroako fotoana fohy taorian’ny nanambadianay sy i Alessandra, dia samy vao nahavita ny fianaranay teny amin’ny oniversite izahay roa ary niverina tany Brezila mba hanomboka ny fiainanay ao amin’ny sehatry ny asa. Sarotra ny fitadiavan-kasa ary samy niasa tamin’ny asa ambany kokoa noho ny fari-pahaizanay izahay. Tsy afaka nandoa hofan-trano akory izahay, ka nisy fotoana dia niara-nipetraka tamin’ireo ray aman-drenim-badiko, saingy nandoa fahafolonkarena tamim-pahamarinana hatrany izahay.
Tsikaritray tamin’ny alalan’ny fahagagana bitika nanerana ny fiainanay ny fomba nanokafan’ny Tompo ny varavaran’ny Lanitra sy ny nanasiany teny mafy an’ireo valala teo amin’ny fiainanay. Taty aoriana dia nivoatra tao amin’ny sehatry ny asa izay nisy anay izahay ka afaka nandoa hofan-trano, ary taty aoriana dia afaka nividy trano efaina tsikelikely. Tsaroako ny fotoana iray izay nandroahan’ny orisana niasako mpiasa ka dia tsy tafiditra ho anisan’ny olona very asa tamin’izany aho. Tsaroaka ny namana tsy mpikamban’ny Fiangonana izay nilaza fa tsara vintana aho, saingy fantatro fa ny Tompo no –niteny mafy ny valala– araka ny voalaza ao amin’ny Malakia.
Tamin’ny toe-javatra hafa izay nahazoako fisondrotana tamin’ ny asako dia fantatro fa tsy noho ny fahaizako ihany izany, satria nijery ny manodidina aho ary nahita fa maro amin’ireo mpiara-miasa amiko no nanana ny mari-pahaizana mitovy amiko. Fantatro fa izany toe-javatra izany dia ny Tompo nanokatra ny varavaran’ny lanitra sy nitahy ny fiainanay.
Rehefa mandoa fahafolonkarena amim-pahamarinana isika dia mbola hisedra fanamby maro. Tsy ho tonga eo no ho eo ny fitahiana; mitaky finoana izany. Finoana mba hatoky ny Tompo, finoana hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika. Finoana mba hanekena fa Andriamanitra dia mahalala izay tsara indrindra ho antsika. Amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny, dia ho voatahy amin’ny Fanahiny isika ka hahita fiadanam-po sy fifaliana ary harena any an-danitra araka izay vakintsika ao amin’ny Matio 6:19–21: “Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra:
“Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba sady tsy misy mpangalatra manami-trano na mangalatra:
“Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”
Feno fankasitrahana aho noho izany eveka izany izay nahafoy fotoana mba hampianarana an’izany fitsipika manan-danja izany an’ireo ray aman-dreniko.
Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny aprily 2020 ny Loholona Ciro Schmeil. Teraka tao Ponta Grossa, Brezila izy. I Alessandra Machado Louza no vadiny. Manan-janaka roa izy ireo.