HAFATRY NY MPITARIKA ETO AN-TOERANA
Fahafolonkarena—Ilay lalana mitondra mankany amin’ny Fizakan-tena
Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo, na dia lehibe toa ny Mont Everest aza ireo olana atrehanareo manokana.
Ny fizakantena ho ahy sy ny fianakaviako dia anisan’ireo zavatra hivavahanay matetika, na samirery izany na miaraka. Arakaraky ny hizakantsika tena no hahazoantsika fiadanana eto amin’izao tontolo izao sy miomana kokoa amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainan-koavy.1 Hatramin’ny nidirako ho mpikamban’ ny Fiangonana dia nianatra niaina araka ireto fitsipika manaraka ireto aho:
Mandidy antsika ny Tompo mba hazoto amin’ny ataontsika rehetra ary mitahy antsika Izy satria mazoto isika ary ny zavatra ataontsika dia mila maneho ny finoana izay toriantsika.
Ao anatin’ity lahatsoratra ity dia mizara misimisy kokoa mikasika ny zavatra izay nanampy ahy hizaka tena kokoa aho. Mampahatsiahy antsika aho fa ny Raintsika any An-danitra sy ny Tompo Jesoa Kristy dia mahatoky sy marina amin’ireo fampanantenana nomen’izy ireo.
Ny fizakan-tena dia sady manana singa ara-panahy no manana singa ara-nofo ary mihatsara ireo roa ireo rehefa mitandrina ireo didin’ Andriamanitra2 isika. Rehefa mieritreritra momba ny fiazakan-tena sy momba ireo singa roa ireo aho dia ny lalàn’ny fahafolonkarena no matetika tonga ato an-tsaina izay maneho ity zavatra niainan’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1918–2008) mifono lesona ity:
“Mahare olona sasany isika ankehitriny izay milaza fa tsy afaka ny handoa ny fahafolonkarenan’izy ireo noho ny fahasahiranana ara-bola. Mahatsiaro ny zavatra niainako niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòka iray taona vitsivitsy lasa izay aho. Nisy lehilahy iray nanatona azy mba hampanao sonia ny fahazoan-dalany hidirina ny tempoly. Nametraka ireo fanontaniana araka ny fomba mahazatra aho ary nanontany azy, ankoatra ny zavatra maro hafa, raha toa izy ka nandoa am-pahamarinana ny fahafolonkarena. Novaliany tamim-pahatsorana hoe tsia ary tsy afaka ny handoa izany izy noho ireo trosany maro. Nanana fahatsapana aho fa tokony hilaza taminy fa tsy afaka ny hanefa ireo trosany izy raha tsy mandoa ny fahafolonkarenany.
“Nanohy araka ny mahazatra azy izy nandritra ny iray na roa taona ary avy eo dia nandray fanapahan-kevitra. Niresaka momba izany izy fotoana vitsivitsy taty aoriana ary nilaza tamiko hoe: –Tena voamarina tokoa ny zavatra nolazainao tamiko. Nahatsapa aho fa tsy afaka ny handoa ny fahafolonkarenako noho ireo trosako. Hitako fa na dia niezaka mafy toy inona aza aho dia toa tsy afaka nampihena ny trosako. Nony farany dia nifandinika izaho sy ny vadiko ary niresaka momba izany ka nanapa-kevitra fa hanandrana ilay fampanantenana avy amin’ny Tompo. Nanao izany izahay. Ka tamin’ny fomba tsy dia tena takatray loatra dia nitahy anay ny Tompo. Tsy nalahelo izahay tamin’ny zavatra natolotray azy ary sambany tao anatin’ny taona maro no nihena ny trosanay. Naharay fahendrena izahay mikasika ny fanaovana teti-bola momba ireo fandaniana ataonay sy ny famaritana ny fizotry ny volanay. Satria manana tanjona ambony kokoa izahay ankehitriny dia afaka mametra ny sasantsasany amin’ireo filana sy fanirianay. Ary ambon’izany rehetra izany dia afaka mandeha any amin’ny tranon’ny Tompo izahay ankehitriny miaraka amin’ireo hafa izay mendrika izany fitahiana mahatalanjona izany–.
“Afaka mandoa ny fahafolonkarenanay izahay. Tsy dia tena mahakasika ny vola loatra izany fa mahakasika ny finoana kosa. Mbola mila mikaroka olona iray mandoa fahafolonkarena feno aho izay tsy afaka ny hijoro ho vavolombelona fa nosokafana ara-bakiteny sy amin’ny fomba mahatalanjona ny varavaran’ny lanitra ka nisy fitahiana narotsaka teo aminy.”3
Ny antony mahatonga ity tantara ity sy ilay torohevitra nomen’ ny Filoha Hinckley tonga ato an-tsaina dia satria fitaratry ny zavatra niainako manokana momba ny fahafolonkarena izany. Nianatra aho fa ny “[fandoavana] ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra”4 amim-pahazotoana sy amim-pitiavana dia afaka ny tena hanova ireo zavatra raisintsika ho toy ny harenantsika. Rehefa nanapa-kevitra aho ny [hitondra] . . . ny fahafolon-karena ho amin’ny trano firaketana, . . . ary hizaha toetra5 ny Tompon’ny maro dia voahefa tao anatin’ny volana vitsy ireo trosako izay nanahirana ahy nandritra ny taona maro. Nihatsara ny fizakako tena vokatr’izany ary nihatsara hatrany hatrany izany. Izany rehetra izany dia vokatry ny fihainoako lahateny iray voaomana tsara nandritry ny fivoriana tsotra iray izay natrehako ary nanapa-kevitra aho ny hanao asa mifanaraka amin’ireo fampianarana noraisiko.
Tiako ilay fampahatsiahivana avy amin’ny Loholona David A. Bednar fa tsy ara-nofo sy ara-bola daholo akory ireo fitahiana azo avy amin’ny fahafolonkarena, hoy izy: “ny sasany amin’ireo fitahiana samihafa azontsika rehefa mankatò izany didy izany isika dia lehibe saingy misoko mangina. . . .
“Mety mangataka amin’ Andriamanitra mba hanome antsika fahombiazana isika indraindray, kanefa tanjaka ara-batana sy ara-tsaina no omeny. Mety mitalaho mba handroso harena isika nefa fomba fijery mivelatra sy fananana faharetana bebe kokoa no azontsika, na mety mangataka fivoarana isika nefa omena fanomezana dia ny fahasoavana. Mety omeny finoana mafy orina sy fahatokian-tena isika rehefa miezaka manatanteraka tanjona tsara. Ary rehefa mangataka fanamaivanana ireo olana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy isika dia mety hampitomboany ny tsy fihambahambantsika sy ny faharetantsika.”6
Rehefa mitodika amin’ny lasa aho dia mahita ny fomba nanovan’ Andriamanitra ny toetrako rehefa niezaka nankato ireo didiny aho.
Voatahy aho tamin’ny fanaovana dinidinika sy nampianarako ireo mpikambana momba ny fanajana sy ny fitandremana ny lalàn’ny fahafolonkarena teo amin’ireo antso nananako tato am-piangonana. Ny fahitako ireo mpikambana izay nanapa-kevitra ny handoa fahafolonkarena ireo nitombo ara-panahy sy lasa nizaka tena dia nanamafy ny fijoroako ho vavolombelona. Araka ny nampanantenain’ny Loholona Bednar hoe: “dia tena hisokatra ny varavaran’ny lanitra ary harotsaka ireo fitahiana ara-panahy sy ara-nofo izay manana amby ampy”7 ho an’ireo mpandoa fahafolonkarena feno.
Rehefa mampitombo sy mampihatra ny drafitra apetrantsika isika mba ho lasa mizaka tena dia manomana ny tenantsika isika ho amin’izany fitahiana izany sy mamela ny Tompo Andriamanintsika handahatra ny zava-drehetra ho tombontsoan[tsika]8. Mijoro ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho fa fomba iray hahazoantsika izany ny fandoavana fahafolonkarena feno. Satria moa mahakasika ny finoana izany dia faranako amin’ireo teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny antso ataoko aminareo . . . dia ny hampitombo ny finoanareo manomboka anio. Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo, na dia lehibe toa ny Mont Everest aza ireo olana atrehanareo manokana.”9
Ny Loholona S. Ephraim Msane dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019. Manambady an’i Nomthandazo Salvatoris Mpanza izy; manan-janaka roa izy ireo.