TANTARAN’NY FIANGONANA HO AN’ITY VOLANA ITY
Ôktôbra 2010: Ny fanokanana an’i Angola
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nanokana ny firenen’i Angola ho an’ny asa fitoriana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy tamin’ny 20 ôktôbra 2010.
Vao maraina tamin’io andro io dia nisy vondrona kelina mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana nivory teo am-pototra hazo baobaba antitra lehibe iray teo amina havoana iray nahatazanana ny Ranomasimbe Atlantika. Nanolotra vavaka fanokanana tamin’ny fiteny Pôrtogey ny Loholona Christofferson, vavaka nahatsiarovana ny famarotana andevo naharitra taon-jato roa mahery ary ny ady an-trano naharitra 25 taona izay nandrava ny firenena. Nivavaka izy mba hifaranan’ny fahoriana sy ireo ady tamin’ny lasa, mba hialan’ny ziogan’ny fahantrana sy ny tsy fahalalana, ary mba “haharitra ny fahafahana ara-pivavahana ka ho lasa fototra iorenan’ny tanjaka sy ny fahatomombanan’ny filazantsara amin’ny ho avy izany rehefa torina tsy misy sakantsakana ny filazantsara ka handroso ny fanjakan’ Andriamanitra mba hitahiana ny isam-batan’olona, sy ny fianakaviana, ary ny firenena manontolo.”
Hatramin’ny nanokanana ny firenena dia tafatsangana ny distrikan’ny Luanda Angola (2011), nisokatra ny Misiônan’i Angola Luanda (2013), ary nivoatra ho Tsatòkan’i Luanda Angola (2018) ilay distrika. Ankehitriny i Angola dia ahitana mpikambana mananika ny 3.800 isa—ary mitombo hatrany.