“Fomba amam-panaon’ny jiosy mikasika ny fandevenana,” Liahona, mar. 2023.
Fomba amam-panaon’ny jiosy mikasika ny fandevenana
I Lazarosy sy i Marta ary i Maria dia mpiray tampo izay nipetraka tao amin’ny tanànan’i Betania. Naman’ny Mpamonjy izy ireo ary namangy azy ireo matetitetika Izy. Nisy fotoana iray i Jesoa tao anatin’ny asa fanompoana nataony, niala tao Jodia, izay toerana nisy an’i Betania, satria nikasa ny hamono Azy ireo Jiosy tao amin’ilay faritra (jereo ny Jaona 10:39–40). Rehefa lasa i Jesoa dia narary i Lazarosy ary maty ka nalevina araka ny fomba amam-panao Jiosy (jereo ny Jaona 11:1–17).
Ireto misy fomba amam-panao mety tena nataon’izy ireo nandritra ny fahafatesan’i Lazarosy sy ny fandevenana azy.
Fonosina amin’ny lambam-paty ilay vatana ary entina any amin’ny tranon’ny fianakaviana, ka afaka mamangy any ny havana sy ny mpifanolobodirindrina (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:37).
Raha ny mahazatra, adiny valo aorian’ilay fahafatesana dia lanjaina amin’ny filanjana mankany am-pasana ilay vatana mba ho hitan’ny mpamangy rehetra ilay vatana (jereo ny Lioka 7:12–14). Ny vehivavy no mitarika ny filaharana. Mandrovitra ny akanjony ny fianakaviana ho mariky ny fisaonana.
Ny fasana sasany dia nolavahana tao anatina vatolampy (jereo ny Matio 27:58–60). Kely ny fidirana ao amin’ireo fasana ka tsy maintsy miondrika ny olona rehefa miditra.
Ampandriana eo amina fandriana namboarina avy tamina vato ny vatana. Notampenana vato boribory lehibe ny fasana mba hanakanana ny mpangalatra na ny biby tsy hiditra.1
Taorian’ny nananganan’i Jesoa an’i Lazarosy tamin’ny maty dia nanana antony goavana hananana fanantenana ny mpianany toy izay halahelo noho ny famoizana olona iray akaikin’ny fo. Tsy azon’izy ireo nolavina fa noho i Jesoa Kristy dia “[tsy hahazo fandresena ny fasana ary tsy hanana fanindronana ny fahafatesana]” (Môzià 16:7).