“Ny fiadanako no omeko anareo” Liahona, mar. 2023.
“Ny fiadanako no omeko anareo”
Ireo teny nataon’i Jesoa teo amin’ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny alin’ny tafio-drivotra ihany no lazainy amintsika mandritra ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika: “Mangina, mitsahara.”
Fotoan’ny tahotra sy ny ahiahy ho ahy sy ny fianakaviako ny ririnina mamirifirin’ny taona 1944. Noho ny raiko lasa lavitra tany amin’ny vava ady andrefana dia sahirana ny reniko namelona ny zanany efatra sy nanafana azy ireo rehefa notandindomin’ady ny fonenanay tao Tchécoslovaquie.
Nihananakaiky isan’andro ny loza. Farany dia nanapa-kevitra ny handositra ho any amin’ny tanànan’ny ray aman-dreniny tany Alemana andrefana ny reniko. Vitany ny nampiditra anay rehetra tanatin’ny iray tamin’ireo fiaran-dalamby farany mpitondra ny mpitsoa-ponenana nankany andrefana. Ireo fipoahana baomba re akaiky, ny endrika feno tahotra ary ny kibo noana dia nampahatsiahy ny rehetra tao anaty fiaran-dalamby fa namakivaky ny faritra misy ady izahay.
Indray alina raha nijanona haka vatsy ny fiaran-dalamby dia nidina faingana hitady sakafo ny reniko. Rehefa tafaverina izy dia akory ny hatairany fa lasa ny fiaran-dalamby nitondra anay zanany!
Nitebiteby fatratra izy ka nitodika tany amin’ Andriamanitra tao anatin’ny vavaka feno hakiviana, ary avy eo dia nanomboka nitotototo nitady nanerana ilay toeram-piantsonan’ny fiaran-dalamby izay maizina. Nihazakazaka izy nanesy ireo lalamby tsirairay sy ireo fiaran-dalamby tsirairay. Fantany fa raha lasa alohan’ny hahitany azy ilay fiaran-dalamby nandehanany, dia mety tsy hahita anay intsony izy.
Ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika
Nandritra ny asan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nianatra ireo mpianany fa afaka mampitsahatra ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika Izy. Indray hariva, rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro teo amoron-dranomasina ny Tompo dia nanolo-kevitra tamin’izy ireo mba “hita ho eny am-pita” (Marka 4:35).
Rehefa lasa izy ireo dia nahita toerana nialana sasatra tao anaty sambokely i Jesoa ka resin-tory. Tampoka teo dia nihamaizina ny lanitra, “nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno” (jereo ny Marka 4:37–38).
Tsy haintsika hoe hafiriana no nitoloman’ireo mpianatra hitazona ilay sambokely tsy hilentika, saingy tsy naharitra intsony izy ireo tamin’ny farany. Raiki-tahotra izy ireo ka niantsoantso hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” (Marka 4:38).
Miatrika tafio-drivotra tampoka isika tsirairay. Mety hahatsiaro ho malahelo sy kivy ary diso fanantenana isika eto amin’ity fiainantsika eto an-tany izay feno fitsapana ity. Torotoro noho ny amintsika sy noho ny amin’ireo olon-tiantsika ny fontsika. Miahiahy sy matahotra isika ary indraindray dia very fanantenana. Mandritra ireny fotoana ireny dia mety miantso koa isika hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao va izao hahafatesako izao?”
Anisan’ny hira ao amin’ny fihirana tiako indrindra tamin’ny fahatanorako ny “Maître, la tempête lance.”1 Azoko sary an-tsaina aho ao anatin’ilay sambokely rehefa “indro ny rivo-mahery fa nifofofo ery!” Ny ampahany manan-danja sy kanto indrindra ao anatin’ilay hira dia izao: “Ny rivotra sy ny onja hankatò Anao: Mitonia.” Ary avy eo dia tonga ilay hafatra manan-danja hoe: “[Na rano lalina mampimalo] tsy misy atahorana satria ao ilay Tompon’izao rehetra izao.”
Raha toa isika mandray an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny Fiadanana ho ao anatin’ny sambokelintsika, dia tsy mila matahotra isika. Fantatsika fa afaka mahita fiadanana eo anivon’ny tafio-drivotra izay misamboaravoara ao anatintsika sy manodidina antsika isika. Rehefa avy niantsoantso vonjy ireo mpianatra, dia “nifoha [i Jesoa], ary dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza mafy tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.”8
Ireo teny nataon’i Jesoa teo amin’ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny alin’ny tafio-drivotra ihany no lazainy amintsika mandritra ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika: “Mangina, mitsahara.”
“Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao”
Afaka miara-miteny amin’ireo mpianatra isika hoe: “Iza moa ity fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?” (Marka 4:41).
Lehilahy tsy mitovy na amin’iza na amin’iza i Jesoa. Amin’ny maha Zanak’ Andriamanitra Azy dia nantsoina hanao asa fanompoana izay tsy hain’iza na iza notanterahina Izy.
Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy tamin’ny fomba izay tsy haintsika hotakarina, ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” (Almà 7:11) ary ny “tambatry ny vesatry ny fahotan’ny olona rehetra eto an-tany.”2
Na dia tsy nanana trosa tamin’ny fahamarinana aza Izy dia nizaka “ny fitakian’ny fahamarinana … manontolo” (Almà 34:16). Araka ny tenin’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “tsy nanao ratsy Izy. Kanefa, nozakainy daholo ny fitambaramben’ny fahamelohana rehetra, ny fahoriana sy ny alahelo, ny fanaintainana sy ny fahafaham-baraka, ny fijaliana ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-batana rehetra izay fantatry ny olombelona.”3 Ary resiny avokoa izany rehetra izany.
Naminany i Almà fa ny Mpamonjy dia “haka ny fahafatesana ho eo Aminy … mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12).
Tamin’ny alalan’ilay fanomezana masina izay nateraky ny fijalijaliana namaivay sy noho ny fitiavana antsika, dia nanefa ny sarany i Jesoa Kristy mba hanavotana sy hankaherezana ary hamonjena antsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ihany no ahafahantsika mahita fiadanana izay tena iriantsika sy ilaintsika eto amin’ity fiainana ity. Araka ny nampanantenain’ny Mpamonjy hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).
Ireo fomba mitondra mankany amin’ny fiadanana
I Jesoa Kristy izay mifehy ireo singa rehetra dia afaka manamaivana koa ny enta-mavesatsika. Manana hery hanasitrana ny olona tsirairay sy ny firenena Izy. Nasehony antsika ny fomba mitondra mankany amin’ny fiadanana marina satria Izy no “Andrian’ny Fiadanana” (Isaia 9:6). Afaka manova ny olombelona rehetra ny fiadanana atolotry ny Mpamonjy raha toa manaiky izany ireo zanak’ Andriamanitra. Manome antsika fomba hahatsapantsika ny fiadanany ny fiainany sy ireo fampianarany raha toa isika mitodika any Aminy.
“Mianara Amiko” hoy Izy “ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).
Mianatra Aminy isika rehefa manandratra ny fanahintsika amin’ny vavaka sy mandalina ny fiainany sy ny fampianarany, ary “mitsangana … eo amin’ny toerana masina,” anisan’izany ny tempoly (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; jereo ihany koa ny 45:32). Mankanesa any amin’ny tranon’ny Tompo matetika araka izay azonao atao. Fialofana feno fiadanana amin’ny tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika ny tempoly.
Nampianatra ilay namako malala Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe: “Rehefa mandeha mankany amin’ny [tempoly] isika, ary rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika tao, dia ho afaka ny hahazaka ireo fitsapana ary handresy ireo fakam-panahy tsirairay. Manome tanjona ho an’ny fiainantsika ny tempoly. Mitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika izany, tsy fiadanana omen’ny olona fa ilay fiadanana nampanantenain’ny Zanakalahin’ Andriamanitra.”4
Mihaino ny feony isika rehefa manaraka ireo fampianarany ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminany velona, ary maka tahaka ny ohatra nasehony sy mandeha any amin’ny Fiangonany izay handraisana antsika ho ao anatina fianakaviambe, sy hampianarana antsika ary hamahanana antsika amin’ny teny soan’ Andriamanitra.
Mandeha amin’ny fahalemem-panahiny isika rehefa mitia toy izay nitiavany, mamela heloka toy ny namelany heloka, mibebaka ary manao ny tokantranontsika ho toerana hahatsapana ny Fanahiny. Mandeha amin’ny fahalemem-panahiny ihany koa isika rehefa manampy ny hafa, sy manompo an’ Andriamanitra amim-pifaliana ary miezaka ho “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3).
Mitondra mankany amin’ny fahamarinana ireo dingan’ny finoana sy asa ireo, sy mitahy antsika eo amin’ny diantsika amin’ny maha mpianatra ary mitondra fiadanana ho antsika sy tanjona maharitra.
“Mba hananareo fiadanana amiko”
Tao anatin’ny ali-mikitroka, teo amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby feno korontana taona maro lasa izay, dia tsy maintsy niatrika safidy ny reniko. Afaka nipetraka izy sy nitoloko noho ilay zava-doza dia ny famoizany ireo zanany izany, na afaka nampihatra ny finoany sy ny fanantenany. Feno fankasitrahana aho fa resin’ny finoany ny tahotra nananany ary ny fanantenany dia nandresy ny fahadisoam-panantenany.
Tamin’ny farany dia hitany tany amina faritra lavitra tao amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby ny fiaran-dalamby nitondra anay. Tafahaona teo izahay nony farany. Tamin’io alina io sy nandritra ireo andro sy alina maro feno oram-baratra taty aoriana dia nanohana anay ilay ohatra nasehon’ny reniko tamin’ny fampiharana ny finoany rehefa nanantena sy niezaka hanana hoavy mamiratra kokoa izahay.
Maro amin’ireo zanak’ Andriamanitra ankehitriny no mahita fa nafindra koa ny fiaran-dalambin’izy ireo. Ny fanantenana sy ny nofinofin’izy ireo ho amin’ny hoavy dia nofaohan’ny ady sy ny valanaretina ary ny famoizana ny fahasalamana, ny asa, ny fahafahana mianatra ary ireo olona akaikin’ny fo. Kivy sy manirery ary mahatsapa ho namoy zava-maro izy ireo.
Ry rahalahy sy anabaviko, ry namana malalako isany, miaina anatin’ny andro mahory isika. Misavorovoro ireo firenena, mby eto an-tany ny fitsarana, ary nesorina tsy eto an-tany ny fiadanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:35; 88:79). Saingy tsy voatery esorina ao am-pontsika ny fiadanana na dia tsy maintsy mijaly sy malahelo ary miandry ny Tompo aza isika.
Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia mbola hovalina ireo vavaka ataontsika. An’ Andriamanitra ny fotoana, saingy mijoro ho vavolombelona aho fa ireo faniriana marina ananantsika indray andro any dia ho tanterahina ary ireo fananantsika very rehetra dia mbola honerana amintsika, raha toa isika mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana masin’ny fibebahana ary mitoetra ho mahatoky.5
Ho sitrana ara-batana sy ara-panahy isika.
Hijoro ho madio sy masina eo anatrehan’ny toeram-pitsarana.
Ho tafaray indray amin’ireo olona akaikin’ny fontsika isika amin’ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra.
Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia enga anie isika hionona sy hahery eo am-pianteherantsika amin’ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Mba hananareo fiadanana amiko” (Jaona 16:33).