Ilay sorona feno fitiavana sy masina nataon’ny Mpamonjy
Nosintonina avy amin’ilay lahateny, “Truths Most Worth Knowing,” natao nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ ny Brigham Young University ny 6 nôv. 2011. Mba hahitana ny lahatsoratra iray manontolo amin’ ny teny anglisy dia midira ao amin’ ny speeches.byu.edu.
Eo foana ny Tompo. Efa nijaly sy nanefa ny sazy Izy raha toa ka vonona ny hanaiky Azy ho Mpanavotra anao ianao.
Mindram-bola ara-panahy daholo isika rehetra. Na amin’ ny fomba ahoana na amin’ ny fomba ahoana dia mitombo mitombo ihany ny vola tsy maintsy aloa. Rehefa mandoa izany hatrany ianao dia tokony tsy hisy hampiahiahy anao. Vetivety ianao dia hanomboka hianatra fifehezan-tena ary hahafantatra fa misy andro iray ho avy tsy maintsy hanefana ny zava-drehetra. Mianara manefa tsy tapaka ny trosanao ara-panahy toy izay hifaharan’ny sazy lava.
Noho ianao sedraina dia fantatra fa hanao hadisoana vitsivitsy ianao. Azoko an-tsaina fa nanao zavatra izay nanenenanao ianao teo amin’ ny fiainana, zavatra tsy vitanao na ny maneho fialan-tsiny noho izany aza, zavatra tsy dia mety. Noho izany dia milanja enta-mavesatra ianao. Tonga izao ny fotoana ampiasana ny teny hoe fahatsapana ho meloka, izay afaka manapentimpetina toy ny ranomainty tsy mety afaka ary tsy mora esorina rehefa sasana. Ny karazana fahatsapana iray izay fianakavian’ny fahatsapana ho meloka dia ny fahadisoam-panantenana, ny fanenenana noho ireo fitahiana sy fotoana tsara nahafahana nanao zavatra izay votsotra teo am-pelatanana.
Raha toa ianao ka mitolona amin’ ny fahatsapana ho meloka dia mitovy amin’ ny olona ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna ianao izay nilaza hoe: “Noho ny helony dia efa nanomboka nihemotra ny fiangonana; ary nanomboka tsy nino ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana izy; ary ny fitsaran’Andriamanitra dia nibanjina azy nifanatrika” (Helamàna 4:23).
Matetika isika miezaka mamaha ny olan’ny fahatsapana ho meloka amin’ ny alalan’ny fifampilazana eo amintsika samy isika na amin’ ny alalan’ny filazana amin’ ny tenantsika fa tsy maninona izany. Kanefa toa tsy mino izany isika any anatintsika any. Ary tsy mino ny tenantsika koa isika raha milaza izany. Mahafantatra zavatra bebe kokoa isika. Tena manan-danja izany!
Nampianatra mikasika ny fibebahana foana ireo mpaminany. Hoy i Almà hoe, “Indro, tonga Izy mba hanavotra ireo izay ho vita batisa ho amin’ ny fibebahana, noho ny finoana ny anarany (Almà 9:27).
Izao no nambaran’i Almà mivantana tamin’ilay zanany nivily lalana: “Ankehitriny ny fibebahana dia tsy ho nety tonga tamin’ ny olona raha tsy nisy ny famaizana, izay mandrakizay koa, satria tokony ho izany ny fiainan’ny fanahy, izay mitovana sy mifanohitra amin’ ny drafitry ny fahasambarana” (Almà 42:16).
Misy tanjona fototra anankiroa ny fiainana eto an-tany. Voalohany dia ny hahazo vatana izay afaka ny ho voadio sy hasandratra ary ho velona mandrakizay raha vonona isika. Ny tanjona faharoa dia ny ho sedraina. Azo antoka fa hanao hadisoana isika mandritra ny fisedrana. Saingy raha vonona isika dia afaka mianatra avy amin’ ny hadisoantsika. “Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary teniny tsy ato anatintsika” (1 Jaona 1:10).
Angamba ianao mety mahatsapa ho ambany eo amin’ ny saina sy ny vatana ary miasa saina momba ny toe-javatra ara-panahy sasantsasany izay “tokony efa novahana tany aloha” na vesaran’izany. Rehefa mahita ny marina momba anao ianao mandritra ireny fotoana handinihan-tena mangina ireny (izay maro amintsika no mitsoaka izany), moa ve misy zavatra mikorontandrontana izay manelingelina anao? Moa ve misy zavatra mitambesatra ao an-tsainao? Moa ve ianao eo amin’ ny lafiny iray na amin’ ny iray hafa mbola mahatsapa ho meloka amin’ ny zavatra kely na lehibe iray?
Mahazo taratasy matetitetika avy amin’ireo izay nanao hadisoana goavana sy vesaran’olana isika. Manontany izy ireo: “Moa ve aho mba hahazo famelana?” Mba afaka ny hiova ve aho?” Ny valiny dia eny!
Nampianatra i Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13).
Mampianatra antsika ny filazantsara fa afaka ny ho azo amin’ ny alalan’ny fibebahana ny fanamaivanana ny fijaliana sy ny fahatsapana ho meloka. Ankoatra ireo—tena vitsy—izay lasa any amin’ ny fahaverezana rehefa nahafantatra ny fahafenoana, dia tsy misy fahazaran-dratsy, na fiankinan-doha, na fikomiana, na tsy fankatoavana na fandikan-dalàna, na kely izany na lehibe izay tsy hahazo anjara amin’ilay fampanantenana famelan-keloka tanteraka. Na inona na inona nitranga teo amin’ ny fiainanao, dia efa nanomana fomba iray ahafahanao miverina ny Tompo raha toa ka manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina ianao.
Ny sasany feno faniriana tena manery, fakam-panahy izay miverimberina ao an-tsaina izay mety lasa fahazarana dia avy eo lasa mampiankin-doha. Mora mirona any amin’ ny fandikan-dalàna sy fahotana sasantsasany isika ary any amin’ ny fanamarinan-tena koa fa tsy mahatsapa ho meloka satria efa teraka niaraka tamin’izany. Voafandrika isika, noho izany dia tonga ny fijaliana sy ny korontana izay ny Mpamonjy ihany no afaka manasitrana azy. Manana ny hery hanajanonana izany sy hery mba hahazoana fanavotana ianao.
Manafika ny fianakaviana i Satana
Niteny tamiko ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988) indray mandeha hoe, “Aza miresaka amin’izy ireo fotsiny mba hahafahany mahatakatra fa miresaha aminy mba tsy hahadiso ny fahatakarany.”
Hoy i Nefia hoe: “Fa finaritra amin’ ny fahazavan-tsaina ny fanahiko; fa amin’izany fomba izany no iasan’ny Tompo Andriamanitra eo anivon’ny zanak’olombelona. Fa manome fahazavana ho an’ny faharanitan-tsaina ny Tompo Andriamanitra” (2 Nefia 31:3).
Noho izany dia henoy tsara! Hiteny amin’ ny fomba tsotra toy ny olona voantso na nomena andraikitra hanao izany aho.
Fantatrao fa misy ny fahavalo. Faritan’ny soratra masina amin’ ny alalan’ireto teny ireto izy: “Ilay menarana fahizay, izay ny devoly, … rain’ny lainga rehetra” (2 Nefia 2:18). Noroahina hatrany am-piandohana izy ireo (jereo ny F&F 29:36–38) ary tsy nahazo vatana. Niozonozona izy fa hanakorontana ny “drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8) ary ho fahavalon’ny fahamarinana rehetra. Ampifantohany amin’ ny fianakaviana ny fanafihana ataony.
Miaina ao anatin’ny andro ahitana ny fihanahan’ny pôrnôrgrafia manerana izao tontolo izao isika. Sarotra ny misoroka azy. Ny pôrnôgrafia dia mifantoka amin’ilay ampahany iray ao amin’ ny tenantsika izay ahafahantsika mamorona aina.
Mitondra olana, fisaraham-panambadiana, aretina, ary karazan’olana maro dia maro ny firotsahana ao anatin’ny pôrnôgrafia. Tsy misy hoe ampahany madio izany ao anatiny. Ny fanangonana na ny fijerena na ny fitondrana izany na amin’ ny endriny manao ahoana na manao ahoana dia mitovy amin’ ny fihazonana bibilava maneno ao anatin’ny kitaponao. Mitarika ny tenanao ho tonga amin’ilay toe-javatra ara-panahy tsy azo ihodivirana izay mitovy amin’ ny kaikitry ny bibilava misy poizina mahafaty izany. Takatry ny olona iray tsara eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao fa mety ho voatarika amim-pahatsorana amin’izany na hamaky izany na hijery izany izy sady tsy mahafantatra ny voka-dratsiny. Raha miaina izany ianao dia mampitandrina anao aho mba hanajanona izany. Ajanony izao dia izao izany!
Ny bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa “ampy tokoa ny fahalalan’ny olona [rehetra] mba hahalalany ny tsara amin’ ny ratsy” (2 Nefia 2:5). Tafiditra ao anatin’izany ianao Fantatrao ny tsara ary fantatrao ny ratsy. Mitandrema tsara mba tsy hihoam-pefy.
Na azo ibabohana manokana amin’ ny Tompo aza ny ankamaroan’ny hadisoana natao dia misy fandikan-dalàna sasantsasany izay mitaky zavatra bebe kokoa noho izany mba hahatanterahan’ny famelan-keloka. Manatona ny evekanao raha toa tena goavana ilay hadisoana nataonao. Fa raha tsy goavana dia ampy ny fanaovana fibabohana mangina sy mitokana toy ny mahazatra. Saingy tadidio fa mety tsy ho tonga indray mandeha ny fahazoana famelan-keloka. Raha potraka ianao amin’ ny voalohany dia aza milavo lefona. Tafiditra ao anatin’ny fisedrana ny fandresena ny fahakiviana. Aza milavo lefona. Ary araka ny torohevitra nomeko tany aloha, rehefa avy nibaboka sy nanalavitra ny fahotanao ianao dia aza iverenana intsony izany.
Nijaly ho an’ny fahotantsika ny Mpamonjy
Eo foana ny Tompo. Efa nijaly sy nanefa ny sazy Izy raha toa ka vonona ny hanaiky Azy ho Mpanavotra anao ianao.
Amin’ ny maha-olona mety maty anao dia mety na tena tsy ho takatrao tanteraka ny hoe ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ny sorompanavotany. Saingy amin’izao fotoana izao dia tsy ny ahoana aloha no manan-danja fa ny hoe inona no anton’ny fijaliany. Nahoana no nanao izany ho anao sy ho ahy ary ho an’ny olombelona rehetra Izy? Nanao izany noho ny fitiavana ny Ray any an-danitra sy ny olombelona rehetra Izy. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:12–13).
Nandao ireo Apôstôliny mba hivavaka i Kristy tao Getsemane. Izay zavatra nitranga tao dia mihoatra ny hery ananantsika mba hahafantarana zavatra! Saingy tena fantatsika fa nahatanteraka ny Sorompanavotana Izy. Nanolo-tena ny hitondra eo Aminy ny hadisoana, ny fahotana, ny fahamelohana ary ny ahiahy sy ny tahotr’izao tontolo izao Izy. Nijaly ho antsika Izy mba tsy hijaliantsika. Olombelona mety maty maro no nianjadian’ny fijalijaliana ary fahafatesana feno fanaintainana sy mamohehatra. Saingy nihoatra lavitra an’ireo zavatra ireo ny fijaliana nozakainy.
Nahafantatra izany atao hoe fanaintainana ara-batana izany aho amin’izao taonako izao ary tsy mahafinaritra mihitsy izany! Tsy misy olona mandao ity fiainana ity ka hoe tsy niaina zavatra iray na roa mifandray amin’ ny fijaliana. Saingy ny fijaliana manokana izay tsy zakako dia ny fahafantarako hoe nanao zavatra izay nahatonga ny olona iray hafa hijaly aho. Amin’izay fotoana izay no ahatakarako kely ilay fijalijaliana niainan’ny Mpamonjy tao Getsemane.
Ny fijaliana dia samy hafa amin’ireo fijaliana hafa taloha sy hatramin’izay satria nentiny teo Aminy ny sazy rehetra izay nampiharina tamin’ ny fianakavian’ny olombelona rehetra. Alaivo sary an-tsaina izany! Tsy nanan-trosa tokony haloa Izy. Tsy nanao ratsy Izy. Kanefa nozakainy daholo—ny fitambaramben’ny fahamelohana rehetra, ny fahoriana sy ny alahelo, ny fanaintainana sy ny fahafaham-baraka, ny fijaliana ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-batana rehetra izay fantatry ny olombelona. Iray ihany tao anatin’ny tantara rehetran’izao tontolo izao ny olona izay tsy nanam-pahotana, ary mendrika ny hizaka ireo fahotana sy fandikan-dalàn’ny olombelona rehetra ary tafavoaka velona tamin’ ny fijaliana niaraka tamin’ ny fanefana an’izany.
Nampahafantatra ny fiainany Izy ary raha halalinina dia nilaza hoe, “Izaho no mitondra eo amiko ny fahotan’izao tontolo izao” (Môsià 26:23). Nohomboana Izy ary maty. Tsy afaka naka ny ainy teo amin’ ny toerany izy ireo. Izy no nanapa-kevitra ny ho faty.
Tena misy ny famelan-keloka tanteraka
Raha toa nisy fotoana nahasolafaka na nahavery anao, raha toa mahatsapa ianao fa gejain’ilay fahavalo amin’izao fotoana izao, dia afaka mandroso amim-pinoana ianao ka tsy mirenireny etsy sy eroa eto amin’izao tontolo izao intsony. Efa misy olona vonona ny hitarika anao hiverina any amin’ ny toerana misy fiadanana sy fiarovana. Ny fahasoavan’Andriamanitra mihitsy aza no hirotsaka araka ny nampanantenain’ny soratra masina “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Ny fahatanterahan’izany ho ahy no fahamarinana tena mendrika ny ho fantarina indrindra.
Mampanantena aho fa afaka ny ho tonga ilay maraina mamirapiratry ny famelan-keloka. Dia ho tonga eo amin’ ny fiainanao indray toy ny masoandro miposaka “ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7) ary “tsy [hotsarovanao sy hotsarovany] intsony ny fahotany” (Jeremia 31:34). Ahoana no hahafantaranao Izany? Ho fantatrao izany! (Jereo ny Môsià 4:1–3.)
Izao no fampianarana omeko anareo izay manana olana. Handray andraikitra izy ary hamaha ilay olana tsy hainao vahana, saingy mila manefa ny sarany ianao. Tsy tanteraka izany raha vao tsy atao izay zavatra izay. Mpitarika tena tsara fanahy Izy noho ny fanefany izay sarany tokony hefaina, saingy tiany ianao hanao izay tokony hataonao na dia mafy aza izany.
Tiako ny Tompo ary tiako ilay Ray izay naniraka Azy. Azo apetraka eo anoloany ny enta-mavesatsika izay ahitana ny fahadisoam-panantenana, ny fahotana, ary ny fahatsapana ho meloka ary ao anatin’ilay fifanaharana napetrany izay mifono hatsaram-panahy dia azo asiana marika ny zavatra tsirairay hita ao anatin’ny toe-bolan’ny tena hoe “voaloa tanteraka.”
“Avia ary hifandahatra isika hoy Jehovah: na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” Ho tanteraka izany hoy i Isaia nanohy, “raha manaiky sy mankatò hianareo” (Isaia 1:18–19).
Manatòna Azy
Ilay soratra masina hoe “mianara fahendrena amin’ ny fahatanoranao; eny mianara ny hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ ny fahatanoranao” (Almà 37:35) dia fanasana miaraka amin’ilay fampanantenana fiadanana sy fiarovana amin’ilay fahavalo. “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino hianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondrantena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana” (1 Timoty 4:12).
Aza manantena hoe hilamina foana ny zava-drehetra mandritra ny fiainanao. Na dia ho an’ireo izay miaina ny fiainany araka ny tokony ho izy aza dia indraindray ny mifanohitra amin’izany no hiseho. Atreho amim-pijerena ny lafy tsarany sy amim-pahatokiana ny lan’ny fiainana tsirairay, dia hanana fiadanana ary finoana hanohana anao amin’izao fotoana izao sy amin’ ny ho avy ianao.
Ho an’ireo izay mbola tsy nandray ireo fitahiana rehetra izay tsapanareo fa irinareo sy ilainareo, dia mino aho fa tsy misy traikefa na fotoana tsara mitondra soa izay ilaina amin’ ny fanavotana sy famonjena tsy atolotra ho anareo izay miaina amim-pahatokiana. Mijanòna ho mendrika foana. Aoka ianao ho feno fanantenana sy hanana faharetana ary hivavaka lalandava. Misy fomba hivahan’ireo toe-javatra miseho. Hitarika anao sy hitantana ny zavatra ataonao ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Raha toa ianao ka iray amin’ireo olona izay mitolona amin’ ny fahatsapana ho meloka, na fahadisoam-panantenana na hareram-panahy aman-tsaina vokatry ny hadisoana nataonao na vokatry ny fitahiana tsy mbola tonga dia vakio ny fampianarana mampitony hita ao anatin’ilay fihirana hoe “Venez à Jésus! Il vous appelle”:
Venez à Jésus ! Il vous appelle,
Vous qui succombez sous les péchés.
Il vous donnera vie éternelle,
Si son amour vous cherchez.
Venez à Jésus ! Il vous écoute,
Vous qui ne l’avez pas écouté !
Il vous remettra sur cette route
Qui mène à la vérité.
Venez à Jésus ! Il vous protège,
Vous qui priez le Père humblement.
Vos lourds fardeaux toujours il allège.
Ses anges veillent vraiment.1
Ambarako miaraka amin’ireo Rahalahiko Apôstôly fa vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy Tompo aho. Miverina foana ny fanamafisana izany fijoroana ho vavolombelona izany isaky ny mahatsapa ao anatiko na ao anatin’ny hafa ilay fahadiovana entin’ilay sorona masina nataony aho. Marina ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ananan’ny Rahalahiko. Fantatray ny Tompo. Tsy vahiny amin’ireo mpaminaniny sy mpahitany ary mpanambarany Izy.
Fantatro fa tsy lavorary ianao saingy mandroso eo amin’ilay lalana ianao. Mahereza hatrany. Fantaro fa izay olona manana vatana dia manana hery amin’ ny olona tsy manana.2 Tsy nomena vatana i Satana; noho izany raha toa ianao ka sendra eo anatrehan’ny fakam-panahy, dia fantaro fa matanjaka noho ireo fakam-panahy ireo ianao raha toa ka mampihatra ilay fahafahana misafidy izay nomena an’i Adama sy Eva tao amin’ ny saha ary nampitaina tamin’ity taranaka ity.
Raha toa ka miandrandra amim-panantenana sy amim-paniriana ny hanao izay tian’ny Tompo hataonao ianao—dia izay no hany andrasana aminao.