Tsy fahotana ny fananana fahalemena
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Tsy fahotana ny fananana fetram-pahafahana manao zavatra sy ny fananana fahalemena ary tsy manakana antsika tsy hadio sy ho mendrika ny hanana ny Fanahy izany.
“Moa ve aho tena mendrika ny hiditra ny tranon’Andriamanitra? Ahoana moa no ahafahako miditra any raha toa aho ka tsy lavorary?”
“Azon’Andriamanitra ovaina ho tanjaka tokoa ve ny fahalemeko? Nifady hanina sy nivavaka nandritra ny andro maro aho mba hialan’izany olana izany amiko, saingy toa tsy nisy fiovana.
“Niaina tsy tapaka bebe kokoa ny filazantsara mihoatra noho ny tamin’ ny fotoana hafa teo amin’ ny fiainako aho tany amin’ ny sahan’ny misiona, saingy tsy mba nieritreritra bebe kokoa mikasika ny fahalemeko izany mihitsy aho. Nahoana, satria rehefa tsara ny zavatra nataoko, moa ve indraindray aho nahatsapa ho tsy mahazo aina?”
Rehefa mandinika fanontaniana toy izany isika, dia zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia mampanalavitra antsika tokoa amin’Andriamantira aza ny fahotana dia tsy araka ny fieritreretana azy fa dia afaka mitarika antsika hanatona Azy ny fahalemena.
Fanavahana ny fahasamihafana misy eo amin’ ny fahotana sy ny fahalemena
Mihevitra isika amin’ ny ankapobeny fa samy hafa tsotra fotsiny ny halehiben’ny faharatsiana entin’ny fahotana sy ny fahalemena ao amin’ ny fanahintsika, ary tsy mitovy ny halehibeny eo amin’ ny lafin’ny fandikan-dalàna. Saingy ny soratra masina dia milaza fa efa mifono tsy fitoviana mihitsy ny fahotana sy ny fahalemena ary mitaky fanafana samy hafa ary samy afaka mitondra vokany samy hafa.
Ny ankamaroantsika dia mahafantatra bebe kokoa ny fahotana na dia tsy miaiky izay loatra aza isika, kanefa ndeha hiverenana ny famaritana azy: ny fahotana dia safidy tsy hankatò ny didin’Andriamanitra na fikomiana amin’ ny Fahazavan’i Kristy ao anatintsika. Ny fahotana dia safidy ny hatoky an’i Satana fa tsy Andriamanitra, ka mametraka ny tenantsika ho fahavalon’ny Raintsika isika. Tsy tahaka antsika kosa i Jesoa Kristy fa tena tsy nanam-pahotana mihitsy ary nanao sorona ho an’ny fahotantsika. Rehefa mibebaka amin-kitsimpo isika—ka tafiditra ao anatin’izany ny fiovan’ny saintsika, ny fontsika ary ny fihetsika asehontsika; ny fanaovana fialan-tsiny sy fibabohana araka ny tokony ho izy; ny fanarenana ny tsy mety raha azo atao ary ny tsy famerenana izany fahotana izany intsony amin’ ny hoavy—dia azon’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy iasana isika, voavelan’Andriamanitra ary madio indray.
Tena ilaina ny madio satria tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra eo anatrehan’Andriamanitra. Saingy raha toa ny hany tanjontsika dia ny ho tsy hanan-tsiny tahaka antsika fony niala teo anatrehan’Andriamanitra, dia ho tsara kokoa ho antsika ny matory tsara ao anatin’ny fandrianjazantsika mandritra ny androm-piainantsika sisa. Saingy tonga tety an-tany kosa isika mba hianatra amin’ ny alalan’ny fahalalam-piainana hanavaka ny tsara sy ny ratsy, hitombo fahendrena sy fahaiza-manao, hiaina soatoavina izay hajaintsika ary hanao izay hananana ireo toetra masina—fivoarana izay tsy ho azontsika tanterahina ao anatin’ny faritry ny fandrianjaza ahazoana aina tsara.
Manana anjara toerana lehibe ao anatin’ireo tanjona manan-danja eto amin’ ny fiainana an-tany ny fahalemen’ny olombelona. Rehefa niahiahy i Môrônia hoe hahatonga ireo jentilisa handrabiraby zavatra masina ny fahalemeny eo amin’ ny fanoratana dia nanome toky azy tamin’ ny alalan’ireto teny ireto ny Tompo:
“Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27; jereo koa ny 1 Korintiana 15:42–44; 2 Korintiana 12:7–10; 2 Nefia 3:21; sy Jakôba 4:7).
Ny hevitra fonosin’izany soratra masina faheno mahazatra izany dia lalina ary manasa antsika hanavaka ny fahotana (tohanan’i Satana) amin’ ny fahalemena (faritana eto ho toy ny toetra “omen’”Andriamanitra antsika).
Mety faritantsika ho toy ny tsy fahampian’ny fahendrena sy hery ary fahamasinana izay azo amin’ ny maha-olombelona ny fahalemena. Amin’ ny maha-olona mety maty antsika dia malemy sy mila miankina amin’ ny hafa isika rehefa teraka ary ahitana tsy fahalavorariana ara-batana sy toetra mora mirona amin-javatra. Tezaina sy voahodidin’ny olona mety maty hafa izay manana fahalemena isika ka tsy araka ny tokony ho izy ny fampianarany sy ny ohatra asehony ary ny fitondrany antsika ary indraindray manimba mihitsy aza. Ianjadian’ny aretina ara-batana sy ara-pihetsehampo ary hanoanana sy havizanana isika ao anatin’ilay toetra maha-malemy sy mety maty antsika. Miaina ireo fihetsehampo ananan’ny olombelona isika toy ny hatezerana, alahelo, tahotra. Tsy ampy fahendrena, fahaiza-manao, hery haharetana ary tanjaka isika. Ary voahodidin’ny fakam-panahy maro isan-karazany isika.
Na dia tsy nanam-pahotana aza i Jesoa Kristy, dia nanana tanteraka toa antsika ilay fahalemena izay toetran’ny olona mety maty (jereo ny 2 Korintiana 13:4). Teraka toy ny zazakely malemy tao anatin’ny vatana mety maty Izy ary notezain’ny mpikarakara tsy tonga lafatra. Nila nianatra nandeha, niteny, niasa ary nifanara-tsaina tamin’ ny hafa Izy. Niaina hanoanana sy havizanana ary nahatsapa ireo fihetsehampon’ny olombelona Izy ary afaka narary, nijaly, nivoa-dra ary nandalo fahafatesana. Izy dia “efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanana ota,” nampirotsaka ny tenany hiaina ny fiainana an-tany mba hahafahany “mahatsapa ny rofintsika” ary hahafahany manampy antsika eo anatrehan’ny rofintsika na ny fahalementsika (Hebreo 4:15; jereo koa ny Almà 7:11–12).
Tsy afaka mibebaka tsotra fotsiny izao isika satria hoe manana fahalemena—ary tsy mahatonga antsika haloto koa ny fahalemena. Tsy afaka mivoatra ara-panahy isika raha tsy mandà ny fahotana, saingy tsy mivoatra ara-panahy koa isika raha tsy manaiky ilay toetry ny fananan’ny olombelona fahalemena, dia mandray andraikitra eo anatrehan’izany amim-panentretena sy amim-pinoana ary mianatra matoky an’Andriamanitra amin’ ny alalan’ny fahalementsika. Rehefa niahiahy mikasika ny tsy fahatomombanan’ny zavatra nosoratany i Môrônia dia tsy nasain’Andriamanitra nibebaka Izy. Fa nampianarin’ny Tompo kosa izy mba hanetry tena sy hanana finoana an’i Kristy. Rehefa malemy fanahy sy mahatoky isika dia omen’Andriamanitra fahasoavana—fa tsy famelan-keloka—ho fanafodin’ny fahalementsika. Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mamaritra ny fahasoavana ho toy ny hery mampahatanjaka avy amin’Andriamanitra mba hanaovana ny zavatra tsy vitan’ny tenantsika irery (jereo ao amin’ ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny hoe, “Fahasoavana”)—ilay fanafody avy amin’Andriamanitra izay ahafahany manao “ny zavatra malemy ho tonga matanjaka.”
Mampihatra fanetrentena sy finoana
Vao miantomboka mihitsy ny fanarahantsika ny Fiangonana, dia ampianarina mikasika ireo singa manan-danja mandrafitra ny fibebahana isika, saingy inona marina ny fomba ataontsika mba hampitomboana ny fanetrentena sy ny finoana? Hevero ny mba hanao ireto zavatra manaraka ireto:
-
Mandiniha sy mivavaha. Noho isika malemy dia mety tsy fantatsika raha toa isika ka miatrika fahotana (izay mitaky fanovana haingana sy tanteraka ny saina sy ny fo ary ny fitondrantena) na fahalemena (izay mitaky ezaka tsy tapaka sy mifono fanetrentena, fianarana ary fivoarana). Ny fomba fandraisantsika ireo zavatra ireo dia miankina amin’ ny fomba nitaizana antsika sy ny fahamatorantsika. Mety sady ahitana singa avy amin’ ny fahotana no ahitana singa avy amin’ ny fahalemena mihitsy ao anatin’ny fitondrantena anankiray. Ny filazana hoe tena fahalemena ny fahotana dia mitondra any amin’ ny fanamarinan-tena fa tsy any amin’ ny fibebahana. Ny filazana hoe fahalemena ny fahotana dia mety hiteraka fahamenarana, fanomezan-tsiny, fahakiviana, ary fandavana ireo fampanantenana nataon’Andriamanitra. Manampy antsika hahay hanao ireo fanavahana ireo ny fisaintsainana sy ny vavaka.
-
Ataovy izay tokony ho lohalaharana. Tsy afaka manao izay fanovana rehetra tokony hatao ao anatin’ny indray mandeha isika satria manana fahalemena. Rehefa miezaka ny mandresy tsikelikely amim-panetrentena sy amim-pahatokiana ny lafiny vitsivitsy eo amin’ ny fahalementsika olombelona isika dia afaka mampihena ny tsifahalalantsika, mampandeha ho azy ny fanarahana ireo lamina mahasoa, mampitombo ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetsehampo sy ny hery ahafahantsika maharitra ary mampatanjaka ny fahatokiantsika ny Tompo. Afaka manampy antsika hahafantatra hoe aiza no tokony hanombohana izany Andriamanitra.
-
Manaova Drafitra. Hitaky zavatra bebe kokoa noho ny faniriana tsara sy fifehezan-tena be dia be ny fahazoana tanjaka bebe kokoa satria manana fahalemena isika. Isika koa dia mila manao drafitra, mianatra avy amin’ ny fahadisoana, mandrindra tetikady mahomby kokoa, mamerina mandinika ny drafitra nataontsika ary manandrana indray. Mila fanampiana avy amin’ ny soratra masina sy ireo boky mahasoa ary avy amin’ ny olona hafa isika. Manomboka amin’ ny zavatra kely isika dia mifaly amin’ ny fivoarana ary mankahatra kinanga (na dia fantatsika aza fa mahatonga antsika hahatsapa ho mora voadona sy malemy izy ireny). Mila fanohanana isika mba hanampy antsika hanao safidy tsara na dia rehefa reraka sy kivy aza isika ary mila manao drafitra mba hiverenana amin’ilay lalana indray rehefa solafaka.
-
Manàna faharetana. Mety mitaky fotoana maharitra ny fiovana satria manana fahalemena isika. Tsy hatsahatsika tsotra fotsiny toy ny fomba hampitsaharantsika ny fahotana ny fahalementsika. Ny mpianatra manetry tena dia manao amim-pahavononana izay zavatra takina, mianatra faharetana, miezaka hatrany ary tsy milavo lefona. Manampy antsika hanana faharetana amin’ ny tenantsika sy amin’ ny hafa izay manana fahalemena koa ny fanetrentena. Ny faharetana dia fanehoana ny finoantsika ny Tompo, fankasitrahana ny fahatokiany antsika ary fahatokiana ireo fampanantenany.
Mbola malemy ihany anefa isika na dia mibebaka amin-kitsimpo aza sy mahazo famelan-keloka ary lasa madio indray. Mbola andairan’ny aretina, ny fihetsehampo, ny tsifahalalana, ny toetra mora mirona amin-javatra, harerahana ary fakam-panahy isika. Saingy tsy fahotana ny fananana fetram-pahafahana manao zavatra sy ny fananana fahalemena ary tsy manakana antsika tsy hadio sy ho mendrika ny Fanahy izany.
Fahalemena lasa tanjaka
Raha toa ka mifofotra mampiasa ny fahalementsika mba hitarihana antsika hanota i Satana dia afaka mampiasa ny fahalemen’ny olombelona mba hampianarana sy hampatanjahana ary hitahiana antsika Andriamanitra. Tsy araka ny fanantenantsika azy anefa ny zava-miseho satria Andriamanitra dia tsy hoe “manao ny zavatra malemy ho tonga matanjaka” eo amintsika foana amin’ ny alalan’ny fanesorana ny fahalementsika. Rehefa nivavaka imbetsaka tamin’Andriamanitra i Paoly Apôstôly mba hanesorana ilay “tsilo tamin’ ny nofo” izay nampiasain’i Satana hampijaliana azy dia hoy Andriamanitra tamin’i Paoly hoe, “Ampy ho anao ny fahasoavako: fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena” (2 Korintiana 12:7, 9).
Maro ireo fomba entin’ny Tompo “hanaovana ny zavatra malemy ho tonga matanjaka.” Na dia afaka manaisotra ny fahalemena amin’ ny alalan’ny fanasitranana goavana izay antenaintsika aza Izy dia mahalana ihany izany raha ny zavatra efa niainako manokana. Ohatra, tsy nahita porofo aho hoe nesorin’Andriamanitra ny fahalemen’i Môrônia rehefa nanoratra ilay andininy malaza tao amin’ ny Etera 12 izy. Mety afaka manao ireo zavatra malemy ho tonga matanjaka koa Andriamanitra amin’ ny alalan’ny fanampiana antsika handresy ny fahalementsika, hanana toetra mijery ny lafy tsarany sy mandanjalanja tsara mikasika azy ireo, ary hanao ezaka tsikelikely eo anatrehan’izy ireo rehefa mandeha ny fotoana. Matetika koa mifandray ny tanjaka sy ny fahalemena (toy ny tanjaky ny faharetana sy ny fahalemen’ny di-doha), ary afaka mianatra manome lanja ny tanjaka sy mampihena ny fahalemena mifandray amin’izany isika.
Misy fomba iray hafa mahery vaika kokoa entin’Andriamanitra manao ny zavatra malemy ho tonga tanjaka eo amintsika. Hoy ny Tompo tamin’i Môrônia tao amin’ ny Etera 12:37 hoe: “Ary noho ianao efa nahita ny fahalemenao dia hohatanjahina ianao, hipetraka mihitsy ao amin’ ny fitoerana izay efa nomaniko any amin’ ny fonenan-draiko.”
Eto Andriamanitra dia tsy manolo-tanana hanova ny fahalemen’i Môrônia fa manolo-tanana hanova an’i Môrônia. Rehefa miezaka mandresy ny olan’ny fahalemen’ny olombelona isika sy—i Môrônia—dia afaka mianatra momba ny fiantrana, ny fangorahana, ny halemem-panahy, ny faharetana, ny herimpo, ny fahari-po, ny fahendrena, ny hery ahafahana maharitra, ny famelan-keloka, ny fankasitrahana, ny fahaiza-mamorona ary hatsaran-toetra maro hafa izay mamolavola antsika hitovy bebe kokoa amin’ ny Raintsika any an-danitra. Hampivoatra ireo toetra tsara ireo no nahatongavantsika ety an-tany, toetra nananan’i Kristy izay manomana antsika ho any amin’ilay fonenana any ankoatra.
Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny hery manavotra ananany dia tsy hita miharihary kokoa na aiza na aiza noho ny ao anatin’ny fahaizany manova ireo fahalemen’ny olombelona manahirana antsika ho toetra masina sy tanjaka sarobidy izay mahatonga antsika hitovy bebe kokoa Aminy.