Sehatra ho Antsika
Ireo mpamono afo sy ny fiadian’Andriamanitra
Tony sy nilamina ny tao amin’ ny toeram-piasako tamin’izay andro izay, mpamono afo mpilatsaka an-tsitrapo no asako tamin’izany, ka nanapa-kevitra aho hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nahita ahy namaky ny iray tamin’ ny mpiara-miasa tamiko dia nanontany raha toa ka haiko ny fomba hitafiana ny fiadian’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao. Raha mbola niresaka izahay dia injao naneno ny anjombona fanairana. Nisy tranombarotra may teo akaiky teo.
Natsofokay faingana ny akanjo sy ny fitaovana entina rehefa mamono afo ka nankany an-toerana avy hatrany izahay. Lehibe tokoa ny lelafo, ka nisy zavatra nipoaka nifanandrify tamin’ ny faritra nisy anay rehefa iny nanatona ilay tranom-barotra iny izahay. Voahodidin’ny lelafo izahay. Badenin’ilay fipoahana izaho sy ilay mpiara-miasa tamiko ka tsy hitanay izay natao nandritra ny segaondra vitsy. Soa ihany anefa fa teo ireo fitaovana sy akanjo niaro anay ka tsy naratra izahay.
Nony tafaverina tany amin’ ny toby izahay rehefa avy namono ilay afo dia nanontaniako ilay mpiara-miasa tamiko raha toa ka tsaroany ilay fanontaniany momba ny fiadian’Andriamanitra. Tsaroany hoy izy, ka nohazavaiko taminy fa mitovy amin’ireo fitaovana sy akanjo fiarovanay ny fiadian’Andriamanitra. Tsy maintsy mitondra sy miankanjo izany lalandava isika mba hahafahantsika miatrika ny fanafihana mahery vaika ataon’ny fahavalo. Rehefa mitandrina ny didy isika dia homena ilay hery miaron’ny fiadian’Andriamanitra ary ny Fanahy Masina no ho mpitarika antsika.
Nosoratan’i Fernando de la Rosa Marrón, Mexique
Ny soratra masina tiako indrindra
1 Samoela 16:7. “Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).
Talohan’ny naha-mpikambana ahy, dia nihevitra ny tenako lalandava ho tahaka ny olon-tsotra manana fahaiza-manao mitovy amin’ ny an’ny rehetra aho. Nahatsapa aho fa tsy mba nanan-javatra miavaka hatolotra. Natahotra ny hampahafantatra ny olona ny amiko aho noho ny tahotra ho voailikilika sy ho voaratra. Nihevitra aho fa ny olona rehetra nanodidina ahy dia matanjaka, sy mahay kokoa, ary tsara kokoa noho izaho.
Kanefa niova daholo ireny fomba fijery ireny rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Aho. Nianatra aho fa zanak’Andriamanitra avokoa isika rehetra ary nandova ireo toetra araka an’Andriamanitra. Takatro amin’izao fotoana izao fa tsy misy fifaninanana ny amin’ ny hoe iza no mahay, sy manankarena, na tsara tarehy kokoa. Mitovy isika rehetra eo imason’ny Tompo, ary Izy irery ihany no mitsara—tsy mifototra amin’ ny lafiny ara-batantsika izany fa amin’ ny fankatoavantsika sy ny faniriantsika hanaraka ny lalana nosoritany kosa.
Nosoratan’i Azucena, Philippines
Hiasa ve ianao amin’ ny alahady?
Nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka ny amin’ ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho fony 15 taona, ary tena faly be rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Niasa aho tamin’izany hitondrana fanampiana teo amin’ ny famelomana ny fianakaviana. Tsy ela akory taorian’ny nahavitan’ny batisako anefa dia voaroaka tamin’ ny asako aho.
Nila nahita asa faran’izay haingana aho satria niankina tamiko ny fianakaviako, saingy nitaky ny hiasako alahady daholo ny asa rehetra hitako. Nandà tolotr’asa maro aho satria nahafantatra fa mila mandeha any am-piangonana rehefa alahady. (jereo ny F&F 59:9–10).
Afaka roa volana nitadidiavana asa dia mbola tsy nahita foana aho. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny reniko, ary na dia mino an’Andriamanitra aza izy, dia tezitra be mihitsy ny amin’ ny nandavako asa be dia be.
Nijery ahy tamin-dranomaso izy indray alina ka nanontany hoe: “Nahoana Andriamanitra no mamela izao hitranga amintsika kanefa ianao tena mahatoky amin’ ny fanaovana ny marina?”
“Neny a! tsy fantatro hoe nahoana no mitranga amintsika izao, kanefa fantatro fa manao izay marina aho, ary fantatro fa hitahy antsika Andriamanitra noho izany”, hoy aho namaly.
Ny ampitso marainan’iny dia nisy olona nanolotra vola be ho ahy ho sandan’ny fitaterana entana mavesatra maromaro avy ao amin’ ny trano iray mankany amin’ ny trano iray hafa mandritra ny roa andro. Mafy be ilay asa, kanefa rehefa nandray ilay vola aho dia nody avy hatrany ka nanolotra vavaka feno fankasitrahana. Tsy ela akory dia nahita asa tsy mampiasa ahy amin’ ny andro alahady aho, ary nanana asa foana nanomboka tamin’izay.
Faly aho tamin’ ny nisafidianako ny hitandrina ny Sabata ho masina. Feno fisedrana ny fiainana, kanefa fantatro fa hotahian’ny Tompo isika raha toa ka miezaka ny ho matanjaka na dia eo aza ireo fisedrana.
Nosoratan’i Sahil Sharma, Inde