Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana tamin’ ny volana aprily 2014 hoe: “Amin’ireo lesona rehetra ianarantsika avy amin’ ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy misy mazava sy mahery kokoa noho ny lesona momba ny fankatoavana.” Tsy ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny Ray ihany no ampianarin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika fa ny fomba ahafahantsika mankatò ihany koa. Rehefa mandalina ireto ohatra manaraka ireto ianao izay notsongaina tamin’ ny asa fanompoany dia eritrereto ny fomba mety hanoritan’izany ny lalana tokony harahinao eo amin’ ny fiainanao.
1. Na dia tsy nanota aza i Jesoa dia nekeny ny hatao batisa, “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:13–17 ; jereo ihany koa ny 2 Nefia 31:4–7 ; Jaona 3:5 ).
2. Tamin’i Jesoa feno 12 taona, rehefa hitan’i Josefa sy i Maria nampianatra teo an-kianjan’ny Tempoly Izy, dia “nanoa azy ireo” Izy ka niara-nody tamin’izy ireo tamim-pankatoavana (jereo ny Lioka 2:42–51 ).
3. Na dia nangataka ny hanesorana ilay kapoaka Taminy aza Izy, dia naleony ihany niaritra ny fanaintainana tao amin’ ny Sahan’i Getsemane (jereo ny Matio 26:36–44 ; Lioka 22:39–54 ).
4. Nanaja ny andro Sabata Izy ary nanatrika ireo fotoana rehetra tao amin’ ny synagoga (jereo ny Lioka 4:16–44 ).
5. Nanaiky ny hotsarain’olombelona i Jesoa mba hahatanteraka ny asa sy ny voninahitry ny Ray (jereo ny Isaia 53:7 ; Matio 26:53 ; Mosesy 1:39 ).
6. Tontosany ny asany tamin’ ny namelany ireo olon-dratsy hanombo Azy teo amin’ ny hazo fijaliana (jereo ny Matio 27:35 ; Jaona 10:17–18 ; Galatiana 1:3–5 ).
7. Noho ny fankatoavany hatrany ny Rainy, dia nandeha tany amin’ ny tontolon’ny fanahy i Jesoa ka nandrindra ny asa fitoriana tany (jereo ny 1 Petera 3:18–20 ; 4:6 ).
8. Nalain’i Satana fanahy Izy kanefa tsy nilefitra tamin’izany (jereo ny Matio 4:1–11 ; F&F 20:22 ).
9. Manohy manao ny sitrapon’ny Rainy Izy sady mitarika ny Fiangonana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ; F&F 19:2, 24 )
Hoy ny Loholona Hales hoe: “Nampianatra antsika hankatò tamin’ ny teny tsotra izay mora takarina i Jesoa: ‘Raha tia Ahy Hianareo, dia hitandrina ny didiko’ [Jaona 14:15 ], ary ‘Avia, manaraha ahy’ [Lioka 18:22 ]. Inona no hataonao anio mba hahatonga anao ho mpankatò bebe kokoa?
“Koa satria nankatò ny Mpamonjy antsika dia nanao sorona noho ny fahotantsika Izy, ka nanao izay hahatanteraka ny fitsanganantsika amin’ ny maty ary nanomana ny lalana hiverenantsika any amin’ ny Raintsika any an-danitra, izay nahafantatra fa hanao fahadisoana isika eo am-pianarantsika mankatò eto amin’ ny fiainana an-tany. Rehefa mankatò isika dia manaiky ny sorona nataony satria mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansy ary ireo didy ao amin’ ny filazantsara.”
Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “‘Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko,’” Liahona, mey 2014, 35.