“Ahoana no ahafahan’ny Tompo manome hery ahy hanao zavatra mahatalanjona?,” Liahona, mar. 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Ahoana no ahafahan’ny Tompo manome hery ahy hanao zavatra mahatalanjona?
Mety ho asaina manao zavatra izay tsy tena azontsika antoka isika mandritra ny androm-piainantsika rehefa manatona kokoa an’i Kristy sy mianatra mihaino ny feon’ny Fanahy. Tahaka an’i Petera nandeha tambony rano dia afaka ny hahazo hery hanaovana zavatra izay toa tsy ho azo tanterahina mihitsy isika rehefa mifantoka amin’i Kristy sy, araka ny nampianarin’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “miaina amin’ny finoana fa tsy amin-tahotra” (“Live by Faith and Not by Fear,” Liahona, Nov. 2007, 70).
Sahanasa
Vakio ny Matio 14:22–33 ary tanisao ny zavatra niainan’i Petera.