Liahona
Mahita fahafenoana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Janoary 2024


“Mahita fahafenoana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Liahona, jan. 2024.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Mahita fahafenoana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Manana fahalalahana indray, fotoana fanararaotra hanaovan-javatra, ary fahafahana hiaina zavatra mampientanentana aho noho ireo zanako efa ary elatra avokoa. Koa nahoana aho no tsy nahatsapa ho niadana? Inona no tsy ampy?

tananan’ny Mpamonjy mitolotra amina reny manan-janaka lahy misiônera izay manatona olona mety ho lasa mpikamban’ny Fiangonana

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Nirotsaka ny ranomasoko raha nivavaka aho mba handray fiadanam-po rehefa nameno ny taratasy firotsahany ho misiônera ilay faralahiko. Naniry fatratra ny handehanany mitory ny filazantsara aho. Tena naniry tokoa. Tsy nitsahatra nandresy lahatra ny tenako hanaiky izany aho.

Tiako ny Mpamonjiko ary tena nampientanentana ahy ny fahafahan’ny zanako lahy hizara ny fifaliana afaka ny ho hitantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Kanefa tao anatiko tao dia natahotra ny handehanany aho. Fantatro fa tsy dia tena hiverina ato an-trano intsony izy aorian’ny asa fitoriana ataony. Na dia honina ato an-trano aza izy dia tsy ho toy ny taloha intsony.

Nilaza tamiko ireo namako fa dingam-piainana mahafinaritra ny manan-janaka ary elatra. Nientanentana ery izahay mivady ary tsy andrinay izay hananana fahalalahana sy fotoana fanararaotra hanaovan-javatra izay tsy nanananay nandritra ny fotoana nitazainay ireo zanakay.

Noho izao fahalalahana indray izao dia lasa revo nanao zavatra maro be aho. Nanao dia lavitra niaraka tamin’ny vadiko aho, nianatra nitendry ôrga noho ny antsoko, niara-nilalao tamin’ireo zafikeliko ary nanao asa atao any amin’ny tempoly sy asa mahakasika ny tantaram-pianakaviana.

Nientanentana sy niaina zavatra tsy fanaoko aho. Nahita fivoaran’ny tena manokana aho. Nahita zavatra mahafinaritra maro aho.

Kanefa nisy zavatra banga hatrany. Nisy zavatra tsy ampy hatrany. Rehefa lasa ilay zanako lahy dia toa namela fahabangana lalina toa tsy hay fenoina tao am-poko izy.

Erin-taona teo ho eo taorian’ny nandehanan’ilay zanako lahy dia nila vaniny sahala amin’ireny nataon’ny zanako fahakeliny ireny aho. Nibanjina ahy ilay vadiko sady niteny hoe: “Michelle a! Mila manompo ianao.” Nirotsaka hanao asa fanompoana aho.

Fa mbola naharary ihany ny foko. Sahirana tokoa aho nandray anjara tamina asa fanompoana na izay mety ho fanasana hafa hanao asa. Noho ny fandehanan’ireo zanako rehetra dia tsapako ho toa tsy ho feno toy ny taloha intsony ny fiainako.

Indray alina aho raha nitalaho fanampiana dia nilaza tamiko ny Fanahy fa niaina fahabangana avy amina fahaverezan-javatra aho, dia ny fahaverezana tanjona izany. Noheveriko hoe efa nositraniko tamin’ny alalan’ny famenoana ny fiainako tamin’ireny zavatra natao mahafinaritra rehetra ireny izany alahelo manokana izany.

Mikatsaka valiny

Teo am-pikatsahako valiny dia sendra ity fanambarana avy tao amin’ny tantaran’ny Mpaminany Joseph Smith ity aho: “Rehefa tsy eo intsony ny [zavatra na olona] izay nametrahantsika ny fontsika dia tokony ho fampitandremana antsika izany … Tokony ho amin’ Andriamanitra sy ny asany bebe kokoa ny firaiketam-pontsika fa tsy amin’ireo mpiara-belona amintsika.”1

Nisy tara-pahazavana nanagorobaka ilay foko novesaran’alahelo. Niezaka aho nanototra ilay lavaka mangotanatanan’alahelo tamin-javatra sy asa ary zavatra niainana maro toy ny fanompoana sy fanehoam-pitiavana ary fandrantoana talenta. Zavatra tsara avokoa ireny saingy tsy nanototra ilay fahabangana tao anatiko. Tsy nanasitrana ahy tamin’ny fomba nilako fanasitranana izy ireny.

Tonga saina aho fa izany karazana fiadanana sy fahafenoana izany dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy. Nampianatra i Jesoa hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Amin’ny alalany irery ihany no hahitantsika fifaliana sy fahafenoana ary fiadanana sy fahasambarana. Milaza ny Salamo 16:11 fa: “Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao.”

Ny fiovako

Tsy niova teo no ho eo ny fiainana. Tsy niova teo no ho eo ny foko. Fa fantatro fa voatery hiova ny fifantohako mba hitrangan’izany.

Niova ireo vavaka nataoko. Nanomboka nangataka ny Raiko any An-danitra aho mba hanampy ahy hanorina fifandraisana matanjaka kokoa amin’ny Mpamonjy ahy. Isaky ny miraviravy tanana aho dia iniako ampahatsiahivina ny tenako fa i Jesoa Kristy dia eo ho ahy, ary Izy dia manampy ahy amin’ny alalan’ny fahasoavana avy amin’ny herin’ny sorona manavotra nataony. Lasa nifantoka kokoa tamin’ny fanamafisana orina ny fifandraisako Aminy ny fandalinako soratra masina. Naharitra ela izany, kanefa tsy nilavo lefona aho tamin’ny fampifantohana ny fihetseham-poko sy ny heriko ary ny eritreritro tany amin’i Jesoa Kristy.

Rehefa nanao izany aho dia nanomboka nisindra ilay haizina nikitroka. Nahita fahafinaretana kokoa aho tao amin’ireo asa fanompoana kely sy fanehoam-pitiavana ataoko isan’andro. Nanilo ny lalako sy nameno ilay banga tao am-poko ny fahazavana sy ny fanantenana. Ny fanaovana ny Mpamonjy ho lohalaharana dia nampisy dikany lalina kokoa sy nitondra fahafinaretana tamin’ny lafin-javatra rehetra teo amin’ny fiainako, nanomboka tamin’ny fanokanana fotoana iarahako amin’ny fianakaviako sy ny fanaovana dia mba hampivelarana ireo talentako. Zary niroborobo ny zava-drehetra rehefa i Kristy no nifantohana.

Miavaka ny lalan-kizoran’ny olon-drehetra mamakivaky ireo fotoana miovaova eo amin’ny fiainana. Kanefa ny vahaolana ho an’ireo alahelontsika dia ny mamaly ilay antson’i Kristy raha niteny Izy hoe: “[Manatòna] Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana [anao]” (3 Nefia 18:32). Amin’ny alalany irery ihany no hahitantsika fanasitrana, fiadanana sy fitiavana ary fifaliana.

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.