Liahona
Lasa vavolombelona
Janoary 2024


“Lasa vavolombelona,” Liahona, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Lasa vavolombelona

Sary
I Môrônia mampiseho an’i Mary Whitmer ireo takela-bolamena

Mary Whitmer and Moroni [I Mary Whitmer sy i Môrônia], nataon’i Robert Pack

Tamin’ny lohataonan’ny 1829, i Mary sy i Peter Whitmer dia nandray an’i Joseph sy i Emma Smith ary i Oliver Cowdery tao an-tokantranony mba hahafahana mamita ny fandikana ireo takela-bolamena. Nitaky zavatra betsaka tamin’i Mary izany. Nikarakara olona sivy izy tao an-tokantranony ary nanampy ireo zanany efa nanam-bady izay nipetraka tsy dia lavitra teo.

Lasa vavolombelona ôfisialy nanambara momba ireo takela-barahina ny zanakalahy dimy sy ireo vinantolahiny anankiroa (nony farany) tamin’ny jona 1829. Tamin’io volana io ihany, i Mary dia nandray tenivavolombelona ho an’ny tenany manokana.

Teo ivelan’ny tranony dia nisy lehilahy iray izay manopy volombatolalaka ny volony niantsoroka kitapo nanatona an’i Mary sady niteny hoe: “Môrônia no anarako. Lasa reraka be ihany ianao noho ireo asa fanampiny izay tsy maintsy ataonao.” Nesoriny teny an-tsorony ilay kitapo, dia hoy i Môrônia nanohy: “Nahatoky sy nazoto tokoa ianao tamin’ireo asa nataonao. “Koa dia mety raha mandray tenivavolombelona amin’izay ianao mba hahafahan’ny finoanao ho mafy orina.” Nasehon’i Môrônia avy eo ny tao anaty kitapony, dia ireo takela-bolamena izany.1

Lasa vavolombelona manambara ny amin’ireo takela-bolamena i Mary, tahaka Ireo vavolombelona telo sy Ireo vavolombelona valo, izay voarakitra ao amin’ireo pejy ao amin’ny pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna. Ny fanetrentena sy ny fahazotoana nanan’i Mary dia nanomana azy ho vavolombelona. Tsy voasoratra ao amin’ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna ny tenivavolombelony ary tsy eo amin’ireo takelaka na tsangambato ny anarany, sady ankavitsiana ny Olomasina mahafantatra na mieritreritra momba azy. Na dia toa vitsy mpahita aza ireo anjara biriky nentiny tao an-tokantranony sy teo anivon’ny ankohonany, dia fantatr’Andriamanitra ireny.

Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ny Tompo dia mitsara amin’ny fomba izay mifanipaka tanteraka amin’ny fomba fitsarantsika. Faly amin’ny mpanompo mendri-kaja Izy, fa tsy faly amin’ny andriana manompo tena.

“Ireo izay manetry tena mandritra ity fiainana ity dia hiloloha satro-boninahitra amin’ny fiainan-koavy.”2

Nadika ho Bokin’i Môrmôna ankehitriny ny rakitsoratr’i Môrônia ka afaka mandray tenivavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany isika araka ilay fampanantenana navelan’i Môrônia ao amin’ireo pejy faran’izany: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4).

Moa ve ianao efa nahatsapa hoe lehibe ny enta-mavesatra entinao kanefa toa tsy misy mpiraharaha ireo ezaka ataonao? Mahafantatra anao ny Ray any An-danitra, ary fantany ny zava-tsoa ataonao. Rehefa mandehandeha manao soa ianao (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:38), manompo tsy mila dera, ary mandalina soratra masina, dia afaka ny hanamafy ny fahamarinan’ny filazantsara aminao ny Fanahy Masina.

Ireo zanak’i Mary sy i Peter Whitmer Rainy

Christian Whitmer

Jacob Whitmer

John Whitmer

David Whitmer

Catherine Whitmer (Page)

Peter Whitmer

Elizabeth Ann Whitmer (Cowdery)

Iray tamin’ireo Vavolombelona Valo

Iray tamin’ireo Vavolombelona Valo

Iray tamin’ireo Vavolombelona Valo

Iray tamin’ireo Vavolombelona Telo

Nanambady an’i Hiram Page, iray tamin’ireo Vavolombelona Valo

Iray tamin’ireo Vavolombelona Valo

Nanambady an’i Oliver Cowdery, iray tamin’ireo Vavolombelona Telo

Fanamarihana

  1. Jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 70–71.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Édifiez là où vous êtes,” Liahona, Nov. 2008, 56.

Hamoaka printy