“Mandresy ny tsy fananan-tanjona ara-panahy—Inona izao no hataoko?,” Liahona, jan. 2024.
Tanora
Mandresy ny tsy fananan-tanjona ara-panahy—Inona izao no hataoko?
Tsy mba tsy manan-tanjona na oviana na oviana isika rehefa mandroso manatona an’i Jesoa Kristy.
Nampientanentana ahy ery ny niditra tamin’ny tontolon’ny tanora. Vonona ny hanomboka hanorina ilay fiainana niriako hatrizay aho. Nanao asa fitoriana tany Brezila aho ary avy eo dia nianatra teny amin’ny oniversite rehefa nody. Azoko ny diplaomako, nahita asa aho ary niezaka mafy niaina araka ny maha mpianatr’i Kristy ahy.
Ary mbola eo amin’io dingam-piainana io aho amin’izao. Manao izay tsara indrindra vitako fotsiny mba hanarahan-dia an’i Jesoa.
Feno fankasitrahana aho noho ireo fahafaha-manao zavatra sy ireo fitahiana azoko hatreto. Saingy rehefa manao jery todika aho ka mahita fa nataoko daholo ireo fanekempihavanana azoko natao hatreto (ankoatra ny fanambadiana) ary nahatratra ireo fivoarana lehibe nataoko tanjona hatrizay, dia mahatsapa ho somary mikatso aho indraindray: tsy mahazo antoka ny amin’ny fomba tokony hivoarana, indrindra fa ara-panahy.
Nahita aho fa sahirana ohatra ahy koa ny tanora manodidina ahy. Ny sasany aza nandao ny Fiangonana mihitsy noho izy ireo mahatsapa ho tsy manan-tanjona na miatrika ny tsy fahatanterahan’ny zavatra nandrandrain’izy ireo. Matetika ny zavatra ataon’izy ireo no nampitombo an’isa ireo fanontaniana nananako mahakasika ny fiainana.
Nefa, amin’izao fotoana itenenana izao, ireo fanontaniana lehibe indrindra apetrako amin’ny Ray any An-danitra dia ny hoe: Ahoana no ahafahako mandresy ity fahatsapana tsy fananan-tanjona ara-panahy ity? Inona no tokony hataoko izao?
Rehefa nitolona tamin’ny famantarana ny valin’ireo fanontaniana ireo aho dia nianatra fahamarinana manan-danja vitsivitsy izay nanampy ahy namakivaky izao fotoana isian’ny fisalasalana izao.
Aza avela hampivily lalana anao ireo fanelingelenana
Nandritra io fotoana tsy nahafantarana izay tokony hatao manaraka na izay zavatra tokony handrandraina io, dia tsikaritro ny fomba ahafahan’ny fanelingelenan’izao tontolo izao manomboka mahazo vahana mora foana eo amin’ireo zavatra ara-panahy. Ny Rahavavy Rebecca L. Craven, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nilaza fa “Izao tontolo izao dia tototry ny zavatra mahavariana izay afaka mamitaka na dia ireo olom-boafidy aza, ka mahatonga azy ireo tsy hiraharaha firy amin’ny fiainana ny fanekempihavanan’izy ireo.”1
Nahita tanora hafa aho nanana olana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona taorian’ny fiverenany avy nanao asa fitoriana. Hitako koa ny nahatratraran’ny hafa ireo dingam-piainana lehibe toy ny fahavitan’ny fianarana teny amin’ny oniversite na ny fanambadiana kanefa nivily tamin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra rehefa tsy nanome toerana ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny zavatra fanaon’izy ireo vaovao izy ireo.
Nisedra ny mamy sy ny mangidy koa aho teo amin’ny ara-panahy. Nananosarotra ho ahy ny nanana faharisihana sy ny tsy ho tratran’ny hakamoana mahakasika ny resaka fahazarana ara-panahy, indrindra moa rehefa tsy tonga faran’izay hangana araka ny nanantenako azy ireo fitahiana sasany. Te handroso sy hivoatra lalandava aho. Tsy te hikatso ara-panahy aho. Kanefa indraindray dia tsapako ho toy ny hoe manaraka ny onjam-piainana fotsiny tsy manao na inona na inona aho.
Na izany aza anefa, rehefa manokana fotoana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho isan’andro, indrindra fa amin’ireo zava-madinika sy tsotra (jereo ny Almà 37:6), dia tsapako ny fampiononana sy ny filaminana entin’ny filazantsarany ho ahy, eny fa na dia misafotofoto aza izao tontolo izao.
Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo. Omeo ampahany araka ny tokony ho izy amin’ny fotoanareo Izy. Rehefa manao izany ianao dia jereo ny zavatra mitranga amin’ilay fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara ao aminao.”2 Rehefa minia misafidy ny hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy isan’andro sy manome fotoana ho an’ireo fahazarana ara-panahy izay mampifandray ahy Aminy aho, dia tsaroako ireo fotoana miavaka ara-panahy niainako ary mahatsapa ho manan-tanjona vaovao sy fanantenana ny amin’ny hoavy ary fanavaozam-pinoana aho.
Mikatsaha fitaomana ho amin’ny tsara
Ny fotoana iray hafa nahatsapako ho tsy nanan-tanjona dia ny taona farany nianarako teny amin’ny oniversite. Henjana ny fiainana tamin’izany. Tamin’ny fotoana nisian’ny valanaretina izany ka dia nandalo fahaketrahana aho raha tsy afa-nihetsika tao an-trano namita ny fianarako. Nisy fahatsapana tsy fahalalana izay tokony hatao sy tsy fahampiana fifandraisana teo amin’ny fiainako.
Nananosarotra ho ahy mihitsy aza ny nankany am-piangonana tamin’izany. Matetika aho no tsy maintsy manery tena ny hiarina avy teo am-pandriana, mbola nanao akanjo mandry, mba hihaino ny fivoriana fanasan’ny Tompo an-jotra satria izany no hany faharisihana voangoko.
Nandritra io fotoam-pahakiviana io dia nangataka fanampiana tamin’ny fianakaviako sy ireo namako aho ka nohazavaiko azy ireo ny fahatsapako ho tsy nanan-tanjona sy ketraka. Tsapako ho tsy nanam-panantenana ny amin’ny hoavy aho ary tsy fantatro ny fomba mety hampilamina ny zava-drehetra. Ary tamin’izay no nilazan’izy ireo tamiko fa nivavaka ho ahy sy nanohana ahy izy ireo na dia lavitra aza ny misy azy ireo.
Rehefa nangataka ny fanampian’ireo olona akaikin’ny foko izay nanam-pinoana lalina aho sy rehefa nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra mba hanana na dia sombina faharisihana ara-panahy monja aza, dia nahatsapa ny fanampiany sy ny fitiavany feno fanohanana.
Tsikaritro fa rehefa mandany ron-doa amin’ireo vokatra nandrandraiko izay tsy tanteraka, na amin’ny fisalasalako, na ireo olana manjo ahy aho dia mihamalemy ny finoako. Tsy hitako ireo fitahiana eo amin’ny fiainako. Kanefa rehefa mamela amim-paharisihana ny tenako mba hodidinin-java-tsoa aho, amin’ny alalan’ny famakiana ny tsodranon’ny patriarika ho ahy, sy ny fihainoana ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ary ny fanokanana fotoana iarahana amin’ireo olona akaikin’ny foko izay mitaona ho amin’ny tsara, dia miverina mifantoka amin’ny fiovana mahagaga entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako aho.
Na dia mazava tsara aza ny lalana manoloana anao indraindray na koa tsy mizotra araka izay nokasinao ny zava-drehetra, dia mbola misy hatsarana be dia be ao amin’ny fiainana ary misy fahafahana manao zavatra maro mitolotra aminao mba hanampy anao hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Misy zavatra betsaka hianarana sy fomba hivoarana foana, indrindra fa ara-panahy. Mangataha tari-dalana amin’ny Ray any An-danitra. Izy hanampy anao hikatsaka sy hahita fitaomana tsara sy fahafahana manome vahana ny fivoarana sy fianarana izay manodidina anao (jereo ny Ireo fanekem-pinoana 1:13).
Miezaha mafy hatrany
Mety hatanjaka na halemy ara-panahy isika indraindray. Indraindray isika mety hahatsapa ho matanjaka ara-pinoana sy faly ao amin’ny filazantsara. Kanefa amin’ny fotoana hafa dia mety ho sarotra ho antsika ny hahafantatra izay tokony hatao manaraka. Mety ho sahirana isika rehefa tonga ny olana, na mipetraka ny fanontaniana, na rehefa taraiky ny fahatongavan’ny fitahiana, indrindra fa rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hiainana ny filazantsara. Mandritra ireny fotoan-tsarotra ireny dia matetika aho no mahita olona mizotra amin’ny anankiray amin’ireo lalana roa misy: ny iray dia mitondra azy ireo hankany amin’ny Mpamonjy, ary ilay iray hafa kosa tsy mankany.
Ampitahaiko amin’ilay tantaran’i Mosesy sy ny menarahan’afo (jereo ny Nomery 21:8–9) indraindray ireny fotoana ireny. Nony niandrandra mafy ny ho sitrana ireo Isiraelita rehefa avy nokaikerin’ny bibilava nisy poizina, dia nomen’i Mosesy fomba tsotra iray izay mahavonjy izy ireo: mibanjina fotsiny ilay menaran’afo izay maneho an’i Jehovah. Izany fotsiny no nila nataon’izy ireo. Topimaso iray monja dia ho velona izy ireo. Kanefa maro be ireo nisafidy ny tsy hanao izany ka maty. (Jereo ny 1 Nefia 17:41.)
Izany tantara izany dia mahatonga ahy hieritreritra momba ny fitondrantsika ny vesatry ny poizin’ny fahadisoam-panantenana sy ny lolom-po aterak’ireo zavatra nandrandraina izay indraindray tsy tanteraka, kanefa dia manoloana antsika eo ny fanafodiny!
Ny fanalahidin’ny fahatsapana fanantenana, sy fiadanana, ary finoana ho an’ny hoavintsika dia ny mibanjina tsotra izao an’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 8:14–15; Jaona 3:14–17).
Lozabe aho hatrizay amin’ny fanakianana ny tenako rehefa manao hadisoana aho. Kanefa noho izaho niezaka mafy ny hianatra momba ny Ray any An-danitra sy hino Azy sy i Jesoa Kristy, dia fantatro fa izaho dia afaka miantehitra amin’Izy Ireo lalandava amin’ny famelana ahy, sy ny fivoarako ary ny fanasitranana ahy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Fantatro fa rehefa mibanjina Azy Ireo amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy, sy ny fandaniana fotoana any amin’ny tempoly ary ny filofosana amin’ny antsoko aho dia mahatsapa fankasitrahana sy fanavaozana.
Rehefa mikatsaka Azy Ireo aho dia mahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny maha izy azy: fialofana manome fankaherezana, sy fiarovana ary fanasitrana amin’ireo bibilavan’izao tontolo izao.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona tamim-pitiavana hoe: “-Fanantenana mamirapiratra sy lavorary,- avy amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra, izany no irinay ho anareo. … Miaraka amin’izany fanantenana mamirapiratra izany ny bitsika tsy azo lavina fa tia anareo Andriamanitra, fa i Kristy no ilay Mpisolovavanareo ary marina ny filazantsara. Hampahatsiahy anareo anie ny famirapiratan’izany fa misy fahafahana vaovao, sy fiainana vaovao ary taona vaovao foana isan’andro isan’ora ao amin’ny filazantsara. Tena fahagagana izany! Tena fanomezana re izany! Ary noho ilay fanomezan’i Kristy dia ho antsika ireo zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika raha manohy mino sy manohy miezaka ary manohy manantena hatrany isika.”3
Mandrosoa mankany amin’i Jesoa Kristy
Ny fahatanorana dia mitondra fiovana maro, zavatra tsy ampoizina be dia be, eny, fa na dia ny zavatra nandrandraina izay indraindray tsy tanteraka aza. Saingy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia azo antoka lalandava sy tsy miova mandrakariva. Ary ny fampanantenana omeny sy ny Ray any An-danitra dia azo antoka raha mbola manohy mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. Indraindray dia ataon’izao tontolo izao sarotra ho antsika ny manohy mifantoka Aminy. Saingy fivoarana ny fanaovana ny dingana mandroso rehetra izay mitondra antsika mankany Aminy. Rehefa mandroso mankany amin’i Kristy isika dia tsy mba tsy manan-tanjona velively. Mandroso mankany amin’ny fanantenana sy ny fiadanana ary ny fifaliana isika.
Monina any Manchester, Angletera ny mpanoratra.